Nalevina,nodorana,navalan-drano,nafafy ny tany/maty?

1. niryna ( 16/05/2007 18:23)
Misy miresaka hoe ny maty hono maheno fa tsy afaka miteny,misy tonga mamangy eny am-pasana manatitra voninkazo ny fianakaviana maty ary miresaka aminy.Fahatsiarovana ilay maty daholo izany,marary ny tena mandao azy kanefa izay no lahatra.Angamba ny ao am-pontsika no tokony ahatsiaro azy fa tsy hiresaka ny maty eny am-pasana izany:roll::?:sa ahoana hoy ianareo?
Misy maty nalevina,nodorana,navalan-drano,nafafy eo an-tokon-tany.Izany no fandevenana misy amin'izao fotoana izao.Hitantsika amin'izay fa tsy ao am-pasana intsony ilay havana nody mandry?Mety ho fantatsika amin'izay koa fa ny fanahy no miala aminy amin'iny fotoana ahafantesany iny?sa ahoana:?:Raha nodorana izy ka lasa lavenona tsy may ny fanahiny sa may?
Ahoana ary izany no hieverantsika ny ho avintsika izay ny fanahintsika na miaraka amin'Atra na mandeha any amin'ny afobe?Mino izany ve ianao?Mino koa fa tsy maty ny fanahy?Ahoana tokoany re e?
(l)niryna
répondu par piste le 25/05/2007 07:58
2. pissoa ( 16/05/2007 18:34)
Tsy hita izay handraisana ny soratr'i Niryna ! Toa te hiresaka "vatana" nefa misidina amin'ny "fanahy" tampoka ... Mifangaro !
Misy miresaka hoe ny maty hono maheno fa tsy afaka miteny,misy tonga mamangy eny am-pasana manatitra voninkazo ny fianakaviana maty ary miresaka aminy.Fahatsiarovana ilay maty daholo izany,marary ny tena mandao azy kanefa izay no lahatra.Angamba ny ao am-pontsika no tokony ahatsiaro azy fa tsy hiresaka ny maty eny am-pasana izanysa ahoana hoy ianareo?
Misy maty nalevina,nodorana,navalan-drano,nafafy eo an-tokon-tany.Izany no fandevenana misy amin'izao fotoana izao.Hitantsika amin'izay fa tsy ao am-pasana intsony ilay havana nody mandry?

Raha vatana no resahinao (ary heveriko fa izay tokoa satria ny vatana no alevina) --- rehefa tao ampasana no napetraka sy nalevina ny vatana ... ho aiza indray izy fa tsy ho ao ihany raha tsy nafindra na nisy nangalatra ?!
Raha fanahy ... alevina angaha ny fanahy ?!

Angamba ny ao am-pontsika no tokony ahatsiaro azy fa tsy hiresaka ny maty eny am-pasana izanysa ahoana hoy ianareo?

Raha eny ve no mampilamina ny sain'ilay olona velona ... inona no problem na hiteny irery eo aza izy mparivan'ny andro ?! Ary raha mandeha eny akaikin'ny fasana koa ny olona iray moa mijanona any an-tranony ny fony fa tsy manaraka azy eny koa ?!
3. karinah ( 16/05/2007 18:53)
nyrina: amiko dia ny fanahytsy mety maty (fanrehako matetika aloha izay ah , ny hoe l'âme ne meurt jms hono") ka mino an'izay koa aho aloha, ka ny fanaovan'ny ol ilay hoe mandeha eny @ fasana dia symbol ftsn ihany fa tsy oe nofo rava tsy mahandre ninin iny ve ny hovangina, non , fa mahita koa le âme any ho any, na mety manakaiky ilay ol mamangy eo mintsy aza ; satria rah amino fa tsy mba maty ny âme ( dia , mino koa ilay ol mamangy fa mahita ny zavatra ataon'ilay velona ilay olona maty, dia raha izaho manokana aloh ny manao izany dia izay ny antony ah , satria mety mba mahafaly ilay ol maty ny sady mba misahirana koa, mandeh eny @ nilevenan,ny vatany? :P:wink:
4. rush ( 16/05/2007 18:58)
karinah:
satria mety mba mahafaly ilay ol maty
hay ve ny olona maty mbola mety ho faly e?

