Nalevina,nodorana,navalan-drano,nafafy ny tany/maty?

21. xxx ( 20/05/2007 11:36)
Voalohany, io fitsanganan-ko velona io no foto-pinoantsika Kristianina. Raha tsy manana izay fanantenana izay isika dia foana ny finoanay ary tsy misy dikany ny zavatra torinay, hoy Paoly.
Faharoa, ny fitsanganan-ko velona lazaina eto dia tsy ny fahafatesan\'ny fanahy velively. Maro manko no milaza fa ny vatana dia mijanona lò ao am-pasana ao fa ny fanahy no mankany any @ Andriamanitra. Tsy feno izay fanamarihana izay.
Raha izany dia tsy misy mahasamy hafa antsika amin\'ireo tsy kristianina. Ataoko fa mino ny tsy fahafatesan\'ny fanahy ihany koa ny Razantsika. Ary tadidio fa raha nitory an\'ity fitsanganan\'ny vatantsika t@ ireo aeropage na filòsòfy grika i Paoly dia tsy nino izany izy ireo satria aminy ny fanahy ihany no ho velona mandrakizay fa ny vatana dia tsy misy dikany. Io dia vokatry ny akon\'ny filozofia platonisma izay manindrahindra ny fanahy fa manabanty ny vatana.
Fahatelo :
ny fitsanganan-ko velona amintsika kristianina dia ny fitsanganan\'ny vatantsika mety maty ity hiala @ fahafatesana sy fahalovana mba hiditra any @ fiainana mandrakizay. Izay maty no hitsangana fa ny fanahy dia tsy mitsangana satria efa manana toetra immortale hatrany am-boalohany. Izay maty ihany no mitsangana.
TAdidio fa
I Kristy rah nitsangana dia niaraka t@ vatany. Ary misy tenin\'ny Md Paoly izay any hoe: \" raha tsy mitsangana ny maty dia tsy nitsangana i Kristy \".
Ny karazana fitsanganan-ko velona lazaina eto dia tsy fanafoanana ny anankiray tanteraka( ilay vatana taloha) ka soloina vaovao indray, ohatry ny hoe manolo pneu, na kiraro. Raha izay dia tsy fitsanganana indray fa fanovana na fanolona tanteraka no lazaina. Toy ny hoe tsy ilay pneu na ilay kiraro teo aloha fa kiraro vaovao sy hafa tanteraka.

Noho izany dia Fiofona na transformation angamba no azo ilazana azy. Izany hoe misy ny miova misy ny mitoetra. Tsy corps organique intsony fa lasa corps glorieux na vatana be voninahitra. Izay tsy voafetra ny toerana sy ny fotoana intsony, izany hoe sady tsy mety lò, tsy mety maty no sady libre tanteraka afaka mi-traversé rindrina toy ny nataon\'i Jesoa. FA ny psychique ntsika kosa dia tsy miova. Izany hoe ianao ihany io fa tsy olon-kafa, tsy hahatsapa tena ho voavonjy mihitsy isika rehefa tafatsangana raha miova mbamin\'ny psychique na ny fitadidiko. Asa na mazava ny fomba filazako azy fa ny conscience ahatsapanao fa tywa68 io dia tsy miova. Tadidinao ny anaranao ary tadidinao fa tany @ fahafatesana no namonjenan\'Andriamanitra anao. Amin\'izay fotoana izay ianao dia afaka hidera sy hisaotra Azy.
Ka ny amaranako azy dia izao, miala tsiny fa @ teny frantsay : \" l\'etre ressuscité n\'est pas un nouvel etre mais une nouvelle manière d\'etre\". Izay hoe ny olom-baovao lazainao eto dia tsy olon-kafa fa ianao ihany fa tsy toy ianao taloha intsony izay voagejam-pahotana, mety maty sy mijalijaly fa ianao efa voavonjy sy efa efa mitafy ilay vatana be voninahitra tsy mety lò.
Eo aloha sao dia lava loatra
22. tywa68 ( 20/05/2007 15:54)
Izay tsy voafetra ny toerana sy ny fotoana intsony, izany hoe sady tsy mety lò, tsy mety maty no sady libre tanteraka afaka mi-traversé rindrina toy ny nataon'i Jesoa

xxx : Mba novakianao ve aloha io lien nomeko anao io ?
Inona no olana fa efa hoe olombaovao, ary mahavita mi-traversé rindrina sns...
Niova zany fa miala tsiny aho !
Dieny mbola velona enao dia manana fanantenàna hitsangana satria TIANY sy TIA AZY.
Hahazo io vie éternelle io zany enao raha mendrika(mankatò ny didy nomeny ary tia azy sy mivavaka mandrakariva mba ho arovany@ fiainana mahavery).
Ary io no hilofosana isan'andro raha tena kristiana sa tsy izany ? :wink:

