finoana sy siansy,fitaovana mifameno

1. fijo ( 07/03/2007 05:47)
ny finoana sy ny siansy dia samy nentin'ny zanak'olombelona hanazavana ny zavatra misy sy itany.
tamin'ny voalohany dia ny finoana aloha no fitaovana nentin'ny olombelona hanazavana izay zavatra nisy sy niainany rehetra.ka raha vao tsy takany sy nanahirana azy ny hanome fanazavana,dia nolazainy fa misy hery iray manao izany.
dia nisy tamin'izany fotoana izany ny karazana andriamanitra.
antra ny fitiavana,antra ny ady,antra ny hery,antra ny asa antra sns.
répondu par prime le 20/03/2007 15:19
2. fijo ( 07/03/2007 05:50)
ary zavatra nahaliana ary mbola mahaliana ny olombelona hatramin'izao moa ny fahafatesana,ka nahatonga azy hanotany hoe ,"inona no mitranga aorian'io fahafatesana io?"teo noho ny tsy fahalalana sy ny fahatahorana izany zavatra tsy hay izany"misitery"dia nampionontena ny olona ka nilaza ary nino fa ankoatry ny fahafatesana,dia any ankoatra indray.saingy teto an tany nisy ny ratsy fanahy sy tsara fanahy,dia notsotsorina fa misy izany paradisa hoan'ny tsara ary helo hoan'ny ratsy.tombatombana iohany izany.
3. fijo ( 07/03/2007 05:57)
taty aorian akosa,dia niha nihitatra sy nitombo ny fahalalan'ny olombelona,ka dia nanomboka nihezaka nanome fanazavana "marimarina kokoa" ary nitady profo hentitra kokoa izy hanazavana ireo fanontaniana hatr'izay.ka dia niditra antsehatra nanomboka teo ny siansy.
raha fintinina izany dia:araka ilay voalzan'i jentilisa sy ikaretsaka hoe "raha vao io finoan aio no resahana dia lany andro fotisny,satria samy tsy mbola nisy nahita ny marina any ambadika any,fa samy mino sy mankato aizay fomba entiny hanazavana ny any ambadika any"
koa dia tsy mifanipaka loatra izany ireo zavatra roa ireo,fa mifameno ary mifanohy
4. prime ( 07/03/2007 07:58)
Ekena tanteraka fa mifameno ireo... raha nisy ny siantifika voalohany dia Andriamanitra izany... na dia ny karazana teoria maro mikasika ny fiainana aza sy ny aina dia mbola Andriamanitra ihany no Tompon'ny "brevets" mikasika izany... na dia ny "hypothèses" maro fantatra aza dia mbola tsy mahavaha ny siansa nataon'Andrimanitra raha tsy hiteny fotsiny an'io "galaxie" sy "univers" io amin'ny teoria matematika sy astronomika rehetra misy... hoe ahoana no mbola tsy mampikorontana azy mandrak'ity ny androany fa mirindra soamantsara...? misy "harmonie" hoy ny sasany izay...
5. tywa68 ( 07/03/2007 08:52)
fijo : maninona no hoe fitaovana ?
Mifameno fotsiny ireo fa tsy fitaovana !
6. lamie ( 07/03/2007 09:08)
nomen'Andriamanitra ny tany sy ny ranomasina;nomeny ny olombelona ny fahefana tanteraka ,fahaizana,fahendrena, tanteraka daolo ireo,dia amiko tena mifameno tanteraka marina ny finoana sy ny siansa,ny fahafatesana indray miankina @ ra-olombelona satria voalaza hoe "aza simbàna ny tempolin'Andriamanitra"amiko miankina @ olombelona ihany ny tenany,ny fahaterana koa moa dia naturel,fa ny tiako lazaina oh mivoana kely:tantara 2 no entiko eto:fianakaviana 1, nanana zanaka 5,secte ry zareo,narary ny 1:nivavahana fa fady t@ io secte io ny medecine, maty lay zaza,ny faha 2:maty koa, ny faha 3,maty ihany koa ,narary ny faha4:tsy nanaiky ny fianakaviambe fa noterena izy mivady hitondra ny zaza tany @ doc,sitrana soamantsara lay zaza,ny mampalahelo dia maro no mpitondra fivavahana ao @ fianakaviambe;tantara faha 2:narary ny zaza: nivavaka mandra-maraina taminy ny ray amandreniny, efa avy nentina tany @ doc,mihinanana medic, fa nivavahana ireo ho tahin'Andriamanitra hanasitrana ny zaza: sitrana soamantsara lay zaza nony maraina, nohanina foana ny medic;
7. lamie ( 07/03/2007 09:14)
amiko izay manampy ny tenany dia ampian'Andriamanitra,na ireo siantifika na ny olona tsotra,ary rehefa misy ny finoana ampiarahana @ fivavahana dia mety,ny fahafatesana no mbola mety misy maizina ihany, samy manana ny androny ny olombelona tsirairay fa miankina aminao koa io anefa,raha hivoaka ny vavahadinao ve ianao, avy dia hanapaka ny arabe tsy mijery, voadona ny fiara dia dangy eo, dia aona zany hoy ianareo ny fanazavana @ io?
8. tywa68 ( 07/03/2007 09:34)
lamie : tsy hoe miankina aminao fa rehefa andronao ny lasa, dia lasa enao na dia ohatrany hoe accident aza ilay izy ! ary zay indrindra no hilazàna hoe : vonony mandrakariva ny fanahinao ...:wink:
9. prime ( 07/03/2007 10:46)
lamie> tantara tena nisy sa fanoharana entina ampitàna hevitra?
tywa68>... mitovy hevitra...
10. lamie ( 07/03/2007 12:12)
tantara tena nisy, fianakaviako ireo e!fa misy miankina aminao ny andronao re ry tywa a!marina fa hoe tsisy lasa tsy @ androny fa simbao ny tenanao dia omena anao zay tadiavinao,raha te hanao suicide à long terme ianao oh dia afainganin'Andriamanitra e!
11. tywa68 ( 07/03/2007 14:31)
lamie:

