MIASA ! MIASA IHANY !

21. DadaRabe ( 13/07/2007 18:03)
Ilay momba ny delestazy mbola tsy hitako fa ity misy vavaky ny mpanao polifika.
Izany hono fa mpitantara fotsiny aho.

VAVAKY NY MPANAO POLIFIKA

Rainay ô ! izay any an-danitra any !
Faly be ‘zahay fa nahazo seza ihany,
Ka misaotra anao fa ho avy izao ny saosy,
Hitombo ny harena, ho feno ny ao am-paosy !

Rainay ô ! kanefa na izany,
Matetik’izahay dia tena be vinany,
Fantatrao ihany, malemy anie ny nofo…
Na mety ny fanahy, ny tena mila mofo.

Dia nakanay kely ny volam-panjakana,
Namboamboarinay ny didy sy lalàna,
Mba hahametimety ny kôzy sy ny afera,
Mandalo anie ny seza ka ndrao miveravera !

Nahazo fahafam-po ireo zanak’anabavy,
Nomenay izay tandrify ireo mpianakavy,
Tsy misy adino akory ireo akamakama,
S’ireo madimoazely mitosy sy tamana.

Izay fanetre-tena nataonay ho tsy nisy,
Nanara-po, galabona, niliba tsy nitsitsy,
Nanao tsindrio fa lavo sy nampijaly kely,
Tsy nisy andraso andraso fa avy dia namely !

Rainay ô ! izay no vavakay !
Izay hitanao tsy mety dia tena ifonanay,
Kanefa be tsimbadika ny fiainana an-tany…
Ka mamelà anay… hisaosy aloha androany !

Amen !

DadaRabe
Aix-en-Provence
05/05/03 22 :50
22. kanota ( 14/07/2007 02:57)
Mba diniho kely ny tokony atao amin'i bazylou sy kelyJean ry DadaRabe fa samy be loha nefa samy tsy mahavoa
23. Zazala ( 14/07/2007 05:52)
Aoka ra DadaRabe fa tena marina le kôzy =D Very be ko za t@ titre. Sur Za ry DadaRabe mety ho hitano io delestazy atsy ho atsy.
24. kanota ( 14/07/2007 13:10)
Zazala any @ bazylou ianao mivavaka. Tsy mamaha olana izany.Ny delestazy efa hiainana tsy mila atoro. Vahaolana no ilaina.
25. DadaRabe ( 14/07/2007 14:21)
Miarahaba,

Na sarotra aza ny androany. Manàna finoana. Ary raha sarotra ilay manam-pinoana dia "manofisa vetivety"

DdRb

ILAY AMPITSO

Manofy ilay ampitso mamerovero fatratra ;
Manofy lendalenda, diavolana tomaratra ;
Manofy taona zina sy fararanom-bokatra ;
Manofy tojo tanjona, tafakatra ny tohatra.

Manofy fahasambarana, fotoana paradisa ;
Manofy fisantarana ny mamy tsy hita isa ;
Manofy lohataona ravaham-boninkazo ;
Manofy andro miratra ventesim-bazovazo.

Manofy trano bongo mitohoka tantely ;
Manofy tany lonaka manintona fijery ;
Manofy hazavana mandresy haizim-pito ;
Manofy, manantena fa mino ilay ampitso.

DadaRabe, La Charité
27/09/06 15:58
26. Jeankely ( 15/07/2007 03:05)
Mazava ho azy DdRb fa manomboka @ nofinofy io. Na mijanona ho arizato ampandriana na tena azo raisintanana. Izay sahy maty no mifono lambamena.
27. tsoraka ( 15/07/2007 04:30)
O ry DadaRabe a. I Rnokombe anie ilay nitondra an'i Darafify niotra tao aminao e. Dia hoy ianao hoe miasa ihany fa fomban'ny fianana io folapolaka io.
Veloma hoy Ranokombe e.
28. DadaRabe ( 15/07/2007 14:21)
Miarahaba,

JeanKely--> Marina ny anao. Courage foana é!
Tsoraka--> Ka iny nahavoa an'itompokolahy Darafify iny mihitsy anie ilay tiako adinoina fa tena henjana é! aza tsiny fa nohezaiko nofafana. Mifona re tsoraka ô!

