Voavonjy izy,misaotra antsika rehetra nanampy ahy.

21. niryna ( 06/09/2007 06:14)
ikaretsaka:

fa asiako idee pessimiste.. aleo mo manontanintany foana... tena voavonjy tokao ve izy?
sa voa endoctrine indirectement? raha jerena tsotra @ Conscience madio?

:roll:
Fa angaha ianao mbola tsy voavonjy? mbola tsy nandray an'i Kristy tao am-ponao ve ianao?

niryna :

Mora ve ny mitady famonjena?

Eny tsotra toy ny miditra ny varavarana:Izaho no vavahady,raha Izaho no hidiran'ny olona dia ho vonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. Jaona 10:9

Mora toy ny miantso fanampina satria izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena. Rom 10:13

Mora toy ny miantso ny ankizy ao an-trano: Hoy i Kristy hoe mankanesa aty amiko ,hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Mat 11:28

Mora toy ny mandray zavatra avy any amin'ny olona dia ny fanomezana izany :fa fahafatesana no tambin'ny ota;ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Atra ao amin'Kristy Jesosy Tompontsika. Rom 6:23

Mora toy ny misotro rano: hoy Kristy fa na iza na iza no misotra ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay;fa ny rano izay omeko azy dia loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay . Jaona 4:14

Mora toy ny mihinana mofo dia Kristy izany:Izaho no mofon'aina..Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra;raha misy mihinana ity mofo ity ,dia ho velona mandrakizay izy ;ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao. Jaona 6:48,51

Mora ho an'izay mino Azy: lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino (Ahy) no manana fiainana mandrakizay. Jaona 6:47
22. niryna ( 06/09/2007 06:22)
ikaretsaka:

... dial 911

Dia ahoan ilay lazainy hoe "mora ho an'ny rameva....

911 :arrow: mivoha 24/24 ny telegraphe sans file:roll: miantso hoe avia.
Na amin'ny firy na amin'ny andro inona isika no mandohalika,mitalaho,mivavaka,mangataka,midera,mankalaza,misaotra an'Atra dia mihaino antsika foana Izy.
Ataovy hoy aho ny fanandramana.Aza asiana mpanelanelana izany fa tonga dia vavany.Antsoy direct Kristy fa Izy no mitondra ny hafatra hitarainany any amin-drainy.Hoy izy hoe efa novidin'ny rako i Ikaretsaka ka mitalaho aminao aho ray o ! esory amin'ny ity aretina na fahasahiranana na izay olana misy aminao(ohatra ny ahy io an).Ary dia mamaly tokoa ny ray.
Iray maka bahana,roa fanomanana ,telo dia lasa a.

23. kalina80 ( 06/09/2007 12:26)
Marina izany, ny fandraisana ani JESOSY KRISTY ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainana no tena zava-dehibe.Raiso Izy fa ho hitanao izany hamamin'ny fiainana izany.Ataony migoka ny fiainan-danitra sahady na dia eto antany aza isika.
Ilay fiainan-naditra ve: fitiavana, fifaliana, fiadanam_po, fiadanana......
Marina fa betsaka ny olana sy ny zvtra manjo eto antany fa tsara foana ny fiainana rehefa manana ani Jesosy e !!!!!
Izy dia marina @ teniny.Hoy Izy hoe : " Havahako izay manompo sy tsy manompo ahy".
Raiso Izy dia ho itanao fa hiavaka tokoa ny fiainanao
24. ikaretsaka ( 06/09/2007 14:05)
Fa angaha ianao mbola tsy voavonjy? mbola tsy nandray an'i Kristy tao am-ponao ve ianao?

Fijo koa izao ohatra nandray an'i kristy tao am-pony (vita batisa) dia ahoana ny aminy?
za nandray an'i Kristy ato am-poko, ary na nolazainy aza hoe izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no hahazo ny fiainana mandrakizay, ary tena fisotro ny ra ary tena fihinana ny vatany..Dia mino an'ilay lazain'i Jakoba koa aho hoe finoana tsy arahin'asa maty momoka..
dia mino koa aho hoe za mbola olombelona ka mbola tsy tonga lafatra,na nandray azy aza, mbola solafaka aho, dia mifona aminy
"koa ity aho tonga fa miantso ahy ianao izany fahotako izany no ateriko aminao"

fa tsy hoe avy nandray Azy aho dia oueeeeeee. Mbola vao eo moramanga , ny ala atsinanana mbola ....
25. niryna ( 07/09/2007 06:00)
This Scripture silences the Pentecostals, like Wayman Mitchell, who teach that salvation can be lost if we do bad works. No sir, the Word of God does NOT teach any such lies. Jesus clearly stated in John 6:37, "...him that cometh to me I will in no wise cast out."
io misy iray manambara fa mety ho very ny famonjena raha manao asa ratsy isika hoy izy kanefa izany dia lainga satria kristy dia manambara fa
Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.

