Omeo porofo.. ny tena marina dia efa fantatrao saingy...

1. niryna ( 26/04/2007 14:08)
Mahavariana ahy indraindray ny resaka ato fa mila porofo foana ny olona.Amiko ny tena tiana ho fantatra dia efa mahalala ilay porofo ilay olona matoa izy mitady ilay sary tsy misy porofo:roll:Mpaka sary ve tsy ho hisy porofo?Mahafantatra ilay olona fa saingy misy ny fisalasalana ka dia any amin'ny fitadiavana porofo no hiezahany hamantatra Azy.Eny e,ny finoana dia zavatra ao anatintsika ka tsy ilaina porofo.Mitady ny porofo mivaingana izay tsy misy azon'iza ho lavina isika dia ny namonjen'Atra an'Israely tany Egypta.Io dia anisany iray.Porofo ho an'ny hafa indray raha amin'ny fiainana no dinihina dia izao aza no tiako ho fantatrireo izay misalasala .Misy ny herin'ny mazava ary misy ny herin'ny maizina.Nasehon'ny Tompo ahy izany tany dago ary dia niatrika asa namaivay aho tao anatin'ny adin'ny dimy ora.Hijoroako vavolombolona ho antsika tsy mbola mety miova fo izany fa manantona Azy fa tsy misy tsy ataony tsy ho vita izay tadiavinao rehefa manokana ny fiainanao ho Azy tanteraka ianao.
Ho tantaraiko anao ny nahazo ahy?
Fanontaniana io ka izay hevitry ny mpamaky no hiandrasako.Mila zavatra mivainga hita-maso ve ianao vao ihino.Omeko anao izany raha tianao.
(l)niryna
répondu par niryna le 03/05/2007 04:51
2. pimaso ( 26/04/2007 14:26)
"Sambatra izay mino nefa tsy mahita"
fa tsy le hoe : minoa fotsiny ihany aloa e!
@ vava no anekena, dia @ fo no andraisana azy;
Fa tandremo ny anjely mazava na dia izany aza!
;-)
;-)
;-)
3. rakaroka ( 26/04/2007 15:31)
Ka lé soratra mihitsy anie no nanao hoe;: raha nanana finoana na dia tahaka ny voatsinapy aza dia mahafindra tendtombohitra! Donk misy "Traik'efa avy hatrany ilay finoana fa tsy miandry fanazavana porofo akory!
4. vonicx ( 26/04/2007 16:55)
ny finoana dia hafa fa tsy azo porofoina avy amin'ny porofo. Fa rehefa misy porofo izy dia efa tsy finoana intsony
5. niryna ( 26/04/2007 17:34)
vonicx:

ny finoana dia hafa fa tsy azo porofoina avy amin'ny porofo. Fa rehefa misy porofo izy dia efa tsy finoana intsony



=D=D
6. Rasiligaoma ( 26/04/2007 19:40)
izay voalazan'i vonicx izay no izy..
raha vao mbola eo amin'ilay staden'ilay mpino mila porofo ianao dia mbola tsy sambatra sy tsy mino.
"sambatra ny tsy nahita nefa mino"
7. xxx ( 26/04/2007 20:09)
Ho anareo mpino ireo,ataonareo ahoana ary ny fomba haharesy lahatra ny olona tsy ilaina ny porofo. Izahay kosa aloha mila mivaingana avy any aminareo é. Raha toriteny be kosa koa dia tsy lasa, aza mandany andro aty.
8. xxx ( 26/04/2007 21:00)
Averiko indray ny fanontaniako, ho anareo mpino raha tsy ilaina ary ny fanomezana POROFO, atao ahoana ary ny fomba hahafahanareo handresy lahatra ny olona mba hanaraka ny finoanarao. Izaho manokana aloha dia tsy ho resy lahatra mihitsy raha tsy misy zavatra mivaingana avy any aminareo. Ary raha toriteny fotsiny kosa no asesikareo dia miala tsiny fa tsy haharesy lahatra ahy na olona tsy mpino ianareo.
9. Fiffi ( 26/04/2007 21:05)
ndana miangona.....
10. salmo1 ( 26/04/2007 21:10)
xxx:
Averiko indray ny fanontaniako, ho anareo mpino raha tsy ilaina ary ny fanomezana POROFO, atao ahoana ary ny fomba hahafahanareo handresy lahatra ny olona mba hanaraka ny finoanarao. Izaho manokana aloha dia tsy ho resy lahatra mihitsy raha tsy misy zavatra mivaingana avy any aminareo. Ary raha toriteny fotsiny kosa no asesikareo dia miala tsiny fa tsy haharesy lahatra ahy na olona tsy mpino ianareo.

