ireo mbola tsy nandre momba an'i Jesoa
21. cutie
(
13/06/2007 22:06)
ny fahotana amiko de ze zavatra rehetra ataonao ka mifanipaka @fiaraha monina na manimba ny fiaraha monina sy manodidina anao, ary ny tenanao koa aza.
Ka refa hainao fa tsy mifanaraka @ fiaraha monina ny zavatra nataonao na tsy mandry ny eritreritrao de efa nanota enao zay.
Tsy voatery handeha hijery ao @ baiboly akory na miandry toriana teny vo hahatsapa ny zavatra ze tsy mety nataonao.

22. hery
(
13/06/2007 22:07)
Ary mitady hitovy hevitra isika sy LazaDaddy :-)
Ahoana no hinoana azy raha tsy mbola nandre azy sy tsy mahalala azy akory?
Izany hoe ireo tsy nahalala azy (tsy mba nanana chance) dia efa sady manota satria olombelona, no mbola tsy avotra koa satria tsy afaka nino azy?
3) I Jesoa kosa anefa mahay manala ilay ota ho an'izay mino Azy, ary tsy misy afa-tsy Izy irery.
Ahoana no hinoana azy raha tsy mbola nandre azy sy tsy mahalala azy akory?
Izany hoe ireo tsy nahalala azy (tsy mba nanana chance) dia efa sady manota satria olombelona, no mbola tsy avotra koa satria tsy afaka nino azy?
23. cutie
(
13/06/2007 22:13)
hery
raha kristiana le oul de tokony efa nandre sy nahalala Azy.
De zay le we anjaranareo @ zay mandeha no mitory @ ze mbola tsy nandre ka tinareo hahare:lol:
raha kristiana le oul de tokony efa nandre sy nahalala Azy.
Ahoana no hinoana azy raha tsy mbola nandre azy sy tsy mahalala azy akory?
Izany hoe ireo tsy nahalala azy (tsy mba nanana chance) dia efa sady manota satria olombelona, no mbola tsy avotra koa satria tsy afaka nino azy
De zay le we anjaranareo @ zay mandeha no mitory @ ze mbola tsy nandre ka tinareo hahare:lol:
24. xxx
(
13/06/2007 22:24)
Dia ny fiaraha-monina ve izany no mamaritra ny atao hoe fahotana? Toa diso be izany koa.
Raha ekena ary fa ny fiaraha-monina no mamaritra ny atao hoe fahotana, dia izao. Diso be io zavatra lazain'i LazaDaddy io hoe: mpanota daholo ny olona, satria, averiko ihany, fa tsy mahalala ny atao hoe manota ireto olona lazaiko eto ireto, ary tsy misy an'izany ao anatin'ny fiteniny isan'andro. Izay koa dia midika fa ao amin'ny fiaraha-monina misy an-dry zareo dia tsy misy zavatra tsy mety sy tsy mety izany. Ka ahoana???
25. cutie
(
13/06/2007 22:29)
Dia ny fiaraha-monina ve izany no mamaritra ny atao hoe fahotana? Toa diso be izany koa.
tsy ny fiaraha -monina fa ny conscience anao manokana eo anivon';ny fiaraha monina:lol:
26. LazaDaddy
(
14/06/2007 00:00)
xxx:nitsiky kely fa tena "paranoiac" be i xxx :)
Faharoa: ataoko fa noho ny tsy fanekenao ny anjara toerana lehibe omen'ny kristiana katolika an'i Masina Maria no mahatonga anao hanao ity resaka tsy dia tena mitohaka loatra ity.
xxx:tsy midika izany akory fa tsy nanota izy :) Ny Soratra Masina milaza fa mpanota ny olona rehetra, koa iza no sahy handiso izany ary? :)
Misy faritra any Madagasikara tsy mahalala na dia ny atao hoe ota aza. Dia ahoana?
28. LazaDaddy
(
14/06/2007 00:31)
Hery:Marina tokoa fa avy amin'ny fandrenesana ny finoana, ary ny fandrenesana dia avy amin'ny Tenin'Andriamanitra.
Ahoana no hinoana azy raha tsy mbola nandre azy sy tsy mahalala azy akory?
Hery>
1) amiko dia tsy miangatra ny Tompo fa mampahafantatra ny tenany ao am-pon'ny olona rehetra tsy ankanavaka, amin'ny alalan'ny zavatra rehetra.
"Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo" Romana 1:19
2) Anjaran'ny olona kosa no misafidy na hanaiky na hanidy fo tsy hino sy hilaza fa tsy nahafantatra.
"fa na dia nahalala an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto." Romana 1:21
3) Tsy manery Andriamanitra fa rehefa manidy fo eo amin'io dingana voalohany io (1) dia hajainy izay safidin'ny olona izay. Izay manaiky sy mangetaheta kosa mbola omeny sy ampahafantariny bebe kokoa hatrany hatrany.
