tsy azoko ny hoe mbola maha virja an'i M.Maria?

1. bosista ( 12/09/2007 09:05)
natao raharaha izy roa de efa mpivady ary efa niray trano,ary efa nitokatrano koa,eny e rehefa hitan'i md Josefa aloha fa bevohoka i M.Maria dia niady saina izy ary tonga taminy ny anjely nanazava ne fandehan'ny zaza tao an-kibo,dia nazava aminy ny fandehan-javatra tsy nanome divorce an'i M.Maria izy,fa niara-nitoetra ry zareo, ary mbola voalaza ao amin'ny bible fa rehefa feno 12 taona i Jeso-kristy dia nentin'izy roa niakatra tany jerosalem mba hamonjy fety,midika izany fa niara-monina sy nitokatrano ry zareo roa fa mbola tsy nisaraka,fa apres-nio an de tsy hita intsony ny tantaran'i ra-Josefa satria otran'ny mitsambikina ny tantara fa tonga de fa i jesosy feno 30taona no tantarainy,de eto le fanontaniana hoe:mandritr'izay ampolony taona maro izay ve,de tsy niara-matory ve izy roa ?nefa mba mpivady vita fomba ara-dalana? misy olona mpivady ve mba mahavita an'izany hoe anatin'ny iray taona ohatra miray trano izy @ vadiny fa tsy manao?mba misy mahatanty an'izany ve?de ahoana izany hoe maherin'ny folo taona tsy manao? inn no antony misakana tsy hanaovana?de ahoana ny fandehan'ny fanambadiana amin'izany?
répondu par Azrael666 le 15/04/2025 11:13
2. hery ( 12/09/2007 09:32)
Mbola betsaka ny zavatra hafa tsy azonao...
3. simplex ( 12/09/2007 10:02)

vao nosoratako tary @ le blaogyn'ol tary omaly ity, averiko eto ndray:
Miasa ny Fanahy Masina :P

Mampiova ny finoana v ny maha virja na tsia an'i M.Maria? :)

Minoa fotsiny ihany :roll::°)

4. tywa68 ( 12/09/2007 10:09)
Tsy ny voasoratra ihany no tsara inoana ... ka dia mahereza mitady fa hahita ! mivavaha dia mihainoa fa ho azonao ny valiny :lol:
5. Jeankely ( 12/09/2007 11:48)
Dia maninona io raha tsy azo. Rehefa mino io ianao dia tsy mila manontany betsaka raha tsy mpino dia ny fihevitrao no tananao tsy hiova fa tsy misy tokony hanozongozonanao ny finoan'ny sasany.
Raha miresaka Budhidarma ianao ohatra dia misy izany hoe nanao meditation 3 taona ary tsy nihinankanina fa sahala ny maty tao foana mba handramo hazavaina izany zavatra izany fa simban-dry zalahy ianao raha eo akaikiny.
Ho an'ny Silamo misy zavatra ataony ary aza be resaka eo anatrehany fa aminy lasa any andanitra izy rehefa mahafaty ny heveriny ho demony aminy.
Samia manaja izay finoany fa aza mifanozongozona. Ny zavatra aletra anaty ny sainao dia tsy misy saka miondan-kena ka raha lehilahy tsy hanaiky ny tsy hanao firaisana raha miray trano. Tsy izany ny resaka finoana. Rehefa tsy takatra dia hinoana fotsiny na lavina fa hajaina kosa izay mino sao mampiditra angano. Manatona ny silamo mivavaka dia hanianio sahala ny ataonao ny Christian ahitanao fa maty hatramin'ny vady amanjanakao.
6. dadie ( 12/09/2007 11:55)
Mpandefa : bosista [ Valio ] 12-09-2007 11:05:41
Lohateny : tsy azoko ny hoe mbola maha virja an'i M.Maria?
natao raharaha izy roa de efa mpivady ary efa niray trano,ary efa nitokatrano koa,eny e rehefa hitan'i md Josefa aloha fa bevohoka i M.Maria dia niady saina izy ary tonga taminy ny anjely nanazava ne fandehan'ny zaza tao an-kibo,dia nazava aminy ny fandehan-javatra tsy nanome divorce an'i M.Maria izy,fa niara-nitoetra ry zareo, ary mbola voalaza ao amin'ny bible fa rehefa feno 12 taona i Jeso-kristy dia nentin'izy roa niakatra tany jerosalem mba hamonjy fety,midika izany fa niara-monina sy nitokatrano ry zareo roa fa mbola tsy nisaraka,fa apres-nio an de tsy hita intsony ny tantaran'i ra-Josefa satria otran'ny mitsambikina ny tantara fa tonga de fa i jesosy feno 30taona no tantarainy,de eto le fanontaniana hoe:mandritr'izay ampolony taona maro izay ve,de tsy niara-matory ve izy roa ?nefa mba mpivady vita fomba ara-dalana? misy olona mpivady ve mba mahavita an'izany hoe anatin'ny iray taona ohatra miray trano izy @ vadiny fa tsy manao?mba misy mahatanty an'izany ve?de ahoana izany hoe maherin'ny folo taona tsy manao? inn no antony misakana tsy hanaovana?de ahoana ny fandehan'ny fanambadiana amin'izany?

