Ampireheto ny jiro!!!

1. niryna ( 18/05/2007 07:53)
Ny jiro no manazava izao tontolo izao.Ny jiro ihany koa no taratra mitsilo ny diantsika.Atra dia Mpiaro sy Mpitahy ny olona.Salamo 27:1-2.
Ny kristiana rehetra no jiro manaza ny manodidina azy(ny namana,ny mpiara-miasa,ny mpiray tanindrazana,ny olom-pantatra na tsy fantatra,ny fianakaviana)
Salamo 25:4-5Tariho amin'ny fahamarinana aho ka ampianaro .Fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy.Hianao no andrasako mandritra ny andro.
Ahoana no fomba atao hanarahana Azy(Jesosy Kristy)?
How to follow Him?
Inona no fomba tokony atao hampiarana izany amin'ny fiainana mba ho jiro hamirapiratra hanazava ny maizina izaho sy ianao?

(l)niryna
répondu par ikaretsaka le 24/05/2007 13:46
2. nathie86 ( 18/05/2007 08:24)
Aza mandika ny didy folo, Amirapiratra enao eo anatrehan'Andriamanitra.

Ra ny hoe ny olona ety an-tany no tianao ahita fa mamirapiratra enao d tsy hisy zany aloha amiko eh
3. xxx ( 18/05/2007 08:35)
Ampiako kely, tsy ny kristianina ihany na izay mivavaka ihany no jiro manazava an'iazao tontolo izao fa izay rehetra tsara sitra-po sy tia manampy ary mamelona ny hafa.
Ny hafa ihany koa dia mety ho jiro manazava antsika ka aoka mba hahay hisokatra sy handray ny hafa ihany koa izay tsy voatery hitovy finoana na firehana aminao nefa afaka manampy.
4. prime ( 18/05/2007 14:45)
Ara-tsoratra masina kosa aloha dia i Kristy mihitsy no fahazavan'izao tontolo izao... dia izay mandray ny mazava no lasa fahazavan'izao tontolo izao avy eo, izany hoe izay mandray an'i Kristy... araka ny vosoratra hoe:

"Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina." Jaona 8:12

"Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy." Jaona 12:46

"Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra." Matio 5:14



5. Imahaka ( 18/05/2007 14:54)
tandremo aza sao voan'ny delestage
6. prime ( 18/05/2007 15:25)
Imahaka: :-D... d ahoana ny atao mba tsy hisy ny delestage?:lol::-D
Kristy v mety ho tratran'ny delestage...:)
7. Imahaka ( 18/05/2007 15:37)
rehefa miesona ve ny mpianany tsy ho tratran'ny delestage e
8. ikaretsaka ( 18/05/2007 19:20)
hoy ilay olomasina izay hoe:
"areheto ny jiro... fa tandremo fotsiny dorana ny fanahin'ny olona efa manana jiro mirehitra, sao miara may ny fanahinareo"
(St Jean Vianney)
9. xxx ( 19/05/2007 15:24)
Raha manambara ny tenin'ny Ray izy dia efa jiro mirehitra ao anaty maizina izay ,sa tsy mety izany?
Raha manoro lalana tsy izy ilay mpitondra dia may ny lambany.Maizina daholo izay lalovany satria tsy kristy no toriny:-/mety koa ve izany:°)
10. ikaretsaka ( 20/05/2007 20:09)
fa raha jiro efa mirehitra no mbola ampirehetina...
marina raha tsy ohatran'ny hoe manana lampe de poche ilay hafa dia doranao @ labozia
11. Zina ( 22/05/2007 00:57)
xxx [ Valio ] 18-05-2007 10:35:52
Lohateny : Re : Ampireheto ny jiro!!!
Ampiako kely, tsy ny kristianina ihany na izay mivavaka ihany no jiro manazava an'iazao tontolo izao fa izay rehetra tsara sitra-po sy tia manampy ary mamelona ny hafa.
Ny hafa ihany koa dia mety ho jiro manazava antsika ka aoka mba hahay hisokatra sy handray ny hafa ihany koa izay tsy voatery hitovy finoana na firehana aminao nefa afaka manampy.


marina izany sady manampy sy manome an'ilay jiro ho an'ny rehetra, ary tsy voatery hitovy finoana MIHITSY rehefa miaraka manazava an'izao tontolo izao
12. Papoose ( 22/05/2007 02:14)
xxx:

Ampiako kely, tsy ny kristianina ihany na izay mivavaka ihany no jiro manazava an'iazao tontolo izao fa izay rehetra tsara sitra-po sy tia manampy ary mamelona ny hafa.
Ny hafa ihany koa dia mety ho jiro manazava antsika ka aoka mba hahay hisokatra sy handray ny hafa ihany koa izay tsy voatery hitovy finoana na firehana aminao nefa afaka manampy.