tantara tena nisy, fianakaviako ireo e!fa misy miankina aminao ny andronao re ry tywa a!marina fa hoe tsisy lasa tsy @ androny fa simbao ny tenanao dia omena anao zay tadiavinao,raha te hanao suicide à long terme ianao oh dia afainganin'Andriamanitra e!


8O
Ny hany fantatro sy inoako dia tempolin'Atra isika ary tokony hikarakara isan'andro fa tsy hanimba akory.
Afainganin'Atra ahoana ?
12. naughtyboy ( 07/03/2007 16:54)
tena mifameno sy mifanohy tokoa ra tsy nisy ny siansa tsy afaka niresaka teto akory sika,zay nahatonga an'A.tra(fanahy) hamorona olombel afaka mandalina zv samihafa toy ny siansa.
Ny finoana de filany fo sy fanahy zay ilainy velona rehetra
Ny siansa de filany saina sy ny vatana zay tsy voatery ilaina ndray2
Ka ra sany ilaina daoly ihany tsy aleo ampiasaina ndrindra le voalohany zay maimaimpoana??
13. Zina ( 07/03/2007 17:21)
finoana sy siansy,fitaovana mifameno


Mifameno ireo.

ny siansa amiko dia fanomezana nomen'Andriamanitra ho an'ny olombelona..:wink:
14. Fiffi ( 07/03/2007 18:10)
mifameno , ary toa tsy azo sarahina akory ireo...
15. rakaroka ( 07/03/2007 18:39)
Fiffi:

mifameno , ary toa tsy azo sarahina akory ireo...



Tena izany mihitsy!Eh...Misy lalàna voasoratra fa misy lalàna natao hokarohinny saina siansa!...
Dia ireny rehetra natao hanatsarana ny tontolo sy ny mpiara-monina fa tsy hanimbana sanatria!:idea::idea::idea:
16. ikaretsaka ( 07/03/2007 18:45)
tsy ny finoana sy ny science loatra angamba letsy ry fijo fa hoe ny tenin'andriamanitra sy ny science...
samy fitaovana hampitany ny asany sy ny hafany eo anivontsika aby ireo!
17. Zina ( 07/03/2007 19:41)
zany marina mihitsy:wink:
18. fijo ( 07/03/2007 23:03)
misy tsy ekeko le teneninareo.

hoy prime:"raha nisy ny siantifika voalohany dia Andriamanitra izany... na dia ny karazana teoria maro mikasika ny fiainana aza sy ny aina dia mbola Andriamanitra ihany no Tompon'ny "brevets" mikasika izany... na dia ny "hypothèses" maro fantatra aza di..."io tsy ekeko.satria io andriamanitra io koa dia isan'ny mbola fanontanian aikarohana valiny hoe misy sa tsia.ny finoana avy dia mamaly be hoe misy dia izay.
ny siansa mbola hoe rah amisy aiza ny porofo.