:roll:
7. zoubelou ( 12/09/2007 12:10)
Bosista: Tadidio koa fa betsaka ny tantara tsy voasoratra ao am baiboly. Ny tantaran'ny fiainan'i Jesoa amin'ny maha-olombelona azy dia tsy hita ao mihitsy. Misy film zay hoe "La derniere tentation du Christ", mitantara ny fiainan'i Jesoa zay tsy voatantaran'ny Baiboly. Jereo ange io film io fa tonga saina toi e! Ny tiako lazaina d hoe ny baiboly dia DOGME, zany hoe inoana fotsiny fa raha miditra lalina d lasa adala eo!!!8O8O8O
8. gasynamana ( 12/09/2007 12:48)
Dia maninona io raha tsy azo.

Tsy maninona tokoa raha tsy azo,saingy ilaina ny mandalina mba hampitombo ny finoana. Raha maha tapa-doha any amin'ny hafa ny fandalinana mba hahalala misimisy kokoa ny amin'ny finoana dia aza ampitovina amin'izany kosa ny ao amin'ny fiangonana kristiana.

Minoa fotsiny ihany: tsy midika io fa mijanona amin'izao. Ataoko fa fony i Pilaty nanontany an'i Jesoa hoe: Inona no marina? dia tsy namaly Jesoa. Ny anton'izany dia tiany raha hikaroka sy handalina isika fa tsy handray fotsiny. Misy namana zay milaza matetika eto hoe: nomena saina handinika isika ka mandiniha, nomena fanahy hahalala ka mandalina.
9. ivih ( 12/09/2007 13:53)
za ko tsy maazo
10. Jeankely ( 12/09/2007 14:05)
Tsy olona tia hampitombo finoana no mitady ny maha-virjiny an'i Maria fa olona tia hanabaty ny mpino an'i Maria. Ny katolika no tiany velesina.
Resabe io ary tiana porofoana fa tsy maintsy nitsaingoka kely raha sahala ny lehilahy rehetra Josefa. Halalino raha mety ahita valiny. Efa hoe maria virjiny koa inona indray.
Misy koa ny vehivavy mivady amin'ny angatra ary manao firaisana amin'ny angatra ka asa na demony izany na ahoana. Anotanio ny vehivavy misy tromba hilazany azy aminao fa tena mifampipaopy ambony fandriana amin'ny tsy hita maso izy. Tsy izao no mahalala fa mba efa nivoaka faritany aho ary izireo no mitantara.
11. ikaretsaka ( 12/09/2007 14:40)
tywa68:

Tsy ny voasoratra ihany no tsara inoana ... ka dia mahereza mitady fa hahita ! mivavaha dia mihainoa fa ho azonao ny valiny :lol:


miombon-kevitra efa hatry ny ela
12. zoubelou ( 12/09/2007 15:31)
K'efa hoe minoa fotsiny ihany, sady "Sambatra izay mino nefa tsy mahita"
13. soanja ( 12/09/2007 15:58)
bosista:

natao raharaha izy roa de efa mpivady ary efa niray trano,ary efa nitokatrano koa,eny e rehefa hitan'i md Josefa aloha fa bevohoka i M.Maria dia niady saina izy ary tonga taminy ny anjely nanazava ne fandehan'ny zaza tao an-kibo,dia nazava aminy ny fandehan-javatra tsy nanome divorce an'i M.Maria izy,fa niara-nitoetra ry zareo, ary mbola voalaza ao amin'ny bible fa rehefa feno 12 taona i Jeso-kristy dia nentin'izy roa niakatra tany jerosalem mba hamonjy fety,midika izany fa niara-monina sy nitokatrano ry zareo roa fa mbola tsy nisaraka,fa apres-nio an de tsy hita intsony ny tantaran'i ra-Josefa satria otran'ny mitsambikina ny tantara fa tonga de fa i jesosy feno 30taona no tantarainy,de eto le fanontaniana hoe:mandritr'izay ampolony taona maro izay ve,de tsy niara-matory ve izy roa ?nefa mba mpivady vita fomba ara-dalana? misy olona mpivady ve mba mahavita an'izany hoe anatin'ny iray taona ohatra miray trano izy @ vadiny fa tsy manao?mba misy mahatanty an'izany ve?de ahoana izany hoe maherin'ny folo taona tsy manao? inn no antony misakana tsy hanaovana?de ahoana ny fandehan'ny fanambadiana amin'izany?



