célibataires chrétiens et chrétiennes

1. diamondra27 ( 25/04/2007 08:25)
Matetika dia mahatsiaro ny olona na mpino na tsy mpino fa hoe drame ny maha-célibat ny tena, ary miezaka ny namana mba hanmpahery ny olona eo @io toerana io

Amiko dia tsy olana zany hoe: irery izany na célibat fa privilège mba ho purifier sy hanatsarana ny fifandraisana @Atra

Ny tokatena dia tokony hifandray @ olona rehetra fa tsy olona anakiray ihany

Ny tena fitiavana izay tsy mamitaka dia ny fitiavana nataon'i Kristy ho antsika sy mbola hataony rahatrizay, koa tokony mba hifantoka @izany ny masontsika izay hitondra antsika @izany fitiavana madio tsy misy kilema izany.

Izany lalana izany dia mety ho ny mariazy na ny fitokan-tena
Noho izany dia tokony tsy ho dramatiser-na ny maha célibataire anao.
Raiso ho fanomanana ny fiainana mandrakizay izay miandry efa anao, izany mahatokatena anao izany.

répondu par Rasiligaoma le 30/04/2007 13:49
2. tsiafoi1 ( 25/04/2007 09:02)
Tsara tokoa ny tokan-tena raha mahaonon-tena,satria hanana fotoana bebe kokoa isaintsainana ny fiainam-panahy sy ny fiainana mandrakizay zay nampanantenan'Atra, ary tokony ho araraotina izany fotoana mahatokan-tena izany hampitomboina ny fifandraisana bebe kokoa @'Atra

Ny saina sy ny fo no mibaiko ny fironana rehetra, koa miankina @'ny fikolokoloana izany no hahatonga ny fironantsika ho tokan-tena na hikatsaka ny fanambadiana.
3. diamondra27 ( 25/04/2007 09:07)
tsiafo1:zay aloha de marina

raha toa ka nanana olana ianao taloha fony fahazazana mety tsy te-hanambady intsony koa fa aleo manompo an'Atra
4. xxx ( 25/04/2007 09:21)
diamondra27:
Amiko dia tsy olana zany hoe: irery izany na célibat fa privilège mba ho purifier sy hanatsarana ny fifandraisana @Atra
tsy hitako izay hidiran'ny privilège mba ho purifier sy hanatsara ny fifandraisana @ A/tra @ izany!fa ireo manambady izany tsy afaka hanao an'io?na manambady na célibatera dia afaka manatsara lalandava @ fifandraisana @ A/tra!izany no hatao hoe kristiana!


5. tsiafoi1 ( 25/04/2007 09:27)
Ho an'ny vhv aloa dia mety le tokan-tena satria ny vhv aza natao ho "mpanampy sahaza" ao an-tokantrano, zany hoe afaka mikarakara tena samirery, raha manana anton'asa mahavelona azy izy, dia tsara aminy ny mahay mionona ho tokan-tena

Fa ny lhl kosa tsy mety raha tokan-tena, satria na Atra, ilay faratampon'ny fahendrena aza dia niteny hoe :"Tsy tsara raha irery ralehilahy"
6. diamondra27 ( 25/04/2007 09:31)
xxx: tsy misy manome tsiny ny manambady mihintsy eto ka!
fa voasoratra mazava tsara ao @SM fa hoe:
I Kort 7: 27b tsy manambady va hianao , aza mitady

I Kort 7:32 Izay tsy manambady dia miahy ny an'ny Tompo mba hahafaly ny Tompo

Tena marina io satria raha manambady ianao dia mitady izay hahafaly sy hahasambatra ny vadinao sy ny tokatranonao aloha

Toy izany koa ny ankamaroan'ny Kristiana : vitaina daholo aloha ny resaka tokantrano vao lasa mamonjy fivoriana sns

Fa raha tokatena ianao de moramora kokoa ny fanarahana ny Tompo Tu es tjrs dispo rehefa vonona

Mba manaova an'izany ange inaoa raha manambady raha tsy miteraka disadisa ao an-tokantrano io Jesosinao io ('zay le filazanjareo azy)

privilège izy satria manana fotoana bebe kokoa ny célibataire noho ny manambady manoloana azy.
Mbola eo ny vady karakaraina , ny zaza fa le tokatena ny tenany ihany . Tsy marina ve 'zany?

Fa tsy misy maharats le manambady ange e! sao de tsy mifankahazo ny resaka , tandremo fotsiny tsy ho vato misakana anao tsy hiray @ ATra io vadinao io , izay efa nolazaina ao @ SM koa izany.
7. xxx ( 25/04/2007 09:39)
diamondra27:
Mba manaova an'izany ange inaoa raha manambady raha tsy miteraka disadisa ao an-tokantrano io Jesosinao io ('zay le filazanjareo azy)
olona kely finoana ianao raha izany!tsy nanambady ary tsy nanao voady teo imason'A/tra matoa miteny an'izany!sambatra ery ny mpivady manana an'io disadisany ao an-tokatranony momba io Jesosiny io!tsy aleo lavitra ary ve manana disadisa @ Jesosiny izy toy izay manana disadisa @ namany na olonkafa?satria tsy hainao marina hoe iza marina io Jesosiny io!


8. diamondra27 ( 25/04/2007 09:40)
I kor 7 :33/34


33 Fa izay manam-bady kosa miahy ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy.

34 Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manam-bady mitandrina ny an'ny Tompo, mba ho samy masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy.



39 Ny vavy voafehin'ny lalàna, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin'ny Tompo ihany.

40 Nefa raha araka ny hevitro, sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany; ary ataoko fa izaho koa manana ny Fanahin'Andriamanitra.

