Voavonjy izy,misaotra antsika rehetra nanampy ahy.

1. niryna ( 05/09/2007 06:59)
Nisy tantara nilaiko ny hevitrareo ny tokony ataoko na hanazavako ity namana latsaka an-katerana.
1- Mikasika ny fialonana sy ny fitsiriritana:Aza mitsiriritra ny zavatry ny namanao.
Ny fialonana: aretina mamono ka mety ho voapoizina ilay olona satria lasa mitarika fankahalana izany ary manome vahana an'ny satana.
2- Dia ny mikasika ny hoe tsy tokony hivavaka ny reny efa maty satria tsy mamaly intsony izy: (Afaka jerena ilay hoe Inona no mitranga rehefa maty ny olona)
Fa fantatry ny velona fa ho faty izy;fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona,ary tsy mba manana valim-pitia intsony izy fa hadino ny fahatsiarovana azy Mpt 9:5
Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana.Any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao? Sal 6:5

Araka ireny noresahin'ny namana sy ny fampaherezana nomeny ahy ireny ary ny toro-hevitra rehetra dia nifandahatra ny tenin'Atra izahay miaraka ny mpiara-miasa amiko,ary dia resy lahitra tanteraka izy ka dia natolony an'i Kristy androany ho tantanany ny fiainany iray manontolo.

Vakio ny Rom 8 izay manambara "Ny famonjen'i Kristy ny mino Azy,izay miantomboka amin'izao fiainana izao ary mbola hotanterahina ho mandrakizay."

Raha misy aminareo mbola tsy nandray an'i Kristy dia afaka manao izany tokoa izy.

Tsotra ny famonjena kanefa tsy mora fa sarobidy.
Tsy misy vola aloha fa omena maimaipoana ary natolon'Atra ho an'izay mandray ny Zanany dia i Kristy.
** Raha hoe fahaizana no amonjena antsika dia tsy ahazo izany velively isika rehetra.
** Raha hoe harena dia betsaka no tsy lasa any an-danitra.
** Raha resaka fahalalana dia betsaka no mitambotsitra.
** Raha resaka asa na fanasoavana dia tsy mahazo sitraka ny rehetra satria finoana ihany no tadiaviny.
Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana ,ary tsy avy aminareo izany fa fanomezana avy amin'Atra,tsy avy amin'ny asa ,fandrao hisy hirehareha Ef 2:8-9

Nomen'Atra ho antsika rehetra io ka tsy misy hakanavaka fa ho an'izay mitady Azy dia omeny tokoa ,eny fa na dia ny zaza aza dia afaka mianatra mitady Azy.


répondu par niryna le 14/09/2007 07:12
2. niryna ( 05/09/2007 07:08)
Lohateny : Re : Voavonjy izy,misaotra antsika rehetra nanampy ahy.
Mora ve ny mitady famonjena?
Eny tsotra toy ny miditra ny varavarana
Izaho no vavahady,raha Izaho no hidiran'ny olona dia ho vonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. Jaona 10:9
Tohizo..
Mora toy ny miantso fanampina
Mora toy ny miantso ny ankizy ao an-trano
Mora toy ny mandray zavatra avy any amin'ny olona
Mora toy ny misotro rano
Mora toy ny mihinana mofo
Mora ho an'izay mino Azy

Afaka mba tohizanareo ve io e.

Misaotra

niryna
3. kalina80 ( 05/09/2007 07:14)
tena gloire à JESUS!!!!!:D:D:D
Raha mba fantrareo mou fa hafaliana izao any an-danitra any.
Tahaka ilay zanak'adala izay niverina tao @ rainy, fety izay tsy izy no nandraisan'ny rainy azy.Toy izany no andraisan'Atra izay mibebaka ka mandray azy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany.
misaotra an'i niryna sy izay nifanome hevitra teto.
4. pissoa ( 05/09/2007 10:13)
Aleloia ... tehaka ho an'i Jesosyyyyy =D=D=D=D=D