Ho tanteraka anie izany fa Azy ny fanjakàna, ary isika rehetra hifankahita @zany fiainam-baovao zany :lol::-*
23. xxx ( 20/05/2007 17:41)
Ilay olom-baovao anie tsy midika hoe lasa Rakoto i tywa68 rehefa any @ any an-danitra é na niova ho Md Piera i Ra8. Ianao dia mijanona ho ianao ihany. Fa ny fomba fiainana sy ny état misy anao no miova.
Jereo fotsiny ireny jiolahy lasa mpivavaka be ireny: lasa olom-baovao izy araky ny fiteny fa izany akory tsy midika fa olon-kafa mihitsy izy, fa izy ihany iny fa ny fomba fiainany no niova.
Ataoko fa tsy sarotra takarina izany.
24. tywa68 ( 20/05/2007 17:56)
zany an :lol: samy manana ny tiany takarina zany koa :-D:-D
25. xxx ( 20/05/2007 20:11)
na izany aza dia misaotra betsaka t@ io fihetsikao farany io
26. tywa68 ( 20/05/2007 20:14)
:oops: hoy ilay hira Mifankatiava ihaaaaany ... :-*
27. majesty ( 22/05/2007 09:46)
Ny mahagaga ahy dia izao,rehefa namorona ny olona Andriamanitra dia izao:

VOVOKA + FOFONAINA = OLONA VELONA
VOVOKA - FOFONAINA = OLONA MATY

Dia avy aiza no nisian'ny FANAHY tampoka teo (le fanahy tsy mety maty),mba atoroy anah hoe fa tena maizina tanteraka izy zany?:?:
28. xxx ( 22/05/2007 19:03)
Ilay fofonain'Andriamanitra nampitainy t@ olombelona dia mandray roa tokoa raha ny heviny @ teny ebrio no jerena :
Ruah : - aina
- fanahy(esprit na esprit saint)
@ Finoantsika malagasy dia miverina @ Andriamanitra ihany io Aina io rehefa maty isika.
Fa ilay fanahy tianao tenenina angamba dia any @ GenI,26 no tena milaza azy. Satria mifona hevitra hoe : endrika ilay izy eto, na identité. Ka ny fanahintsika dia tsy neutre fa mi-englober ny maha-izy antsika rehetra.
29. ikaretsaka ( 22/05/2007 19:53)
mitovy fijery @ X
30. majesty ( 24/05/2007 05:22)
xxx:mandray 2 ny hevitry ny teny hoe fofonain'Andriamanitra hoy ianao amin'ny teny hebreo,fa raha jerena ny siansa,inona moa io fofonaina mahavelona nomen'Atra io,izay antsoina hoe "soufle de vie",raha idirana kely ny chimie dia O16 izy io na Oksizena.
Ary ilay fanahy iray izay mandrafitra ny maha olona rehetra hoy ianao,tsy toetra ve no tiana ho resahana amin'iny,ka raha ohatra manao fiantrana amin'ny olona ianao dia lazain'ny olona hoe TSARA FANAHY.Izay rehefa maty ny olona dia samy maty avokoa na ny toetra na ny vatana na ny saina fa tsy mahalala na inona na inona intsony izy.
31. niryna ( 24/05/2007 07:11)
1Kor 15:50 no manambara amin-tsika fa Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra,ary ny fahalovana tsy mandova ny tsi-fahalovana.
32. piste ( 25/05/2007 07:58)
Fanazavana tsotsotra fa mbola tsy manam-potoana firy ah @ izao:
Hoy ny ao @ Gn 1,26 : nohariana hitovy endrika @ Andriamanitra ny olombelona...

Isika oombelona irery angamba no nohariana arak\'io fomban\'Andriamanitra io t@ Zava-boaary rehetra. Ary io koa no mahasamy hafa antsika @ biby.
Rah asiana fampitahana @ fahendrena Malagasy izay dia \"fanahy\" io endrik\'Andriamanitra io. \" Ny fanahy no maha-olona\" hoy ny razantsika. Midika hoe tsy ny zavatra ety ivelany( harena, hery, hatsaran-tarehy, sns) fa ilay fahendrena ao anaty mahay mandinika sy mandanjalanja.
Hoy indray izy :\" ny fanahy tsy mba maty\".
Ary hamafisiko hoe : izany endrika Andriamanitra izany dia tsy mety maty satria zavatra avy aminy nampitaina aty amintsika fa tsy vao noforonina.
Ary tadidio fa miankina @ io toetranao na hatsaram-panahy anananao io no hitsarana anao any @ Fiainan-ko avy.

