MIASA ! MIASA IHANY !
1. DadaRabe
(
09/07/2007 14:03)
Miarahaba,
Rehfa nijery ny zava-misy tany ho any aho ry akama isany dia izao no mba hitako : Miasa, miasa ihany no ilaina. Mampiasa saina, mampiasa vatana. Miasa é !
DadaRabe
MIASA ! MIASA IHANY !
Raha tianao handroso i Madagasikara,
Raha tianao hiova ho lasa tena tsara,
Raha tianao handositra ny voina sy mosary,
Raha tianao hamokatra ireny tanimbary....
Miasa, miasa ihany !
Tsy ny nofinofy manidina eny ambony,
Tsy ny kabary lava izay tanisaina akory,
Tsy ny volabe dongiana amim-bazaha,
Tsy ny anganongano mampientana fanahy...
Fa ny asa, ny asa ihany !
I Eoropa, i Zamerika matoa mandroso be,
Tsy adino i Japana mibaby rehareha,
Matoa izy ireny matanjaka sy ngeza,
Tsy noho ny polifika na koa ny ady seza...
Fa niasa, niasa hatrany !
Ka hafatro aminao ry zoky sy ry zandry,
Aoka isika hilofo hiasa fa tsy hiandry,
Aleo drodroka miasa toy izay hoe maty noana,
Ny valin-katsembohana tsy maintsy ho avy foana...
'Ndao hiasa, izay ihany !
DadaRabe
Aix-en-Provence, 28/05/04 14:17

répondu par Jeankely le 30/07/2007 02:21
5. Zazala
(
09/07/2007 23:51)
MIASA ! MIASA IHANY !
Misaotra ry DadaRabe, Tsara be ilay tononkalo, Efa niasa ihany anie izahay, ary mbola miezaka hatrany fa sanigy ity politika ity miitsy no tsy ahafahan'ny asanay mandeha amin'ny rariny. Izany hoe io politika io miitsy tokony ravana miloha ny hiasana mafimafikokoa, raha mbola eo io d asa talata no ilazana izay asa vitanao. Be ezaka b enao nefa saosy kely be ampidirinao, hakarinao anefa ny vidiny, ireo mpanjifa tsy manambola hividianana satria karamany kely koa. Marina fa mandroso tokoa ireo firenena voalazana tetsy ambony fa saingy tsy miarafitra ohatry ny firafitry ny politika eto amintsika ny politikany, tsara be ny karamany ary voa aro tsara ny mpanjifa. Ny tiako ho hitanareo tsara fa io politika io tokoa no fihainan'ny firenena, ka io no tokony imasoana aloha izay vao miasa mafy, Ami'zao fotoana izao, izay zavatra vao teraka dia maty na antoko politika io http://www.madagascar-tribune.com/index.php?JOURNAL=1249&ART=24170 na société io na koa ny zaza ateraka aza mbola maty ihany koa. http://www.lexpressmada.com/index.php?p=display&id=9003 Hitako rariny raha ovana famindra aloha ny politika eto madagasikara. Ami'zao anie ka "Ôndry aligny" na "Totondry amin'alina" ny fihainana eto madagasikara hoy ny fitenenana avy any avaratra, ka izao voa iny no vaomaika voa. Ny ao ampôsy mivoaka d mivoaka hatrany.

