ireo mbola tsy nandre momba an'i Jesoa

1. LazaDaddy ( 13/06/2007 11:17)
Aoka ny olona niaina taty aorianan'ny nahaterahan'i Jesoa no resahina eto (lohahevitra hafa indray ny talohany).

Adihevitra fahita etsy sy eroa ny hoe: "raha i Jesoa irery no lalana mankany amin'Andriamanitra, mankany @ fahaverezana ve izany ireo izay tsy mbola naheno an'i Jesoa mihitsy"?

1) Tsy ny fahafantarana na tsy fahalalana an'i Jesoa no mahatonga ny olona mankany amin'ny afobe.

2) Ny ota no mahatonga ny olona mankany amin'ny afobe. Ny olona rehetra dia samy mpanota avokoa na mahafantatra na tsy mahafantatra an'i Jesoa. Rehefa misy ota dia mankany amin'ny afobe.

3) I Jesoa mahay manala ny otan'ny olona izay miantso sy mino Azy.
répondu par marozevo le 15/06/2007 08:07
2. hery ( 13/06/2007 12:00)
TSy azoko ny tian'i Laza holazaina eto (sady toa azo dinihina atsy ambadika io http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m466fa69cc373e fa izany hoe tsy notohizan'i Laza ilay ao :-)

Affirmation ve ity? Ohatran'ny manao syllogisme diso izany mantsy
3. ari.malala ( 13/06/2007 12:08)
Raha tsy mbola nandre izy ireo, aiza moa no hahalalany an'izay Jesoa any! tsy misy fahotany mintsy zany ko! fa rehefa nahare indray no minia manidy fo, zay ndray zavatra hafa...
4. LazaDaddy ( 13/06/2007 12:28)
Hery:
TSy azoko ny tian'i Laza holazaina eto
1) Betsaka ireo milaza fa misy lalana hafa mankany @ Andriamanitra fa tsy voatery ho i Jesoa irery ihany. Hanohanany ny heviny dia maka ohatra izy ireo ary ny olona"any ambanivohitra tsy naheno" momba an'i Jesoa no matetika hanohanany ny heviny.
2) Voalaza anefa fa ny olona rehetra dia mpanota na naheno na tsy naheno an'i Jesoa, vokatr'io fisian'ny ota io dia mankany amin'ny fahaverezana daholo satria tsy misy an'izany olona tsy misy ota izany.
3) I Jesoa kosa anefa mahay manala ilay ota ho an'izay mino Azy, ary tsy misy afa-tsy Izy irery.

=> Marina fa i Jesoa no mpamonjy, saingy ny OTA no mandefa olona any amin'ny afobe fa tsy ny tsy fahafantarana an'i Jesoa.
5. hery ( 13/06/2007 12:29)
dia mankany @ fahaverezana ve izany ireo izay tsy mbola naheno an'i Jesoa mihitsy?

tsy voavaly
6. LazaDaddy ( 13/06/2007 12:40)
Hery:
dia mankany @ fahaverezana ve izany ireo izay tsy mbola naheno an'i Jesoa mihitsy?
Ka izay no azavaiko hoe tsy ny "tsy fahenoana" an'i Jesoa no ankanesana any @ fahaverezana fa ny ota.:)




Hanampiako ny hevitra narosoko ho an'izay hanontany manaraka:

1) Hoy i Jesoa hoe "tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako"

2) Araka ny hevitrao, inona ny fonosin'ilay tenin'i Jesoa hoe: "tsimaintsy ho toriana manerana an'izao tontolo izao ny vaovao mahafaly vao ho tonga ny farany"?

Raha atambatrao ireo 1) sy 2) ireo dia hazava kokoa aminao angamba?
7. ikaretsaka ( 13/06/2007 13:01)
miankina amin'ny fahalalanao sy ny fahazoanao, ary ny fi interpretevanao ny tena tian' ilay
"afa-tsy" sy "tsy maintsy" ambara io
8. LazaDaddy ( 13/06/2007 13:06)
ikaretsaka> azafady kely fa ny Tenin'i Jesoa dia TSY miankina velively amin'ny fahalalanao sy fahazahoanao azy na dia kely monja aza :)
9. ikaretsaka ( 13/06/2007 13:17)
ka izay hoa.. misy fotoana lost in translation isika, ny TSY MAINTSY sy ny AFA TSY amin'i jesoa tsy voatery ho ny ny tsy maintsy araka ny fahazoako azy, ary tsy voatery ho ny tsy maintsy araka ny fahazoanao azy koa
10. LazaDaddy ( 13/06/2007 13:35)
=)) ny TSIMAINTSY dia tsimaintsy, ny "afa-tsy" dia "afa-tsy" :-D
11. ikaretsaka ( 13/06/2007 13:58)
ok, Azavaiko aza fa ny ahy tsy ataoko bontolo be ohatranao fa omeko foana ny antony ahitako azy!
Diniho fotsiny ny fanaonao andavanandro, ohatra tsotra 1 ity!
raha misy miteny antsika hoe "Tsy maintsy vitanao io" na hoe tsy maintsy izao io!"
dia ianao mety ho tonga dia hanao azy nefa mety tsy fantatrao akory ny antony hanaovana azy . Ny olona hafa (izaho ohatra) mety manao aloha hoe "fa maninona"?
--> eo dia efa samihafa ny fandraisana azy!

