fa ahoana marina e!

1. diamondra27 ( 05/07/2007 07:15)
ity fitiavana ity ve de

1- nisy olona natokana tsy hanana anjara mihintsy sa ahoana?
Misy olona fantako manko mba miaraka amin'ny olona ihany izy fa tsy mety mi-aboutir mihintsy le izy.
Inona no mahatonga izany? Inona ny vahaolana?

2- misy koa ve ny vhv dia natao ho voafitakin'ny lhl foana sa accident sa inona?
Ity faharoa ity indray de ilay vhv izany manan-janaka 3 samy hafa ny rainy, zany we bevohoka le vhv de misaraka aminy ilay lhl fa tsy manambady na manao concumbinage aminy.
De ahoana ny fandraisanareo ity cas ity, misy fahadisoan'ilay vhv ve sa izy aza mba voafitaka?

Misaotra @ fandraisana anjara...
répondu par ikaretsaka le 10/07/2007 21:40
2. majakely ( 05/07/2007 07:54)
fiainana daholo izany akia ,raha azon'ilay vehivavy natao ny nisafidy hoe tsy ho voafitaka ,ts yho bevohoka raha ts ymanambady na koa hoe ho sendra lelah tena matotra sns sns ...ngamba naleony kokoa izay ...saingy tsy izay no izy de ekena ,afaka hanao inona moa , hamono tena ve?tsy henjehina fotsiny ny olona ohatran'ireny ampina izy de mena courage de zayyyy:)
3. rush ( 05/07/2007 08:21)
"diamondra27":
nisy olona natokana tsy hanana anjara mihintsy sa ahoana?
Misy olona fantako manko mba miaraka amin'ny olona ihany izy fa tsy mety mi-aboutir mihintsy le izy.
Inona no mahatonga izany? Inona ny vahaolana?
inona no mahatonga izany?@ fomba ahoana moa no ahazahoana hamaliana an'ise @ io e?raha tsy eo @ toeran'ilay olona toa ho sarotra ihany e!
"diamondra27":
misy koa ve ny vhv dia natao ho voafitakin'ny lhl foana sa accident sa inona?
Ity faharoa ity indray de ilay vhv izany manan-janaka 3 samy hafa ny rainy
aiza?accident?efa in-telo izy no niteraka,samy hafa ny rain-jaza dia mbola azo lazaina ihany ve hoe accident?tokony mba handalina tsara aloha ilay vavy rehefa nahazo zaza iray nefa tsy nijanona ilay lahy e!adalana ny azy a!
4. majakely ( 05/07/2007 11:25)
za kosa tsy hiteny anizany hoe adalana zany kaaa,,,tsy ekeny saiko zany fa tsy fidiny ,,,refa voa zay ngee tena tsita tsony ze atao hoe,
5. xxx ( 05/07/2007 12:04)
rush, masika loatra ianao, sa ve tsy eo aminao ny toerana dia hainao ny miteny hoe hadalana? izaho izao lazaiko anao, vehivavy za manoratra, roa ny zanako ary samy hafa ny rainy. Ilay voalohany dia tsy niraharaha tsotra fotsiny izao, ary ilay faharoa dia tena namitaka be vava, na izaho na ny RAD ko samy voafitaka daolo, dia aminao ve hadalana ny ahy? Mba naniry ny tsy hovoafitaka anie aho e! ary na zà aza efa nipromettre ny tenako sy ny reniko fa tsy hiteraka raha tsy efa mba manambady, saingy tsy izay ny zavamisy! tsy hanome tsiny an'iza n'iza koa nefa aho!! ary amin'i rush aza, iza no tsara kokoa refa sendra cas otran'ny ahy e! ny maonme aina sa ny mamono? voa aho voalhany, solafaka izay, voa indray aho faharoa, ka tokony novonoko nalàko ve ny zanako satria adalana ny ahy?
6. rush ( 05/07/2007 12:34)
xxx:
rush, masika loatra ianao, sa ve tsy eo aminao ny toerana dia hainao ny miteny hoe hadalana?
tsy masiaka aho r'ise aa!fa ianao ihany no nilaza hoe
roa ny zanako ary samy hafa ny rainy. Ilay voalohany dia tsy niraharaha tsotra fotsiny izao, ary ilay faharoa dia tena namitaka be vava, na izaho na ny RAD ko samy voafitaka daolo
dia efa nisy toe-javatra tahaka izany ary dia tokony hitandrina e!ianao ihany anefa dia efa nahavaly io fitandremana io satria hoy ianao hoe
zà aza efa nipromettre ny tenako sy ny reniko fa tsy hiteraka raha tsy efa mba manambady
satria raha efa voadona indroa kosa ve dia tsy hitandrina @ manaraka e?sa ve dia mbola hamerina an'ireny hadisoana ireny ihany?avy eo ny zaza no mijaly e!indraindray koa ilaina io hoe masiaka io mba hampitandremana ny olona e!mora dia mora manko ny fisolafahana indrindra rehefa sandran'ny olona tsotra loatra e!