" There is nothing hard or difficult about God's salvation. We just need to receive it through Jesus Christ, because He shed His blood to take away our sins. And by the way, no one can WORK their way into Heaven... "Not by works of righteousness which we have done, but according to his mercy he saved us..." (Titus 3:5).

dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina,

When we come to Jesus Christ in repentance, realizing that we are hellbound sinners under the condemnation of God's Law, and place our faith in Jesus to forgive and save us, then we are saved eternally. It is after we are saved that Jesus says to all of us... "Neither do I condemn thee: go, and sin no more" (John 8:11). "There is therefore now no condemnation to them which are in Christ Jesus..." (Romans 8:1).

Rehefa mifona amin'i kristy isika ka mametraka ny finoantsika Azy tanteraka mba ho voavelany sy ho vonjeny:arrow: voanvonjy tokoa isika ary hanana fiainana ho mandrakizay. Tao aoriana ny namonjeny an-dravehivavy dia niteny Izy 10 Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va? Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony.

26. niryna ( 07/09/2007 06:47)
Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,Jaona 1:12

Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.Jaona 8:11

Mbola milaza sy manambara ny famonjena daholo ihany koa ireo
27. ikaretsaka ( 07/09/2007 18:04)
Dia ahoana ny fandraisana azy??? eo isika izao

zahako:
Fijo koa izao ohatra nandray an'i kristy tao am-pony (vita batisa) dia ahoana ny aminy?
za nandray an'i Kristy ato am-poko, ary na nolazainy aza hoe izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no hahazo ny fiainana mandrakizay, ary tena fisotro ny ra ary tena fihinana ny vatany..Dia mino an'ilay lazain'i Jakoba koa aho hoe finoana tsy arahin'asa maty momoka..
dia mino koa aho hoe za mbola olombelona ka mbola tsy tonga lafatra,na nandray azy aza, mbola solafaka aho, dia mifona aminy
"koa ity aho tonga fa miantso ahy ianao izany fahotako izany no ateriko aminao"

fa tsy hoe avy nandray Azy aho dia oueeeeeee. Mbola vao eo moramanga , ny ala atsinanana mbola ....
28. niryna ( 08/09/2007 01:59)

dia ahoana tokoa ry ika fa efa nandray azy ianao hoy ianao?
29. niryna ( 08/09/2007 04:06)
Tsy afaka mamaly ny hafatra ao amin'ny Marie therese intsony aho fa nisy nanakana indray.
Too bad,ny tenin'Atra dia tsy maitsy voafafy foana na tsy eto aza no hamafy azy.
30. ikaretsaka ( 08/09/2007 04:09)
dia ahoana tokoa ry ika fa efa nandray azy ianao hoy ianao

za moa tsy mpijoro vavolombelona:wink:
fa mianara katesizy dia manaova komonio.. "andramo ka zahao"
31. niryna ( 11/09/2007 07:04)
ikaretsaka:

dia ahoana tokoa ry ika fa efa nandray azy ianao hoy ianao

za moa tsy mpijoro vavolombelona:wink:
fa mianara katesizy dia manaova komonio.. "andramo ka zahao"

Dia mety tsy ho ampy satria ny olon-dehibe koa mila am-pianarina soratra masina

Fa hoy ny Soratra Masina: "Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy" (Isa. 28. 16).

Fa tsy misy hafa, na ny Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy.

Fa "izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena" (Joe. 3. 5).

Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?

Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: "Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly?" (Isa. 52. 7).

Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: "Jehovah รด, iza no nino ny teny nampitondraina anay?" (Isa. 53. 1)

Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.
Rom 10:11-17 8)
32. ikaretsaka ( 13/09/2007 00:41)
ny tokony nataonao dia tokony hoe "voa endoctrinevako araka ilay finoana ijoroako izy"
33. tywa68 ( 13/09/2007 11:19)
voavonjy ahoana ry niryna satria nihaino ny vaovao mahafaly nentinao ? misy ny ondry very fa ny mpampianatra koa dia mila ny Fanahy Masina hitsilo azy ireo koa.

Samy mbola manantena ny satro-boninahitra nampanantenainy isika mandra-pikipy sa ny anao efa tena an-tanana ?
34. niryna ( 14/09/2007 07:12)
tywa68:

voavonjy ahoana ry niryna satria nihaino ny vaovao mahafaly nentinao ? misy ny ondry very fa ny mpampianatra koa dia mila ny Fanahy Masina hitsilo azy ireo koa.

Samy mbola manantena ny satro-boninahitra nampanantenainy isika mandra-pikipy sa ny anao efa tena an-tanana ?

:lol:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2758