Mpandefa : tywa68 [ Valio ] 07-03-2007 09:52:02
Lohateny : Re : finoana sy siansy,fitaovana mifameno
fijo : maninona no hoe fitaovana ?
Mifameno fotsiny ireo fa tsy fitaovana !
fitaovana ,satria samy entina hitadiavana ny valin'ny fanontaniana rehetra ireo.
19. soanja ( 08/03/2007 03:58)
Aleo injay mba hiteny ny hevitro aho.

Ny fahitako azy ry Fijo dia ny zavatra rehetra dia noharian'Andriamanitra daholo.
Ny saintsika mikaroka sy mitady ny fivoaran'i siansa dia fanomezanan'Andriamanitra daholo. Zany hoe efa ao amintsika nomen'Andriamanitra ny fahafahana hitady ny porofon'ny fiainana ara-tsiansa ary miandry ilay fotoana fotsiny ny hamoahana izany. Izany no mahatonga ny ankizy ampianarana arakizay azo atao ny zavatra rehetra azony ampiasaina amin'ny ho avy hamoahany ny mysterin'i fiainana. Ohatra hoe raha afaka 2020 ohatra dia mba efa fantampantantsika ny any amin'ny Galaxie mifanolobodi-univers amintsika, ohatra i Andromeda. Zany hoe efa nomen'Andriamniatra ny fahafahana fa anjaranatsika sisa mampihatra azy.
Raha misy ny supernova (the super explosions of the dying stars) ohatra dia fampisehoan'Andriamanitra fa matanjaka izy ary voafehiny ity tontolo rehetra ary atolony antsika ny fakana ny tsara indrindra ao amin'io tontolo io raha haintsika izany.
Tsy afaka ny hilaza isika fa tongatonga ho azy ireo saingy tsy takatry ny olombelona kosa ny namoronany azy sy ny fanantanterahany ny asany. Izay no mahatongany olona tsy hino ny baiboly tanteraka mantsy satria rehefa mamaky azy ny olona amin'ny fahatakaran'ny olombelona azy fa tsy mihevitra hoe raha 6 andro no nanamboarana ny tany sy ny lanitra dia hafa ny fanisana azy fa tsy ny isa hitantsika andavanandro.
Ny amiko manokana dia raha tonga teto an-tany aho dia manana mission takin'Andriamanitra hotanterahiko. Mila mamaky izay code izay aho hahafahako mahazo ny tiany apetraka amiko. Ny tsirin'aina nitambatra nahatonga ahy anefa dia afaka nanamboatra olonkafa na tsy tantareka raha tsy eo ilay tanany Masina manome izany hery hahatomombana ho olona ahy izany. Rehafa nodinihina anefa dia ny matieres ao anatin'ny rako ihany no hita eny amin'ny matieres voahevitra fa misy ao anaty supernova. Niainga tamin'ny zavatra iray daholo izany na ny kintana na ny olombelona.
Izay no isian'Andriamanitra satria izy irery ihany no afaka hampitohy an'ireo fa ny siansa tsy ahita izany velively. Bizz:-*:-*:-*:-*
20. prime ( 08/03/2007 14:14)
fijo:
satria io andriamanitra io koa dia isan\'ny mbola fanontanian aikarohana valiny hoe misy sa tsia.
... Fanontaniana ikarohana valiny sa valiny efa misy fa iniana tsy ekena mba tsy itenenana hoe tsy inoana?...
fijo:
ny finoana avy dia mamaly be hoe misy dia izay.
... Tsy voatery kah... ny finoana dia tena azo tsapain-tanana mihitsy... ohatra i Tomasy raha nanontany an\'i Kristy dia novaliany hoe :
\"Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.\" Jaona 20:29...
Raha tsy lazaina fotsiny ireo porofo mivaingana ijoroan\'ny mpino vavolombelona isanandro isanandro ny amin\'ny asan\'Andriamanitra...
fijo:
ny siansa mbola hoe rah amisy aiza ny porofo.
... Tsy voatery koa ka, ny siansa aza matetika efa manana ilay porofo hita maso fa mandinika lalina kosa ny \"fahamarinana\" ao anatin\'ilay porofo... mikatsaka ilay \"vérité scientifique\" sy mamantatra ny \"comment et pourquoi?\"...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1664