:-D:-D:-D

zah alou mino ihany, fa tsy de mino olona mpitoriteny na pasteur ninnn. Fa ireo olona ireo miteny zavatra tsy marina @ fiainana indraindray de lazainy fa tenin'Andriamanitra hono.
11. cutie ( 26/04/2007 22:56)
zah alou mino ihany, fa tsy de mino olona mpitoriteny na pasteur ninnn. Fa ireo olona ireo miteny zavatra tsy marina @ fiainana indraindray de lazainy fa tenin'Andriamanitra hono.

namaste:lol:
12. Rasiligaoma ( 27/04/2007 07:20)
xxx:

Averiko indray ny fanontaniako, ho anareo mpino raha tsy ilaina ary ny fanomezana POROFO, atao ahoana ary ny fomba hahafahanareo handresy lahatra ny olona mba hanaraka ny finoanarao. Izaho manokana aloha dia tsy ho resy lahatra mihitsy raha tsy misy zavatra mivaingana avy any aminareo. Ary raha toriteny fotsiny kosa no asesikareo dia miala tsiny fa tsy haharesy lahatra ahy na olona tsy mpino ianareo.


dia ny tsara ataon'i xxx raha izaho dia mila miala aloha i xxx amin'ilay fisainana mitady porofo.
satria sarotra be ilay izy satria lasa ohatran'ny hoe maninona ny misy bibity no atao hoe lehilahy fia maninona ny tsy misy atao hoe vehivavy?
tahakan'izay ny fipetraky ny fanontanianao
13. prime ( 27/04/2007 12:23)
vonicx:
ny finoana dia hafa fa tsy azo porofoina avy amin'ny porofo. Fa rehefa misy porofo izy dia efa tsy finoana intsony
... Mitovy hevitra... fa izaho mahita nuances ihany fa rehefa voaporofo ilay izy dia tena mampiorina finoana bebe kokoa...

Hatramin'ny andron'i Noah rehefa niteny ny loza hiseho dia nananihany sy naneso ary nihomehy ny maro fa rehefa nitranga ny loza dia voamarina ny tenin'Andriamanitra ary tsy nisy azo natao intsony... vao maika amiko mampiorina finoana ho an'ny mpino... ka rehefa misy porofo tokoa dia efa tsy finoana intsony fa efa fahamarinana feno satria voaporofo... ary izay ilay lazaiko hoe mampiorina finoana...
14. Rasiligaoma ( 27/04/2007 14:05)
ny sain'ny olona .. indrindra @ izao vanim-potoana iainantsika izao dia nozarina tsy hanaiky raha tsy zavatra efa voa-porofo izay vao mino.
ny finoana anefa dia ny fibanjinana ny zavatra any ankoatran'ny voabanjin'ny saina.
izay ilay hoe saina sy fanahy ary vatana ny olona.
saingy betsaka ny manadino ilay fanahy sy mampiasa an'io.
zara ary azo tsiponina izany manao 'fampiasam-panahy" izany
15. xxx ( 27/04/2007 16:59)
Tsy azon-dRasilig angamba ny tiako ambara. Hoy ianareo hoe tsy mila porofo ny finoana, fa tonga dia minoa fotsiny ihany. Amin'ny saina tsy miangatra aloha hafahafa ihany ny hanaiky izany. Koa raha tsy izay olona mitory teny rehetra izao dia hinoako avokoa.

