tsy azoko ny hoe mbola maha virja an'i M.Maria?

21. ikaretsaka ( 12/09/2007 19:55)
mety koa hoe samihafa ilay sens an'ilay virja ka
fa raisintsika foana @ ilay zy heo "firaisana ara nofo" foana
mety hoe madio ngamba no tian'ilay olona lazanaina
asa! CD Virja ohatra na Iles Virja na foret Virja, ireny izao tsy nisy nanao firaisana ara nofo tamin'ireny nefa ireny atao hoe virja..
sa laisany efa nikarakara CD?:wink:
22. fijo ( 12/09/2007 20:02)
ka zay le lazaiko hoe ny baiboly aza dia raisina main'ilay voavaky ao,fa mety hevitra hava no resahiny.ka raha le ao no raisina dia io fanina io ny akama
23. gasynamana ( 12/09/2007 22:21)
Ny marina tsy azo lavina dia izao: i Maria dia virijiny no niteraka an'i Jesoa. I Jesoa dia tsy zazasary araka izay filazan'i Fijo azy fa nanana ny rainy. Tsy miaro tena na tsy misy alahatra aho milaza an'ireo fa izay no marina.

Ny manaraka an'io dia nanana ny vadiny izy. Tsy nanimba na nanova ny maha virjiny aza anefa izany, ary tsy nanova koa fa i Jesoa dia teraka araka ny Fanahy fa tsy araka ny nofo. Eto dia aoka ianao rafijo no mba handalina kely, na handefa saina lavidavitra kokoa fa tsy hijananona fotsiny amin'ny resaka hoe: raha tsy miray tsy miteraka. Fantaro fa na inona fanazavana omenao na inona izay nisy voalohany dia nisy nefa tsy nisy firaisan'ny lahy sy ny vavy nampisy azy.
24. majesty ( 13/09/2007 04:55)
fijo: hay isé mpandinika tantara ihany,noho izany azo heverina hoe resy lahatra ara-tantara fa nisy Jesoa,dia soso-kevitra hoe sao dia azo ovaina ilay takelaka manokana atsy hoe "tsinisy Jesoa":D

Amiko manokana t@ niteraka an'i Jesoa i Maria no virijiny,fa avy eo dia niteraka izy sy Josefa (raha zohiana ihany koa ny tantara dia manamarina fa io voalaza ao amin'ny soratra masina io dia tena anadahiny sy anabaviny iray tampo fa tsy cousin na cousine akory)

hoy zoubelou:
Aza alefa lavitra loatra fa zany ange no mahatonga ny oul sasany lasa athée e! Mandinika lalina loatra d hitany ny marina ny farany...


Tena ilaina ny manao fandinihana manokana sy miditra lalina raha azo atao satria tsy mety ilay manao zazabe fotsiny hoe aza mandaka rindrina fa mahafaty renibe dia mino tokoa.
25. ikaretsaka ( 13/09/2007 05:25)
majesty.. porofoy ary ..efa io navoakako io ny antithesen'io "aminao manokana io... dia avoahay ny porofonao ary


izaho:
fa tsetsatsetra tsy aritra @ teny Hebrio kosa aloha dia ny hoe "rahalahy sy anabavy" sy ny "cousins cousines" dia teny 1 avy ihany ny dikany e

samy Hiram: ny rahalahy sy cousins
dia samy Adelpha: ny Rahavavy anambavy, cousines

(efa tratra aho manko hoe iny bavinay iny bavinay, iny dahinay.. dia nitanaka fotsiny hoe fa firy mianadahy ianareo.. telo ihany ka.. ko ny hoe iny bro anao dia iny sister anao? kay moa cousins no tian'ilay jiosivavy lazaina)

26. tywa68 ( 13/09/2007 05:37)
Ho antsika rehetra eto : i jesoa dia tsy zaza namboarina ara-nofo, fa zanak'Atra, ary vehivavy virjiny sy voafidy no natao hitondra azy. Manome hasina an'i Maria zany aminay katolika, Masina Maria zany no fiantsoanay azy.

Ny fanontaniana ery ambony be dia be : ary inona no tena tsara valiana @ireo 6 be ireo ?

Tsy hamerina ny efa nosaratako ery ambony aho hoe tsy ny voasoratra ihany no hifantohan'ilay finoana an'Atra, fa ny tsy misoratra koa !

Isika rehetra dia samy manana ny fanomezana sy fahasoavana azo avy any Aminy, ary isaorana mandrakariva ny Tompo izany, fa tsy manala antsika ho zanak'Atra ny tsy fitoviana (na mino ianao na milaza fa tsy mino nefa manaraka ny tantara ry fijo) :lol: sa te-antsoina hoe zanaka demony ?

6 ny fanontanian'i bosista : ary momban'ilay fiainan'olombelona tsotra zany hoe fiainan'ny mpivady, ny firaisan'ny mpivady zay milaza fa tsy ho virjiny raha miara-mipetraka.

Tsy manala ny finoana efa lalimpaka ato amiko izany fanontaniana zany satria Masina Maria voafidy satria virjiny = Renin'Atra dia ampy hanajaiko azy sy hiangaviako azy hivavaka ho ahy sy ny fianakaviako ary ny namako.

