miasa alahady!!!

1. montanabe ( 11/09/2007 13:08)
fahotana ve ny miasa alahady? ohatran ny nahita an izay tao am baiboly hajao ny andro sabata!!!

tsy resaka hoe alahady ve ny andro sabata na inona fa ny tiako anontaniana fotsiny dia hoe : "fahotana ve ny maisa amin ny andro sabata?"

Ny ahy mantsy tourisme ny diplome ko dia ny ankamaroan ny asa d miasa week end daholo, satria eo no tena mandeha ny tsena!!

miasa aho fa mamonjy lamesa ihany anefa an! tsy maintsy mahita fotoana andehanana lamesa aho
répondu par Veloo le 13/09/2007 13:51
2. ikaretsaka ( 11/09/2007 14:05)
toa misy fanoharana mikasika an'izay ao ..nataon'i jesoa hoe..
Raha latsaka ao anaty hantsana @ andro sabata ny ombinao, inona no hataonao? (asa ireo baibolista raha mahita ny andalana misy an'io)
dia i jesoa niasa: nanasitrana , nandroaka demony t@ andro sabata koa ka!
3. xxx ( 11/09/2007 15:22)
montanabe> tsy fahotana raha araka ireo filazanao azy ireo, aza atao manenjika fotsiny ny eritreritra.
4. montanabe ( 11/09/2007 16:01)
ikaretsaka> marina izany, toa nisy an ilay tantara iray izay koa hoe nandritra ny 40 andro fifadiana i Jesoa, dia nisy olona ni-"tenter" azy, nitondrany vehivavy malemy tanana i Jesoa hitsapany hoe "hanasitrana" ve Izy amin ny andro fifadiana, dia toa nisy zavatra navalin i Jesoa fa tsy tadidiko tsara hoe ahoana, fa nositraniny ihany ilay vehivavy.
andraso tadiaviko d ho entiko eto!

xxx> tsy ny eritreritra manenjika no atahorako fa ny mety ho tsy fahafalian Andriamanitra raha ilaozako miasa miasa amin ny andro izay efa notendreny atokana ho azy

sady ilay lahatsoratra novakiako anie tena hoe : "je vous défends de faire quelconque ouvrage le jour du sabbat...."
5. piste ( 11/09/2007 16:12)
Tsara raha misy fotoana na espace natokana an`Andrimanitra eo @ fiainantsika. Ny formel moa izany dia ny Alahady. Ankoatr`izay dia anjaran`ny tsirairay no mahita fotoana mampety azy.
Raha miasa Alahady ianao dia ataovy ho fiderana azy koa ny izay rehetra ataonao @ iny andro iny.

Tandremo ilay famakiana ny Testamenta taloha satria somary mbola henjakenjana ny didy t@ ireny ka mety hampatahotra ihany. Ny Testamenta Vaovao no mameno azy satria Fitiavana no mamehy ny didy rehetra. Ka ataovy am-pitiavana ny hanantonana an`Andriamanitra fa aza atao an-tahotra. Amin`izay malalaka tsara ny fanompoanao azy.
Farany : am-pitiavana tsy midika facultatif fa Safidy na engagement
6. diamondra27 ( 11/09/2007 16:36)
ikaretsaka:

toa misy fanoharana mikasika an'izay ao ..nataon'i jesoa hoe..
Raha latsaka ao anaty hantsana @ andro sabata ny ombinao, inona no hataonao? (asa ireo baibolista raha mahita ny andalana misy an'io)
dia i jesoa niasa: nanasitrana , nandroaka demony t@ andro sabata koa ka!

________________________________

Marka 2: 23-28


7. diamondra27 ( 11/09/2007 16:40)
Marka 2:23-28



23 Ary nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata Jesosy; ary ny mpianany dia nioty ny salohim-bary teny am-pandehanana.

24 Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin'ny Sabata?

25 Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin'izay nanaraka azy,

26 fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiaratara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy?

27 Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata;

28 ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona.
_______________________________

Marka3: 1-6



1 Ary niditra tao amin'ny synagoga indray Jesosy; ary nisy lehilahy anankiray matytànana teo.

2 Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin'ny Sabata Izy, na tsia, mba hiampangany Azy.

3 Dia hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy matytànana: Mitsangàna etsy afovoany.

4 Ary hoy koa Izy tamin'ny olona: Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona.

5 Ary nony nijerijery azy tamin'ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin'ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.

6 Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin'izay dia niray tetika tamin'ny Herodiana izy hanohitra an'i Jesosy mba hahafaty Azy.

8. Fiffi ( 11/09/2007 19:23)
ka atao ahoana aza ? misy de misy ny olona miasa alahady...tsy fidiny an'zareo koh anié io an !
9. mbaliana ( 11/09/2007 19:41)
amiko aloha ny andraisako an'ireo dia hoe aza adika ara-bakiteny ny voasoratra hoe didy fa jereo aloha ny zava-misy dia ataovy ny soa...dia vonjeo koa ny aina.. ataovy amin'ny anaran'Andriamanitra daholo ny atao rehetra fa aza ny sabata fotsiny
Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty?

Ny Sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata;

10. ikaretsaka ( 11/09/2007 19:44)
misaotra betsaka an'i diams...:wink::-*
11. montanabe ( 11/09/2007 21:15)
io tenenin i diam's io mits ilay izao!
Misaotra anareo rehetra.
Ankafiziko manokana ny fijerin i piste!!
:-*
12. fijo ( 11/09/2007 22:19)
montana be,izay teni'andriamanitra any azy,izy tsy miasa,fa enao mila mivelona,ny anao aloha tadiavina de milamina
13. ikaretsaka ( 11/09/2007 22:23)
ny sabata natao ho an'ny olona fa tsy ny olona no natao ho an'ny sabata
14. fijo ( 11/09/2007 22:24)
izay indrindra;ze eo aloha hatrehana fa tsy izay voalaza any no hanerena ny fiainana
15. piste ( 11/09/2007 22:26)
Ataoko fa : ny Voninahitr`Andriamanitra dia Ny olombelona velona am-piadanana. Tsy mifanohitra ireo fa mifameno ary tsy afa-misaraka.
Hoy ilay hiran`ny Bebenay t@ mbola kely :
Voninahitra any @ Avo indrindra
Ary Fiadanana ho an`ireo tsara sitra-po
16. fijo ( 11/09/2007 22:27)
izay ahay mba misy fahalalahana
17. dadie ( 12/09/2007 12:01)
fijo> ahafantarana zavatra oa aty an ,na tsy mamaly hevitra aza fa mamaky fotsiny
NB misaotra manokana an'ireo mahay tsara ny soratra masina ny tenako ,satria na tsy mamaky baiboly aza d efa maro ny zavatra azo notsongaina tato :-*
18. ravakamalala ( 12/09/2007 19:41)
dadie > fa tsaratsara ihany koa ny mamaky baiboly! mahereza!
19. fijo ( 12/09/2007 19:57)
raha hamaky fotsiny ratsy,fa raha handinika azy dia mety kokoa
20. andry08 ( 12/09/2007 20:51)
Izaho matetika miasa ny alahady , tsy maintsy mandeha , na tiana na tsy tiana an! Na ho fifaliana ho na ho fahohina eh, eh eh , lalana tsy maintsy hizorana, ny manaiky ihany no hatao! hoy bouboul izay!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1501