Ny finoana sy ny fandinihana?

21. niryna ( 18/06/2007 04:37)
gasynamana:

Hoy jesosy raha nivavaka indray andro: "Misaotra anao aho raiko tompon'ny lanitra sy ny tany fa nanafina izany zavatra izany tamin'ny hendry sy ny be saina fa nanambara azy kosa tamin'ny madinika sy ny tso-po".

Hendrin'izao tontolo izao no teneniny amin'io.
Ity koa misy ohatra mitovy amin'io.Tsy nampodin'Atra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao?Fa satria,na dia naseho aza ny fahendren'Atra,ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an'Atra,ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Atra hamonjy izay mino..27 fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Atra hamapahementara ny hendry;ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Atra hampahamenatra ny mahery 1 Kor 1:21,27
22. ikaretsaka ( 18/06/2007 04:40)
Hanitsiako kely ny voalazan'i LazaDaddy hajaina sy amin-kalemem-panahy no amaliako azy) :

-.. i Maria nony nahita izay zavatra nataon'i jesoa sy ny niseho taminy dia nitana izany rehetra izany tao am-pony, nandinika izy, dia nataony ao am-po! Toy izany koa nony nolazain'ny anjely izy fa hiteraka an'i Jesoa dia nandinika izy aloha hoe ahoana koa za ary virja? dia nanontany izy dia nahazo valiny, sy nazava taminy ny hafatra , dia nandinika dia nanaiky!

-TSY nandinika i Piera fa niteniteny fahatany hoe na hamoizako ny aiko aza...blablabla, avy eo anefa nanda Azy in 3 izy , dia nandinika izy avy eo dia nanenina mafy dia nitomany sy nibebaka!

23. gasynamana ( 18/06/2007 08:37)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 18-06-2007 06:37:21
Lohateny : Re : Ny finoana sy ny fandinihana?
Hoy i gasynamana:

Hoy jesosy raha nivavaka indray andro: "Misaotra anao aho raiko tompon'ny lanitra sy ny tany fa nanafina izany zavatra izany tamin'ny hendry sy ny be saina fa nanambara azy kosa tamin'ny madinika sy ny tso-po".

Hendrin'izao tontolo izao no teneniny amin'io.
Ity koa misy ohatra mitovy amin'io.Tsy nampodin'Atra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao?Fa satria,na dia naseho aza ny fahendren'Atra,ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an'Atra,ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Atra hamonjy izay mino..27 fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Atra hamapahementara ny hendry;ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Atra hampahamenatra ny mahery 1 Kor 1:21,27

Ireo izao de zavatra roa tsy mitovy. Contexte roa samihafa mihitsy.
Fa izao no aoka tsy hadinoina:
Ny finoana dia TSY voafetran'ny fandinihana mihitsy. Matetika aza ny fandinihana mitarika amin'ny tsy finoana. Tsy midika anefa izany hoe tsy ilaina ny mandinika, fa kosa tsy mamaritra velively ny finoana ny fandinihana.

Eto de hita fa olona tsy mba tia ny mandinika ianao. Raha ny fandinihako azy anefa de tena manampy ny olona hino sy hanaiky ny fanadihadina, sy ny fandinihana.
24. naughtyboy ( 18/06/2007 11:18)
miombokevitra @ voalazany LD aho diniho tsara aloha ny nolazainy de ho azonao ry gasynamana:)
misy teny 1 iny milaza fa ny finoana aza mahafindra tendrombohitra ka na andinika an'io aza sy anadihady ianao de ho lany andro satria finoana iringiriny zany
25. xxx ( 18/06/2007 13:59)

Ny finoana dia manampy amin'ny fandinihana. Zavatra roa natao hifameno ireo fa tsy natao hifanipaka velively. Ny fitongilanana tafahoatra amin'ny iray no mahatonga hadisoana. Ohatra raha diso mirona loatra amin'ny finoana ianao de lasa fideisme. Raha mirona loatra amin'ny resaka saina kosa dia lasa intellectualisme fotsiny.
Noho izany ilaina ny mandanjalanaja amin'ny fampiasana ny saina sy ny fandraisana ny finoana.

Tamin'ny konsily vatikana voalohany (ho an'ny katolika) dia nazava ny resaka satria nofaritany fa misy fomba roa hahatakarantsika ny fahamarinana: amin'ny alalan'ny saina (naturel) sy amin'ny alalan'ny "revelation" (surnaturel).