5. booboo ( 16/05/2007 19:04)
Pissoa > ny soratra miloko mena² midika fahatezerana/fampitandremana ...:°) ovay maitson'ny fanantenana kah :°) hihihihihihi
6. pissoa ( 16/05/2007 19:11)
Booboo : mifona tompoko :oops::oops::oops: (Please, aza hombona za :°) )

hi hi hi - atolotra ho an'i Booboo :

Tsy hita izay handraisana ny soratr'i Niryna ! Toa te hiresaka "vatana" nefa misidina amin'ny "fanahy" tampoka ... Mifangaro !
Misy miresaka hoe ny maty hono maheno fa tsy afaka miteny,misy tonga mamangy eny am-pasana manatitra voninkazo ny fianakaviana maty ary miresaka aminy.Fahatsiarovana ilay maty daholo izany,marary ny tena mandao azy kanefa izay no lahatra.Angamba ny ao am-pontsika no tokony ahatsiaro azy fa tsy hiresaka ny maty eny am-pasana izanysa ahoana hoy ianareo?
Misy maty nalevina,nodorana,navalan-drano,nafafy eo an-tokon-tany.Izany no fandevenana misy amin'izao fotoana izao.Hitantsika amin'izay fa tsy ao am-pasana intsony ilay havana nody mandry?

Raha vatana no resahinao (ary heveriko fa izay tokoa satria ny vatana no alevina) --- rehefa tao ampasana no napetraka sy nalevina ny vatana ... ho aiza indray izy fa tsy ho ao ihany raha tsy nafindra na nisy nangalatra ?!
Raha fanahy ... alevina angaha ny fanahy ?!

Angamba ny ao am-pontsika no tokony ahatsiaro azy fa tsy hiresaka ny maty eny am-pasana izanysa ahoana hoy ianareo?

Raha eny ve no mampilamina ny sain'ilay olona velona ... inona no problem na hiteny irery eo aza izy mparivan'ny andro ?! Ary raha mandeha eny akaikin'ny fasana koa ny olona iray moa mijanona any an-tranony ny fony fa tsy manaraka azy eny koa ?!
7. karinah ( 16/05/2007 19:11)
rush, ny fanahy tsy mba maty :!:
8. hery ( 16/05/2007 19:32)
Raha vao miresaka fanahy dia miresaka finoana izany... ary raha vao miresaka finoana dia tsy afaka miady hevitra satria samihafa ny finoana ananan'ny tsirairay.

Rehefa mametraka fanontaniana toa izao i niryna dia tsy maintsy mametraka domaine de définition foana raha tsy izany dia mivelatra be ary tsy hahazo fahafaham-po mihitsy.

Ohatra, afaka miteny na maheno ve ny maty...
- ho an'ny Finoan'ny Ntaolo Malagasy?
- ho an'ny Fiangonana Kristianina?
- ho an'ny Tsy mpino an'Andriamanitra?
sns...

Hitanao? Ny valinteny omena tsy famaritana tahaka ireo dia diso avy hatrany satria samihafa ny fiheveran'ny tsirairay, araka ny foto-pinoany na araka izay niainany.
9. rush ( 16/05/2007 19:37)
karinah:
rush, ny fanahy tsy mba maty :!:
ekena!fa ity no nolazainao!
"karinah":
satria mety mba mahafaly ilay ol maty

