Fa maninona.....

1. niryna ( 08/09/2007 04:46)
Izay rehetra voasoratra ao anaty baiboly dia saika mitranga daholo.
1- Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be. I Tim 6:10

Fa maninona ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra?

Efa nanao izay noraran'Atra azy ny olona ary vao maika manao izany foana hatramin'izao.

2-Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'ny tsy fanaony;ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
Rom 1:26-27

Andriamanitra ve efa nahalala fa hanohitra izay tsy tiany ny olona ka efa nampahafantarany azy mialoha sa ny olombelona nahalala saingy ny ataony ihany no ataony?
misaotra anareo rehetra
(l)niryna
répondu par niryna le 11/09/2007 06:56
2. ikaretsaka ( 08/09/2007 05:05)
Misy aloha le basic instinct.. sy zavatra tonga de efa hita mazava be,

Io nolazain'i paoly io, na tsy voasoratra ao anaty baiboly sy olona tsy mamaky baiboly aza dia mahalala hoe mazava ho azy izany!

ka ny vola mahavita izay zavatra rehetra tiana ataoko inona ary?:(

Misy olomasina izay koa nanao hoe "ny lalana, ho an'ny sasany dia natao ho dikaina" dia izay..
raha miteny ianao hoe aza mifoka rongony sy misotro toaka, izany akory tsy mahasakana ny olona tsy hisotro... na mafy be aza ny sazy hampiharina ...

Andriamanitra ve efa nahalala fa hanohitra izay tsy tiany ny olona ka efa nampahafantarany azy mialoha sa ny olombelona nahalala saingy ny ataony ihany no ataony

asa re!
mampatsiaro ahy ilay tenin'i Md Augustin io hoe "Raha izay tianao ihany no inoanao fa izay tsy tianao dia arianao... jereo fa any @ sujet hafa any)

"If you believe only what you like in Jesus and reject or deny what hurt you or what you don't like, It's no more Jesus you believe, but yourself" (St Augustin)
3. ikaretsaka ( 08/09/2007 05:07)
"If you believe only what you like in Jesus and reject or deny what hurt you or what you don't like, It's no more Jesus you believe, but yourself" (St Augustin)
-->io ilay lazaiko hoe 'Kristianintianim-poana ry niryna an
4. Samoana ( 08/09/2007 05:52)
Hoy niryna :Fa maninona..... izay rehetra voasoratra ao anaty baiboly dia saika mitranga daholo.

Tsy tokony hipetraka akory io fanontaniana io ho an'ny olona miaina @ finoana an' Atra. Misy hira nosoratan'i Rado izay ao @ fihirana fanampiny : " Aza avela ahalala...aza avela hanontany "
Minoa fotsiny ihany:wink:
5. Samoana ( 08/09/2007 06:05)
Aza avela hahalala
Ny antony nanaovanao
Ny hariva mamanala
Na ireo maraina vao

Aza avela hanontany
Ny hafaliana atolotrao
Na ny anton'ny tomany
Efa hitako hatrizao

Aza avelanao hanefy
'Ny ampitso izay anao
Aza avelanao handrefy
'Zay ho fitantananao


Tsy ho takatry ny saiko
'Zay rehetra lahatrao
Ny angatahako ry Raiko!
Aoka aho hatoky Anao

Rado
6. diamondra27 ( 08/09/2007 06:57)
Ity andinin-tsoratra masina ity dia nampiova zavatra be teo @ fiainako.
Nanomboka nahitako an'io dia tonga saina aho fa tokony izaho no mi-commande ny vola fa tsy ny vola no mi-commande ahy.