Amen
5. booboo ( 05/09/2007 11:45)
Pissoa > hihihihihihihihihi
6. bobone ( 05/09/2007 12:17)
Niryna: tena tsara izany ange e! raha misy olona iray mibebaka anie de fifaliana lehibe ho any an-danitra izany! tsy misy foin'Atra ho very ny olona e! fa tiany ho voavonjy avokoa!!!=D=D=D^:^
7. majakely ( 05/09/2007 12:24)
tsy hie manadala fa inona le fivavahana ani nyrina kay??:roll:
8. mimich ( 05/09/2007 13:51)
izaho no tsy mahazo resaka , sa ny resaka no tsy natao ho azoko!!!!
9. ikaretsaka ( 05/09/2007 14:17)
mimich.... hatraty io
fa tehaka be ho an'i jesosy hono ko
Amen..
10. rakaroka ( 05/09/2007 15:46)
8O:roll::?:
11. ikaretsaka ( 05/09/2007 16:00)
rakaroka...:-D
12. piste ( 05/09/2007 22:32)
Mahatsikaiky ihany ny ato @ Forum indraindray. Izay tsy mahazo resaka izany tokony havitrika @ fandromboana.
:-D
13. ikaretsaka ( 05/09/2007 23:08)
fa asiako idee pessimiste.. aleo mo manontanintany foana... tena voavonjy tokao ve izy?
sa voa endoctrine indirectement? raha jerena tsotra @ Conscience madio?
14. ikaretsaka ( 06/09/2007 00:51)
niryna:

Lohateny : Re : Voavonjy izy,misaotra antsika rehetra nanampy ahy.
Mora ve ny mitady famonjena?
Eny tsotra toy ny miditra ny varavarana
Izaho no vavahady,raha Izaho no hidiran'ny olona dia ho vonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. Jaona 10:9
Tohizo..
Afaka mba tohizanareo ve io e.
Misaotra
niryna


Famonjena inona aloha io? raha ilay famonjera rehefa misy patsa dia ie... dial 911

Dia ahoan ilay lazainy hoe "mora ho an'ny rameva....


15. niryna ( 06/09/2007 05:26)
niryna:


Mora ve ny mitady famonjena?


Eny tsotra toy ny miditra ny varavarana :Izaho no vavahady,raha Izaho no hidiran'ny olona dia ho vonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. Jaona 10:9

Mora toy ny miantso fanampina satriaizay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena. Rom 10:13

Mora toy ny miantso ny ankizy ao an-trano: Hoy i Kristy hoe mankanesa aty amiko ,hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Mat 11:28

Mora toy ny mandray zavatra avy any amin'ny olona dia ny fanomezana izany :fa fahafatesana no tambin'ny ota;ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Atra ao amin'Kristy Jesosy Tompontsika. Rom 6:23

Mora toy ny misotro rano: hoy Kristyfa na iza na iza no misotra ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay;fa ny rano izay omeko azy dia loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay . Jaona 4:14

Mora toy ny mihinana mofo dia Kristy izany:Izaho no mofon'aina..Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra;raha misy mihinana ity mofo ity ,dia ho velona mandrakizay izy ;ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao. Jaona 6:48,51

Mora ho an'izay mino Azy: lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino (Ahy) no manana fiainana mandrakizay. Jaona 6:47





16. niryna ( 06/09/2007 05:28)
kalina80:

tena gloire à JESUS!!!!!:D:D:D
Raha mba fantrareo mou fa hafaliana izao any an-danitra any.
Tahaka ilay zanak'adala izay niverina tao @ rainy, fety izay tsy izy no nandraisan'ny rainy azy.Toy izany no andraisan'Atra izay mibebaka ka mandray azy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany.
misaotra an'i niryna sy izay nifanome hevitra teto.

tsy misy fisaorana fa ny namana nifampianatra eto no hisaorana.

17. niryna ( 06/09/2007 05:30)
bobone:

Niryna: tena tsara izany ange e! raha misy olona iray mibebaka anie de fifaliana lehibe ho any an-danitra izany! tsy misy foin'Atra ho very ny olona e! fa tiany ho voavonjy avokoa!!!=D=D=D^:^


Izany tokoa,ary tsy vitan'izany ihany koa fa na ireny olona milaza tsy mino ireny aza dia nomen'Atra anjara toerana hiderana ny voninahiny.:roll:
18. niryna ( 06/09/2007 05:48)
majakely:

tsy hie manadala fa inona le fivavahana ani nyrina kay??:roll:


