Ny Fanahy Masina

1. Zina ( 11/05/2007 21:22)
Maninona isika no mila ny Fanahy Masina.
Ny antony
Ny Fanahy masina dia :
- Manampy antsika hanana fiainana masina
- Ilain-tsika @ ny vavaka ataon-tsika ary izy no manao intercession ho antsika
- Manampy antsika ho tian’ny hafa sans exception na ny fahavalo ary
- Manome paix antsika ao am-po sy comfort
- Manoro ny lalana tokony alehan-tsika
- Manome hery antsika mba ho vavolombelona eo anatrehan’ny namana
- Manome antsika ny famelan-keloka
- Manome antsika fifaliana ao @ ny tenan-tsika

- Tsy hi-comprendre ny tenin’Andriamanitra isika raha tsy manana ny Fanahy Masina satria ny fahotana dia ni-deformer ny fiainan-tsika
- Tsy afaka mankato an’Andriamanitra isika raha tsy manana ny Fanahy Masina
- Tombokase ny famonjena antsika
- Ho an’ny famonjena antsika – izay tsy manana ny Fanahy Masina ao aminy dia tsy ho Azy.

Raha manao ny tokony ataon-tsika isika Andriamanitra manao ny anjarany zany dia garantie assurée

Isika rehetra tsisy hakanavaka dia mbola tsisy nahavita an’ireo mety efa ao ny sasany amin’ireo fa tsy izy rehetra ka dia mahereza daholo. Ny Fanahy Masina anie hanampy antsika rehetra:-*
répondu par majesty le 22/05/2007 09:56
2. ikaretsaka ( 11/05/2007 21:34)
misaotra an'i zina
k any Fanahy Masina ange Andriamanitra koa e
ilay element faha telo @ Trinity iny

Exercice spirituelle na ny fampiasana ny fanahy http://jesuit.org/Spirituality/DailyExamen/default.aspx
3. cutie ( 11/05/2007 21:59)
le f zany miova ho F a
tsy ratsy :lol:
4. emi ( 11/05/2007 23:20)
Manaona Zina
mahafinaritra be ny fanazavanao ny atao hoe Fanahy Masina, Amiko dia tena hilaina be mihintsy ny mivavaka sy ny mametraka ny fitokisana rehetra @ Tompo,satria tena mazava be fa ny fihainana tsy misy an-Andriamanitra dia tena mampalahelo,indrindra @ izao taona hihaina-tsika izao afa mihintsy ny miaraka @ Tompo.Tsy mba misy sandany ny fahasoavany fa omeny maimaipona izay rehetra mangetaheta azy.Hisaorana ny Tompo.:D
5. emi ( 11/05/2007 23:28)
koa dia misaotra betsaka an'i Zina manomeha anay izany fankaherezana anay @ Fanahy Masina izany fa tena hilainay mihintsy izany,Koa dia ho amitsika rehetra anie ny fahasoavan'i Tompo,Mazotoa mivavaka daholo e!fa tsara ny mivavaka sy ny mino ny Fanahy Masina
6. niryna ( 12/05/2007 07:12)
emi:

Manaona Zina
mahafinaritra be ny fanazavanao ny atao hoe Fanahy Masina, Amiko dia tena hilaina be mihintsy ny mivavaka sy ny mametraka ny fitokisana rehetra @ Tompo,satria tena mazava be fa ny fihainana tsy misy an-Andriamanitra dia tena mampalahelo,indrindra @ izao taona hihaina-tsika izao afa mihintsy ny miaraka @ Tompo.Tsy mba misy sandany ny fahasoavany fa omeny maimaipona izay rehetra mangetaheta azy.Hisaorana ny Tompo.:D

Marina tokoa izany,miaraka amintsika isan'andro Izy.Mivavaha mba homen'Atra antsika ny Fanahy Masina hitari-dalana antsika