Nosoratana io satria izay mihetsika dia vola avokoa.
Fototry ny ratsy satria raha ampiasaina @ zavatra tsy tokony ampiasaina azy izy dia mahavita fahotàna goavana hatr@ fahafatesana eny fa na dia ny olon-tianao aza mety hivadika aminao noho ny vola.

arakaraka ny olona ihany io sy izay situation misy azy.Raha tena mijaly ara-bola ianao no misy mi-proposer we : ity misy vola en liquide fa ndana manao trafic d'argent enao (mitondra vola any @ frontière de entina any @ firenena iray), de tsy ho lazaina aminareo intsony ny tohiny fa raha tsy mandeha araka ny fanahy mety tsy hahatohitra zany fakampanahy zany.
Avy eo ndray moa le izy avadikin'ny sasany we: famonjena satria nanavotra nisy ni-proposer etc etc

Tany ampiasana indray mandeha, noheverin'ilay olona tao @ centre d'hébergement fa mitazona vola angamba ilay veilleur de nuit de norobany tao ny caisse nefa tsy nisy vola akory tao fa efa versé dans la journée ny vola hofatrano.
Indray mandeha koa de nisy drogué en crise, de nandroba le caisse ihany koa nefa 10€ ihany no tao.
====> vola daholo no mahatonga ireo olona ireo hanao izany toetra zany
7. diamondra27 ( 08/09/2007 07:05)
Fa inona no nahatonga ireny rà mandriaka be tany dago ireny raha tsy resa-bola ihany koa.

Voakarama daholo ny bandy kely ... vola io koa:(:(

inona no mahatonga ny mpivady hiady indraindray : tsisy ny vola, tsy ampy @ faran'ny volana , de gidragidra be

be de be e! mampiova ny olona ny fananana vola: mampiavona, mampiady, mampitsiriritra, mahatapaka lalandrà( nahazo volabe tampoka de faly loatra de crise cardiak) etc etc

Mba ampiasao @ asa fanasoavana re raha mba manambola isika e!:-*
8. tywa68 ( 08/09/2007 09:18)
raha miaina ao anatin'ilay fiainana kristiana dia mahay mionona @ azo isan'andro na kely iny na be (tsara raha hanaovana asa soa fa tsy angonina satria tsy misy mitondra any ankoatra).
Ilay fahaizana mizara no tena ilaina an'ilay vola, fa tsy hoe hividianako trano be, fiara favy be, ny volamena @ kilao, sy ny mieboebo ! Katsao aloha ny fanjakan'Atra d ho azonao ny sisa rehetra ...
9. kalina80 ( 08/09/2007 12:56)
Hebreo 13:5 Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1. 5).
10. ikaretsaka ( 08/09/2007 14:03)
dia andao daholo anao moine de hanao voeux de pauvrete izany e
11. Kwasi ( 08/09/2007 18:49)
Izay rehetra voasoratra ao anaty baiboly dia saika mitranga daholo.
1- Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be. I Tim 6:10


Izaho indray aloha mahita fa ny antsasa-manilan'ny voalaza ao anaty baiboly farafahakeliny dia nosoratana satria zava-nisy sy EFA niseho.

Tandremo fa tsy ny vola no ratsy fa ny fitiavam-bola.
Ny fitiavana tafahoatra dia tsy mijanona eo @ vola irery ihany fa mety @ zavatra hafa ihany koa ka mety ahavitana zavadratsy. Ny fitiavam-boninahitra koa ohatra.
12. niryna ( 09/09/2007 06:08)
ikaretsaka:

Misy aloha le basic instinct.. sy zavatra tonga de efa hita mazava be,

Io nolazain'i paoly io, na tsy voasoratra ao anaty baiboly sy olona tsy mamaky baiboly aza dia mahalala hoe mazava ho azy izany!

ka ny vola mahavita izay zavatra rehetra tiana ataoko inona ary?:(

Misy olomasina izay koa nanao hoe "ny lalana, ho an'ny sasany dia natao ho dikaina" dia izay..
raha miteny ianao hoe aza mifoka rongony sy misotro toaka, izany akory tsy mahasakana ny olona tsy hisotro... na mafy be aza ny sazy hampiharina ...

