Mba nino ihany raha nisy ara-tantara i Jesoa

1. tsimiandravola ( 04/02/2007 22:40)
Ka io no antsoin'ny vazaha hoe "malentendu".Nino an'i Jesoa ihany aho taloha satria nisy ara-tantara KOA izy arana ny nasaina ninoako.Nony tena nozohiana ny tena marina:hay i lery TSY NISY ara-tantara,tsy nisy ara-nofo.

Iza ary no sahy mitondra porofo MATOTRA ny amin'ny nisiany?Ka tsy vitan'ny sahy ihany,fa mametraka an'izany porofo izany ho tsy azo kianina?

Ento ary,fa raha tsy misy sahy..dia efa manome rariny ny fanantitranterako sahady ny amin'ny tsy nisiany.

Izaho kosa nefa afaka manome porofo maro dia maro ny amin'ny tsy nisiany.

Misaotra!
répondu par fijo le 28/02/2007 06:29
2. LazaDaddy ( 05/02/2007 03:02)
Ny porofo tokana omeko anao dia Izy mihitsy no hihaona aminao rehefa tonga ny andro fitsarany. Ka ho avy io andro io na mila porofo ianao na tsia, dia tsimaintsy ahita Azy sy hifanatrika Aminy :)

Amin'izay fotoana izay dia any aminy omena ny "porofo lazainao fa anananao manambara fa tsy misy Izy" =))
3. niryna ( 05/02/2007 03:48)
Ato am-poko izy ka fantako ny fisiany.Antsoy sy tadiavo izy dia ho hitanao ny porofony.
4. majesty ( 05/02/2007 04:40)
Tsimiandravola:
Mino ny olona hoe nisy zany ANDRIANAMPOINIMERINA izany na dia tsy mbola teraka aza izy satria ny fasany dia eto amintsika.
Mino ny fisian'i DALAI LAMA ny Boudhista na tsy mbola hitany akory aza satria ny fasany mbola ao.
Mino ny fisian'i MAHOMET ny olona satria ny fasany mbola ao.
Fa ny an'i JESOSY kosa tsy mba nanana ny fasany izy satria nitsangana t@ maty ka finoana no andraisana an'izany,fa anjaran'ny tsirairay io na hino na tsia.
5. LazaDaddy ( 05/02/2007 04:43)
niryna, Majesty> avelao izy hisafidy malalaka fa mbola hifanatrika @ i Jesoa foana izy. Amin'izay fotoana izay dia ho porofoiny amin'i Jesoa fa tsy misy i Jesoa =))
6. Fiffi ( 05/02/2007 06:55)
tsimiandravola:
Ka io no antsoin'ny vazaha hoe "malentendu".
ka tsy mitovy kah ! io hoy ny vazaha .....fa rehefa tsy mino enao de tsy mino de zay !


7. xxx ( 05/02/2007 07:01)
Aiza moa ilay rohy hoe tsy misy i jesoa nataon'i tsimiandravola fa hadinoko indray ?
8. Fiffi ( 05/02/2007 07:03)
mety eto @ fivavahana sy finoana hiany zany ....
9. xxx ( 05/02/2007 12:51)
Tsy arako ilay resaka na rohy taloha hoe tsy nisy Jesoa fa mba azon'i tsimiandravola averina kely ve (révision)


Ho ahy izao dia hoe historiquement nisy tokoa Jesoa fa avy eo ny tsirairay no hoe mino na tsia fa Mpamonjy izy na tsia
10. prime ( 05/02/2007 14:12)
Niverina ity lohahevitra ity... tsy maninona...

tsimiandravola> ny finoana dia an'ny tsirairay fa tsy an'ny daholobe... tsy resaka demôkrasia no hamerana ny finoana ka hoe izay eken'ny besinimaro no inoana... tsy hoe raha maro no miteny hoe tsy nisy Izy dia izay no marina...
11. cutie ( 05/02/2007 14:47)
Ho ahy izao dia hoe historiquement nisy tokoa Jesoa fa avy eo ny tsirairay no hoe mino na tsia fa Mpamonjy izy na tsia

mitovy hevitra:lol:
12. cutie ( 05/02/2007 14:48)
Mino ny fisian'i DALAI LAMA ny Boudhista na tsy mbola hitany akory aza satria ny fasany mbola ao.

bouddha we fa tsy dalai lama :lol:
13. tsimiandravola ( 05/02/2007 23:34)
Ilay rohy aloha dia ity:
http://www.geocities.com/tsinisijesoa/tsinisijesoa.html
Ny tiako kokoa dia ny version vahiny izay ho hitanao ato:
http://www.luigicascioli.it/
Na ato http://www.luigicascioli.it/home_fra.php
Na ato http://www.luigicascioli.it/home_eng.php
:D
14. tsimiandravola ( 06/02/2007 00:16)
prime:

Niverina ity lohahevitra ity... tsy maninona...

tsimiandravola> ny finoana dia an'ny tsirairay fa tsy an'ny daholobe... tsy resaka demôkrasia no hamerana ny finoana ka hoe izay eken'ny besinimaro no inoana... tsy hoe raha maro no miteny hoe tsy nisy Izy dia izay no marina...


Tsy maninona mihitsy na miverimberina aza ity lohahevitra ity,satria io no "base"-ny kah!

Tsy resaka demokrasia marina ny finoana ny fisian'i Jesoa aratantara,satria raha ny hamaroan'ny mpino kristiana no jerena dia azo lazaina ho nisy mihitsy izy amin'ny toerana maro.

Ny tiako lazaina dia hoe tsy miankina amin'ny opinion mihitsy ny nisiany sy ny tsy nisiany re rey olona,fa miankina amin'ny réalité historique a!=scientifique,physique,rationalité,objectivité...Dia tohizo daholo re fa mahonena ê!

Ny zavatra tena mampalahelo anie rey olona dia ity e!Tsy misy manakana izay olona te hino ny finoana an'i Jesoa anie e (liberté religieuse), ny mahasoson-dripa fotsiny dia ny fitaomany ny hafa mba ho toa azy(proselytisme)
Efa nodénoncer-ko teto fa na ny fisian'ny dinika ara-pivavahana amin'ny sehatra public toy itony aza dia efa proselytisme abominable.

Misaotra!


15. xxx ( 06/02/2007 00:45)
Izaho kosa nefa afaka manome porofo maro dia maro ny amin\'ny tsy nisiany.


- Raha ilay resaka hoe tsy nisy historiquement aloha dia resabe tsy mitondra mankaiza amiko izany..
satria na tsy ao anaty baiboly aza dia betsaka ireo manaiky fa nandalo tety an-tany tokoa Jeosy Kristy.

ary ilay hoe manana porofo \"be dia be\" dia tsy dia maharesy lahatra ahy loatra hoe raisonnement ahoana no ampiasan\'i tsimiandravola amin\'izany satria olona lazainareo fa tsy misy ve no porofoinareo ny aminy?

ohatra ny miteny hoe:
-ananako porofo ny tsy fisian\'i razakta?
dia manontany ilay anakiray manao hoe:
- fa izy ity razakta lazainao?
dia hoy izy:
- tsy haiko fa ananako fotsiny ny porofo momba ny tsy fisiany..

Fa na izany aza dia aloha ny anomezan\'i tsimiandravola ny porofo \"be dia be\" sy ny mety hanekenay fa tsy nisy historiquement tokoa Jesosy Kristy dia atomboy @ fanomezana porofo ny fisian\'ny olona iarahantsika rehetra izao manaiky fa misy ary aloha.
Omeo ny porofo ny fisian\'i dadatoa-an\'renibe-an\'- i cutie teto an-tany? sady izy vao haingana kokoa no tety an-tany noho i Jesosy.

-na ny silamo, ny boudista, ny hinduista koa dia manaiky fa tety an-tany tokoa Jesosy; fa amin\'ry zareo dia mpaminany ohatrany mpaminany rehetra fotsiny Izy fa tsy mino ry zareo hoe tena Andriamanitra nidina tety an-tany tokoa Jesosy Kristy.

- ito indray mananpahaizana iray:

\" Sir Lionel Luckhoo (1914-1997) is considered one of the greatest lawyers in British history. He\'s recorded in the Guinness Book of World Records as the \"World\'s Most Successful Advocate,\" with 245 consecutive murder acquittals. He was knighted by Queen Elizabeth II -- twice. Luckhoo declared:

I humbly add I have spent more than 42 years as a defense trial lawyer appearing in many parts of the world and am still in active practice. I have been fortunate to secure a number of successes in jury trials and I say unequivocally the evidence for the Resurrection of Jesus Christ is so overwhelming that it compels acceptance by proof which leaves absolutely no room for doubt.\"

Ny tiako atongavana dia tsy ny kristiana no namorona an\'i Kristy fa zavatra efa iarahan\'ny olona maro manaiky fa tety an-tany tokoa izy.

Fa ny fanontaniana dia ito : Mino Azy ve ianao sa tsia? mino Azy ve ianao fa izy tokoa ilay mesia, ilay zanak\'ondrin\'Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan\'izao tontolo izao?

Ny fantatra hatramin\'izao dia mbola maro ny tsy mino izany kanefa ho an\'ireo izay mino dia izao no fanamafisana ny finoanareo:

\"Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin\'Andriamanitra Ray Jesoy Kristy, raha tonga teo aminy avy tamin\'ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: \"ity ny zanako malalako Izay sitrako\" IIPetera 1:17

\"Iza moa no maharesy izao tontolo afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak\'Andriamanitra? \" IJaona 5:5

\"Fa raha tsy amin\'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an\'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.\" Hebreo 11:6





16. cutie ( 06/02/2007 05:11)
Omeo ny porofo ny fisian'i dadatoa-an'renibe-an'- i cutie teto an-tany? sady izy vao haingana kokoa no tety an-tany noho i Jesosy.

lasa tafiditra ao anaty exemple ve za :-D:-D:-D
17. niryna ( 06/02/2007 07:57)
Fiffi:

tsimiandravola:
Ka io no antsoin'ny vazaha hoe "malentendu".
ka tsy mitovy kah ! io hoy ny vazaha .....fa rehefa tsy mino enao de tsy mino de zay !






=))=))=))=))Omeo porofo hona aky izy ry fiffi a
18. niryna ( 06/02/2007 08:12)
Sao dia misy mahafantatra an'i tsimiandravola ianareo?
Iza izany? Ilay olona manontany an'i Jesosy?
Ahoana no ahalalako azy hoe misy izy?
Satria io manoratra manontany antsika ny porofon'i jesosy io izy.
Mino tanteraka aho fa misy izany tsimiandravola izany.Tsy hono fa tena misy ary ato amin'ny serasera izy izao manoratra izao raha hiresaka sy hifanoratra aminy ianareo fa afaka alefan'ny serasera any aminy.
Hay ve.Ny baiboly no tantaran'i Jesosy ary misy azy daholo na TT na TV.Na inona na inona ny finoan'ny olona dia tsy misy izay tsy mino izy fa zanak'Atra.
Izay no azoko ambara an'i tsimiandravola.Raha te ahalala azy kokoa ny momba azy ianao dia aza misalasala ny miantso azy an-tariby(telegraphe sans file) fa mivoha 7/7,24 / 24 ny fandraisany vavaka ho an'izay mitady azy.Aza misalasala ny miantso azy fa tsy misy vola aloha.8)8).Miandry ny anjely ahafantatra ny momba anao.Hainga sao diso aoriana ny antsonao ka hanenina ianao.8-)8-)
19. prime ( 07/02/2007 06:12)
Tsimiandravola> Ny isan'ny Kristiana sy ny fiangonana Kristiana eran-tany no anisan'ny vitsy indrindra amin'ny antokom-pivavahana rehetra misy sao diso hevitra ianao, ankoatra ireo tsy mino an'Andriamanitra (athée) fotsiny tsotra izao...
20. xxx ( 07/02/2007 16:05)
tsimiandravola >>>

1/ hitako t@ trano-kala na vohikalanao fa tsy ianao no nandeha nanao fikarohana fa nionona t@ zavatra efa vitan'ny maro ianao


2/ Mino ve ianao fa tany @ volana ny amerikana

3/ Efa hitanao ve ilay reportage natao nanehoana fa tsy tany @ volana akory ny amerikana ?

Dia iza no inoanao : teny @ volana sa tsia ny amerikana ?

Ny tiako lazaina dia be dia be ny documents avoaka hanozongozonana ny sain'ny olona marefo saina momba ny zavatra maro fa tsy ireo ihany ... ary hitako fa tena mandaitra tokoa ilay izy raha izao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.27