7. ikaretsaka ( 05/07/2007 13:38)
mitovy fijery @ rush
8. nathie86 ( 05/07/2007 13:41)
za ndray rush tsy mihevitra oe hadalana lay izy, refa voafitaka ny olona iray, marina hoe angalana lesona ny teo aloha fa refa voafitaka izy ka misy ol iray manome teny mamy azy d ao ndray aloha, miantsampy @io ol mampanantena azy ny fiainana tsara tsy ôtrany teo aloha izy, zay ny momba an'io.
Ra iza manokana d mino fa samy manana ny anjarany ny tsirairay, ianao ftsny no tsy manaiky oe d ho ito v no anjarako d miezaka ny anovva izany, ny anjara mantsy azo ovaina fa ny lahatra kosa d tsy azo ovaina. Zay ngamba no mahatonga ny sasany tsy hanana diso mifidy loatra:)
9. ikaretsaka ( 05/07/2007 13:46)
ilay diso fatra pifidy io koa antony 1
avy eo anefa diso safidy ...
10. tsiafoi1 ( 05/07/2007 14:04)
Nianatra daholo isika, mahay mikaoty ny période d\'ovulation, ary na tsy nianatra aza tsapa izany sns...Tokony ho niala pas rehefa tsy période favorable fa izay le mampisy accident, le izy tsinona tsy viol fa safidy tsotra izao.

Tokony tsy nijabaka raha toa mbola tsy matotra le fatoram-pitiavana, ary raha nijabaka de tsy manome tsiny ny hafa fa safidy iny matoa nisy tao.

Amin\'ny atao rehetra de sainina foana ny farany na ny objectif eny fa na dia ny revy eo ambony fandriana aza.

Ny taranaka koa ilaina na tsy misy vady aza fa mariky ny fitohizam-piainana. Ekena ny zava-misy ary mioitra ao anatin\'izany, zay no fahombiazana. Ilaina koa ny mandini-tena sao de avy amin\'ny tena ihany no mahatonga ny échec mandrakariva (beauté au lit et beauté physique)
11. xxx ( 05/07/2007 14:15)
ny tsy azonareo manome tsiny anie dia izao e! nisy antécedent teo am fiainanle ol, ohatra zao za tena hoe tsy ampy affection tao antrano na tam mamako indrinrda moa tam dadako, izany nefa tsy midika fa izay mikitika dia nekeko avokoa! Manaiky hoa za hoe fahadisoana ilay voalohany, fa t@ le fahaaaroa efa mba namarafara sy nanadihady tsara mintsy aho fa saingy ny ratsy moa tsisy tandroka... ary na de ny RAD ko aza voafitaka :-(
12. imeva ( 05/07/2007 14:47)
Ny tsiny aloha tsy maintsy misy satria tsy miaina tahaka ny akizy rehetra ilay zaza.
Iza ary no homena azy. Ilay lhl aloha no voalohany indrindra. Dia ilay vhv koa satria tsy nisy io raha tsy nanaiky ilay vhv.
Ny olana anefa dia ireto, sarotra be ny tsy hanaiky raha tsy virijiny ianao. Satria efa niaraka tamin'olonkafa ve dia ilay tianao indray no tsy omena. Dia tonga amin'izay ilay accident. Sady amin'ny ovulation iny vao maika mahamay be.
DIa ny olana faharoa dia tsy fatatra ilay lhl dia tsy maitsy mirona any amin'ilay vhv ny tsiny.
Izay ange no antony anaovana an'ilay mariazy. Atao malaza sy kotaba be mihitsy hoe natao mariazy amin'izay hitan'ny olona ilay lhl.
13. kally ( 05/07/2007 16:14)
Aza mifanome tsiny fa ity ny raozy

........ , . - . - , _ , ..........
......... ) ` - . .> ' `( .........
........ / . . . .` . . ........
........ |. . . . . |. . .| .......
......... . . . ./ . ./ .........
........... `=( /.=` .............
............. `-;`.-' .............
............... `)| ... , .........
................ || _.-'| .........
............. ,_|| _.,/ ..........
....... , ..... || .' ............
....... | | ,. ||/ ..............
.... ,..` | /|.,|Y, .............
..... '-...'-._..||/ .............
......... >_.-`Y| .................
.............. ,_|| ...............
................ || ..............
................. || ..............
................. || ..............
................. |/ ..............
14. ikaretsaka ( 05/07/2007 16:44)
tsiafoi1:

Nianatra daholo isika, mahay mikaoty ny période d\'ovulation, ary na tsy nianatra aza tsapa izany sns...Tokony ho niala pas rehefa tsy période favorable fa izay le mampisy accident, le izy tsinona tsy viol fa safidy tsotra izao.

Tokony tsy nijabaka raha toa mbola tsy matotra le fatoram-pitiavana, ary raha nijabaka de tsy manome tsiny ny hafa fa safidy iny matoa nisy tao.

