Omeo porofo.. ny tena marina dia efa fantatrao saingy...

21. fijo ( 27/04/2007 22:07)
ny mpinomino foana aloha dia izay e.
22. niryna ( 27/04/2007 22:09)
prime:

Hatramin'ny andron'i Noah rehefa niteny ny loza hiseho dia nananihany sy naneso ary nihomehy ny maro fa rehefa nitranga ny loza dia voamarina ny tenin'Andriamanitra ary tsy nisy azo natao intsony... vao maika amiko mampiorina finoana ho an'ny mpino... ka rehefa misy porofo tokoa dia efa tsy finoana intsony fa efa fahamarinana feno satria voaporofo... ary izay ilay lazaiko hoe mampiorina finoana...

Misaotra prime a
Io koa mbola santionany iray,ary Abrahama niresaka nivatana tamin'Atra?Hatramin'izao dia mbola mampiseho ny heriny izy amin'ny nofy,ny fanasitranana ,ny fanalana demonia ihany koa.Porofo hafa inona indray no mihoatra izany?

23. niryna ( 27/04/2007 22:11)
rakaroka:

Ka lé soratra mihitsy anie no nanao hoe;: raha nanana finoana na dia tahaka ny voatsinapy aza dia mahafindra tendtombohitra! Donk misy "Traik'efa avy hatrany ilay finoana fa tsy miandry fanazavana porofo akory!



=D=D=D
24. xxx ( 27/04/2007 23:02)
Ny marina dia tsy misy arguments convaincants arosonareo mpino. Hanyka fa lasa sentosento fotsiny no betsaka. Izay no mbola tsy ampy @ kristianina maro.
Tsy capable mi-dialoguer @ olona manana conviction hafa noho ianareo mihitsy izany anareo ireo. Ka na mandositra na mi-condamner.
25. cutie ( 27/04/2007 23:07)
:-D:-D:-D:-D
26. cutie ( 27/04/2007 23:08)
Fiffi a ny handositra ny fiangonana mihitsy no ataony ka andeha ho any aiza izy?Ny faniriana dia mbola hiverina na mbola hanantona an'ny Tompo ihany ireo mankahala Azy ireo.Samy miandry ny andro hiantsoany azy avy isika.

ny fiangonana nga no mahavonjy :roll:
27. niryna ( 27/04/2007 23:53)
cutie:

ny fiangonana nga no mahavonjy :roll:

Tsy mahavonjy ny fiangonana saingy any no toerana hiarahan'ny mpino hanandratra ny feony hidera sy hankalaza an'Atra.Toerana natao hifampaherezana sy hiarahan'ny mpino mifampaka hery.Toy ny hopitaly ny fiangonana ka ny fahitana ny olona mitady an'Atra sy hisaotra Azy ary hanandratra ny feony hankalaza sy hanome voninahitra ny Anarany dia efa hery lehibe ho ahy sy ho anao
Raha tsy mahazo herim-panahy kosa anefa ianao dia ho verimaina ny fandehanana any.:cry:
28. Rasiligaoma ( 01/05/2007 12:52)
ny lazainao fa argument convaicants dia ilay takatry ny loha sy ny saina amin'ny olona ary voafehty hatreo.(lozika)
ny finoana tena any ambadik'izany lavitra anefa...
29. niryna ( 03/05/2007 04:51)
Ny porofo dia ny Israely niala tao Egypta.Io no porofo mivaingana.Ny nisehoan'Atra tamin'i Mosesy sy ny nanirahin'Atra azy hiverina ho any Egypta.Ny ranomasina niampitany rehefa nampiasa ny tehiny Mosesy, sy ny fahagagana nataon'i Mosesy tamin'ny nanafaka ny vahoaka tany Egypta.Ny mana nilatsaka, ny fon'ny farao namafisin'Atra,ny fahafatesan'ireo miaramilan'i Farao rehefa nanenjika ireo Israely niampita ny ranomasina. sns.Zava-nisy daholo voasoratra ao anaty baiboly sady santionany fotsiny.:roll:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0075