7. ikaretsaka ( 12/05/2007 13:51)
Marina tokoa izany,miaraka amintsika isan'andro Izy.Mivavaha mba homen'Atra antsika ny Fanahy Masina hitari-dalana antsika


ilay tapany faharoa: Andriamanitra anie ny Fanahy masina e..
mivavaka @ Andriamanitra mba hanomezany Andriamanitra ve?
Deum de Deo, lumen de lumine, Deum verum de Deo vero.
8. cutie ( 12/05/2007 15:15)
mivavaka @ Atra mba hanomezany ny Fanahiny :lol:
9. rakaroka ( 12/05/2007 19:22)
Inoana tokoa fa varavarana itondra soa ho @ tena fiainana ny fananana ny Fanahy Masina mitarika @ izay atao fa eo @ fomba atao mba itoerany sy honina amintsika tokoa angaha no mila "heverina" lalina:
hoe mivavaka sy mangataka ny "fahatongavany ve isika dia tonga Izy sa misy zavatra hafa tahaka ny fandinihan-tena" sao misy manahirana azy tsy ahafahany mi-joindre antsika loatra! sns...:roll:
10. booboo ( 12/05/2007 19:34)
Mila esorina aby klou ny tranok'ala dia atao madio ny raha aby aby ao anaty ao (sens figuré) dia tonga @ zay Izyyyyyyyyy...hihihihihi zany klou nenarako tany @ sekoly alahady ê :°)
11. niryna ( 13/05/2007 06:21)
ikaretsaka:

Marina tokoa izany,miaraka amintsika isan'andro Izy.Mivavaha mba homen'Atra antsika ny Fanahy Masina hitari-dalana antsika


ilay tapany faharoa: Andriamanitra anie ny Fanahy masina e..
mivavaka @ Andriamanitra mba hanomezany Andriamanitra ve?
Deum de Deo, lumen de lumine, Deum verum de Deo vero.

Ka inona no mahagaga anao izany:roll:ianao indray ve no atoro ny dikany.
Jesosy niteny fa angataka amin'ny rainy izy mba omeny Fanahy Masina isika.

12. niryna ( 13/05/2007 07:10)
Hanampiako ny efa voalaza etsy ambony dia mety misy manontany hoe fa maninona isika no mila ny Fanahy Masina ary Iza Izy io?
Andriamanitra izay Ray
Jesosy izay Zanaka
Fanahy Masina: Izy no mitari-dalana antsika,mampianatra antsika,miaraka amintsika isan'andro ,hiraka nomen'Atra ho antsika izay Jesosy nilaza fa andeha izy ary angataka ny rainy izy mba hanome antsika ny Fanahy Masina hiara-dalana amintsika.Jn 14:17,26,15;26,16;7
Ireo no telo izay iray: Atra,Zanaka ary ny Fanahy Masina .Vakio ny Mat 28:19.2Kor 13:14.
Fanazava izay kely haiko no omeko fa anjarantsika no mamaky sy mijery ny baiboly raha misy te-ahafantatra be be kokoa.:D
Asan'ny Apostoly manambara fa Jaona Batista manao batisa anareo amin'ny rano hoy Jesosy fa afaka andro vitsivitsy ianareo dia atao batisa amin'ny Fanahy Masina.Act 1:5"for John baptized with water ,but in a few days you will be baptised with the Holy Spirit."

Raha ny fiainana no resahina dia hita ao amin'ny fiangonana io Fanahy Masina io.Hita amin'ny tsirairay izay tena mino sy niova fo ary lasa olom-baovao,hita any amin'ny fikambanana na ny komity mitondra na mitarika fivavahana(commity).Misy koa anefa tsy mpino nomen'Atra ny herin'ny Fanahy Masina ary dia lasa nanaraka Azy.EFa betsaka ny tantara henontsika hatraiza hatraiza,dia ny fijoroana vavolombelona izany ohatra na olon'Atra na olona nanenjika azy.Saoly na i Paoly taty aoriana no anarany.Olona narary kanefa sitrana noho ny finoany ny Tompo.Hisy hanontany indray izao eo hoe raha tsy sitrana izany ve dia tsy mino?Betsaka ary hita amin'ny fiainantsika io herin'ny Fanahy Masina io.
Hatreo indray ary aloha.Mahereza hatrany ny mivavaka sy mangataka amin'ny Ray ny hanomezana antsika ny Fanahy Masina mba hitari-dalana antsika.
Anjaran'ny tsirairay no mandray izay tandrifiny avy,
.:*
13. xxx ( 13/05/2007 08:38)
booboo:

Mila esorina aby klou ny tranok'ala dia atao madio ny raha aby aby ao anaty ao (sens figuré) dia tonga @ zay Izyyyyyyyyy...hihihihihi zany klou nenarako tany @ sekoly alahady ê :°)



=D=D
14. xxx ( 13/05/2007 21:05)
Ny lazain'i Karetsaka dia marina ary tsy azo lavina: Andriamanitra ny Fanahy Masina.

