Ampireheto ny jiro!!!

21. ishaam ( 23/05/2007 15:26)
Ny fahitàko ity lohahevitra ity dia toa fanontaniana no apetraky i niryna hoe ahoana no atao raha tehahay miaradia amin\'Andriamanitra sy feno faniriana anaty hiaina ao amin\'ny fahamarinan\'Andriamanitra fa tsy hoe inona no atao hoe jiro sy fahazavàna araka an\'Andriamanitra sa diso aho ry niryna?

Ny hevitro manokana dia izay voalazan\'ny tenin\'Andriamanitra ihany no mamaly azy manao hoe :

\"Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana* ho entintsika manao izay fanompoana sitrak\'Andriamanitra amin\'ny fanajana sy ny fahatahorana; [* Na: hanana fanahy misaotra]\" Hebreo 12:28

\"Ny fahatahorana an\'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan\'izay rehetra mankatò izany*; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.[Heb. ireo]\" Salamo 111:10

\"Dia hoy Izy tamin\'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin\'ny ratsy no fahalalana.\" Joba 28:28

\"Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an\'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.\" Ohabolana 8:13
22. ikaretsaka ( 23/05/2007 15:42)
ka ampireheto ny jironao dia mandehana ary amin'ny lala mazava
f'aza ilaozana variana loatra mitabataba hoe mividiana labozia dia tsy hitanao akory ny anao na mirehitra na maty:wink:

rehefa mahita ny anao mirehitra ve ny olona, tsy hividy ho azy koa dia mitady ny hirehetan'ny azy?
any ianao vao mi intervenir hoe omena afo ve e? iny ary e!
23. niryna ( 24/05/2007 13:12)
ishaam:

Ny fahitàko ity lohahevitra ity dia toa fanontaniana no apetraky i niryna hoe ahoana no atao raha tehahay miaradia amin'Andriamanitra sy feno faniriana anaty hiaina ao amin'ny fahamarinan'Andriamanitra fa tsy hoe inona no atao hoe jiro sy fahazavàna araka an'Andriamanitra sa diso aho ry niryna?

Voalazanao tanteraka.Isika no jiro fanazavana ny olona manodidina antsika,ny mpiara-monina,ny mpiara-belona ary izao tontolo izao.Isika no tokony ho fitaratra arahin'ireo olona toriantsika teny.Manome azy fanoharana.Hiezaka hanana fo faly,feno fitiavana,mianatra mamela,tsy hamaly ratsy ny ratsy.Ohatra daholo ireo ary ny fivavahana dia ampiarina amin'ny fiainana andavanandro.:D:D

isahaam:
Ny hevitro manokana dia izay voalazan'ny tenin'Andriamanitra ihany no mamaly azy manao hoe :

"Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana* ho entintsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny fahatahorana; [* Na: hanana fanahy misaotra]" Hebreo 12:28

niryna:

Lohateny : Fifaliana ve?Mety mahasoa anao ity!!!!!
Samy mitady izay mahasoa azy ny olona.
Ireto ary misy toro-hevitra kely mety mahasoa.Andramo ary ataovy matetika raha mety andaitra anao hitadiavana an-drafifaliana:D

#1-Ny fahaizana misaotra.Ny fahaizana mankasitraka ka misaotra aman'olona foana dia mampianatra anao hanana fahasambarana ara-panahy sy ara-batana.
#2-Ny fahaizana mizara :Mahatsiaro sambatra ianao raha olona tia mizara foana:ny fotoananao,ny fitiavanao,ny fanampianao ny olon-kafa dia ahitanao fifaliana sy fahasambarana.Tsy voatery hanan-karena na manana zavatra ihany ianao vao manampy ny hafa,izay fahaizana,fahalalana sns dia azonao zaraina aminy hafa avokoa.
#3Ny fahaizana mamela .Mivavaha raha miezaka ka tsy mahavita fa tsy misy zavatra tsy vitan'ny fivavahana raha mino an'Atra ianao.

Ny fahaizana mizara izay kely ananana izany dia efa anisany jiro hanazava ny manodidina antsika ihany koa.
(l)niryna
24. niryna ( 24/05/2007 13:33)
niryna:

Ny ondry mahalala ny tompony,toy izany koa ny Tompony mahalala ny ondriny.Hatramin'izao aloha dia tsy mbola nahita jiro nirehitra fa vao maika aza lasa nanalavitra :D

pissoa:

Hihihi - areheto ny jiron'i Niryna fa aza avela maty lava eo dia mahita jiro mirehitra ka inn njay ! Raha mirehitra ny jiron'i Niryna dia tokony mahita jiro mirehitra i Niryna raha tsy hoe pahana ngamba 8O:-D:-D:-D

Ny fijoroana vavolombelona dia efa jiro miredareda ho ahy sy ho an'izay te-hanaraka an'ny Tompo.
Ary izay maizina ka mitady fahazavana dia ahita. Raha tiany ao anaty maizina dia tsy ahita fahazavana izy.Fa raha mitady lalana hitady fahazavana izy dia ahita ka Jesosy no fahazavan'izao tontolo izao,Izy no fahazavana arahiko sy izay tia manaraka Azy.Izy irery ihany,tsy ampiana zavatra hafa.Izay hitady Azy dia tsy ho pahana fa hirehitra foana koa ny jirony ary dia tonga ao amin'ny fitiavana,ny fo feno fifaliana,fahaizana mamela,fahaizana mizara,fo madio tsy feno fankahalana,tsy feno fialonana,tsy mba feno fitsikerana.Fo mahay mizara izay kely hananany.
Izay avy amin'Atra dia mihaino ny tenin'Atra ,izany no tsy ihainoanarao, satria tsy mba avy amin'Atra hianareoJaona 8:47.Koa raha tsy mitady fahazavana na tsy manana fahazavana izany ny olona dia tsy ahita raha tsy mitady,ary tsy ho ao anaty fahazavana mihitsy fa aleony mipetraka ao anaty haizim-pito.:D
Jesosy no nisiam-piaianana.Ary ny fahazavana(Jesosy)dia namirapiratra tao amin'ny maizina(ireo tsy mpino na ny mpanohitra azy),fa ny maizina tsy nandray Azy.Vakio ny Jaona 1:4-5.
25. ikaretsaka ( 24/05/2007 13:46)
Niryna ..Lioka 18, 9-14
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1133