DadaRabe

Tsidio ato fa vao namboariko :

- dadarabe.blaogy.com

- www.freewebs.com/dadarabe/dadarabe.htm
29. Jeankely ( 16/07/2007 01:57)
Misaotra anao ry DdRb. Ny vahoaka tsy finaritra ny ahantra na izany aza tsy ny fitanisana ny fahantrana sy fahoriana no midika inona fa ny fampiankarana ny saina hiady ary handresy ny sarotra. Ny an'ny sasany dia ny hampivareraka ny vahoaka na ny hampiasa ny vahoaka ahazoany saeza no himatimatesany. Na iza na iza Filoha dia mila miasa hatrany ary mila manatsara izany satria miova foana ny sehatra hiasana. Ny zatra ny halatra, Nepotisme, Favoritisme, risoriso hatramin'izay indray no miseho hananatra ny vahoaka ka tsy levon'ny vavoninay izany.

Izahay tsy TIM ary tsy TIM niala,
Fa vahoaka miandrandra ny zavatra tsara.
Jk
30. DadaRabe ( 16/07/2007 16:48)
Miarahaba,

Tena ilaina ny mpanohana sy ny olona mitovy hevitra amin'ny mpitondra hampandeha raharaha. Ilaina koa ny mpanohitra hampandeha raharaha koa. Indraindray fotsiny misy ireo mpanohitra te hisoavaly sy hanararaotra ny "tolon'ny mpanohitra" fotsiny.
Toy izany indrindra i Rainikobaka akamako be fahiny.

Ity no taratasy nalefany ho ahy (miala tsiny raha navoakako teto).

RAINIKOBAKA

Manohitra aho satria…
Mamy anie ny seza,
Izay mampilenda ery !
Izaho koa te ho ngeza !

Manohitra ny aty,
Ndrao ts’isy maheno,
Ilay stratejian’
Ny akoho maneno.

Manohitra hatrany,
Rehefa very saosy,
Mamorona vinany,
Miseho te ho bôgôsy.

Manohitra milaza :
Tsy mety izay atao ;
Mijaly anie ny zaza ;
‘Nareo no diso izao ;

Tsy izy anie ny fika ;
Tsy misy fandrosoana ;
Ovay ny politika ;
Mialà ! manafitohina !

Manohitra aho vahoak’ô !
Kanefa teo taloha,
Tsy hita izay napoaka…
…Kobaka avokoa !

Hanohitra foana aho,
F’ireo…mihanahana,
Ka raha mitohy izao…
…Dia ahy ny fitondrana !

DadaRabe
Aix-en-Provence
08/05/03 12 :19
31. Jeankely ( 17/07/2007 03:24)
Voanao tanteraka ny tantara ry DadaRabe. Sady mazava no misy ho dinihina. Voafoaka daholo ny zava-misy. Ekena e ary miverina amin'ny loha-hevitrao aho aloha. Efa mba niresaka io koa aho tany aloha tany saingy ny mpamendrofendro no betsaka. Tiany ny olona hisoavaliana foana. Izahay tsy mbola nanao antoko politika hatramin'izao nefa tsy nihevitra fa ny filohampirenena no hamahana sy hampiditra sakafo ao anaty vavanay. Miasa izahay ary miasa vao mihinana. Marary ny fonay raha ny zatra ny mandeha hoazy no miseho mananatra ny vahoaka.
32. tsoraka ( 17/07/2007 06:04)
Manahoana DdRb! Mirary soa ho anao hono Ranokombe e. Dia ataovy milay hatrany hono ny tonokalo fa hangataka lalana aminao izy mba hanaovany azy hira e. Tsy resak tapolaka ity fa resaka matotra hono e.
Tsorapaka.
33. DadaRabe ( 17/07/2007 15:00)
Miarahaba,

Mahereza daholo fa i Madagasikara anie tsy an-dry zalahy irery ihany fa antsika ihany koa.


Tsoraka --> mampamangy any amin-dranokona ary é! mahatsiaro hono i DdRb hoe. Indrindra ilay takariva tery amoron'i Tritriva.

Izaho aloha mino fa ho tafita i Madagasikara é!
DdRb

MINO ISIKA…

Mino aho,
Fa hisy valiny ny valin-kasasarana,
Masoandro vaovao…
Hamiratra, ho avy ary tsy hifarana
No hiandry antsika,
Aty anivon-driaka.

Mino ianao,
Fa tsy ho very an-javona ny hery izay nomena…
Ny ady izay natao
Sy aina izay nafoy ho an’ny firenena
Niady mafy isika,
Niezaka ho tafita.

