Tetsy sy Teroa

21. pissoa ( 12/04/2007 07:25)
Fiffi : satria izaho normal dia rehefa mikasika "Fivavahana sy Finoana" ny resaka tiko atao dia eto no ataoko :-D:-D:-D

sa tsy hita be hoe resaka "Fivavahana sy Finoana" ilay izy ? Ny olona manoloana ny "Fivavahana sy Finoana" :oops:
22. Fiffi ( 12/04/2007 07:33)
pissoa: :oops: :-*:-* marina ny andry an !
23. lapino ( 12/04/2007 07:51)
pissoa:

[Tsy somonga ity fa hita tetsy sy teroa fotsiny an :-D:-D:-D]

- Rehefa misy loza mahazo an'i xxx1 dia lazainy fa "Fitsapan'Andriamanitra", fa rehefa misy ratsy mitranga amin'i xxx2 dia lazain'i xxx1 fa "Kapok'Andriamanitra".

- Rehefa misy tsara mahazo an'i xxx1 dia lazainy fa "Fitahian'Andriamanitra", fa rehefa misy soa mitobaka amin'i xxx2 dia lazain'i xxx1 fa "Fanambatambazan'i Satana".

- Rehefa misy mitsikera an'i xxx1 dia lazainy fa "Manenjika an'i Kristy", fa rehefa mitsikera an'i xxx2 i xxx1 dia lazain'i xxx1 fa "tsy mitsara fa milaza ny marina".

- Rehefa mandika vilana ny baiboly i xxx1 dia mbola "Tenin'Andriamanitra" ihany no toriny, fa rehefa miresaka zavatra tsy avy ao amin'ny baiboly i xxx2 dia "Hevitr'olombelona".

- Rehefa manome 1/10 an'ny fananany i xxx1 mba hazahoany famonjena dia "ara-tsoratra masina" io, fa rehefa mandray anjara amin'ny fampiroboroboana ny fiangonany sy ny fiainana materialin'ny pretrany i xxx2 (amin'ny 1/1000 an'ny fananany fotsiny) dia lazain'i xxx1 fa "Mividy famonjena".

Ambava homana ...

Ratsy fanahy i xxx1 ... oops, nitsara aho :P
Ahoana ozizy i xxx2 ? (fa mbola te hitsara koa za zany :wink:)
24. rakaroka ( 12/04/2007 07:51)
[quote=kiranil]
nefa hamarinina maimaimpoana amin\'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin\'i Kristy Jesosy
,

Tsy hitako tsara aloha izay tena "andraisana ity teny hoe "hamarinina maimaimpoana' eto ity raha Jesoa en personne koa nilaza mazava ao @ matio 5- 20
hoe: " Fa lazaiko aminareo raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny "fahamarinanareo, dia tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo!:roll::roll:
25. diamondra27 ( 12/04/2007 10:13)
pissoa:

[Tsy somonga ity fa hita tetsy sy teroa fotsiny an :-D:-D:-D]

- Rehefa misy loza mahazo an'i xxx1 dia lazainy fa "Fitsapan'Andriamanitra", fa rehefa misy ratsy mitranga amin'i xxx2 dia lazain'i xxx1 fa "Kapok'Andriamanitra".

- Rehefa misy tsara mahazo an'i xxx1 dia lazainy fa "Fitahian'Andriamanitra", fa rehefa misy soa mitobaka amin'i xxx2 dia lazain'i xxx1 fa "Fanambatambazan'i Satana".

- Rehefa misy mitsikera an'i xxx1 dia lazainy fa "Manenjika an'i Kristy", fa rehefa mitsikera an'i xxx2 i xxx1 dia lazain'i xxx1 fa "tsy mitsara fa milaza ny marina".

- Rehefa mandika vilana ny baiboly i xxx1 dia mbola "Tenin'Andriamanitra" ihany no toriny, fa rehefa miresaka zavatra tsy avy ao amin'ny baiboly i xxx2 dia "Hevitr'olombelona".

- Rehefa manome 1/10 an'ny fananany i xxx1 mba hazahoany famonjena dia "ara-tsoratra masina" io, fa rehefa mandray anjara amin'ny fampiroboroboana ny fiangonany sy ny fiainana materialin'ny pretrany i xxx2 (amin'ny 1/1000 an'ny fananany fotsiny) dia lazain'i xxx1 fa "Mividy famonjena".