"Izay manana dia homena, fa izay tsy manana kosa na izay kely nananany aza esorina aminy"
31. pissoa
(
14/06/2007 03:12)
Efa maromaro ihany izay fanontaniako tato izay no tsy novalian'i LazaDaddy fa mety hanaovako dinika manokana :oops::oops::oops:
32. majesty
(
14/06/2007 05:28)
Raha vao resaka hoe famonjena izany wa dia "domaine" an'Atra irery,izy ihany no mahalala izany na very ny olona iray na tsia,fa ny anjarantsika dia ny mampahafantatra an'izay tsy mbola mahalala aloha zao.
Manjary H.S @ zany anie e:D
Manjary H.S @ zany anie e:D
33. ikaretsaka
(
14/06/2007 12:36)
laza:
1)toa nifidy ny tompo ka.. \"tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ho\'zy\"
2) anjaran\'ny olona tokoa, tsy niraika izy satria tsy mbola voafidy
\"Mahaiza misaotra sy mankasitraka ny Tompo nahary nifidy anao, tanatin\'ny maro , tanatin\'ny tsara, misaora!\"

34. hery
(
14/06/2007 13:33)
LazaDaddy> izaho tsy miresaka momba ny olona manidy fo tsy te hahafantatra. FA ireo tsy nahalala mihitsy na dia izany Filazantsara izany aza... indrindra moa fa Kristy.
Betsaka tamin'ireny olona ireny no efa maty (tsy misy azo atao aminy intsony hoy ny famerimberinareo)
dia ahoana no momba azy?
Hovaliako anie raha tsy voavalin'i Laza e :-)
Betsaka tamin'ireny olona ireny no efa maty (tsy misy azo atao aminy intsony hoy ny famerimberinareo)
dia ahoana no momba azy?
Hovaliako anie raha tsy voavalin'i Laza e :-)
36. LazaDaddy
(
14/06/2007 20:16)
hery:Ireo olona lazainao fa tsy mahalala mihitsy ireo anie ry Hery tsy iza fa ireo ilay manidy fo e. Inona moa no antony "tsy ahalalany" mihitsy? Satria odiany tsy fantatra Andriamanitra.
LazaDaddy> izaho tsy miresaka momba ny olona manidy fo tsy te hahafantatra. FA ireo tsy nahalala mihitsy na dia izany Filazantsara izany aza... indrindra moa fa Kristy.
"Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo" Romana 1:19
=> Andriamanitra dia mampahafantatra ny Tenany - amin'ny fomba maro - fa ireo "tsy mahalala mihitsy" lazainao ireo dia "tsy hanan-kalahatra"
39. marozevo
(
14/06/2007 22:22)
Misy an'ity fehezan-tenin'olo-malaza ity, asa moa na St Augustin izy izay na St Ambroise na St Cyprien, tsy tsaroako, fa izao ilay phrase, izay mety hisy fifandraisany amin'ny fanontaniana mipetraka : "Parmi ceux qui sont dedans, il y en a ceux qui sont dehors; et parmi ceux qui sont dehors, il y en a ceux qui sont dedans".
Ary amin'ilay asain'i Hery jerena eto no misy an'io. Izaho ihany no nametraka an'io tany fa averiko eto. Ny mahavariana ahy dia ity. Tsy hitako izay mahasamihafa an'ity lohahevitra amin'io asaina jerena eto voalaza io. I LazaDaddy dia nandray anjara tsara tao amin'ilay anankiray voalaza.
Miala tsiny fa maka fanahy hitsaratsara foana izao fihetsika izao :
1 - Sao dia mba mitady hamandrika ary Ranamana, dia mody averiny ny fanontaniana ka hotadiaviny ny fifanoheran-kevitra mety hasehon'ny mpandray anjara...
2 - Sao dia votsa saina ary i LazaDaddy, ka adinony hoe efa misy, ary mbola eo amin'ny pejy voalohany eo, ity lohahevitra ity.
Averiko ihany anefa : Tena mitsaratsara foana aho. Ny fanazavana entin'i LazaDaddy no handiso na hanamarina io lazaiko io.
40. LazaDaddy
(
14/06/2007 22:30)
pissoa:Tena ilaina tokoa.
Ilaina ve ny Baiboly sy ny Mpitory teny ?
Tsy misy olona afaka "mampanao ho mpianatr'i Kristy" (disciplemaker)avy hatrany fa "Process" io ary misy dingana maro.
=> Raha vao ny dingana voalohany (ny fisian'Andriamanitra) no lavin'ny olona, tsy ho tonga any amin'ny dingana "fanarahana an'i Kristy" izy, ary tsy ho "mpanarato olona" ho an'i Kristy koa.