Fihinanana sakay?

1. rova30 ( 11/09/2007 14:36)
Izaho dia tena mankafy sakay , ary mba tiako ho fantatra ny mety vokany eo amin' ny fahasalamana?!!!Misaotra mialoha!
répondu par arialy le 24/09/2007 10:43
2. zoubelou ( 11/09/2007 15:27)
Mbola tsisy fiantraikany izy zao fa refa mandroso ny taona dia mety hahatonga aretina samihafa toy ny goutte, sns...
3. fasaly ( 11/09/2007 16:22)
ny fatako dia maha be mony ny sakay ! ary manimba vavony hono....ny mony aho no efa tratra raha vao mihinana na kely aza fa raha hoe aretim-bavony aloha dia tsy haiko.....
4. Fiffi ( 11/09/2007 19:13)

Médicinal:
Grâce à la capsaïde le piment est excellent pour soigner la grippe, rhumes et aide à prévenir les maladies cardio-vasculaires.
Le piment est antibactérien, antiseptique, diurétique, sudorifique et digestif
En usage externe il soulage l'arthrite, le rhumatisme et la dystrophie. (faire attention jamais sur une plaie)
Si on la bouche vous brûle en mangeant du piment ne pas boire de l'eau (l'eau accentue la douleur) mais plutôt du lait, du sucre ou du chocolat.


de mazotoa daholo mihinana sakay raha mahazaka an'io.....
5. menalamba ( 11/09/2007 19:14)
Le mony no tena giravy @ io ,avy dia mivadika mananasy ny tarehinao...:^)
6. fasaly ( 11/09/2007 19:15)
7. Fiffi ( 11/09/2007 19:18)
menalamba:

Le mony no tena giravy @ io ,avy dia mivadika mananasy ny tarehinao...:^)
heu....mahagaga ahy zany an ! zany hoe zah kalou de tena anisan'minana sakay be mintss fa tsy mbola nisy hoe avy nihinana an'io de misy mony....ny mony tsinona tena zavatra hafa momba ny hormone ....


8. diamondra27 ( 11/09/2007 19:32)
sakay tena tsara ka!
fa zany we tsy atao betsaka refa minana azy
toy ny sakafo retra ihany refa hanina be loatra de mamparary.

ny ahy alou le tsilanidimilahy reny no tena tiko e, surtout refa totoana de asiana voatabia de mixer-na de asiana tongolo sy sira , humm

afangaro à samosa ny sakay tena hummmmm

9. diamondra27 ( 11/09/2007 19:33)
surtout samosa namboarin'i sanana , aoka marina e!
10. Samoana ( 11/09/2007 19:35)
Raha be loatra mety hanahirana ny fandalovana douane ny ampitso maraina fa mavaivay be( tsy azo tondrahana ronono na siramamy araky ny torohevitr'i fiffi:-D )
11. Fiffi ( 11/09/2007 19:37)
Samoana: tena efa tratran'io koh zah an ! :-D:-D:-D:-D
12. menalamba ( 11/09/2007 20:55)
Fiffi>Misy karazana sakay izay any Mahajanga ,boribory kely sahala @ voatabia ny paoziny ,mena maintso dia misy mavo koa ny lokony,tsy mbola nahita sakay manitra tahaka izany aho,sady matsiro an;mibinda mena mihintsy aho rehefa mihinana azy ,fa ny ampitso ihany dia mivorindina avy atrany ny moniko,mitsatsefotra mihintsy rehefa polesina...:^):^)
13. rova30 ( 11/09/2007 22:00)
menalamba:

Le mony no tena giravy @ io ,avy dia mivadika mananasy ny tarehinao...:^)



Ka ny ahy anie , hatramin' ny mbola kely : 9- sa10taona aho no efa tena naka fy be an' ilay izy, nefa tsy mbola nivoahan' ny mony hatramin' izay e! Izao aho vao ohatran' ny mitady hiova mananasy; toa ho sarotra ihany ilay tsy ihinana intsony! Sa inona no azo atao?
14. rova30 ( 11/09/2007 23:37)
somoana a, fiffi oh! ity misy tsipy hevitra kely: tandremo ny milalao sakay alohan' ny hakany amin'ny douche fa tena lanonana be! indrindra re ilay faritra ary ambany ary,tsy hita hiantsoana vonjy ,fa ouahooo!
15. soanja ( 12/09/2007 00:43)
rova30:

Izaho dia tena mankafy sakay , ary mba tiako ho fantatra ny mety vokany eo amin' ny fahasalamana?!!!Misaotra mialoha!


Tsara ny mihinan-tsakay indrindra ilay maitso ireny satria be antioxydants ka io dia miaro anao amin'ny resaka aretina isankarazany izay mety hitranga ao anatinao hihanaka.
Tandremo anefa fa ny sira be loatra ao anaty sakay na ny vinaingitra, menaka sy ny sisa mifangaro aminy no mahatonga azy ho tsy tsara ho an'ny fahasalamana raha be loatra.


16. rova30 ( 12/09/2007 06:28)
Ary ny sakay ve mahatonga aretina amin' ny hoditra sa aretina efa ananana ilay izy, ka rehefa mihinana iny vao mampivoaka ilay aretina????! Toa hoe fanafody etsy ambony, nefa tsy haiko e!
17. tywa68 ( 12/09/2007 07:17)
f'angaha ry rova30 tsy fihinana sakay ny sujet fa filalaovana alohany maka douche :-D ?

Samy manana ny tantiny io fa rehefa manao abus dia marary foana e !
18. Ralay ( 12/09/2007 07:37)
samoana:Toa hitondra ronono zah rehefa mandalo douane fa manotra be ry zalahy ao kle :oops:
19. rova30 ( 12/09/2007 11:30)
Mba tsetratsetra tsy aritra re iny ryWa..68 a! Sendra aho ilay nitoto sakay iny , dia hadino ny nanala tanteraka ilay masiaka tamin' ny tanana fa ny aza voany ihany.Fampitandremana ihany iny e!
20. rapala ( 12/09/2007 20:35)
izaho re olona efa ela no nihinana sakay e, ny ahy aloha izaho ihany no manao azy dia fantatro daholo izao ao anatiny... fa tsy maninona ka!:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.248