Ny finoana sy ny fandinihana?
1. xxx
(
15/06/2007 20:05)
1 - Ny hoe mino dia tsy misakana ny saina tsy handinika.
2 - Ilaina ny manadihady sy mitsikera alohan'ny hanekena.
Ireo dia hevitra nalaina avy amin'ny hevitr'i Kant mikasika ny finoana. Ahoana ny fandinihanareo azy.
Hanilo antsika hahalala ny marina anie i Kristy! Amen.
répondu par marozevo le 24/06/2007 16:57
2. marozevo
(
15/06/2007 20:07)
Marina ireo ka...
Tokony ho izao aza koo : "Ny hoe mino dia manery ny saina handinika".
Ilay faharoa tena ekeko.
Tokony ho izao aza koo : "Ny hoe mino dia manery ny saina handinika".
Ilay faharoa tena ekeko.
3. Fiffi
(
15/06/2007 20:14)
xxx:1-ka na hoe mino aza anié tsy maintsy ary voatery handinika eh ! raha tsy zany lasa mino2 foana eo koh !
1 - Ny hoe mino dia tsy misakana ny saina tsy handinika.
2 - Ilaina ny manadihady sy mitsikera alohan'ny hanekena.
2-ekena tanteraka !
4. cutie
(
16/06/2007 15:04)
- Ny hoe mino dia tsy misakana ny saina tsy handinika.
2 - Ilaina ny manadihady sy mitsikera alohan'ny hanekena.
hitako mifanohitra be njay nefa reo :lol:
5. ikaretsaka
(
16/06/2007 16:26)
lasa minomino foana raha tsy mandinika.
ny finoana dia ny fahazoanao ny zavatra tsy hitanao, ny valisoany dia ny fahitanao ny zavatra inoanao!
St Augustin
ny finoana dia ny fahazoanao ny zavatra tsy hitanao, ny valisoany dia ny fahitanao ny zavatra inoanao!
St Augustin
6. cutie
(
16/06/2007 17:42)
ny finoana dia ny fahazoanao ny zavatra tsy hitanao, ny valisoany dia ny fahitanao ny zavatra inoanao!
St Augustin
=D=D=D=D=D
7. booboo
(
16/06/2007 17:56)
1 - Ny hoe mino dia tsy misakana ny saina tsy handinika.
2 - Ilaina ny manadihady sy mitsikera alohan'ny hanekena
Marina amiko io. Tsy haiko hoe aiza ho aiza ao @ tes. Vao² lay misy an'ity raha ity : na dia ny deba be t@ Apostoly aza (tsy haiko na Petera izay na iza fa deba fotsiny :°)) no nitory teny t@ kristiana tany xxxx (tsy haiko kounkou:°) ) dia mbola naka fotoana hanadihadihana tsara zareo raha tena araka ny TA tokoa ny raha...
Endriky ny firosoana lalina kokoa @ fahalalako ilay inoako kounkou io fanaovana "remises en q°" ny raha io.
11. Bita
(
17/06/2007 00:14)
Nisy mpianatr'i Kristy iray izay tsy nino ny fitsangany taorian'ny Paska ka nanontany hoe rahatsy asehonao ahy ny olatra eo ivohon'ny tananao dia tsy hino aho. Ary hoy i Kristy taminy: "Sambatra kokoa ny mino nefa tsy mahita......" Tsy haiko tsara koa ny tantara fa hoy koa izy na dia kely toa ny voatsinampy aza ny finoanareo dia hahafindra tendrombohitra ianareo...... Ka amiko tsy azo atao ny misalasala fa tsy midika hoe tsy mandinika kosa. Ary ny hevitr'i Kant ekeko ihany koa satria raha manaiky faritany @ izao fotoana hihainantsika izao dia tena ho very.... Satria hitako ohatra ireny hoe: jereo (eto), ary, aty, atsy sy aroa ary dia lasa tokoa ianao dia hitanao ny tohiny..... Tena tsy misy Baiboly aty fa inona no voalaza ao @ io IPet io? Betsaka ny tantara maneho ny finoana ao @ Baiboly.....
12. cutie
(
17/06/2007 00:17)
..... Tena tsy misy Baiboly aty fa inona no voalaza ao @ io IPet io? Betsaka ny tantara maneho ny finoana ao @ Baiboly
misy resaka fifanajana araky ny FM hono e
13. cutie
(
17/06/2007 00:20)
bita ito:
fa manamasina an'i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8. 12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,

15. gasynamana
(
17/06/2007 17:38)
Hoy jesosy raha nivavaka indray andro: "Misaotra anao aho raiko tompon'ny lanitra sy ny tany fa nanafina izany zavatra izany tamin'ny hendry sy ny be saina fa nanambara azy kosa tamin'ny madinika sy ny tso-po".
De aiza amin'izany ny anjara toeran'ny saina (raison).
Tsy mahagaga raha betsaka eto no mamerina izay voasoratra ao anaty baiboly fotsiny. Ireny ve no tena kristiana? Sa ianareo milaza fa mila mandinika ireto?
Ilay iray antsoina hoe LazaDaddy dia 9mn no atao hoe: manadihady aminy de vita. Raha izay no izy de olona tsy mandalina sy tsy manadihady loatra izay milaza tena ho kristiana.

16. marozevo
(
17/06/2007 20:19)
gasynamana > Hadihadio aloha ny hevitry ny hoe "hendry sy be saina" araka ny contexte biblique, sao dia tsy mitovy amin'ny conception ankehitriny.
Iza no tena Kristianina ? Tsy anjarako na anjaranao no mamantatra izany. Ny fanontaniana tokony hapetraka dia hoe "IZAHO ve tena Kristianina", fa tsy hoe "Ranona toa milaza ho Kristianina nefa...".
Izay ataon'i LazaDaddy dia azy ka tsy tokony ho generalisenao à partirn'azy ny Kristianina rehetra.

17. naughtyboy
(
17/06/2007 20:32)
ekena daoly nefa ny finoana ihany no ambony@ reo voalaza ra asina filaharany ra oh.tsisy finoana fa afaka andinika ny saina de tsy afaka anadiady no tsy afaka anaiky fa zvpoana toy ny baoritra poakaty:lol:
19. LazaDaddy
(
17/06/2007 23:58)
Marina tokoa ny hoe:
1 - Ny hoe mino dia tsy misakana ny saina tsy handinika.
2 - Ilaina ny manadihady sy mitsikera alohan'ny hanekena.
Fa izao no aoka tsy hadinoina:
Ny finoana dia TSY voafetran'ny fandinihana mihitsy. Matetika aza ny fandinihana mitarika amin'ny tsy finoana. Tsy midika anefa izany hoe tsy ilaina ny mandinika, fa kosa tsy mamaritra velively ny finoana ny fandinihana.
Ohatra:
- Raha niantehitra t@ fandinihana ny olona nasain'i Jesoa naoha ny varavaram-pasan'i Lazarosy dia tsy namoha izany.
- Raha niantehitra t@ fandinihana i Petera dia tsy ho nandeha teo ambony rano
- Raha niantehitra t@ fandinihana i Elijah dia tsy nanisy rano ny sorona nomaniny

20. niryna
(
18/06/2007 04:11)
Bita:
Tena tsy misy Baiboly aty fa inona no voalaza ao @ io IPet io? Betsaka ny tantara maneho ny finoana ao @ Baiboly.....
Marina izany ary ireo efa voalazanao ireo no santionany.
Ity no voasoratra ao anatin'ilay 1 Per 3:15 fa manamasiana an'i kristy ho Tompo ao am-ponareo(Isa 8:12,13);ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo ,nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana.