Mety ho voavonjy ve ny fanahin'ny maty?

1. niryna ( 13/02/2007 07:49)
Nodimandry i Bodo izay nenitoan'i Liva.Niantso ny namany izy mba hivavaka an'i tompokovavy Bodo mba ho vonjen'Atra hoy izy ny fanahiny.
Raha efa maty ve ny olona dia mbola azo hivavahana angatahana amin'Atra ny ahavonjy ny fanahiny?
répondu par niryna le 12/03/2007 03:05
2. rush ( 13/02/2007 08:24)
tsy mpivavaka na olona tsy mino no fahitako zao zavatra lazainao zao ry niryna.
Ianao angamba mbola tsy nanatrika ny fanaovam-beloma olona nodimandry ? Hivavahana an'Andriamanitra tokoa izy ireny .
3. Fiffi ( 13/02/2007 08:37)

Mamelà ny fahotan'ny mpanomponao rehetra izay nodimandry ;
ka aoka hanampy azy ny fivavahanay , mba hahazoanay ny
famonjena izay niriny ....(Kolekta) azo jerena koh ny Kor. xv . 51
4. xxx ( 13/02/2007 10:30)
Ireny hivavahana ireny aloha toa ohatra ny fampiononana ny manamanjoa ihany ka fa raha ny tena izy dia izao refa tsy vitan'ilay olona t@ fahavelony ny fanantonanay an'Andriamanitra de izay ny aminy fa Andriamanitra dia an'ny velona fa tsy an'ny maty
5. lamie ( 13/02/2007 11:04)
tsy dia tokony asiana resaka be io satria ny tian'Andriamanitra dia ny fanatonana Azy,na mpanota gaigy lahy aza, rehefa mila sy miantso ny Tompo dia tonga sy avy Izy!
6. sonwin ( 13/02/2007 11:18)
alalino ilay hoe "mino ny fiombonan'ny olomasina". Dia mivaly ho azy ny fanontaniana.
7. mika117 ( 13/02/2007 13:29)
tsy voavonjy zany ny olona raha tsy nibebaka t@ fahavelony
8. eritra ( 14/02/2007 09:00)
"Andriamanitra dia Andriamanitry ny velona fa tsy Atry ny maty" noho izany dia tsy misy antony intsony hivavahana ho an'ny olona efa maty fa dieny mbola velona izy dia izay no tsy maintsy anaovana ny fitoriana fa rehefa maty izy dia fitsarana no miandry ny tsi1 1.
Ny antony anaovana fanompoampivavahana rehefa misy maty dia tsy hitondrana ambavaka ny maty akory fa hampaherezana ny velona hitodika amin'Atra fa tsy hoe rehefa maty vao hahatsiaro azy.
Ny fiombonan'ny olona masina voalaza etsy ambony dia tsy midika ho fiombonan'ny maty velively fa ny olona masina voalaza ao amin' ny baiboly dia ireo rehetra nino an'i Jesoa Kristy nahita sy nanatrimaso ary vavolombelona amin'ny maha Atra velona azy .
Jereo ny epistily rehetra fa voalaza ao hoe manoratra ho an'ny olona masina any ananona aho ohatra hoy Paoly na Petera sns: Olona maty v hahay mamaky teny???
Ianao koa dia azo antsoina hoe olona masina raha vao miroso amin'izay fandraisana an'i Jesoa ( Masina = Voatokana)
9. niryna ( 14/02/2007 18:41)
rush:

tsy mpivavaka na olona tsy mino no fahitako zao zavatra lazainao zao ry niryna.
Ianao angamba mbola tsy nanatrika ny fanaovam-beloma olona nodimandry ? Hivavahana an'Andriamanitra tokoa izy ireny .


izany no antony mahatonga ahy hitady hevitra aminao,satria tsy izaho io olona io,mangataka ny namany hivavaky ny maty izy
10. fijo ( 14/02/2007 22:44)
ka raha izany ve tsy aleo manao fahotana,fa rehefa maty hisy hivavaka hoanao ihany??????
ny baiboly anefa milaza fa hoavy ny andro farany ary hoavy izy hitsara ny nataonao tety.ka iza no hoarahana????
11. LazaDaddy ( 15/02/2007 02:06)
Maty ara-panahy ve sa maty ara-nofo?

