Ny fitiavana dia fahafahana

1. soanja ( 05/10/2007 03:24)
Rehefa mahatsiaro fa olon'afaka ianao ao anaty fiarahana iray dia izay no atao hoe sambatra am-pitiavana, manankarena ao am-po tia, miriaria feno fitia !

Sa tsy izany?





répondu par bilakarenjy le 07/10/2007 03:38
2. Jeankely ( 05/10/2007 05:10)
Afaka mianatra, afaka miaina ary afaka mivoatra sy mivelatra araka ny rariny ve sa afaka manarampo amin'izay eritreritra tiana hatao? Misy foana ny fetra tsy azonao atao ary mety misakana ny fahafahanao iny. Ny zavatra tsara rehetra dia misy aro atao aminy nefa iny lasa fetra. Raha miala kely maka ohatra ivelany aho hoe tsara ny zava-boahary sy ny manodidina ary harovana amin'ny loto, ny afo tsy ahasimba ny ala sy ny sisa. Raha sahala izay koa tsara ny fitiavana ary tsy maintsy misy fepetra hiarovanao azy fa tsy iny akory no ilazana fa olona voegeja sy tsy misy fahalalahana. Malalaka be izany ny dikan'io fahafahana io.
3. ari.malala ( 05/10/2007 07:15)
soanja:

Rehefa mahatsiaro fa olon'afaka ianao ao anaty fiarahana iray dia izay no atao hoe sambatra am-pitiavana, manankarena ao am-po tia, miriaria feno fitia !

Sa tsy izany?









Miombon-kevitra tanteraka :)
4. bilakarenjy ( 05/10/2007 07:16)
Ny tsapako fa fahafahana eo @ fitiavana de ny fanajana sy ny fahatokisan'ilay olon-tianao anao sy ny fanajanao ary ny fitokisanao azy koa .Mifamaly izany ny fitiavan'olon-droa .
Tsy tokony handeha ila ny fitiavana ,fa izay atao @ iray de atao @ iray koa .
Raha mibaiko anao izy ,de mba baikoy koa .
Raha mandroso sakafo eo am-pandriana ho azy ianao de mba hanatero sakafo eo am-pandriana koa izy .
Raha manompa anao izy de mba ompao koa .
Raha mahatsiaro ny fitsingerenan'ny andro nahaterahanao izy de mba tsarovy koa ny azy .
Ny surprise @ izany moa tsy ferana ,raha tena tiana ho lalim-paka ilay fitiavana sy fiarahana .



de io misy raozy menakely mampitsikitsiky .
5. kally ( 05/10/2007 07:50)
Raha io hevitr'i Bilakarenjy io ve tsy lasa gadra ny fitiavana? Satria nanolotra voninkazo ho ahy izy dia tsy maintsy mba hanolotra koa aho ve? mhmm:roll: toa tsy izay koh!
6. mandrindra ( 05/10/2007 08:02)
ilaina ny fahafahana ao anatin'ny fitiavana, fa saingy tsy mahafehy ny fitiavana ny fahafahana
7. xxx ( 05/10/2007 08:30)
Jeankely:

Afaka mianatra, afaka miaina ary afaka mivoatra sy mivelatra araka ny rariny ve sa afaka manarampo amin'izay eritreritra tiana hatao? Misy foana ny fetra tsy azonao atao ary mety misakana ny fahafahanao iny. Ny zavatra tsara rehetra dia misy aro atao aminy nefa iny lasa fetra. Raha miala kely maka ohatra ivelany aho hoe tsara ny zava-boahary sy ny manodidina ary harovana amin'ny loto, ny afo tsy ahasimba ny ala sy ny sisa. Raha sahala izay koa tsara ny fitiavana ary tsy maintsy misy fepetra hiarovanao azy fa tsy iny akory no ilazana fa olona voegeja sy tsy misy fahalalahana. Malalaka be izany ny dikan'io fahafahana io.



Marina izany, sarotra be ny mamaritra ny atao hoe fahafahana mantsy . Misy fiteny vazaha izay hoe votre liberté s'arrête là où celle de l'autre commence . Haintsika foana ve ny mamaritra io limite io
8. booboo ( 05/10/2007 08:48)
tsy dia mahatadidy mpanoratra loatra zà fa ouz hoe (aza tsiny fa tsy haiko mandika azy teny malagasy) :
"ce n'est pas tellement de liberté qu'on a besoin, mais de n'être enchaîné que par ce qu'on aime".

Io no maritra kokoa ny fahatsapako. Tsy hoe voafatotra gadra, fa te ho "aina iray" @ ilay tiana.