Ny finoana dia zavatra tsy azo tsapain-tanana ary matetika tsy voazavan'ny saintsika olombelona.
Ny hoe VIRJINY dia miaraka amin'ny dikany samihafa sy mifandray raha ara-panahy no zohina.
Ny baiboly rahateo moa izany NANDINGANA???? WHY???
Mikaroha sy mitadiava ampitiavana fa ahita ny valiny ianao. Mahereza hatrany mametraka fanontaniana, tsy eto ihany akory fa amin' Izy ATRA. :-*:-*:-*:-*


14. ikaretsaka ( 12/09/2007 16:08)
namaste
15. xxx ( 12/09/2007 16:38)
Raha ny baiboly fotsiny aloha no jerena dia tsy marina hoe "virjiny mandrakizay" i Maria. Maro ny andinin-teny manamraina an'izany ao @ Baiboly. Manana rahalahy sy anabavy i Jesoa. Raha misy liana dia afaka alefako eto ireo andininy ireo.
Misy manko tsy mandray ny baiboly hanitsiana izay diso fa mino fotsiny ny "dogme" avy @ olombelona.
Nisy documentaire iray izay koa vao vetivety nandeha t@ tv nilaza ny fisian'ny rahalahy sy anabavin'i Jesoa.
Virjiny izy t@ niteraka an'i Jesoa.
Vehivavy reny sy vady izy ary niteraka taorian'izay.
16. ikaretsaka ( 12/09/2007 16:52)
izay koa aloha mbola marinina!

fa tsetsatsetra tsy aritra @ teny Hebrio kosa aloha dia ny hoe "rahalahy sy anabavy" sy ny "cousins cousines" dia teny 1 ihany avy ihany ny dikany e

samy Hiram: ny rahalahy sy cousins
dia samy Adelpha: ny Rahavavy anambavy, cousines

(efa tratra aho manko hoe iny bavinay iny bavinay, iny dahinay.. dia nitanaka fotsiny hoe fa firy mianadahy ianareo.. telo ihany ka.. ko ny hoe iny bro anao dia iny sister anao? kay moa cousins no tian'ilay jiosivavy lazaina)
17. zoubelou ( 12/09/2007 16:53)
Aza alefa lavitra loatra fa zany ange no mahatonga ny oul sasany lasa athée e! Mandinika lalina loatra d hitany ny marina ny farany...8O8O
18. ikaretsaka ( 12/09/2007 16:57)
ka mandinika ange fa asiana base e
19. ravakamalala ( 12/09/2007 19:35)
Andriamanitra dia toy ny masoandro, saro takarina ary saro patarina, tsy azonao atao ny mibanjina ny masoandro eo foana fa ho jamba ny iafaranao, saingy misy ny tara pahazavana aterany , na ny hafanana aterany izay ahafahanoa mahafantatra bebe kokoa ny momba azy.
Ka dia mibaliaka ny masoandro ry bosista, alaivo ny anjara masoandronao dia kolokoloy!
20. fijo ( 12/09/2007 19:51)
izao no tsapako raha mamaly eto nareo mpino.
-ianareo rehetra aloha dia manao valintenin'ny tsy mahita ambara fa tratra amin'ny marina.
tsy misy valiny azo ato tokoa moa eo fa de hoe mino na tsia.
-ny mpino sasany indray,dia matahotra hovoahozongozona,satria ngamba tsy ampy le finoany.
ny sasany kosa mitana izany na dia tsy hafaka hamaly aza.
izay no fahitako anareo etoizao tamin'ity.

fa raha hamaly ilay fanotanina aho,dia tsotra.i maria dia bevohoka talohan'ny nanambadiany an'i josefa;ary io araky ny mpahay tantara dia efa saika anarian'i josefa azy.de nisy nandrebireby teo moa lery dia nanaiky ihany.
ny tena marina izany dia zazasary jesoa.hialako tsiny fa izay no izy.ary tsy virja izany maria fa ,satia moa tantara ny baiboly dia natao izay hanatsarana ilay fandehany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0603