Andriamanitra ve efa nahalala fa hanohitra izay tsy tiany ny olona ka efa nampahafantarany azy mialoha sa ny olombelona nahalala saingy ny ataony ihany no ataony

asa re!
mampatsiaro ahy ilay tenin'i Md Augustin io hoe "Raha izay tianao ihany no inoanao fa izay tsy tianao dia arianao... jereo fa any @ sujet hafa any)

"If you believe only what you like in Jesus and reject or deny what hurt you or what you don't like, It's no more Jesus you believe, but yourself" (St Augustin)




Marina izany raha resaka vola,tsy ny fanana vola no mahatonga azy ho ratsy fa ny fomba ataon'ny olona lasa atra kely ra-vola.
13. niryna ( 09/09/2007 06:13)
ikaretsaka:

"If you believe only what you like in Jesus and reject or deny what hurt you or what you don't like, It's no more Jesus you believe, but yourself" (St Augustin)
-->io ilay lazaiko hoe 'Kristianintianim-poana ry niryna an

hay va re e,ho an'izay tsy kristiana izany?


Fa ahoana no lazainy? "Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao" (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay;

satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao.
Rom 10:8-9

Tsy tokony ho fantany ve raha izany izay hinoany?
Ny ahy fantatro ka na izy hodina havia na iza hampianatra ahy lalana vaovao.Kristy irery ihany no Tompoko sy Mpamonjiko ary Mpanavotro,tsy misy na iray aza akoatra azy sy ny Ray.
14. niryna ( 09/09/2007 06:15)
Samoana:

Hoy niryna :Fa maninona..... izay rehetra voasoratra ao anaty baiboly dia saika mitranga daholo.

Tsy tokony hipetraka akory io fanontaniana io ho an'ny olona miaina @ finoana an' Atra. Misy hira nosoratan'i Rado izay ao @ fihirana fanampiny : " Aza avela ahalala...aza avela hanontany "
Minoa fotsiny ihany:wink:

Fa maninona ry samoana ny antony:roll:
Ilay olona ve no efa nananao foana dia mbola vao maika frakkky ary tena mampalahelo satria ny fiangonana sasany aza dia manangantsaina mihitsy eo ambaravaran'ny fiangonana.Marina fa toy ny hopitaly ny fiangonana ka anjaran'izay mpitondra na mpitarika no milaza ny marina ao anaty baiboly,mandratra fo ny fahalalana ny marina kanefa ny ahavonjy ny tsirairay no faniriana .

15. niryna ( 09/09/2007 06:16)
Samoana:

Aza avela hahalala
Ny antony nanaovanao
Ny hariva mamanala
Na ireo maraina vao

Aza avela hanontany
Ny hafaliana atolotrao
Na ny anton'ny tomany
Efa hitako hatrizao

Aza avelanao hanefy
'Ny ampitso izay anao
Aza avelanao handrefy
'Zay ho fitantananao


Tsy ho takatry ny saiko
'Zay rehetra lahatrao
Ny angatahako ry Raiko!
Aoka aho hatoky Anao

Rado



misaotra anao.:*
16. niryna ( 09/09/2007 06:17)
diamondra27:

Ity andinin-tsoratra masina ity dia nampiova zavatra be teo @ fiainako.
Nanomboka nahitako an'io dia tonga saina aho fa tokony izaho no mi-commande ny vola fa tsy ny vola no mi-commande ahy.

Nosoratana io satria izay mihetsika dia vola avokoa.
Fototry ny ratsy satria raha ampiasaina @ zavatra tsy tokony ampiasaina azy izy dia mahavita fahotàna goavana hatr@ fahafatesana eny fa na dia ny olon-tianao aza mety hivadika aminao noho ny vola.

arakaraka ny olona ihany io sy izay situation misy azy.Raha tena mijaly ara-bola ianao no misy mi-proposer we : ity misy vola en liquide fa ndana manao trafic d'argent enao (mitondra vola any @ frontière de entina any @ firenena iray), de tsy ho lazaina aminareo intsony ny tohiny fa raha tsy mandeha araka ny fanahy mety tsy hahatohitra zany fakampanahy zany.
Avy eo ndray moa le izy avadikin'ny sasany we: famonjena satria nanavotra nisy ni-proposer etc etc

