Tetsy sy Teroa

1. pissoa ( 11/04/2007 17:47)
[Tsy somonga ity fa hita tetsy sy teroa fotsiny an :-D:-D:-D]

- Rehefa misy loza mahazo an'i xxx1 dia lazainy fa "Fitsapan'Andriamanitra", fa rehefa misy ratsy mitranga amin'i xxx2 dia lazain'i xxx1 fa "Kapok'Andriamanitra".

- Rehefa misy tsara mahazo an'i xxx1 dia lazainy fa "Fitahian'Andriamanitra", fa rehefa misy soa mitobaka amin'i xxx2 dia lazain'i xxx1 fa "Fanambatambazan'i Satana".

- Rehefa misy mitsikera an'i xxx1 dia lazainy fa "Manenjika an'i Kristy", fa rehefa mitsikera an'i xxx2 i xxx1 dia lazain'i xxx1 fa "tsy mitsara fa milaza ny marina".

- Rehefa mandika vilana ny baiboly i xxx1 dia mbola "Tenin'Andriamanitra" ihany no toriny, fa rehefa miresaka zavatra tsy avy ao amin'ny baiboly i xxx2 dia "Hevitr'olombelona".

- Rehefa manome 1/10 an'ny fananany i xxx1 mba hazahoany famonjena dia "ara-tsoratra masina" io, fa rehefa mandray anjara amin'ny fampiroboroboana ny fiangonany sy ny fiainana materialin'ny pretrany i xxx2 (amin'ny 1/1000 an'ny fananany fotsiny) dia lazain'i xxx1 fa "Mividy famonjena".

Ambava homana ...
répondu par Rasiligaoma le 30/04/2007 16:23
2. pissoa ( 11/04/2007 17:49)
Mety mbola hitohy ... :-D:-D:-D
3. Fiffi ( 11/04/2007 18:13)
ka tsy hita fa samy manana ny heviny ny tsirairay de samy mitazona ny azo ho marina ka tsy hay intsony hoe inona no inona ? fa de aleo fotsiny hasiana tolérance le izy.....de ny finoanao hiany aoka hibaiko anao....
4. ikaretsaka ( 11/04/2007 18:40)
Hoy ra sitlo izay hoe:
"Atsipy ny tady antandroky ny omby; atsipy ny Kaopy: vaky"

tezitra sy matahotra amin'ny euh..... "realité des choses" izy moa no filaza azy teo??:wink:
5. xxx ( 11/04/2007 18:43)
Kanefa anie dia eto @ site-n'ny xxx1 i xxx2 no mamoaka an'izany toetra ratsiny rehetra izany é. Raha ohatra moa ka nitsimbadika ny rasa ka tany amin-dry zareo xxx2 no nanao toy izao ny xxx1
6. ikaretsaka ( 11/04/2007 18:51)
aoka aloha........ i XXX1 sa XXX2 io miteny io?:lol:
7. nikopol ( 11/04/2007 19:07)
ny blema nge dia indraindray mivadibadika ilay 1 sy 2 e! dia indraindray misy xxx3

lojika ao anatin'ny finoana mihintsy io ... satria sambatra izay mino ...:-D
8. pissoa ( 11/04/2007 19:10)
xxx : fa angaha misy miresaka site ! Tetsy sy Teroa hoa ... mety voakasika koa ny "Site", fa nataoko xxx1 sy xxx2 satria xxx no ampiasaina rehefa tsy mitonona anarana :-D:-D:-D

Niko : izay no maha ambava homana azy ... samy homannnn eo daoly e :-D:-D:-D
9. sakaizakely ( 11/04/2007 20:24)
pissoa> :-D:-D:-D

marina be mits le analiz n'i toi

misy ireo milaza ny tenany ho kristiana nefa be didoha tsy manaiky diso, indrindra indrindra, mahay manodindresaka ho @zay mahasoa sy mahafinaritra azy ary tsy menatra manaratsy sy manisy ratsy ny hafa amin'ny anaran'ny Soratra Masina ihany. Mitovy am Bin Laden e !

tsy mba kristiana ireny fa tondé demony tokanify :evil:

10. kiranil ( 11/04/2007 21:48)
Fanontaniana tsotra anakiroa :::

1-
Rehefa mandika vilana ny baiboly i xxx1 dia mbola \"Tenin\'Andriamanitra\" ihany no toriny.


Zany hoe rehefa Tenin\'Andriamanitra tsy mitovy @ fahazarana sy mahazatra an\'i pissoa hatramin\'izay dia \"dika vilana\" izay no anarany?

Ohatra ::
http://www.chick.com/reading/tracts/0458/0458_01.asp tsara. Dia diniho mangina sy milamina rehefa manampotoana malalaka.

2-
Rehefa manome 1/10 an\'ny fananany i xxx1 mba hazahoany famonjena dia \"ara-tsoratra masina\" io,


DISO :: Ny famonjena tsy vidiana tompoko fa fanomezana MAIMAIMPOANA ho an\'ny olona rehetra. Ho an\'i tsimiandravola; ho an\'i fijo; ho an\'i cutie; ho an\'i Hery; ho an\'ikaretsaka; ho an\'i lazadaddy .. sns..
Fa na ny mahasamy hafa ny olona fotsiny dia na izy manaiky o Fanomezana io na tsia. Tsotra tahak\'izay ilay izy.

Jehovah Andriamanitra sy ny Fanahiny no nampanoratra an\' io ao @ Soratra Masina fa tsy xxx1 na xxx2 na xxx5,9.. na izaho no mamorina.

Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin\'Andriamanitra, tsy amin\'ny lalàna anefa, fa ambaran\'ny lalàna sy ny mpaminany,

dia ny fahamarinana avy amin\'Andriamanitra amin\'ny finoana an\'i Jesosy Kristy ho an\'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa,

fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin\'Andriamanitra,

nefa hamarinina maimaimpoana amin\'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin\'i Kristy Jesosy,

Izay nasehon\'Andriamanitra tamin\'ny rany ho fanavotana amin\'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin\'ny tsy namalian\'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin\'ny nandeferany,

mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an\'i Jesosy.
Rom 3


Raha mbola lazainao fa mandika vilana ihany ny filazana ireo teny ireo dia izao no izy ry pissoa::

>>>> aleo aho \"hivilana\" @ fankatoavana ny Tenin\'Andriamanitra izay voasoratra ao @ Soratra Masina, nefa manaiky sy mino ilay fanamarininana maimaimpoana nomen\'Andriamanitra ao @ Jesosy Kristy..
toy izay milaza tena fa \"kristiana tsy mivilana\" nefa ho lavin\'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany.

\"Maro no hanao amiko amin\'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko , tsy efa naminany tamin\'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin\'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin\'ny anaranao va izahay?

Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.

Koa amin\'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin\'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin\'ny vatolampy. \" Matio 7


Aleo @ manaraka indray. :-*

Misaotra.





11. xxx ( 11/04/2007 21:52)
Ary toa misy xxx mipoitra tampoka izany. Ankamantatra :
xxx 1 io sa 2 ?
12. pissoa ( 11/04/2007 21:57)
Kiranil : fa misy inn :-D:-D:-D:-D:-D
13. rakaroka ( 11/04/2007 22:14)
[quote=kiranil]
Fanontaniana tsotra anakiroa :::


Zany hoe rehefa Tenin\'Andriamanitra tsy mitovy @ fahazarana sy mahazatra an\'i pissoa hatramin\'izay dia \"dika vilana\" izay no anarany?


An!an! ilay nahazatra nampianarina mihitsy no tsapa fa "tsy izay loatra ny heviny taty aoriana et cela est dû par l'espace sy ny fotoana sy ny fandinihina lalina

Ohatra ::
http://www.chick.com/reading/tracts/0458/0458_01.asp tsara. Dia diniho mangina sy milamina rehefa manampotoana malalaka.

Arahiko araka ny teninao

2-
Rehefa manome 1/10 an\'ny fananany i xxx1 mba hazahoany famonjena dia \"ara-tsoratra masina\" io,


DISO :: Ny famonjena tsy vidiana tompoko fa fanomezana MAIMAIMPOANA ho an\'ny olona rehetra. Ho an\'i tsimiandravola; ho an\'i fijo; ho an\'i cutie; ho an\'i Hery; ho an\'ikaretsaka; ho an\'i lazadaddy .. sns..


Izaho "rakaroka" tsy voasoratra ato:-w:-w dia ahoana izany ny amiko?....
Tohizana @ manaraka :@
14. pissoa ( 11/04/2007 22:15)
valin'ny fantanian'i Kiranil :

Fantaniana 1 :

Izaho tsy niteny izany mihitsy hoe refa tsy ilay mahazatra ahy. Hoy fotsiny aho hoe nandika vilana. Tsy misy reference amiko io na amin'iza na amin'iza. Omeko ohatra ianao : Jereo ny tenin'i tsimiandravola hoe ny Kristianisma mahatonga ny olona kamo, "soratra masina" no nanamarinany an'io. Mila ny hevitro sy ny fahazarako ve vao afaka milaza fa tsy izay ilay Kristianisma ? Don't think so :oops::oops::oops:

PS : Hay ve ianao io mahafantatra hoe mety tsy mitovy fahazarana ny olon-drehetra e :wink: (tena androany izany vao tsikaritro taminao) :-D:-D:-D


Fantaniana 2:

Ny resaka 1/10 dia izao. Efa niresahana teto io. Nisy niteny fa rehefa tsy manome 1/10 hono dia tsy mahazo famonjena ary hofaizin'Andriamanitra (Oki, oki - omeo izay ananana na 100% aza) ... fa rehefa misy manome 1/1000 dia mimenomenona indray fa "mividy famonjena" ony koa :-D:-D:-D

Izaho tsy niteny mihitsy hoe tsy tokony omena anie ny 10% e (vakio indray), fa hoy fotsiny aho hoe ka maninn no mimenomenona ny olona manome 0.1% ? Avereno vakina fa izaho koa dia tsy miteny mihitsy hoe vidina ny famonjena an ! Ilay xxx teto amin'ny serasera izay no niteny an'io ! Fantany zao ny tenany :b:-D:-D:-D
15. ikaretsaka ( 11/04/2007 23:11)
pissoa> ka nenao kosa "unconvenient truth" aminy no lazain dry..
le zavatra tsy azo lazaina mihitsy mihitsy fa zava-misy @ fiainana andavanandro...
16. cutie ( 11/04/2007 23:43)
Rehefa misy mitsikera an'i xxx1 dia lazainy fa "Manenjika an'i Kristy", fa rehefa mitsikera an'i xxx2 i xxx1 dia lazain'i xxx1 fa "tsy mitsara fa milaza ny marina

:-D:-D:-D:-D:-D
io no tena tiako :-D:-D:-D:-D
17. cutie ( 11/04/2007 23:44)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 11-04-2007 20:51:59
Lohateny : Re : Tetsy sy Teroa
aoka aloha........ i XXX1 sa XXX2 io miteny io?

xxx3 io :-D
18. ikaretsaka ( 12/04/2007 00:08)
rehefa tsy i XXX 666 de mandeha foana ka
19. cutie ( 12/04/2007 00:10)
:-D:-D:-D:-D:-D
20. Fiffi ( 12/04/2007 07:10)
fa maninona aloha no natao tato @ fivavahana sy finoana le dinika ? :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1625