Ambava homana ...



______________________________________________________


Ny fanarahana an'i Tompo amiko dia personnel,noho izany dia tsy tokony variana @izay fomba fijerin'ny olona aho fa izay ataon'Atra amiko ihany no asiako olana.
Ohatra raha sendra fitsapana aho dia inona no tian'Atra ampianarina ahy @izany. Efa nolazainy fa tsy ny soa ihany no azo @ Atra ...
Voalaza ihany koa fa tsy mora ny fanarahana an'i Jesosy, be ny zavatra sedraina:aretina, fahafatesana @ olona akaiky anao, fankahalan'ny fianakaviana eny fa na dia ny vady amanjanakao aza mety tsy ho tia anao rehefa tena mirona be @ Atra ianao, efa voalaza dieny mialoha daholo izany.

Ny fanenjehana amiko rehefa manompo an'i Tompo aho: dia ilay fanakanana @ fomba rehetra mba tsy hanarahako an'I Jesosy.

Fitenin'olombelona ilay hoe: kapok'Atra nefa mety tsy azon-dra-olombelona ny tena dikany.
Ao @ baiboly ao misy milaza hoe: inona no atao hoe: kapok'Atra. Izany no nataony dia mba hirosoana bebe kokoa @ fanarahana Azy fa tsy tokony hihemorana.
26. ikaretsaka ( 12/04/2007 12:03)
ka tetsy sy teroa fotsiny anie io ry diams e
27. pissoa ( 12/04/2007 16:19)
lapino : tsy mitsara elah fa milaza ny marina :-D:-D:-D

Diams, fanontaniana tokana : rehefa tsy tokony varina hijery izay lazain'i xxx1 i xxx2 --- i xxx1 ve tokony varina hiteny akory hoe kapok'Andriamanitra na fanambatambazan'i Demony na inona ... ny mahazo an'i xxx2 ? Dia any ilay izy no miatomboka. Lojika be raha miteny zavatra momba an'i xxx2 i xxx1 dia mihaino izy, noho ny hoe tsisy hidiran'i xxx1 le izy fa niteny ihany i xxx1 :-D:-D:-D

Ny definition an'ny fanenjehana samy manana ny azy, miankina amin'ilay "enjehina" sy "boka". Izay no mahatonga ilay hoe rehefa i xxx1 no "tsikeraina" dia manenjika an'i Kristy hono fa rehefa i xxx1 no mitsikera dia tsy izay tampoka (araka ny hevitry i xxx1 daholo ireo).
28. pissoa ( 12/04/2007 16:33)
Tohiny ...
[Niko, eto angamba mihena ny mifamadika ny xxx1 sy xxx2 ... fa i xxx3 mety mandalo eny ihany :-D:-D:-D]

- Rehefa mameno bisous :* ny sipany/vadiny i xxx1 dia "porofom-pitiavana" (... angamba), fa rehefa manoroka ny tanan'ny Raiamandreniny (taaaanany fotsiny hoa an :-P ) i xxx2 dia hoy i xxx1 hoe fanompoan-tsampy.

- Rehefa mampiasa fitaovana manampy azy mivavaka sy mitory i xxx1 (na baiboly, na fihirana, ny trakta, na boky feno SARY, na fampisehoana film ...) dia tsy misy olana, fa rehefa mampiasa ny fitaovana manampy azy mivavaka na mampatsiahy azy ny famonjena natolotra, na ny olon'Andriamanitra nifandimby teto an-tany i xxx2 dia fanompoan-tsampy hoy i xxx1.

