MIASA ! MIASA IHANY !
41. DadaRabe
(
21/07/2007 10:42)
HItako iny resaka iny.
Rehefa tsy te hiasa izy ry Kanota dia aleo any fa tsy isika no hamelona ny vady aman-janany à!
DdRb
Rehefa tsy te hiasa izy ry Kanota dia aleo any fa tsy isika no hamelona ny vady aman-janany à!
DdRb
42. kanota
(
22/07/2007 04:03)
Izay indrindra no mahatonga an'i Kanota manolotra poizin'alika ho an'ny alika romotra. Hainao fa mamindra ny haromotana.
44. Jeankely
(
23/07/2007 02:24)
Manahoana DdRb! Dia tena manokatra ny Web Site-nao tokoa ny namana ary makafy tokoa any izany. Fa ny eto amin'ity "Namana" ity kosa na mamaly sy mandray anjara amin'ny loha-hevitrao aza ny namana toa tsy mba mitsofoka amin'ny loha-hevitry ny sasany ianao. Mila ny fahendrenao koa ny loha-hevitra sasany mba hivelaran'izy rehetra ary ahazoan'ny ankolafiny maro manitatra ny fahalalany. Sa diso ve izany DdRb?
46. tsoraka
(
24/07/2007 10:53)
Manahoaaana eee! Nisy niteny ratsy be ny manampahaizana poltika fa tsy hitan'i DadaRabe. Nofafan'ny tompon'andraikitra ka tsy eo intsony e! Izay ry zalahy vao manarka akaiky angamba
48. tsoraka
(
26/07/2007 05:14)
Jereo ny statistika fa mbola tratranao ao amin'ny hafatra tsisy mpamaly ao.
50. kanota
(
27/07/2007 02:12)
Naveriko ho hitan'ny be sy ny maro ny soratr'i Nororavel. Nahita moa ny tompon'andraikitra fa maloto ny resaka dia nofafany. Betsaka ny resaka maloto sy manimba saina na tsy teny ratsy mivantana aza.
52. kanota
(
28/07/2007 02:00)
Efa hitako novalianao ny hevitra teo ambony ary nanontanianao hoe iza i Nororavel? Izahay koa dia mankasitraka ny tononkalonao ary mandrisika ny olona hiasa sy hitady. Ny asa atao an-kira hainao ihany ny tohiny. Mila manao fa tsy miventseventso fotsiny. Ny olana, ny fahantrana natao hiadivana ary resena fa tsy natao hira hampivareraka. Misaotra
53. DadaRabe
(
28/07/2007 15:51)
Dia mifankahery isika ry Kanota. Mino aho fa samy mino isika ary mino aho fa ho tafavoaka i Madagasikara.
Mhafinaritra foana ny mifanakalo hevitra ry Kanota. Manitatra fahalalana.
Mahereza é !
DadaRabe
Mhafinaritra foana ny mifanakalo hevitra ry Kanota. Manitatra fahalalana.
Mahereza é !
DadaRabe
54. Jeankely
(
29/07/2007 06:31)
Manahoana DdRb. Nohon'ny fahalalana samihafa dia ilaina ny mifanakalo ary n'aiza n'aiza aleha dia tsy mitsahatra ny manambara fa ny ezakao amin'ny ara-dalana no ahazoanao tombony @ ara-dalana. Tsy halatra sy ny zava-dratsy hataon'ny hafa no hanamarinanao ny ratsy hataonao. Tsy ratsy mihintsy no hifaninana fa izay no nandrendrika ny firerenena. Rehefa manao risoriso ny iray dia hanao ngeza noho iny aho. Rehefa samy mivoatra ny fomba fijery atao mahamay ny mpanao risoriso na havana na namana. Ankoatr'izay resabe rehefa mbola misy akamakama.
55. DadaRabe
(
29/07/2007 12:38)
Ny akamakama ?
Zava-doza io ary ny fivarotana ny rariny eo amin'ny fizarana asa sy andriakitra dia mamono ny firenena.
"Ny fanjakako tsy hananako havana" hoy Andrianampoinimerina.
Ny mampanahy ahy, enga anie ka ho diso aho, dia ny fisian'ny fisian'ny fitongilanan'ny rariny akehitriny. Ny rariny ho an'ny akama. Ny rariny ho an'ny hafa.
Na izany na tsy izany, matoky aho fa efa hahita ny mamiratra ny vahoaka malagasy.
DdRb
Zava-doza io ary ny fivarotana ny rariny eo amin'ny fizarana asa sy andriakitra dia mamono ny firenena.
"Ny fanjakako tsy hananako havana" hoy Andrianampoinimerina.
Ny mampanahy ahy, enga anie ka ho diso aho, dia ny fisian'ny fisian'ny fitongilanan'ny rariny akehitriny. Ny rariny ho an'ny akama. Ny rariny ho an'ny hafa.
Na izany na tsy izany, matoky aho fa efa hahita ny mamiratra ny vahoaka malagasy.
DdRb
56. Jeankely
(
30/07/2007 02:21)
Tsy mba mahatsapa ve DadaRabe fa endrika vaovaon'ny fanandevozana no aton'ny mpanao politika maloto. Rehefa resaka lalina dia "Haute Politique" hoy izy fa rehefa resaka handoro Universite, hanao barrage, higrevy dia hantsoina ny olona. Fiheverana ny olona ho vendrana sy taingenana ary hatao fitaovana hakana seza fotsiny.Mila mahalala tsara ny vahoaka fa miady ary mifofotra vao mahavita zavatra fa tsy manao politika dia mahazo seza dia be hatoka. Ny fahantrana natao hiadivana fa tsy natao hira.