Nomenao anay ry Tompo ny saina sy ny Fanahy mba hahafahanay hahalala ny marina koa ampio izahay hahay hampiasa an'ireo tokoa. Amen!
26. ari.malala ( 18/06/2007 14:21)
fomba ahoana moa no hahatakarana izay inoana nefa tsy dinihina akory ilay izy? lasa finoanoam-poana maniditsidina raha izany... noho izany mifameno ny finoana sy ny fandinihina!
27. naughtyboy ( 18/06/2007 14:49)
io voalazany xxx io zao ekeny saiko tsara satria fomba ahafahana mandanjalanja reo fanomezana goavana 2 reo : finoana sy saina,ny zvdehibe de mila fantatrao tsara ko zay inoanao ary ananao fototra mazava de mora2 koko ny saina ny mandinika azy.Averiko ndray finoanao any @ saina aloha no tsara fototra vao afaka mandinika fa tsisy maniditsidina fotsiny zany ,Diniho tsara ny tantarany davida sy goliata de mazava io
28. marozevo ( 18/06/2007 16:29)
Misy zavatra tsaroako tampoka ity, tenin'ny Papa Joany Paoly II : "Peu de science eloigne Dieu, beaucoup de science y ramène".

Izay mitovitovy amin'ny lazain'i Paoly Apostoly hoe : "Tapany ihany ny fahalalantsika, fa rehefa tonga ny feno dia ho foana ny tapany".

Ary ahatsiarovako ny tenin-dRazana manao hoe : "Ny tapany ihany no mikobana".
29. naughtyboy ( 18/06/2007 16:53)
lalina ihany hevitry reny oul voafidin'Andriamanitra hitarika reny ka..fa za manana fihevitra milaza fa azo alehibiazina sy fenoina ary ampifandanjana tsara izy ireo.finoana sy saina feno ary vatana sy fanahy salama de manome olona feno na de tsy tanteraka aza kalo..
30. marozevo ( 18/06/2007 17:14)
Izany no tena atao hoe "lafatra" raha vitantsika ka...
31. LazaDaddy ( 19/06/2007 05:39)
O ry zareo ah! Dia fandinihina lehibe toy ny inona sa kely toy inona, na koa voalanjalanja toy inona ny nataon'i Elijah hoe:
"tondray rano ny sorona atolotro dia aza tselarana afo fa hirehitra ho azy eo"?
32. naughtyboy ( 19/06/2007 10:33)
sarotra ihany ny amaritra ny endrika finoana ara materialy ,na bikany na ny lokony na ny habeany satria tsy azo tsapaintanana
na voarefiny saina.ny mety ho azo lazaina ngamba de lalimpaka na marivo na tsy misy(@ refy arapinoana zay Atra irery no manana ny maridrefy @ io ra ny eritreritro..)
Ireny oul voafidy rehetra reny de lalimpaka ny finoany na de sedrain@Atra aza
atr@ abrahama nanao sorona ny zanany ka atr@ Jesosy zanak\'Atra nifady hanina tany an\'efitra.
Mazava fa mafy ny finoany izy ireny ka tarafiny mpanaraka rehetra ho idealy,tsara fototra ary iringiriny na 200%mety nahery aza
manana safidy tanteraka ny sainy olmbel rehetra zay hajain\'Atra foana fa tsy nasoriny tamintsika akory,eo ny saina no mandanjalanja.Izay mino Azy mazava oazy de ahazo ny valisoa nampanantenainy ary zay tsy mino de samy mahalala ny vokany avy eo ka ozy aho tany aloha oe ny finoana no ambony indrindra
de manaraka ny saina mahay misafidy de manaraka ny vatana sy fanahy salama ary ny fo falifaly
33. ikaretsaka ( 20/06/2007 03:39)
LD> dia tsy nandinika ve i Elijah raha niteny an'io?
amiko dia nandinika izy
34. ikaretsaka ( 21/06/2007 16:00)
sendra mba niodikodina namaky baiboly teo am-panaovana meditations maraina aho sady manaraka Missal ihany
dia nisy hoe:
1 John 4:1 -
zahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia
toa mila fandinihina ny fizahana an'io ko! sa tsy izany?
35. xxx ( 21/06/2007 20:11)
miombokevitra @ voalazany LD aho diniho tsara aloha ny nolazainy de ho azonao ry gasynamana
misy teny 1 iny milaza fa ny finoana aza mahafindra tendrombohitra ka na andinika an'io aza sy anadihady ianao de ho lany andro satria finoana iringiriny zany


Voalohany aza dia raisina ara-bakiteny loatra ny voalazan'i Jesoa.
Faharoa : hahamora hahazoanao azy dia aleo indramiko vetivety ilay voalazan'ny ntaolo hoe: "tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto".
Eto dia ny herin'ny volonté humaine no ahindrahindra fa mahavita zavatra na dia sarotra ohatry ny inona aza.
Ny an'i Kristy dia ny finoana no ambarany fa hery lehibe ho antsika kristianina mino azy.
Tsy resaka fahagagana no tiany asiana tsindrim-peo fa ilay fanantenana ananan'ireo mpino.
Rehefa mino isika dia miova tanteraka ny fijerintsika ny tontolo sy ny fiainana. Ohatra : ny fahafatesana dia tsy fara-fiainana fa fahaterahana vaovao any an-danitra.
Ary izay fanantenana izay no hery manosika ny volonté -ntsika hahavita zavatra raha tena mino tokoa isika.
Ohatra : jereo ireo martiry, ny fivoaran'ireo pays kristianina na @ lafin'ny maha-olona na @ lafiny ara-toe-karena.
36. LazaDaddy ( 22/06/2007 12:33)
xxx:
Eto dia ny herin'ny volonté humaine no ahindrahindra fa mahavita zavatra na dia sarotra ohatry ny inona aza.
io aloha dia hevitry ny "ntaolo" sy "volonte humaine" araka ny teninao tokoa fa tena "mifanipatra" tanteraka amin'ny fahasoavan'Andriamanitra (grace) io.
Ampy ho anao ny fahasoavany ary miasa foana ny mpanao trano raha tsy i Jehovah no manampy azy.

