Ity ilay hira notadiavinao Marovezo a.
He,sambatra aho Jeso
He,sambatra aho Jeso raha miaraka Aminao.
Fa ny lalanao dia lavi-pahoriana.
Ny ali-mampahory ,ny raho mitatao.
Eo anilanao dia mody fitahiana.
Tano aho Jeso,hiaraka aminao.
Izay lalana ombako e! mba hazavao.
Izao no faniriako manetsika ny fo:
Ho sakaizanao mandrakizay doria'
Na inona mihatra,na inona manjo.
Hianao no antenaiko hitantana ny dia.
O! avia Jeso,tano aho e!
Tantanonao ny diako,Tompo mamonje!
Izay sakaizanao ,Jeso,no ampoky ny soa.
Feno haravoana sy lavitra manjo.
Izay rehetra ilaina anananao tokoa.
Raha miaraka aminao,mionona ny fo.
Sambatra aho ,Jeso,tretrika tokoa.
Ravo,ny fanahiko,toloranao ny soa.
Inona no mamiko mihoatra noho Hianao?
Tompo manan-kery sy loharanon-tsoa?
Izay zavatra ilaiko azoko aminao
koa onenonao ny foko ,ho lapanao tokoa.
Manjaka ,Jeso,ato am-poko Hianao.
Izay fahotako e!ry Tompo,avelao.
:D tiako be koa io hira io.Mazoto ary mihira e.