"Aza gaga amin'izany; fa avy ny andro izay handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao ny tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin'ny fitsanganana ho fahamelohana." Jaona 5:28-29

"Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro ary tonga ny ankehitriny, izay handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra: ary izay mandre dia ho velona." Jaona 5:25

12. majesty ( 15/02/2007 05:44)
Nyrina:
Raha efa maty ve ny olona dia mbola azo hivavahana angatahana amin'Atra ny ahavonjy ny fanahiny?


Ny fanompoam-pivavahana atao amin'ireny fahoriana ireny dia tsy natao ho an'ny maty fa ho fampaherezana ny velona.Rehefa maty ny olona dia vita hatreo ny anjarany fa dia miandry ny didim-pitsarana ho azy izy sisa rehefa hiverina ny tompo ka handray ny olony na ho anisan'ny ho raisina izy na tsia.Satria ny maty dia tsy afaka ny hino sy hibebaka ny amin'ny fahotany izany intsony.(Raha fony fahavelony aza ve izy tsy tia fivavahana izany dia maty indray izy vao hivavahana,na izy aza mety ho tezitra raha toa ka afaka mandre)
13. prime ( 15/02/2007 06:27)
eritra, majesty> mitovy hevitra...=D
14. niryna ( 15/02/2007 07:20)
fijo:

ka raha izany ve tsy aleo manao fahotana,fa rehefa maty hisy hivavaka hoanao ihany??????
ny baiboly anefa milaza fa hoavy ny andro farany ary hoavy izy hitsara ny nataonao tety.ka iza no hoarahana????

Voalazanao tanteraka .8)

15. niryna ( 15/02/2007 07:23)
[quote=eritra]
"Andriamanitra dia Andriamanitry ny velona fa tsy Atry ny maty" noho izany dia tsy misy antony intsony hivavahana ho an'ny olona efa maty fa dieny mbola velona izy dia izay no tsy maintsy anaovana ny fitoriana fa rehefa maty izy dia fitsarana no miandry ny tsi1 1.

Ho Azy irery anie ny voninahitra
^:^^:^^:^

16. fijo ( 16/02/2007 06:23)
izay ahay mba misy logika kely.fa amiko izay maty dia vita ny aminy fa tsy misy hitsantsangana intsony eo.
fa raha toa moa ka hisy izany dia faly ihany aho fa ahita an'Andrianampoinimerina sy Radama
17. majesty ( 16/02/2007 07:08)
ny fiainana ao aorian'ny fahafatesana indray mbola resaka hafa iny ?
Na ny mpanao siansa ary mbola milaza fa misy ny fiainana ankoatran'zao hita maso izao
18. xxx ( 16/02/2007 07:17)
Tsy misy famonjena ny olona efa maty izany intsony ry niryna.Teneno ny marina ireo olona ireo.Andriamanitra ho an'ny velona fa tsy an'ny maty.Fandrembirebena ny saina fotsiny no nataon'ny olona ,rehefa tonga ny fitsarana vao ho hita eo izay marina na ny tsy nanaraka an'i kristy toy ireo xxx mitonana manenjika ny fivavahana ireo.
19. prime ( 16/02/2007 11:45)
xxx> aza tezitra r'ise a...:)
20. ndrena ( 16/02/2007 12:50)
Ny tenin'A/tra dia milaza ao @ Hebreo 9/27 manao hoe:TAHAKA NY NANENDRENA NY OLONA HO FATY INDRAY MANDEHA REHEFA AFAKA IZANY DIA HISY FITSARANA.Aorian'ny fahafatesana izany dia fitsarana avy hatrany ary tonga koa dia didim-pitsarana mifanaraka @ izay nataonao.Tsy araka ny tenin'Andriamanitra izany ny fivavahana mba hampiakarana ny fanahin'izay maty na fangatahana mba hiala sasatra ny fanahiny.Jereo tsara ny voalaza ao @ Lioka 16/19-31.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1148