- Rehefa manao ny tsy mety i xxx1 dia "Mpamindra fo Andriamanitra" (tenenina fotsiny hoe mifona aho), fa rehefa tsy mety ny nataon'i xxx2 (na mety fa heverin'i xxx1 fa tsy mety fotsiny) dia hoy i xxx1 hoe "Mitonona ho Kristianina ireny nefa ..." (Indraindray anontaniany mivantana mihitsy hoe dia mihevitra ho any an-danitra ve ianareo amin'izany :-D )

- Rehefa mikata be i xxx1 mandeha mivavaka dia hoy izy hoe "Ka handeha hiasa aza mikata, ka rehefa hanatrika an'Andriamanitra ve no tsy hikata", fa rehefa manao akanjo "tsy fitenany" ary misy hevitra araka ny litorjiany i xxx2 dia hoy i xxx1 hoe "manao ny tenany ho mpanjaka".
29. lapino ( 12/04/2007 16:57)
Ity resaka ity mampahatsiaro an'ah an'ilay boky kely notantaraina anay taloha izay, fa ny armée rouge foana no Rôl ao anatiny ... sovietika manko ilay mpanoratra

Fa sefo deba sy ratsy fanahy izaitsiizy indrindra mihitsy manko i xxx1 eto izao, kanefa i xxx2 dia hendry sy manaraka tsara ny lalànam-piangonany ka viktime amin'ny lazain'i pissoa fa lazain'i xxx1 :wink:
30. pissoa ( 12/04/2007 17:28)
Eny xxx1 no niantsoako ny ratsy fanahy ! saingy i xxx1 dia tsy olona iray. Efa notenenin'i niko ohatra hoe indraindray ilay xxx2 amin'ny lafiny hafa no maka ny toeran'i xxx1 amin'ny lafiny hafa, dia eny hoy aho ! Izay no maha am-bava homana azy :-D:-D:-D

Amin'ireo tohiny ireo kosa nefa, dia tsy haiko raha ratsy fanahy be i xxx1 fa ny azoko antoka fotsiny dia :

- Ny fiangonany no arahin'i xxx2
- i xxx1 no niteny ireo notanisaiko ireo (na tany amin'ny rohy prefere an'i Kiranil, na teto amin'ny forum, na rehefa miresaka mivantana aty, na ...)

Tsy bedesiko anie i xxx1 e ! Ozy fotsiny aho hoe mieritrereta e, sao variana be kredy an'i xxx2 fotsiny nefa manao mitovy an'i xxx2 ihany. Mbola misy hafa, jereo ohatra ilay hoe "tena baiboly ihany tokoa ve no ampiasain'ireo misaratsaraka ireo". Nisy namaly ve ? Inona no valiny ? Fa rehefa miteny ny sasany hoe tsy izany ny anay dia mahay soratra masina be daholo hanamelohana azy !

Fa aoka izay fa lazain'i lap fa manao victime njay rehefa "milaza ny marina" fa tsy manenjika tampoka =))=))=))
31. ikaretsaka ( 12/04/2007 19:25)
:wink:
za ko mba hanohy:
-Rehefa Miteny ny heviny ka manaingonaingo azy @ verse isankarazany i XXX 1 dia \"milaza tokony holazaina hono izy\" fa rehefa milaza ny zavatra hitany tetsy sy teroa sy efa miseho mazava hitam-bahoaka izao i XXX2 dia \"mitsaratsara foana hono\" hoy i XXX1

-Raha manao resaka sosialy i XXX1 ka lazain\'i XXX2 hoe tsy ampy dia hozy hoe ny fanahy ny an\'i XXX1 no vonjena, nefa avy eo i XXX1 tsy mino ny famonjena fanahy any @ afo fandiovana, de avy eo koa , mandeha any @ asa sosialin\'i XXX2 i XXX1 rehefa mitady fanasoavana ny tenany na manana ny azy aza izy (sekoly, hopitaly sns)
32. kiranil ( 12/04/2007 21:21)
Tsy hitako tsara aloha izay tena \"andraisana ity teny hoe \"hamarinina maimaimpoana\' eto ity raha Jesoa en personne koa nilaza mazava ao @ matio 5- 20
hoe: \" Fa lazaiko aminareo raha tsy mihoatra noho ny an\'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny \"fahamarinanareo, dia tsy hiditra ny fanjakan\'ny lanitra mihitsy ianareo!


Raha tsy manaiky ilay fanamarinana avy Andriamanitra amin\'ny alalan\'i Jesosy Kristy isika, tsy hihoatra noho ny fahamarinan\'ny Fariseo mihintsy izay mety ho lazaintsika fa fahamarinana ananantsika; ary mazava ho azy fa tsy hiditra ny fanjakan\'Andriamanitra mihintsy.

Misy ohatra maro milaza izany::

1- ilay jiolahy niara-nombohina t@ Jesosy Kristy..