Raha ny momba ny voalazan\'ny 1Kor 15,50 indray. Aza adika ara-bakiteny ny Soratra Masina fa very ny tena hevitra fonosiny.
MAtetika dia mifanindran-dalana ao @ ttsin\'i Md Paoly ny hoe : nofo sy ny asan\'ny nofo.
Zavatra roa samy hafa ireo : ny iray voalohany dia milaza ity corps organique itafiantsika ity. Ny iray faharoa kosa dia azo adika hoe: désirs charnels na filan\'ny nofo. Ao @ Gal 5 na 6 angamba no anehoan\'ny Md Paoly ny fifanoheran\'ny asan\'ny fanahy sy ny asan\'ny nofo.
Ka ilay faharoa eto no melohin\'Andriamanitra fatsy ilay voalohany, tsy inona moa izany fa ilay toe-tsaina mondaine na miantehitra sy mifikitra @ fireharehan\'ny nofo : fijangajangana, fitiavan-karena, voninahitra, halatra,sns...no tsy handova ny fiainana mandrakizay.

Ka aoka hazava fa olona feno, vatana amam-panahy no mijoro eo anatrahan\'Andrimanitra any @ fiainana fa tsy mandeha ila hoe fanahy fotsiny. Tsy olombelona izany amiko.
Faharoa : tsy corps organique intsony no entitsika mankany an-danitra fa ilay vatana be voninahitra na corps glorieux( jereo ao @ Baiboly io ry Niryna fa misy an\'io ao) ka tsy voafetran\'ny fotoana sy ny toerana( tsy mety lò sy mandrakizay).
Izany hoe efa corps transformé fa tsy ilay mety lò intsony.
Ny corps organique dia natao ho anìity fiainana ity(temporel), ka mazava ho azy fa manarak\'izay koa ny filàny( mitady sakafo, mila miasa, mila fialan-tsasatra, mila miteraka sns) fa ilay vatana ho avy dia tsy toy izay ny fombany.
Ka izay no atao hoe fitsanganan-ko velona : mandray ilay fiainam-baovao ny vatantsika fa tsy ilay temporel intsony no eo.
Foto-pinoantsika kristianina izy ity tompoko ka aoka tsy afangaro @ ireo finoan\'ny olona hafa hoe : ny vatana tsy misy dikany fa mijanona lò sy potika ao am-pasana fa ny fanahy ihany no mandrakizay: ny razantsika, ny bouddhisme, ny hindouisme dia mino an\'ireo avokoa. Eny na dia ny tsy mpino tahaka ireo ireo Filòzòfa grika aza mino izany.
Ka inona no mahasamy hafa antsika @ izy ireo raha izany.
Koa aza tsinontsinoavina ny vatana fa mandray anjara feno @ famonjena nentin\'i Kristy izy. Raha tsy izany dia tsy tonga Nofo i Kristy, izany hoe nitafy nofo aman-drà tahaka antsika. Ary raha nitsangan-ko velona izy dia niaraka t@ vatany raha tsy izany dia nijanona tao am-pasana ny vatana fa ny fanahiny ihany no niseho t@ ireo mpiananay.
Sa mino ve ianareo fa ny fanahiny ihany no niriaria tetsy sy teroa t@ izy nitsangan-ko velona. Dia ahoana ary ilay fanazavnareo momba ilay hoe : \" satria noheverin-dry zareo mpianany ho matoatoa izy dia nangataka sakafo taminy mba hohaniny, satria ny matoatoa tsy manam-batana sy tsy mihinana\", hoy koa izy t@ Tomà, atsofoy eto @ loaky ny tanako sy lanivoako ny ratsan-tananao raha tsy mino ianao fa izao marina ity. Olona manam-batana no sahy miteny izany fa tsy ny matoatoa velively.
Koa tadidio fa i Kristy nitsangan-ko velona ( vatana amam-panahy) no fototry ny finoantsika. tsy maintsy mandalo @ izay nandalovany koa isika raha mino azy. Ary raha tsy nitsangana ny maty hoy Md Paoly dia tsy nitsangana i Kristy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1463