krampy

1. hery ( 07/05/2007 08:52)
Efa miha antitra ny tena kanefa mbola manao baolina ihany :-) dia misy krampy miverimberina. Misy fika mety hikarakarana an'io ve? (ankoatry ny hoe tsy manao baolina intsony?)
Misaotra
répondu par niryna le 16/05/2007 17:59
2. tywa68 ( 07/05/2007 08:55)
hery : mihinana magnésium (eau minérale sy comprimés eny @ pharmacie).
3. kelly13 ( 07/05/2007 09:21)
ié, tsy ampy rano hono no mahatonga ny krampy
4. nikopol ( 07/05/2007 10:01)
aiza ny krampy rahery?
5. tywa68 ( 07/05/2007 11:10)
niko : ny tanany satria tsy afaka mamaly aloha h@izao =))=))
6. salmo1 ( 07/05/2007 11:14)
hery: nareo ane efa antitra e,

mpilalao baolina kitra veterano
;-)
7. karinah ( 07/05/2007 12:05)
antitra angah?:-D, hery!
toa mila apitomboana kely koa ny sira ny sakafo, njay2 izany koa ny mahatonga ny krampy hoe?:wink::-*
8. fasaly ( 07/05/2007 15:50)
mlé antitra am aon e!:roll::roll::roll::°):-P
9. ikaretsaka ( 07/05/2007 15:59)
alohan'ny kotrana (ny ahy aloha tsy kitra fa biskleta lavitr'ezaka an) natoron'ilay coach t@ izany:
-Kiwis anaki 2
-Akondro 1
-Paoma 1
dia ny rano atao ampy tsara, misotro iraimbava tsikelikely noho ilay hoe andrasana mangetaheta be dia misotro gakan'omby.

dia aza manao ny tsy eran'ny aina fa tsy mitovy intsony ianao fahiny sy ankehitriny:-D
10. ikaretsaka ( 07/05/2007 16:00)
saika adino.. ny misintona ilay hozatra alohan'ny hihenjanany (etirement)
11. mignone ( 07/05/2007 16:10)
misaotra any i ikaretsaka fa za rehefa manao velo dia tratrany krampy foana , anandrana anireo za ,
12. nikopol ( 07/05/2007 16:38)
mignone, ilay misitona ozatra io no tena mety araky ny tenin'i karetsaka
13. Zina ( 07/05/2007 20:17)
mila vitamine D sy calcium ko ry rahery a
marina doly ireo efa nolazain'ny ankizy ireo.
14. Zina ( 07/05/2007 20:30)
adiniko fa ny fahalatsan'ny antsembohana no mahatonga ny krampy eo @ ny panao spaoro otrananreo ry hery satria ny compisition ny tsemboka dia: (sira, potassium, magnesium ary calcium) fluides sy electrolytes ireo ka rehefa latsaka ireo a un certain niveau dia miakatra ny incident ny spasmes des muscles.
15. Mitah ( 07/05/2007 23:13)
hery:

Efa miha antitra ny tena kanefa mbola manao baolina ihany :-) dia misy krampy miverimberina. Misy fika mety hikarakarana an'io ve? (ankoatry ny hoe tsy manao baolina intsony?)
Misaotra


Hery a!
Hosorana pomady tigre ilay faritra tratran'ny krampy iny. Fonosina lamba makarakara(compresse) ka tsy gejaina.Tsy fantatro aloha ny antitra sy ny tanora fa ny zanako manao basketball daholo dia tratra matetika rehefa vizaka. Sitrana soa e!
16. niryna ( 08/05/2007 15:55)
Tsy ampy potassium no mahatonga izany.Ireo voalazan'i zina ireo daholo no mety antony.Misy koa vokatry ny fanafody hohanina.Mety be tension koa ilay olona,tsy ampy rano no isany iray ihany koa.Mila misotro rano ka mihezaha misotro rano 30 mn alohan'ny sport e.Misotroa koa ireny rano amidy natokana ho an'ny mpanao sport ireny(sport drink).
Mety ho variana ianareo fa ity misy zavatra hafakely,misy olona marary lava ny tongony vokatry ny asa ataony ohatra ka marary ny faladiany.Toy izany koa raha voan'ny cramp lava ny tongotrao dia manandrama manao ba kiraro vita cotton matory.Asiana vazeline kely moa ilay dia vao maika tsara sady lasa malefaka sy malandilandy ny tongotra raha vehivavy :P,raha lehilahy moa dia sitrana ny hoditra maina sady afaka koa ny vakivaky tongotra sy ny hoditra henjana.:D
17. ikaretsaka ( 08/05/2007 21:15)
ary i niryna ity ve manao sport e?
18. watafon ( 08/05/2007 21:34)
Mila misotro rano betsaka satria "accumulation d'acides lactiques" any @ muscles no mahatonga ny crampes d mila levonina !
19. niryna ( 09/05/2007 06:16)
ikaretsaka:

ary i niryna ity ve manao sport e?

fa ahoana?

20. hery ( 09/05/2007 11:38)
Misaotra betsaka ry zareo a.

Amin'ny alahady ny match voalohany kanefa mbola henoko mararin'ny krampy ihany ny ranjoko t@ nanao fanazarantena farany teo.

Hokarakaraina mihitsy aloha ity amin'ity herinandro ity fa misaotra e.

Mitah> ilay pommade tigre am'sinoa tany Dago aho nahita fa aty tsy mahita
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3332