Ilaina ny volonte saingy tsy ny volonte mihitsy no ahavitana zavatra...fandrao sanatria tsy misy lanjany ny hazo fijalian'i Kristy hoy i Paoly.
37. naughtyboy ( 22/06/2007 12:56)
ny fandraisako azy eto anie ry xxx de tsy takatra ny heriny finoana na ko tsy voafetra, fikirizana na herimpo de mijanona hoany oul ihany no sady voafetra ny lalanany tany sy espace nefa mety tsy ifandipatra koa ny voalazantsika..
38. piste ( 22/06/2007 17:41)
io aloha dia hevitry ny "ntaolo" sy "volonte humaine" araka ny teninao tokoa fa tena "mifanipatra" tanteraka amin'ny fahasoavan'Andriamanitra (grace) io.


Amiko dia tsy mifanipaka ny volonté humaine sy ny Grace divine, fa mifameno aza.
Toy ny rano araraka eo an-damosin'ny gisa ny Grace raha tsy raisintsika( na raha tsy manana volonté handray azy isika), ary zava-poana ihany koa ny ezaka atao raha tsy iarahana @ Andriamanitra, na raha tsy ampian'ny fahasoavan'Andriamanitra.

Raha miverina @ hevitry ny Naughtyboy, dia tadidio fa ny finoana dia rationnel fa tsy irrationnel. Ka azon'ny saina dinihina tsara. Satria tadidio fa natao ho an'olombelona anie io é. Andriamanitra tsy mila finoana intsony, satria izy no inoana.
Ka raha zavatra natao ho antsika dia mazava ho azy tokony ho takatry ny saintsika.
Ny tsipihiko fotsiny angah dia : ny anton'ny fandinihina eto dia mba hahafahana mino bebe kokoa. Efa mino ianao fa te-hiditra lalindalina kokoa.
Raha tsy azonao ny zavatra inoanao dia tadidio fa misy tension foana ny fomba iainanao azy. Satria tsy tena assimilé.
39. marozevo ( 22/06/2007 17:44)
Marina mihitsy aloha fa "Raha tsy ny Tompo no manorina ny trano, zary miasa miasa foana izay manorina azy ireny", fa tsy maintsy miasa ihany ny mpandrafitra na izany aza ka !... Tsy azo sarahina ireo : Grâce de Dieu, volonté humaine.

"Ampy ho anao ny fahasoavako, hoy ny Tompo tamiko (Paoly no miteny an!), fa ao anatin'ny fahalemena no miharihary tanteraka ny heriko". Tao anatin'ny fanenjehana i Paoly no nilaza io, fa tsy hoe tao anatin'ny hakamoana hiasa sanatria.
40. xxx ( 22/06/2007 17:53)
io aloha dia hevitry ny "ntaolo" sy "volonte humaine" araka ny teninao tokoa fa tena "mifanipatra" tanteraka amin'ny fahasoavan'Andriamanitra (grace) io.


Amiko dia tsy mifanipaka ny volonté humaine sy ny Grace divine, fa mifameno aza:
Toy ny rano araraka eo an-damosin'ny gisa ny Grace raha tsy raisintsika( na raha tsy manana volonté handray azy isika), ary zava-poana ihany koa ny ezaka atao raha tsy iarahana @ Andriamanitra, na raha tsy ampian'ny fahasoavan'Andriamanitra.

Raha miverina @ hevitry ny Naughtyboy, dia tadidio fa ny finoana dia rationnel fa tsy irrationnel. Ka azon'ny saina dinihina tsara. Tadidio fa natao ho an'olombelona anie ny finoana hahazoany famonjena. Andriamanitra tsy mila finoana intsony, satria Izy efa lavorary no sady Izy rahateo no inoana.
Ka raha zavatra natao ho antsika dia mazava ho azy fa tokony ho takatry ny saintsika.
Ny tsipihiko fotsiny angah dia : ny anton'ny fandinihina eto dia mba hahafahana mino bebe kokoa. Efa mino ianao fa te-hiditra lalindalina kokoa.
Raha tsy azonao ny zavatra inoanao dia tadidio fa misy tension foana ny fomba iainanao azy. Satria tsy tena assimilé.
Indray andro izay Jesoa nilaza t@ mpianany : " mbola betsaka ny zavatra tiako lazaina anareo kanefa mbola tsy zakanareo izany ankehitriny ".
Koa angataho ny Fanahy Masina hanazava ny finoantsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0937