Ka ny tiako lazaina dia inona no fomba entinareo haharesy lahatra anay tsy mpino raha tsy ilaina izany ny porofo. Afaka manome moyen d'évangélisation hafa ankoatry ny fitorian-teny lavareny sy fitsimponana andinin-tsoratra masina etsy sy aroa ve ianareo. Satria raha ireo dia heveriko ho toy ny boky rehetra ihany koa. Toy ny citation ireo kalaza-lahy @ fanoratam-boky ihany koa.
Ary ilay fanoharana ataonao toa tsy izy mihitsy. Ny zavatra evident amiko dia tsy mila porofo. Fa ny zavatra manalasala no itadiavana porofo.
16. Zina ( 27/04/2007 17:11)
xxx [ Valio ] 26-04-2007 22:09:21
Lohateny : Re : Omeo porofo.. ny tena marina dia efa fantatrao saingy..
Ho anareo mpino ireo,ataonareo ahoana ary ny fomba haharesy lahatra ny olona tsy ilaina ny porofo. Izahay kosa aloha mila mivaingana avy any aminareo é. Raha toriteny be kosa koa dia tsy lasa, aza mandany andro aty.


ianao anie manana finoana na dia minia oe tsy mino e.
omeko ohatra iray fotsiny ianao.
Misy lakile ny tranonao, fantatrao fa hanidy ny tranonao ilay lakile efa finoana anie izany e...:wink:
17. niryna ( 27/04/2007 21:56)
Rasiligaoma:

izay voalazan'i vonicx izay no izy..
raha vao mbola eo amin'ilay staden'ilay mpino mila porofo ianao dia mbola tsy sambatra sy tsy mino.
"sambatra ny tsy nahita nefa mino"



=D=D=D
18. fijo ( 27/04/2007 22:01)
niryna an,apetrao ao anaty vilany ny vary de asio kitay eo,dia mivava fa raha mirehitra io dia hino aho.
19. niryna ( 27/04/2007 22:03)
xxx:

Averiko indray ny fanontaniako, ho anareo mpino raha tsy ilaina ary ny fanomezana POROFO, atao ahoana ary ny fomba hahafahanareo handresy lahatra ny olona mba hanaraka ny finoanarao. Izaho manokana aloha dia tsy ho resy lahatra mihitsy raha tsy misy zavatra mivaingana avy any aminareo. Ary raha toriteny fotsiny kosa no asesikareo dia miala tsiny fa tsy haharesy lahatra ahy na olona tsy mpino ianareo.

Ny olona atao hoe tena mpino dia tsy mila porofo intsony fa izy dia efa porofo mivaingana.Ho anareo izay tsy mino na hoe mahafantatra ny fisiany fa mody adala dia io no fandreberebena.Baiboly no porofo mivaingana tsy azon'iza hialana satria izay voasoratra rehetra tao dia efa nitranga sy mbola mitranga foana hatramin'izao hiainantsika izao.Tsy afaka andresilahatra anareo izahay fa ny Israely nafahana tany Egypta aza dia tao anaty baiboly.Ka misy ve ilay atao hoe Egypta sa tsy misy,misy ve ny atao hoe israel sa tsia.Dia aza miady varotra intsony.Tsy manaiky azy ho Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka fotsiny hoe izahay.Fa na mino ianareo na tsy mino izahay mino foana ary miandry ny fiverenany hitsara antsika tsirairay avy.

20. niryna ( 27/04/2007 22:06)
Fiffi:

ndana miangona.....

Fiffi a ny handositra ny fiangonana mihitsy no ataony ka andeha ho any aiza izy?Ny faniriana dia mbola hiverina na mbola hanantona an'ny Tompo ihany ireo mankahala Azy ireo.Samy miandry ny andro hiantsoany azy avy isika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0446