(...)
Tsy fatoram-boady
Na gadram-pivady
Fa mahery ny fitia
(...)
9. Fiffi ( 05/10/2007 08:55)
fa mahery ny fitia....eka ouz....
10. pitoussy ( 05/10/2007 09:12)
hozizy ny tononkiran'i Bodo oe :

"...Aina miray
tsy vaky lay
toa ty sy nday
lakam-pitia
fo mifangia
miara-dia ..."

d zay zany le fitiavana hono :roll::)
11. soanja ( 05/10/2007 10:32)
Jeankely:

Afaka mianatra, afaka miaina ary afaka mivoatra sy mivelatra araka ny rariny ve sa afaka manarampo amin'izay eritreritra tiana hatao? Misy foana ny fetra tsy azonao atao ary mety misakana ny fahafahanao iny. Ny zavatra tsara rehetra dia misy aro atao aminy nefa iny lasa fetra. Raha miala kely maka ohatra ivelany aho hoe tsara ny zava-boahary sy ny manodidina ary harovana amin'ny loto, ny afo tsy ahasimba ny ala sy ny sisa. Raha sahala izay koa tsara ny fitiavana ary tsy maintsy misy fepetra hiarovanao azy fa tsy iny akory no ilazana fa olona voegeja sy tsy misy fahalalahana. Malalaka be izany ny dikan'io fahafahana io.


Marina dia marina.

Ny fahafahana dia misy fetra saingy ny fetra apetrakao tsy midika ho fangejana satria ianao no misafidy handray azy.

Ny fetra no milaza ILAY FITIAVANA.

"Ianao tia no mematra ny fitiavan-tenanao mba tsy hihoapefy sanatria ka handratra ilay tiavinao!" fa saingy kosa raha ilay tiavinao no hametra ilay fitiavan-tenanao dia izay no fangejana.

Mila miantomboka avy any aminao foana ny fakana na fiahina ny fiarahanareo ary ny fomba ahafantatranao izany "fiahiana" izany dia amin'ny alalan'ny firesahana, fahafantarana ilay olon-tiavina, fahatokisana ary fijerena ny ho avy iombonana. Tokony hahatsapa izany ho mifamaly anefa ianao vao handaitra ny fitiavana. :-*:-*:-*:-*


12. xxx ( 05/10/2007 10:47)
miandry ny tohiny tantaranao zahay ry soanja a! toa tsy hita intsony
13. xxx ( 05/10/2007 10:47)
miandry ny tohiny tantaranao zahay ry soanja a! toa tsy hita intsony
14. xxx ( 05/10/2007 10:47)
miandry ny tohiny tantaranao zahay ry soanja a! toa tsy hita intsony
15. soanja ( 05/10/2007 11:00)
xxx> Ny tena olako rehefa nodinihiko de zah tsy mahatanty tsikera. Io hoe tsy fahatantesana io tsy hoe tezitra na malahelo fa tena manisy fiantraikany amin'ny fitantarana azy mihitsy, tena lasa tsy miodina ilay fitantarako azy.
De naleoko soratana mangina ho ahy aloha le izy. Rehefa tsy afaka mahita tsikera tsony zah de mamaky ianareo; Zany hoe amin'ny alalan'ny boky.
Amzay de mba mifamaly ilay fitiavana. :-*:-*:-* aza manahy fa efa mikarakara zah isanandro amakianareo azy tsy ho ela.
16. bilakarenjy ( 05/10/2007 14:04)
kally>tsy voatery hoe :tsy maintsy hanolotra vonikazo koa ianao ,fa ilay fahafantaranao ,fa misy olona mahatsiaro anao ka maneho fitiavana anao no tena zava-dehibe de lasa mandeha ho azy koa ny fahatsiarovanao azy .
Izay atolotrao tsara sady tiako daholo ,de omeko :-*:-*:-* mamy be ianao ,de ampiako


masaka ifotony .

soanja>tohizo milamina ny asasoratrao de raiso koa ny resaky ny namana ,fa tia anao izy matoa manome ny heviny ,fa manatsara anao izany ,de aleo omeko toerana mahafinaritra ianao ok!



de mazotoa an!
17. soanja ( 05/10/2007 14:19)
Oh Bila> Misaotra indrindra na ny torohevitra na ny ilay ankafizin'ny maso manaitaitra ny saina.
Ao fa eritreretiko hoe aiza ho aiza eo no misy ahy. :-*:-*:-*:-*
Eritrereto koa hoe maka iray amin'ireo voasary ireo zah dia atolotro anao.
18. bilakarenjy ( 05/10/2007 14:46)
ataoko fa ho lasa lavitra ny aingam-panahinao eo de sady mahazo voasary mamy koa .no mbola tolorako



Mety daholo izay itoeranao na eo @ io seza io na etsy ambany ,fa eritrereto hoe : ery lavitra ery za !

19. xxx ( 05/10/2007 14:51)
ka lay makafy azy eto mihintsy no tsara koa ny olona tsy maintsy mahazo milaza ny tiany ho lazaina e!aza mihaino ny vavany mpitaty ra-kena
20. soanja ( 05/10/2007 16:00)
xxx:

ka lay makafy azy eto mihintsy no tsara koa ny olona tsy maintsy mahazo milaza ny tiany ho lazaina e!aza mihaino ny vavany mpitaty ra-kena


Mba tena tiako ho heno mihitsy anie izao vavan'ny mpitaty ra-kena izao e! :-D Raha mankany amin'ny labatoara ve zany tena mety aheno an'io tokoa?

xxx> raha nisy zavatra nahafinaritra ahy indrindra hatramin'ny nidirako teto iray taona lasa mahery izay dia ny nahafahako nitantara izay tantaraina.

Saingy indrisy fa tena nampiova ahy koa izany satria teo vao tena fantatro ny momba ahy. :(
Aleoko manana boky toy izay manana aretina. :-*:-*



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2402