Mitadiava dia hahita, mihainoa dia haheno ary atolory am-bavaka zay atao rehetra fa hanampy anao ny Tompo tia antsika.:-*
27. Jeankely ( 13/09/2007 05:38)
Ny fandinihana dia tena ilana tokoa saingy anisany tsy nampandroso ny Malagasy dia ny zavatra tsy dia ilaina dinihana na ny fandinihana efa vitan'ny olona no tiany haverina dinihina. Raha tena tia ampiavaka an'i Madagasikara dia mba mandinika zavatra vaovao ary mamoaka zava-baovao izay tsy mbola nisy nahita. Izay tsy mbola hanananatsiaka rehetra tsy misy ankanavaka. Maro ny nianatra sy be fahalalana saingy samy nijanona teo amin'izay fahalalana noratovina eran'izao tontolo izao. Ny hiriana dia ny mba hisy Formule avy amin'ny Malagasy. Aza mihevitena ho tia fandinihana raha resaka Maria virijiny no halalinina. Ny rehetra POSSIBLE ho an'Andriamanitra. Ny olombelona no vao miezaka mahita izay mety hitranga. MARIA TENA VIRIJINY mikatona tsara.
28. ikaretsaka ( 13/09/2007 06:07)
misaotra anareo dahy ary miombon-kevitra.
Vitan'Andriamanitra tokoa ny naha virja an'i Maria ka, izao tontolo izao aza vitany ny nahary azy ko mainka fa zavatra kely ohatran'izany?
izay no maha "nohasovina azy nohon'ny vehivavy rehetra" hafa i maria

Ny fandinihana dia tena ilana tokoa saingy anisany tsy nampandroso ny Malagasy dia ny zavatra tsy dia ilaina dinihana na ny fandinihana efa vitan'ny olona no tiany haverina dinihina. Raha tena tia ampiavaka an'i Madagasikara dia mba mandinika zavatra vaovao ary mamoaka zava-baovao izay tsy mbola nisy nahita.

izay indrindra!!
29. tywa68 ( 13/09/2007 08:23)
Ika : inona moa no isaoranao anay fa mba samy maneho ny saimpatany eto e ! :wink:

Aleo mihira kely aloha = Ry Renin'Atra ô (2) midera anao izahay e ...:-*
30. bosista ( 13/09/2007 09:20)
manaona daoly,
iza no milaza amindrazankely fa katolika no tiako ho velesina ?inn zao no ifandraisan'io fanontaniana io @'izany? fa maninona ianareo no ratsy fijery otran'io? fanontaniana ny ahy ary forum no atao eto, satria mba tonga saina aho hoe mbola virja i maria nefa raha jerena ny baiboly otran'ny tsy mifanaraka amin'izany, ka hoy izaho hoe tsy lainga ve ny filazana fa mbola virja izy? moa manimba ny maha-masina azy ny filazana hoe efa tsy virja izy???
ary le le izy tsy hoe resaka finoana sy tsy finoana fa resaka realite,sa tsy misy zavatra azo hamarina ny @ finoana fa de minoa fotsiny ihany? io minoa fotsiny ihany sans fandalinana io anie no nahabetsaka ny secte,aza manontany fa minoa fotsiny ihany!!!
le io tsy manadihady io no mahatonga ny sasany taloha nanompo A/TRA TSY FANTANY
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=Asa&Toko=17/23
31. tywa68 ( 13/09/2007 10:01)
ka nahazo valiny ve enao ry bosista sa dia niova hatezerana ny resaka ifanaovana eto ?

Ny tiako fantatrao, tsy hiteny ho an'ny hafa aho, dia aza maniratsira ny olona manaja sy mandray an'i Masina Maria ho Renin'Atra, hafa noho ny vhv rehetra izy, ary efa reraka ny tena mamerina fa ohatrany mananihany moa ny tsy katolika, fa tsy olana fa zay zany no hitany fa mahasamihafa azy (zay fanesoana sy filazàna fa zay tsy misoratra dia tsy misy, na zay tsy azo dia tsy mazava dia demony izay no tsy hampitovy mihitsy :lol: ka ny baiboly dia boky, fa rehefa tsy mahay mivavaka mamaky azy, dia zavatra hafa no hita ao, ny sexualité ny josefa sy maria, tsy virjiny maria ... tsy niakatra any an-danitra, ny maty tsy mikaoty e sns... samia mieritreritra e ! :-*
32. Jeankely ( 13/09/2007 13:44)
Averiko ihany fa raha tia handalina dia mba zavatra hampiavaka an'i Madagasikara havoaka ary aza miseho tia mandalina nefa kely loha. VIRIJINY izy ary tsisy ady hevitra io. Iza no milaza aminao fa mahay noho ireo mino an'i MARIA ho VIRIJINY ianao? Mba mandinintena fa aza miseho be fandalinana nefa poakaty. Mba lazao izay mba zavatra voadinikao na ny research vitanao. Aza miseho favy ary aza maniratsira rehefa tsy mino. VIRJINY izy ho an'izay MINO. Ny sainao no goakabe. Mibosista nefa tsy mahay=))=))=))
33. ikaretsaka ( 13/09/2007 16:59)
na tsy virja intsony aza ange hoa i maria dia afaka nataony hoe miverena ianao Ramaria ho virja e de lasa virja Ramaria!
(azafady @ le Ramaria fa za zatra Betsileo)
34. aloalo ( 13/09/2007 17:38)
i Masina Maria dia voafidy hitondra ny zanak'Andriamanitra.