Mety ho marina aloha fa tsy mahatanty ny lahy e!
Dia ho an'ny vhv ihany zany le tsy manambady ve ry tsiafo1
9. diamondra27 ( 25/04/2007 09:45)

I Timoty 5 :3-8

3 Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.

4 Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra.

5 Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa nanantena an'Andriamanitra ka maharitra amin'ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman-alina.

6 Fa izay vehivavy manara-po amin'ny fahafinaretana dia maty fahavelony.

7 Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny.

8 Fa raha misy tsy mamelona azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.

Anjaran'ny tsirairay izany raha hanarapo @ fahafinaretana na tsia
10. xxx ( 25/04/2007 09:45)
diamondra27:
I kor 7 :33/34
ireo no voasoratra ao ary tsy azo lavina!fa ny fiainanao sy ny hiainanao no tokony jerena satria samy hafa be ireo!


11. diamondra27 ( 25/04/2007 09:51)
xxx: ka @ maha kristiana de tsy ny fiainanao no jerena fa ny an'Atra aloha e! rehefa tonga le fotoana de toloran'Atra ianao.
Araho hatr@ voalohany ny tantara , tsy tsara raha irery ralehilahy= nomena an'i Eva

Donc io zany miandry ze safidin' Tompo amiko fa tsy forcé-na be we za te-hanambady de manambady, de avy eo misy ny pb de hiantso vonjy an'Atra ihany.
12. xxx ( 25/04/2007 10:06)
diamondra27:
Donc io zany miandry ze safidin' Tompo amiko fa tsy forcé-na be we za te-hanambady de manambady, de avy eo misy ny pb de hiantso vonjy an'Atra ihany.
tsy misy olona mi-forcé anao hanambady akory satria sitrakin'ny finao io!fa tsy mba hainao kosa ny fivavaham-pangatahana an'A/tra mba tsy hisian'ny olana eo @ tokatrano!tokatrano aiza anefa no tsy misy olana fa azo surmonténa avokoa ny olana rehefa araham-bavaka ny fangatahana ary indrindra mahay mangataka!


13. diamondra27 ( 25/04/2007 10:24)
xxx: ka misy nge le olona maika ny te-hanambady, satria tratry ny pression de la vie e! misy ny sasany we manmbady ranona de mba te-hanambady za, zay le tiako lazaina @ le hoe: forcé-na be fa tsy ara-bakiteny akory.
Matoa manambady dia manana safidy tokoa ianao fa tsy terena akory.

Marina fa misy foana ny olana na manambady na tsia, ary marina de marina io hoe:arahimbavaka ny fangatahana, saingy le satana mahay mampiady... dia viravirainy ianao rehefa azony ary latsainy mihitsy aza.
14. Fiffi ( 25/04/2007 11:47)
heu.....aza hadino koh fa bdb ny mpivady tena samy mpivavaka be zareo de ohatran'marina hiany io lazain'i xxx io hoe mangataka am Andriamanitra mba tsy hisian'olana am fiainana.....mba ahafahan'izy mpivady manao ny andraikiny ao am-piangonana ? de tsy misy fifamaliana na ilana am io ?
15. ikaretsaka ( 25/04/2007 11:55)
Tsara tokoa ny tokan-tena raha mahaonon-tena,satria hanana fotoana bebe kokoa isaintsainana ny fiainam-panahy sy ny fiainana mandrakizay zay nampanantenan'Atra, ary tokony ho araraotina izany fotoana mahatokan-tena izany hampitomboina ny fifandraisana bebe kokoa @'Atra


io no tena izy
fiffi>fa na bdb aza ny mpivady manao andraikitra any ampiangonana (izay tsara tokoa, satria efa ezaka be izay)
tsy hoe tsy mifandray intsony ry zareo.. fa mahavita bebe kokoa ilay tokan-tena noho izy ireo. satria ny an-dry zareo mpivady tsy maintsy misy foana hoe "ny tokantranontsika koa ahoana"?
16. prime ( 25/04/2007 12:14)
Mitovy hevitra tanteraka @ diams sy tsiafo ary ika aho eto... hafa kokoa eo imason'Andriamanitra ny fanompoan'ny tokan-tena sy ny mananon-tena mihoatra amin'ny manambady...
17. Fiffi ( 25/04/2007 12:24)
heu.....fa tadidio koh fa io fanompoana an'Andriamanitra io tsy midika velively hoe tsy maintsy zavatra azo tsapaina tanana sy hita maso.....miheritreritra an'ireo olona marary cloué tsy afaka mihetsika eo am-pandrinany....nefa de any am Andriamanitra foana ny sainy.....mivavaka andro aman-alina...
18. ikaretsaka ( 25/04/2007 12:34)
euh.. misy karazany bedebe ny fomba fanompoana an'andriamanitra ka..
vavaka, hira, sns... ireny anisany
fa na ny fanaovanao ny asanao andavanandro aza ka mieritreritra ny Tompo ianao dia efa manompo izay.

tsaroako manokana @ io ireo mpitsindroka zoridira eny Andralanitra sady mihira hiram-pivavahana no mitsindroka :cry:
19. prime ( 25/04/2007 12:56)
Hafa kokoa eo imason'Andriamanitra ny fanompoan'ireo satria ho Azy hatrany izany fa ny an'ny manam-bady dia ny tokan-tranony no mandeha mialoha noho ny an'Andriamanirta mandrakariva... tsy hoe ratsy na tsy mety akory fa na Andriamanitra aza dia miaiky fa mety izany saingy sitrany kokoa ny an'ny mpitondran-tena sy ny mananon-tena...
20. xxx ( 25/04/2007 13:56)
mahagaga ahy ity fihozonozonan'i Pasitera Prime ity!@ nao izany dia tsy tokony hanambady ny olona sa ve izany no hataonareo manambady?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3634