He, sambatra aho Jeso raha miaraka Aminao( ho an'i Marovezo)

1. niryna ( 10/06/2007 22:15)
Ity ilay hira notadiavinao Marovezo a.
He,sambatra aho Jeso

He,sambatra aho Jeso raha miaraka Aminao.
Fa ny lalanao dia lavi-pahoriana.
Ny ali-mampahory ,ny raho mitatao.
Eo anilanao dia mody fitahiana.

Tano aho Jeso,hiaraka aminao.
Izay lalana ombako e! mba hazavao.

Izao no faniriako manetsika ny fo:
Ho sakaizanao mandrakizay doria'
Na inona mihatra,na inona manjo.
Hianao no antenaiko hitantana ny dia.

O! avia Jeso,tano aho e!
Tantanonao ny diako,Tompo mamonje!

Izay sakaizanao ,Jeso,no ampoky ny soa.
Feno haravoana sy lavitra manjo.
Izay rehetra ilaina anananao tokoa.
Raha miaraka aminao,mionona ny fo.

Sambatra aho ,Jeso,tretrika tokoa.
Ravo,ny fanahiko,toloranao ny soa.

Inona no mamiko mihoatra noho Hianao?
Tompo manan-kery sy loharanon-tsoa?
Izay zavatra ilaiko azoko aminao
koa onenonao ny foko ,ho lapanao tokoa.

Manjaka ,Jeso,ato am-poko Hianao.
Izay fahotako e!ry Tompo,avelao.

:D tiako be koa io hira io.Mazoto ary mihira e.
répondu par niryna le 14/06/2007 04:16
2. cutie ( 13/06/2007 00:11)
ataovy any @ finoana sy fivavahana fa tsy hitany io:lol:
3. niryna ( 14/06/2007 04:16)
cutie:

ataovy any @ finoana sy fivavahana fa tsy hitany io:lol:


Efa nalefako any ka:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0584