Dia ahoana raha le olona heverinao fa afaka manampy anao mody misoloky aminao ohatran'i Jodasy ohatra?Ahoana no ahafahanao matoky fa jiro hanazava ho anao izy raha tsy efa nivadika biby ty fanampiana vao hoe hay kay ty hoe "hafa"mpamitaka?
13. ikaretsaka ( 22/05/2007 04:39)
papoose> dia "ao ambadik'i sehheno".... ooooo sahondra manko e:wink:
izy @ izay fotoana izay..
zaho:
fa raha jiro efa mirehitra no mbola ampirehetina...
marina raha tsy ohatran'ny hoe manana lampe de poche ilay hafa dia doranao @ labozia

tara loatra satria
Efa may natsoniky ny labozia ny plastikan'ny "lampe de poche", moa ny labozia efa may koa fa lany ny savoka sy ny lahiny!
dia samy maizina rehefa tonga le fotoana ilaina ny jiro


hoy ilay olomasina izay hoe:
"areheto ny jiro... fa tandremo fotsiny dorana ny fanahin'ny olona efa manana jiro mirehitra, sao miara may ny fanahinareo"
(St Jean Vianney)
14. niryna ( 22/05/2007 08:21)
ikaretsaka:

fa raha jiro efa mirehitra no mbola ampirehetina...
marina raha tsy ohatran'ny hoe manana lampe de poche ilay hafa dia doranao @ labozia

Ny ondry mahalala ny tompony,toy izany koa ny Tompony mahalala ny ondriny.Hatramin'izao aloha dia tsy mbola nahita jiro nirehitra fa vao maika aza lasa nanalavitra :D

15. Imahaka ( 22/05/2007 09:00)
niryna:

Hatramin'izao aloha dia tsy mbola nahita jiro nirehitra fa vao maika aza lasa nanalavitra :D





maizina izany ny tany? io ary ilay nolazaiko, delestage izany! 8-)

Areheto o! areheto ny poto!
16. majesty ( 22/05/2007 09:39)
Imahaka :D
17. ikaretsaka ( 22/05/2007 14:33)
ka jiro mifandrehitra no misy fa tsy jiro mirehitra!
Ny lampe de poche nay atsonikao @ labozianareo foana ts'inona ka
18. xxx ( 22/05/2007 17:27)
niryna
Mpandefa : niryna [ Valio ] 22-05-2007 10:21:04
Lohateny : Re : Ampireheto ny jiro!!!
Hoy i ikaretsaka:

fa raha jiro efa mirehitra no mbola ampirehetina...
marina raha tsy ohatran'ny hoe manana lampe de poche ilay hafa dia doranao @ labozia

Ny ondry mahalala ny tompony,toy izany koa ny Tompony mahalala ny ondriny.Hatramin'izao aloha dia tsy mbola nahita jiro nirehitra fa vao maika aza lasa nanalavitra
Tsy dia hitako loatra hoe inona no ifandraisan'ireo. sa ve tsy maintsy miteny andala-tsoratra masina, ary avy eo mitsikera ny hafa?

Mbola Fitiavana an'i Kristy ve no manosika anao ramatoa sa zavatra hafa? Diniho ny atao fa aza dia manaonao foana sy entim-pankalana ny hafa fotsiny.

Ho aminao mandrakariva anie ny Tompo.
19. pissoa ( 22/05/2007 18:23)
niryna:

Ny ondry mahalala ny tompony,toy izany koa ny Tompony mahalala ny ondriny.Hatramin'izao aloha dia tsy mbola nahita jiro nirehitra fa vao maika aza lasa nanalavitra :D

Hihihi - areheto ny jiron'i Niryna fa aza avela maty lava eo dia mahita jiro mirehitra ka inn njay ! Raha mirehitra ny jiron'i Niryna dia tokony mahita jiro mirehitra i Niryna raha tsy hoe pahana ngamba 8O:-D:-D:-D
20. ikaretsaka ( 22/05/2007 19:40)
ampiako kely> dia rehefa mirehitra ny flashlight an'ny olona ka ny anao candle dia aza forcena ho candle ny olona fa tsy mety
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0963