10. rakaroka ( 16/05/2007 20:02)
Tsapa hoe mahaliana tokoa ny "fanontanian'i niryna"
satria lalam-piainana diavintsika, fa MARINA indrindra ny tenin'i Hery etsy ambony hoe "arakaraka"
ny domaine samihafa: mpino na tsia sns ny valinteny.
Samy manana ny "finoany" sy ny "fiheverany" tokoa ny tsi1/1.
Heu...'za nahare hoe:"tahatahaka ny matory ny maty!"
dia manofy ianao fa ny fanahy niaina @ilay monde iray iny!...
Nisy oln tahaka ny voyante na ireny manao pratikan'ny télépatie mandefa ny saina @ panahy any lavitra, ary dia misy maha maitrisé izany hono!...
Mampieritreritra ahy farany koa misy "fitenenana hoe "hafatry ny maty" izay: Tantara marina niseho tany Dago tany morontsiraka ity: "Nisy mpianadahy tsy nitovy fironana ara-pinoana, dia nanafatra ilay vavy hoe amboary ny fasako t@ anadahiny, avy teo maty ilay ramatoa io, tsy namboarin'io akory lé fasana, dia nisy vaviantitra izay hono niteny hoe "amboary hono izany fasana nampanamboarina anao izany, dia novaliany fahatany hoe raha mbola teto aza izy ho notofiriko. fa nony nandeha nitsimbadika
hijery ilay fasana iny izy no niteny taminy ity olona hoe "koa tsy tifirina?"sady nanohy ny diany hono io haka ny entany mbola ao an-tranon'ilay "bandy"!:roll::roll::roll:
11. Salut ( 16/05/2007 21:40)
Tsy azoko fa inona mihitsy no tian'i nyrina lazaina e?

Ny hany maresy lahatra ahy dia izao: manana ny hasiny ny vatana, matoa Kristy tonga nofo. Mendrika hajaina io. Samy manana ny fomba hanajany azy ny olona na dia dorana sy arina any anaty rano aza. Marihina fa mandray anjara betsaka amin'ny fisinao io vatanao io. Tsy azo lazaina ho velona sy misy ianao raha tsy nomen'Andriamanitra azy io. Asan'andriamanitra io. Izay manamby sy manimba an'io dia izy ilay nahary azy no ataony tsinotsinona. Na dia miala amin'io vatana io aza ny aina dia tokony mbola hajaina izy, satria averiko ihany fa asan'Andriamanitra io, mendrika ny hisaorana azy.
12. niryna ( 17/05/2007 06:48)
hery:

Raha vao miresaka fanahy dia miresaka finoana izany... ary raha vao miresaka finoana dia tsy afaka miady hevitra satria samihafa ny finoana ananan'ny tsirairay.

- ho an'ny Fiangonana Kristianina no resahiko eto.
:P:P:P

13. diamondra27 ( 17/05/2007 07:34)
De tsy haiko aloha ze ataon'ny olona sy ny finoany fa ny ahy dia izao hoe: dieny mbola velona no tokony hanao izay tokony atao ny olona na ny tenako mba hahazo sy haheno ny famonjena ny olona fa rehefa maty izy dia c'est trop tard.

Ambarao ary torio ny filazantsara
Teneno tsotra fa Velona Jesosy sy Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana hihaonantsika amin'Atra
Raiso ao amponao Izy ary ekeo hitantana ny fiainanao
14. tywa68 ( 17/05/2007 19:58)
nyrina: ny fanahy no maha-olona no fiteny ary dia ampiako hoe io koa ny maha-kristiana !