Amin\'ny atao rehetra de sainina foana ny farany na ny objectif eny fa na dia ny revy eo ambony fandriana aza.

Ny taranaka koa ilaina na tsy misy vady aza fa mariky ny fitohizam-piainana. Ekena ny zava-misy ary mioitra ao anatin\'izany, zay no fahombiazana. Ilaina koa ny mandini-tena sao de avy amin\'ny tena ihany no mahatonga ny échec mandrakariva (beauté au lit et beauté physique)


miombon-kevitra
15. nathie86 ( 06/07/2007 06:21)
tsiafo1-> ka lay izy matoa izy mijabaka d mihevitra fa matotra lay olona zay manome toky azy anie eh, nefa refa tonga ny zaza d lasa mitsaoka lay lhl matahotra andray andraikitra.
Mety ho samy mahay io oe periode d'ovulation fa saingy efa tratran'ilay fampanatenana izy d mijabaka, donc tsy tokony anome tsiny mintsy isika eh.
Hafatra : Ny aza tratrany iany :)
16. tslem ( 06/07/2007 06:35)
efa voa in-droa dia tokony nitandrina nefa tratra fanintelony indray, tsisy lazaina ah fa dia agamba kosa tsy hisy intsony ny fahaefatra e, mety tsy hisy intsony koa anefa lhl hahazaka an'zany zaza telo izany araky ny eritreritro surtout izy hoe mbola tsy niteraka(ilay lhl io), ka ny hany azon'ilay vhv atao angamba sisa dia manolokolo an'ireo efa eo ireo dia mitandrina mafy mba tsy hisian'ny manaraka intsony.
17. nathie86 ( 06/07/2007 07:14)
mora ny miteny zareo an:)
18. Jeankely ( 06/07/2007 09:35)
Aza avela hijabaka izy ry "nathie86" a. Sahala aminao ihany tsy manaiky mijabaka dia ny hevitra izay tsy hijabahany no zahavina. I rush anie manao resaka mifangari koa e. Ary izy milaza fa mahazo mivoaka ny vehivavy manambady raha leo ny routine ka raha tratra dia nialan'ilay lehilahy koa ve dia mbola lazaina fa anjara ratsy ihany. Ianareo ihany no milaza fa tsy hadino ny teo aloha ka mitoditodika amin'ny teo aloha nefa teraka telo samihafa ray ka ahoana aza ny lehilahy no tsy andalo aminy fotsiny koa. Raha tena mendrika kosa ilay vehivavy ka manao vinany ny lehilahy dia tsy maintsy ahita faisana izy na ho ela na ho aingana fa ny zanaka tsy fatao kilalao.
19. diamondra27 ( 06/07/2007 10:03)
jeankely: marina ny anao
tsiafo1: mahay azy tsara ianao
nathie: aza mijabaka wa.Tsy hoe: ny aza voany fa ny aza maika mamelatra. Raha bandy tsy sincère no mangataka ka tsy mahazo de lasa izy fa raha tena tia anao de mahandry foana. Raha resaka bikina aloha de za tsy manome tsiny fa kosa ny ados na reny mbola tanora reny 15 16 ans no tratra accident fa raha efa 20 ans na mihoatra kosa le sipa tokony mahalala tsara we aiza ho aiza no fotoana mety maha-bikina ahy.

xxx: raha toa ka ny antécédent anao no misy fiatraikany @ relation-nao de zao: efa zava-debe ny fahatsapanao fa misy an'izao maha manky anao , de amboary ny saina, mila sitranina zany fery zany, ary tokony atao antsaina fa tsy ze manome toky anao no tena hanao zavatra. Fomban'ny lhl te-hahazo ireny
de aza matoky ireny olona be vava reny koa fa resabe fotsiny. De misy koa nefa olona mody bonaikanefa miandry ankolaka ...

Conclusion: mila temps mort indraindray eo @ fiainana andinihinao ny fiainanaosy zay tsy mety aminao fa tsy voatery hoe: ny olona foana no diso.

raha zaza tsy ampy tambitamby enao de facile ny mikoty anao raha vao hitan'ny bandy fa zay no point faible. Donc armez vous Mlle

20. mamzelkely ( 06/07/2007 10:53)
za ko alou tsy hanome tsiny satri mety ts fidiny ho azyle izy ao ange mety we manomboka le grossesse de mbola eo ihany le bandy teny fôna fa manomboka hita ny kibo de lasa lerytsy hita popoka ee donc inn aza oziz nareo no tokony nataon le sipa le zaza ts afaka alana tsony (ra nanana eritrritra ny hanala ko mo izy zany ee) ny fitaka be vava an le bandy nefa de teo fôna hoe hanambady anao za etc etc.. nefa le bandy kay manambady hafa ... bdb eee ts haiko expérience ana ankizy namako io ka za t shanome tsiny azy fa vôfitaka izy ny am manaraka ftsn no tandremo izay mono efa nanarako azy na de zokiko aza izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0545