fa ahoana?
Izaho mino an'Atra izay telo izay iray.
Mino an'i Kristy izay izy irery no lalana mankany amin'ny ray ,tetezana hiampitan'ny olombelona mankany amin'Atra.
Mino an'i Kristy izay maty teo ambony hazofijaliana noho ny fahotantsika.
Mino Azy ihany koa fa mbola hiverina indray
Mino ny fahaverezana ho an'izay tsy mino sy tsy manaraka an'i Kristy
Mino fa izay rehetra mino Azy dia ho voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana ny anarany.Ary mino an'izany aho fa ho voasoratra ny anarako sy izay rehetra mino an'i Kristy
Mino an'i Kristy ho Atra.Mino ny didy folo sy ny didy vaovao izay nomen'ny Tompo dia ny hifankatiavantsika rehetra toy ny mpirahalahy sy mpirahavavy.
Manaiky sy miezaka ny hitory ny filazantsara ho an'ireo izay mangetaheta ny hitady an'i kristy.
Mpanaradia an'i Kristy,velona ho an'i Kristy ,maty ho an'i Kristy ary mino ny fiainana ho mandrakizay.Mino an'i Kristy hiverina haka ireo mpino Azy.
19. niryna ( 06/09/2007 05:48)
Raha bangona tokana izany dia niasa tato amiko Kristy ary mbola miasa Izy hatramin'izao.Mino ny Fanahy Masina aho izay miaradia amiko isan'andro,mivavaka ireo izay mbola tsy mahalala ny hasarobidin'izany manatona an'i Kristy mivantana izany.Maniry ny namana izay mangetaheta an'i Kristy ka hanao fanandramana ny mitady Azy mivantana tsy misy mpanelanelana.Maniry ireo namana ny hamaky ny tenin'Atra fa tsy ny hevitry ny saina fotsiny no ezahina.Misy Izy,mamaly vavaka Izy ho an'izay mino sy manana fanantenana Azy.Arakaraky ny hitadiavana Azy no ahitantsika izany voninahiny izany koa.Tsy voavidy vola ny mitady Azy kanefa mora.Ny fifaliana dia tsy azo amidy na varotana saingy azo zaraina ny namana izany fa hafa ihany ny mino sy mametraka ny fiainana,ny olana,ny adin-tsaina eo amin'ny Tompo.
Manaova fanandramana,ivereno vakiana daholo izay nosoratan'ny ankizy,raiso izay fantatrao fa tsara.
20. niryna ( 06/09/2007 06:05)
mimich:

izaho no tsy mahazo resaka , sa ny resaka no tsy natao ho azoko!!!!


Asa aloha fa tsy fantatro indray.
Nizara tamin'ny namana aho fa nisy olona izay tsy mba nahafantatra na nahafantatra fa tsy fantany ny antony nahatonga azy tsy mba faly.Nanana fialonana ireo namany izy ary dia nanatona ahy ny antony nahatonga azy nanana fialonana. Nanontany ny namana aho ny tokony ho tenenina azy ary tonga ny hafatra.Niresaka izahay fa manao fotom-pivavahana foana izahay isaky ny fialantsasatra ao am-piasana ary dia nanatona anay izy.
Rehefa nandeha ny fanontaniana maro izay nalefany dia nahatadidy izy fa nianatra soratra masina taloha saingy rehefa lehibe dia tsy niraharaha fiangonana intsony na nanadino an'Atra.
Omaly izy no tapakevitra fa omeny ho tantanan'Atra amin'izay ny fiainany: Tsy mora fa io no dingana voalohany amin'ny maha-fiainana kristiana antsika.
Raha milaza isika fa hoe kristiana kanefa tsy mahita fifaliana fa mitovy ny tsy nandray an'i Kristy ihany dia mila ezaka isika ny hanana fiainana vaovao.
Izay no antony iray hikolokoloana sy hizarana ny tenin'Atra ato.

You can praise Him for who He is.
You can thank Him for all He has done ,for all He has done for you, He has promised to do for you.
You can admit to Him the things you have done
You can pray for your family,for others
You can pray for yourself.Ask God's guidance for the new day.Ask Him to arrange opportunities for you to serve Him.

Mivavaka amin'Atra isika ary manokana andro sy fotoana hanaovana izany irery.

Afaka miantso sy midera ny anarany isika
Afaka misaotra Azy ihany koa noho ny zavatra rehetra nataony antsika.
Afaka mivavaka ny fianankaviana sy ny olon-kafa
Afaka mivavaka ny tenantsika ihany koa .Mangataka Aminy mba ho tarihany lalana ,ny mba hanompoana Azy

Midera Azy,manandratra ny Anarany,misaotra Azy,mankalaza Azy,manome voninahitra Azy.Avy eo amin'izay mangataka zavatra aminy ,ka izay mahasoa antsika no omeny fa tsy izay eritreretintsika.

Izay ilay atao hoe fiainana vaovao ao amin'i kristy.
Rehefa nanolotra ny fiainantsika ho azy isika,mino azy fa Izy no mpanavotra antsika,dia tonga zanak'Atra isika.Ny lasa rehetra izay nifonana taminy,ny fahotana rehetra izay nodioviny tamin'ny rany dia adinony daholo fa omeny fiainana (fo vaovao isika),fo miaradia amin'ny fanahy masina isan'andro.Ny tarehy ratsy hono no tsy azo hovaina fa ny fanahy ratsy kosa dia azo ovaina.Mangataha aminy ny hanovana izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2856