@ maha jiloahy azy dia zava-dratsy no maro nataony t@ andrompiainany, ratsy noho ny vitan\'ny fariseo, kanefa nihaiky ny helony t@ Jesosy Kristy izy, ary nohamarinin\'i Jesosy Kristy. Ary izy anefa no lazain\'i Soratra Masina fa tafiditra ny fanjakan\'Andriamanitra fa tsy ireo fariseo izay miseho ho marian sy mivavaka ety ivelany nefa mihatsara-velantsihy.

2- Ito tantara manaraka ito koa; izay mampiseho olona roa (fariseo sy ilay mpamory hetra) izay samy nanantona an\'Andriamanitra.
Ny iray (ilay fariseo) nanantona an\'Andriamanitra t@ ezaky ny tenany fotsiny ihany (mifady hanina, mandoa 1/10 karena, tsy manao ankeriny, izay heverina fa asa soa ..sns...) ary niavonavona teo anatrehan\'Andriamanitra,

ny iray kosa (ilay mpamory hetra) dia nanetry tena, nihaiky teo Andriamanitra fa mpanota; ary mila kosa ny famelankeloka avy amin\'Andriamanitra mba hanamarina azy.

Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan\'ny tempoly hivavaka: ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.

Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.

Mifady indroa isan-kerinandro aho, mandoa ny fahafolon-karena amin\'izay azoko rehetra aho.

Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.

Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
Lioka 18:10-14

3- Mbola maro ny azo lazaina fa ny hamintinana azy dia izao :::

Maimampoana ilay fanamarinana avy amin\'Andriamanitra ao @ Kristy Jesosy ho an\'ireo izay mihaiky fa mpanota ary mangataka ny famelankeloka avy @ Andriamanitra, ( ary tsy azo vidiana @ resaka \"asa soa\", fanaovana rozery sy litania, fitanisana saplet, fampiasana ny tsangambaton\'i \"masina maria\" ho \"aide-memoire\" sns... izany)

Amin\'izao dia mbola maro ny olona no miavonavona ka milaza fa ny asa sy ny zavatra lazainy fa tsara vitany no hanamarinan\'Andriamanitra azy, sy hidirany ny fanjakan\'ny lanitra.

Io ilay no lazaiko tery hoe ho an\'ny rehetra (na ny ny milaza ny tenany ho kristianina na tsia) io fanamarinana ao @i Jesosy Kristy io, fa ny olona no indrisy mbola maro no manda ilay izy.

4- Rehefa nahazo ny fanamarinana @ Jesosy Kristy kosa dia mitandrina ny fampianarany sy ny teniny, fa tsy hoe mahazo mijangajanga sy manota @ izay.

Jaona 8:11 ...Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin\'izao sisa izao dia aza manota intsony.


aleo angamba @ manaraka indray. :-*

Misaotra.





33. ikaretsaka ( 12/04/2007 21:37)
kiranil> tokony tohizana le izy fa tsy fitorianteny ka...
tetsy sy tetoa no resaka anie:roll:
34. cutie ( 12/04/2007 21:38)
ka io ny asan'i kiranil koa :-D
35. ikaretsaka ( 12/04/2007 22:10)
Raha milaza ny zava misy i KKK1 ligne 2 de mahalaza azy, fa rehefa i KKK2 dia
paragraphe 10 farafakeliny sady toute couleur.. ny mena no miasa indrindra
36. cutie ( 12/04/2007 22:21)
:-D:-D:-D:-D:-D
37. ikaretsaka ( 12/04/2007 22:25)
oay azafady... kay moa XXX fa tsy KKK
:oops:
38. cutie ( 12/04/2007 22:34)
lol
39. kiranil ( 12/04/2007 22:43)
misy mila an'io lavalava io foana any ho any, fa tsy taitra ela..

Ilay ligne 2 dia fananihaniana ny zavatra voalaza eo ambony no fampiasana azy, ..

tsy maintsy misy ireto foana::

:lol::lol::lol::lol: :-D:-D:-D:-D:-D:-D isak'izay mandeha..

sa izay angamba ilay "mihomehy tany vaky" aminy.. :-D:-D
40. cutie ( 12/04/2007 22:45)
mbola mianjy toriteny lava be zahay e :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1423