Ny mahalasa ny saina eto anefa dia ohatra ny zavatra no fandraisan'ny sasany azy. Zavatra azo omena, zavatra hita etsy sy eroa. Zavatra azo tehirizina, ohatra ny fanana rehetra,sns... zavatra ampiasaina amin'izao sy izao.

Olona fahatelo amin'ny Trinite Masina anefa izy. Andriamanitra toy ny Ray sy zanaka koa. Fa tsy sanatria zavatra akory.

15. xxx ( 13/05/2007 22:24)
xxx [ Valio ] 13-05-2007 23:05:17
Lohateny : Re : Ny Fanahy Masina
Ny lazain'i Karetsaka dia marina ary tsy azo lavina: Andriamanitra ny Fanahy Masina.

Ny mahalasa ny saina eto anefa dia ohatra ny zavatra no fandraisan'ny sasany azy. Zavatra azo omena, zavatra hita etsy sy eroa. Zavatra azo tehirizina, ohatra ny fanana rehetra,sns... zavatra ampiasaina amin'izao sy izao.


Tsy hi-comprendre ny tenin’Andriamanitra isika raha tsy manana ny Fanahy Masina satria ny fahotana dia ni-deformer ny fiainan-tsika


Olona fahatelo amin'ny Trinite Masina anefa izy. Andriamanitra toy ny Ray sy zanaka koa. Fa tsy sanatria zavatra akory


Dia soly Jesosy daholo indray ilay Fanahy Masina
16. Rasiligaoma ( 14/05/2007 01:30)
tsy hay intsony mihitsy hoe inona no inoanareo sy ventesinareo rehefa manao fiekem-pinoana ianareo ohatran'ny ventiventesinareo fotsiny!

Ventivetesinareo ny Jehova, Ventiventesinareo ny Jesosy, Antsontsoinareo ny Fanahy Masina,
fa tsy haiko na adinonareo na tsy fantatrareo fa 1 ihany ireo: dia Andriamanitra

xxx> ko raha tsy ba kiraro izy ity ko solosoloina!

ny momba ny baiboly:
Amiko io raha ampiasainao mitovy @ bokin-dalàna hoe: "voasoratra ao amin'ny article sy hitsivolana t@ izao fa tsy azo atao izao " dia tena mivoana be!
Ny hoe manana spiritualié sy hoe mivavaka amiko dia tsy vitan'ilay hoe, na izay manao hoe: tsimponina tsara fotsiny ny andininy dia tanisaina eto.. dia ampiana toriteny lava be
fa Raisina am-po sy dinihina tsara ny heviny!

Tsy ny fitanisana azy eto akory no important, fa ny fahalalana ny heviny sy ny fandraisana (connection) misy aminao sy ilay hevitra mba hanasoavanao ny tenanao sy ny hafa , izay vao ny fampitana izany @ izay mila!

tsy mety raha any @ fampitana no vonjivonjena sy imatimatesana nefa ilay fototra roa tsy hay na nodinganina fotsiny!
17. xxx ( 14/05/2007 05:05)
[quote=Rasiligaoma]
tsy hay intsony mihitsy hoe inona no inoanareo sy ventesinareo rehefa manao fiekem-pinoana ianareo ohatran'ny ventiventesinareo fotsiny!
:(:?:Mamaky baiboly raha te ahalala ny telo izay iray.Tsy mino ise ka tsy ahafantatra izay lazain'ny mpivavaka sy kristiana.:cry:

18. Fiffi ( 14/05/2007 08:51)
xxx:
Ny lazain'i Karetsaka dia marina ary tsy azo lavina: Andriamanitra ny Fanahy Masina.
fa ho iza indray moa ?


19. ikaretsaka ( 14/05/2007 12:41)
fa betsaka no mba mamaky baiboly sy manao hoe kristianina ihany fa tsy mandray ny fanahy masina araka ny maha andriamanitra azy.

xxx:
Ny mahalasa ny saina eto anefa dia ohatra ny zavatra no fandraisan'ny sasany azy. Zavatra azo omena, zavatra hita etsy sy eroa. Zavatra azo tehirizina, ohatra ny fanana rehetra,sns... zavatra ampiasaina amin'izao sy izao.


any no tokony hijeren'ny tsirairay sy hanaovana fandinihin-tena manokana . "ao am-po tsy milaoka ao anatinao ao, inona ny fanahy masina aminao"?
20. lapino ( 14/05/2007 13:54)
mivavaka @ Andriamanitra mba hanomezany Andriamanitra ve ?
absurde ve izany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1127