Mino isika,
Fa n’inona hitranga, n’inona hidona
Dia handrasantsika…
Isika tsy hivena, isika tsy hirona,
Fa vonona hihiaka !
Toa tafika midiaka !

Mino aho,
Mino ianao,
Mino isika,
F’handroso ho tena tsara..
I Madagasikara !

DadaRabe
St Pierre et Miquelon
07/07/07 12:25

34. tsoraka ( 18/07/2007 05:59)
Edre re ry DadaRabe. Dia tena faly ary ravo mihintsy Ranokombe mahita ny hafatrao tsy manadino an-tany lavitra. Tena miasa tokoa ary tsy mitsahatra mitady ny ahasoa daholo ny aty DadaRabe O. Mba omeo halafatra ihany ireo tonga andafy vao manao saina anaty ala ary mahita ny fandrosoana vao mitarika ny olona hiemotra mba ahafahana misoavaly eeeee.
35. DadaRabe ( 18/07/2007 11:26)
Manao ahoana

Andraso tokoa hoe ho dinihiko io loha-hevitr'i Tsoraka io.

Oay ! tetsy aloha aho nahita hoe "Tsorapaka". F'angaha azo asiana "tsofoka" ilay anarana : Tsor- ap-aka. ??? hafa iindray iny.

Saika adinoko. Lazao i Ranokombe raha mbola mila izaly "siramena"

DdRb
36. tsoraka ( 18/07/2007 13:12)
Salamatsara DadaRabe ny rhtr a. Alefaso fa tena mbola mila RnKB e. Dia mba omeo ilay mahatonga saina ny hivoatra e. Rehefa tsy hivoatra mantsy dia hilaozan'ny sasany e. Politika fahagola no mbola tadiavin'ny sasany averina nefa efa taona 2007 kano ooo. Na tsara aza ny fahiny tsy maintsy mivoatra sy manova fomba fiady e! Dia soava tsara DdRb o.

Tsorapaka
37. DadaRabe ( 18/07/2007 16:43)
As raha mety ity Tsorapaka à! (nampidirako kely anaranao)

DdRb

‘NGAHA IANAO RAHA ANY AN-DAFY ?

‘Ngaha ianao raha any an-dafy
Dia tsorapaka migafy ?
Sy hilaza fa hoe ratsy….
Anie ny tany malagasy ?

‘Ngaha ianao raha any an-dafy
Vao mahatsapa fa mihafy…
Ary koa fadiranovana
Ilay tany nandalovana ?

‘Ngaha ianao raha any an-dafy
Dia hamely tsatok’antsy
Ireo havanao malemy
Tsy mba afaka miteny ?

Izy koa mba tany an-dafy,
Nefa niezaka nanampy
Sy nanosika ho tsara
An’i Madagasikara !

DadaRabe
St Pierre et Miquelon
18/07/07 14 :36
38. Jeankely ( 19/07/2007 01:52)
Voalaza fa manana tera-tany maro misandrahaka eran'izao tontolo izao ny Malagasy. Misy ny mampianatra any amin'ny Universitin'ny tany matanjaka toy ny U.S., CANADA, France sns. Misy ny manana ary mitovy amin'ny vahiny mihintsy. Misy koa na ny teny Malagasy aza tsy hainy fa mila mpandika teny ary ao ny tsy mitsahatra ny mametraka olana sy mitsikera izay zava-misy ao M/car no handaniany andro.
Ireo tany izay voalaza fa nisy vokatra nivaingana dia manana olona misandrahaka eran'izao tontolo izao ary manana toerana tena manadanja ihany koa ary Malaza nohon'ny Malagasy angamba raha ireo Boky nosoratany na ireo sangan'asany izay hampiasana eran'ny University maneran-tany.
Koa na misy saina sy manampahaizana ary mpanana aza ve tsy mba menatra mihoatra ny sasany fa dia faly mitsikera sy mihorakoraka ny fahavoazan'ny firenena any ivelany? Tena mahazo doka eo anatrehan'ny vahiny ve izy ireny?
39. DadaRabe ( 19/07/2007 16:41)
Miarahaba,
Masaka be izany hevitrao izany ry Jeankely.
Misy ny maka 19 é!

DdRb

- dadarabe.blaogy.com

- www.freewebs.com/dadarabe/dadarabe.htm
40. kanota ( 21/07/2007 05:39)
Valian'ilay manampahaizana Malagasy TEZITRA ianao fa TSY HIASA, TSY HIASA. Dia hitanao tsara fa ireo no mpamorika sy vavan'amboa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0085