Tany ampiasana indray mandeha, noheverin'ilay olona tao @ centre d'hébergement fa mitazona vola angamba ilay veilleur de nuit de norobany tao ny caisse nefa tsy nisy vola akory tao fa efa versé dans la journée ny vola hofatrano.
Indray mandeha koa de nisy drogué en crise, de nandroba le caisse ihany koa nefa 10€ ihany no tao.
====> vola daholo no mahatonga ireo olona ireo hanao izany toetra zany




tonga soa aky diamondra a,ary misaotra nizara.
17. niryna ( 09/09/2007 06:25)
Im-piry ny olona no voan'ny fakam-panahy eny fa na dia ny mpiray tam-po aminao izao aza rehefa tsotra be ianao dia manararaotra satria manaiky hampiasan'ny satana.Firifiry koa no mamono ny ain'ny olona amin'ny fitadiavana ny harenan'ny hafa,mamaky trano ,mandroba,ary dia manao andian'ny maro .Eny fa na dia ny rar-niny izao aza dia sahin'izy roa lahy novonoina fa ela loatra hono izany fandovana izany:cry: Izao izy mirahalahy voa roa ohatran'ny dakam-boriky,ny tena migatra ny rar nafoy.

Tsy ny fananana ny vola no ratsy fa izay fomba anaovana azy ka mivadika ho tompoina sy andevony no maha ratsy azy.
18. niryna ( 09/09/2007 06:32)
diamondra27:

Fa inona no nahatonga ireny rà mandriaka be tany dago ireny raha tsy resa-bola ihany koa.

Voakarama daholo ny bandy kely ... vola io koa:(:(

inona no mahatonga ny mpivady hiady indraindray : tsisy ny vola, tsy ampy @ faran'ny volana , de gidragidra be

be de be e! mampiova ny olona ny fananana vola: mampiavona, mampiady, mampitsiriritra, mahatapaka lalandrà( nahazo volabe tampoka de faly loatra de crise cardiak) etc etc

Mba ampiasao @ asa fanasoavana re raha mba manambola isika e!:-*



marina izany.
Nanao reportage ny taty ka naka ireny olona nahazo vola tamin'ny loto ireny.4/5 dia nilaza fa naharatsy ny fifandraisany tamin'ny mpiara-monina ny nahazoany arena ary toa lanilany fotsiny,sady miala amin'izy ireo daholo ny namana sy ny fianakaviana rehefa tsy manome intsony hoy ry zareo.
Ity misy tantara iray,nanao loto ity kristiana iray(izay tsy tokony atao ny miloka,voasoratra ao anaty baiboly io).Ny nazahoako vola hoy izy dia ozona tamin'ny fiainako: Nampiantany ity zafikeliny ary vokatr'izay dia lasa nifoka rongony ary dia nitady vola foana,niaraka tamin'ny koa ny fofombodin'ity tovovavy ary dia maty ilay vavy tanora,ny tokan-tranon'ity rangahy potika(nisaraka izy mivady).Ny vady nafoy ,ny zafikely tsy foy matimaty foana.Mbola ra-vola ihany koa io
19. niryna ( 09/09/2007 06:33)
tywa68:

raha miaina ao anatin'ilay fiainana kristiana dia mahay mionona @ azo isan'andro na kely iny na be (tsara raha hanaovana asa soa fa tsy angonina satria tsy misy mitondra any ankoatra).
Ilay fahaizana mizara no tena ilaina an'ilay vola, fa tsy hoe hividianako trano be, fiara favy be, ny volamena @ kilao, sy ny mieboebo ! Katsao aloha ny fanjakan'Atra d ho azonao ny sisa rehetra ...


=D=D sady mbola nampianariny ihany koa isika hoe "omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay."
20. niryna ( 09/09/2007 06:34)
kalina80:

Hebreo 13:5 Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1. 5).




:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7597