6. DadaRabe
(
10/07/2007 00:32)
Marina daholo raha ny lafiny politika fotsiny no jerena. Saingy "Isika olon'afaka". Amin'ny adim-piainantsika tsirairay avy dia tokony handroso foana isika. Isika no tompon'ny ho avy. ANtsika ny ho avy. Ny asa dia adidy amin'ny tena, amin'ny vady aman-janaka; amin'ny firenena.
Mahereza ry namako isany.
DadaRabe
Mahereza ry namako isany.
DadaRabe
7. Zazala
(
10/07/2007 01:32)
Aiza hiveloman'ny société raha hoe 5 andro tsis jiro raha sendra io faritra io misy ny société_nao d fony vao teraka iz d maty. http://www.aody.mg/tribune.php?id=1819 Mampalahelo aloha io e, Any Nosy-Be Hell ville, Efa 5 volana izao, misy faritra sasany ihany tsy mahita mazava mihitsy raha tsy hazavan'ny masoandro sy ny davolana, raha jiro ny JIRAMA d efa 5 volana lasa izay Tsy nandeha na dia 1 minitra, raha sendra io faritra io misy ny société_nao d fony vao teraka iz d maty.
8. kanota
(
10/07/2007 08:22)
Mila miasa ary misaotra an'i Dadarabe. I zazalata sy bazylou zanak'Arema mila mandraitra vavan'amboa
9. DadaRabe
(
10/07/2007 12:13)
Miarahaba,
Tsy mandà aho hoe raha tsy misy jiro dia ahoana ?
Saingy izao ry akama isany. Raha sanatria ka tsy hisy jiro intsony ve dia ho vita hatreo ny amintsika ? Inona no vahaolana ? inona no tokony atao ?
Isika ve dia hiandry andRatsiraka, na hiandry an-dRavalo na hiandry ny "filoha any aoriana" vao hiasa ? HIandry foana va isika ?
Hoy aho hoe ankehitriny ny fotoana. Raiso ny andraikitra.

11. tezitra
(
10/07/2007 16:07)
Si tu es vraiment un Dadabe, tu connais le refrainde RATSIRAKA:
Mamokatra, mamokatra, mamokatra hatrany.
alors 3 choses:
1) Nitetitety tany ho any ianao hoy ianao , Tu te balades alors , famille de ministre? c toi qui ne travaille pas tu ne travaille pas?
2)tant qu'à faire , va te promener aux marché gasy, au cours du soir, etc... et dites-moi si le gasy ne trville pas
3)Non seulemnt ravalo pique le slogan de radidy, mais il ne travaille pas aussi comme lui

12. DadaRabe
(
10/07/2007 16:22)
Miarahaba,
Raha tezitra amin'ny ambarako i Tezitra. Mino aho fa misy antony mazava izany.
Mamaly aho :
1) Tsy misy idirako amin'ny fitondrana ankehitriny, na ny taloha. Ny ho avin'i Madagasikara no mahalasa ny saiko.
2) Ny mijerijery ny zava-misy ao Madagasikara mihitsy no mahatonga ahy hilaza hoe mila ezaka. Tsy hiandry an-dreano sy reano intsony. Fa isika tsirairay. Tsy miresaka amin'ny mpitondra akory aho fa amin'ny tsirairay. Izaho sy ianao. Izaho DadaRabe sy ianao Tezitra.
3) Ny momba an-dRavalo sy Radidy dia ny tantara no hitsara.

15. tsoraka
(
11/07/2007 13:59)
Manahoana ry DdRb. Mba asio sikidy kely fa tsy maty ny baolina =))=))=))
16. DadaRabe
(
11/07/2007 17:22)
Ny anarana tanim-boanjo r'ise fa tena tsy misikidy aho. Izany akory tsy manakana ahy tsy hiresaka amin'ny mpisikidy (na gasy na tany an'alan'i Guyane tany). NOho ny asa ataoko.
DadaRabe
DadaRabe
17. tsoraka
(
12/07/2007 04:49)
Dia ahoana ry DdRb fa tsy mety maty anie ny baolina nefa efa miezaka ny mandaka mafy e???? Tsy misiky fa mila miasa! miasa ihany! Misaotra DadaRabe. Tsy mba fantatrao ve Ranokombe?=))
18. DadaRabe
(
12/07/2007 17:27)
Ranokombe ? I Darafify no fantatro. Tamin'izy nianjera sy naratra mantsy dia izaho no nitsabo azy.
19. Zazala
(
13/07/2007 00:10)
Tsara alo lay tononkalo ry DadaRabe, Mba anaovy mikasika ny delestazy fa sahirana mafy ny vahoaka é!
20. kanota
(
13/07/2007 02:26)
Zazala motraka
Tsy mafoaka
tsiaonotsianino
ka mandeha mitsoaka.
Vavan'amboa mivoavoa.=))=))=))
Tsy mafoaka
tsiaonotsianino
ka mandeha mitsoaka.
Vavan'amboa mivoavoa.=))=))=))