ny mpino katolika dia matoky fa tsy misy pentina izy (immaculée), madio.
Ao anaty baiboly misy hoe ireo ny rahalahinao (@ Jeso dia ralahiny daholo ny oul rehetra, tsy midika izany hoe i Masina Maria no niteraka an'izy ireo)
araka ny filazana hoe "Mystère de la foi". raha miangozongozona finoana ianao dia tsy mahatakatra izany.
35. majesty ( 14/09/2007 05:52)
Ika:
majesty.. porofoy ary ..efa io navoakako io ny antithesen'io "aminao manokana io... dia avoahay ny porofonao ary


Miombon'kevitra amin'ny filazanao fa mitovy ny fiantsoan'ny Jiosy ny cousine na ny cousin sy ny iray tampo aminy fa samy anabavy sy rahalahy fa io amiko fanamarihana amin'ny ankapobeany fotsiny fa tsy manamarina koa hoe tena cousine io sa tena iray tampo aminy
36. deric ( 14/09/2007 14:03)
Tsy virja intsony Maria. Misy andinin-tsoratra masina milaza fa tsy nahalala azy i Josefa mandra-piterahany an i Jesosy;@ Baiboly dia firaisana ara-nofo io "mahalala" io. midika izany fa niray ara-nofo izy mivady taorian i niterahany an i Jesosy. misy andininy koa milaza mazava mazava ny amin ilay Jakoba rahalahin ny Tompo (zandry nifanapa-tsinay taminy io).
Koa raha ny hoe tsy misy pentina dia ekena fa tsy niaina tamin ny fahotana izy.Jaona no cousin-ny; ilay ilay noteneniny t@ maria hoe "indro ny zanakao"

37. ikaretsaka ( 14/09/2007 14:45)
deric sy majesty: aiza no misy an'ozany hoe avy niteraka izy ary dia "nahalala" azy i Josefa e!? le tsy nahalala ekeko fa avy eo ilay hoe nahalala... aiza?


tsy rahalahy nifanampa tsinay t@ Tompo mihitsy i Jakoba ka! omeko porofo ianao:
Ndao ary ampitahana:
Mt 27:56; Mk 15:40; sy Jn 19:25,

dia hita mazava fa cousins fa tsy araky ny ao @ matio 13:55
Zanaka Mariahafa (fa anarana mitovy) , Voalaza ao hoe maria Vadin'i Kleophasy i Jakoba, Josefa kely i Simona ary i Joda
---> donc cousins ny dikany eto.. :wink:

Miandry athithese indray ary!:wink:
38. fijo ( 14/09/2007 22:23)
majesty an,aza adino ,fa za dia tsy mino an'andriamanitra fa tsy mbola nilaza mihintsy aho hoe tsy nisy jesoa.nisy izy ,fa tsy masina.

ahoana no ahafahan'i gasynamana milaza fa "ny marina tsy azo lavina "dia virja i maria??????????????
ny tokony tenen'ise dia hoe "ny marina aminay mino azy"fa tsy hoe ny marina tsy azo lavina...aza hafangaro ireo.

ianareo mpino rehefa miresaka zavatra dia ataovy foana hoe "aminay mpino"fa hoatry ny manery olona hino ny tsy hinoany nareo.ratsy le manery.
39. ikaretsaka ( 15/09/2007 00:49)
ny tokony tenen'ise dia hoe "ny marina aminay mino azy"fa tsy hoe ny marina tsy azo lavina...aza hafangaro ireo.

ianareo mpino rehefa miresaka zavatra dia ataovy foana hoe "aminay mpino"fa hoatry ny manery olona hino ny tsy hinoany nareo.ratsy le manery.


eto kao iombonako evitra @ fijo
40. gasynamana ( 15/09/2007 14:32)
fijo: Ka na mino na tsy mino ianareo dia tsy afaka hanova ny fahamarinan'izany satria izay dia marina. Ny sainareo tsy mahatakatra ny fahamarinany dia tsy midika fa diso izany.
Hanampy anao hanakatra an'izany fahamarinana izany àry dia mba halalino kely ity: Ny nisy voalohany talohan'ny misy rehetra dia nisy nefa tsy nisy nampisy azy, na nikambana mba hampisy azy (araka ny mahazatra antsika amin'ny mahaolona antsika). Izany hoe misy ny "Etre" tsy voafetran'ny lalan'ny natiora... ka afaka manantateraka zavatra iray nefa tsy manaraka an'io lalana io: ohatra amin'izany ny hoe: afaka miforona ho zaza ao an-kibon'ny virijiny tsy mbola niray tamin'ny lehilahy, sns...

Mazoto mandalina àry e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6423