toy izany koa ny afa-tsy!
12. pissoa ( 13/06/2007 16:26)
LazaDaddy:
1) Tsy ny fahafantarana na tsy fahalalana an'i Jesoa no mahatonga ny olona mankany amin'ny afobe.

2) Ny ota no mahatonga ny olona mankany amin'ny afobe. Ny olona rehetra dia samy mpanota avokoa na mahafantatra na tsy mahafantatra an'i Jesoa. Rehefa misy ota dia mankany amin'ny afobe.

3) I Jesoa mahay manala ny otan'ny olona izay miantso sy mino Azy.


Fanontaniana : Ary i Jesoa ve manala ny otan'izay tsy miantso sy tsy mino Azy ?
13. pissoa ( 13/06/2007 16:59)
Pfff, hay kay nampiaran'i LazaDaddy ny talentany indray ny dinika iray noforoniny atsy ambadika ... =))=))=))
14. ikaretsaka ( 13/06/2007 21:02)
ka ananany ilay izy ko tsy ampiariny?
15. xxx ( 13/06/2007 21:23)

LazaDaddy: Ny fiarahana amin'Andriamanitra dia tsy misy mihitsy hoe: tsy maintsy izany. Io teny io dia manafoana ny fahafahan'ny tsirairay. Noho izany raha resaka finoana an'i Kristy dia alao io teny hoe: tsy maintsy io.

Faharoa: ataoko fa noho ny tsy fanekenao ny anjara toerana lehibe omen'ny kristiana katolika an'i Masina Maria no mahatonga anao hanao ity resaka tsy dia tena mitohaka loatra ity. Fantaro anefa fa tsy ny katolika no nanome toerana ambony azy fa Izy Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina mihitsy. Ny Ray nifidy azy ho renin'ny zanany, ny Fanahy Masina nanolon-tena hiara-hiasa taminy, ary ny Zanaka nanaiky sy nankatò ary nanaja azy fatratra.

Farany: aza afangaro ny resaka. Samy hafa mihitsy ny anjara toeran'i Maria sy Jesoa eo aman'ny famonjena antsika olombelona. I Maria dia ilay maniraka hoe: "Ataovy izay rehetra lazainy anareo". I Jesoa kosa no manome ny teny hotanterahana sy hoarahina.

Ho toa an'i Masina Maria anie isika amin'ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra, ka tonga nofo ao amintsika izany tenin'Andriamanitra izany! Amen.
16. cutie ( 13/06/2007 21:27)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 13-06-2007 14:40:56
Lohateny : Re : ireo mbola tsy nandre momba an'i Jesoa
Hoy i Hery:
dia mankany @ fahaverezana ve izany ireo izay tsy mbola naheno an'i Jesoa mihitsy?
Ka izay no azavaiko hoe tsy ny "tsy fahenoana" an'i Jesoa no ankanesana any @ fahaverezana fa ny ota.

marina de marina zay :)
17. cutie ( 13/06/2007 21:33)
Fanontaniana : Ary i Jesoa ve manala ny otan'izay tsy miantso sy tsy mino Azy ?

ie :-D
18. xxx ( 13/06/2007 21:54)

Misy faritra any Madagasikara tsy mahalala na dia ny atao hoe ota aza. Dia ahoana?

Amin'ny faritra sasany (any atsimo ohatr) dia teny tsy dia maontina loatra ny hoe: mibebeka. Dia ahoana ny hilazanao hoe: mibebaha ianareo? Ny ota tsy hainy, ny mibebaka zavatra hafa aminy?

LazaDaddy, de ahoana?????
19. cutie ( 13/06/2007 21:56)
fa izy io nga moa tsy maintsy we asiana definition le ota vo hay we ota ty na tsy ota ty :roll:
ho an'i xxx io fanontaniana io :lol:
20. xxx ( 13/06/2007 22:00)

ka ahoana àry no ilazanao aminy hoe: fahotana izany nefa na ny teny hoe: fahotana aza tsy ao anaty vokabolary akory e????

Hazavao!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4104