Ny vatana dia nofo sy taolana tsy maintsy levona ary soa aza fa tsy iny no hiverenana @ fiainana faharoa :lol:

Diamondra27: tsy hoe trop tard ny an'iretsy nikipy, satria ny havany sy namany velona mbola eo hivavaka ho azy ! ary Atra irery no mitsara sy mamaly izany vavaka izany.
15. xxx ( 17/05/2007 21:03)
Sao dia diso izany finoanareo izany. Ny vatana tompoko dia tsy maintsy hitsangana ary handova ny fiainana mandrakizay miaraka @ ny fanahy. Tsy azo sarahina ireo. Tsy finoana kristianina izany hoe : ny fanahy ihany no velona fa ny vatana dia hijanona ho lo ao am-pasana.
16. ikaretsaka ( 18/05/2007 19:23)
hery:

Raha vao miresaka fanahy dia miresaka finoana izany... ary raha vao miresaka finoana dia tsy afaka miady hevitra satria samihafa ny finoana ananan'ny tsirairay.

Rehefa mametraka fanontaniana toa izao i niryna dia tsy maintsy mametraka domaine de définition foana raha tsy izany dia mivelatra be ary tsy hahazo fahafaham-po mihitsy.

Ohatra, afaka miteny na maheno ve ny maty...
- ho an'ny Finoan'ny Ntaolo Malagasy?
- ho an'ny Fiangonana Kristianina?
- ho an'ny Tsy mpino an'Andriamanitra?
sns...

Hitanao? Ny valinteny omena tsy famaritana tahaka ireo dia diso avy hatrany satria samihafa ny fiheveran'ny tsirairay, araka ny foto-pinoany na araka izay niainany.

misaotra an'i Hery nampatsiahy

17. xxx ( 19/05/2007 15:39)
Raha mbola velona aho dia mitia ny havako no ataoko,maty izy tsy miteny intsony.Jereo hono izany fa misy alevina dia tonga any am-pasana izany aho?Angaha izy ao intsony?Ny fanahiny ?mbola tsy fantatro koa hoe nankaiza.Dorana?Heveriko fa ny karana ihany no dorana:roll:dia may ny vatany?mahatsiaro marary ve izy dorana?Navalan-drano?tsy azoko.Ilay vatana ve sa ilay lavenona?Nalaiko sary an-tsaina fa lavenona.Dia aiza indray aho izany no hivavaka azy?
Ahoana tokony fa tena mahalasa saina izy izany?
18. tywa68 ( 19/05/2007 16:10)
xxx:

Sao dia diso izany finoanareo izany. Ny vatana tompoko dia tsy maintsy hitsangana ary handova ny fiainana mandrakizay miaraka @ ny fanahy. Tsy azo sarahina ireo. Tsy finoana kristianina izany hoe : ny fanahy ihany no velona fa ny vatana dia hijanona ho lo ao am-pasana.

Izaho aloha kristiana fa misaotra anao mitsara ahy fa aiza tsara ao @baiboly no milaza mazava izany hoe ny vatana tsy maintsy hitsangana sns... tsy azo sarahina ireo ...

Na Izy Tompo nitsangana aza tsy fantatr'ireo nahita azy satria "niova":wink: Mazava ho azy fa olombaovao no hiaina @ilay vie éternelle, fa tsy voatery apparence humaine (vatana).
19. xxx ( 19/05/2007 16:50)
Mbola tsy manam-potoana hamaly anao tsara aho izao fa fanontaniana kely fotsiny no apetrako aminao : t@ i Jesoa nitsangan-ko velona dia nitsangana mbamin'ny vatany sa ny fanahiny ihany ?
Ataoko raha ny fanahiny ihany dia tsy nisy ny fitsanganan-ko velona satria iaraha-mahalala fa ny fanahy tsy mba maty.
Amin'ny manaraka aho manazava aminao misimisy kokoa.
20. tywa68 ( 20/05/2007 08:35)

Tsy hiteny be loatra aho fa ity no antony hitenenako an'io hoe olombaovao no mitsangana@ maty.:wink:
Nalaiko ny teny gasy sy vazaha hahamora ny fandraisana azy.

http://baiboly.dotmg.net/FamakianaSoratraMasina?book=46&chap=15&stav=40&endv=50&lang%5B%5D=mg&lang%5B%5D=fr

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.241