Mba nino ihany raha nisy ara-tantara i Jesoa

21. xxx ( 07/02/2007 16:19)
tohiny ... raha mba tena ianao no nandeha nanao fikarohana dia mba nino izay nolazainao ihany aho :-D
22. pissoa ( 07/02/2007 16:23)
:-D:-D:-D
23. xxx ( 07/02/2007 18:14)
... mbola izaho ihany

Dia inona izany no dia nahatonga ny olona naka ny daty nahaterahan'i Jesosy ho date de référence izay ampiasainao io @ izao : 140 ans avant JC, 2007 ans après JC

Mba vendrana ihany rizareo raha dia olona tsy nisy no natao référence, tsy aleo mba olona TENA nisy no natao référence !!!
24. fijo ( 08/02/2007 06:36)
aiza le porofo fa toa wawawa no betsaka e???????raha wawawa no nahavitana zavatra efa lavitra isika
25. prime ( 08/02/2007 07:17)
Ny porofo dia izay voalaza ao amin'ny baiboly... sady manambara tantara, manambara faminaniana, manambara filazantsara, manambara asa soratra, manambara fiainana, manambara fijoroana vavolombelona... manambara an'i Jesosy Kristy...
26. Fiffi ( 08/02/2007 07:24)
porofo mivaingana tsy hiadian'k'hevitra ....
27. niryna ( 08/02/2007 07:24)
Ny porofo mivaingana no tianao ho fantarina? Omeo porofo izahay fa tsy misy izy?
28. hearty ( 09/02/2007 10:41)
Zao e
Tsy tokony ho tezitra aminy isika fa mbola tsy resy lahatra izy na tsy mafantatra ny tena mariina ka zay no mahatonga azy manao an'izany ary heveriko fa adidintsika resy lahatra no manazava aminy izany tsy amin'ny fo tezitra.
Voalohany dia araka ny voalaza eo ambony matoa ny mpanao tantara naka an'i Jesoa ho repere eo amin'ny datin'andro dia nisy Izy izay sa heverinao fa mpandainga koa v ny historien?

Manaraka izany araka ny tantaraz koa ary ambara ao amin'ny fanekempinoana kristiana dia tamin'ny andron'ny Ponce Pilate izy no niaina izay"Gouverneur de l'Idumée, de la Judée, de la Samarie et de Galilée sous la supervision du légat de Syrie de 26 à 36 après Jésus-Christ, Ponce Pilate s'installera à Césarée, sur le bord de Méditerranée"
www.insecula.com

Fanampin'izay na ny coran aza dia manaiky fa nisy Jesoa Kristy ary ISSA no iatsoany azy ao

Mpandainga v ny nanoratra ny coran?

Tsy ho voalaza etoavokoa ny zv rehetra fa angamba ny tianao ambara tsy hoe tsy nisy Jesoa fa hoe tsy Andriamanitra
Manambara aminao aho fa Andriamanitra velona sy mahery Izy ary efa niainako arymbola iainako izany haben'ny fahasoavany izany (tena palpable io fa tsy zavatra manidina fotsiny) ary anetanako anao ny handray azy ary amiko izay toerana rehatra na fiagonana aiza ka manaiky an'i Jesoa irery ho antaky ny famonjena dia afaka ahitana azy avokoa fatsy misy hoe ary ihany no marina sns izay

Mahereza ary mirary soa ho anao
Ny Fanahy Masina anie hanazava ny sainao
29. hearty ( 09/02/2007 10:44)
Izany koa no manambara fa mila miomana hatrany koa isika efa milaza azy ho mpino fa ny Soratr aMasina koa dia efa nilaza izany fa ho avy ny Antikristy koa miambena.
30. xxx ( 09/02/2007 10:59)
Ny ahy ilay izy tsy mino aloha tsy mampaninona ahy fa affaire-ny , fa ity affirmation gratuite hoe tsy nisy historiquement ity no hitako tsy mety

Izay no mahatonga ahy tsy maka argument @ baiboly mihintsy satria iny no efa tsy ekeny
31. hearty ( 09/02/2007 19:58)
Ka za anie tsy naka oh t@ baiboly mitsy fa zavatra historique no nanaporofoako azy eh
Fa bon !!
Mafinaritra ry xxx
Hay v enao otrizany eh
Ary misehoa amzay f'aza miafina tsony hoa:lol::lol:
32. niryna ( 10/02/2007 04:59)
[quote=hearty]

Voalohany dia araka ny voalaza eo ambony matoa ny mpanao tantara naka an'i Jesoa ho repere eo amin'ny datin'andro dia nisy Izy izay sa heverinao fa mpandainga koa v ny historien?

Manampy izany koa dia voasoratra ao amin'ny TT taloha ny zavatra mety hitranga ary niverina indray ao TV


Fanampin'izay na ny coran aza dia manaiky fa nisy Jesoa Kristy ary ISSA no iatsoany azy ao

Mpandainga v ny nanoratra ny coran?

Matoa tsy nisy nitsipaka ny fisiany ny fivavahana hafa dia nisy tanteraka izy.

Manambara aminao aho fa Andriamanitra velona sy mahery Izy ary efa niainako arymbola iainako izany haben'ny fahasoavany izany

Izaho koa dia mamerina betsaka eto fa mijoro ho vavolombelona ny fisiany aho.Tato amiko izy,ato amiko izy ary tsy andaho ahy mihitsy izy satria fantatro ny fisiany ary fantany ny fitiavako azy.Ka izany no hitoriko ny filazan-tsarany tamin'izay kely nomeny ahy sy omeny ahy ary mbola omeny ahy.
Andramo ka zahao fa tsara izy.
Izay mitady azy no ahita ary efa eto amintsika mandrakariva izy fa isika no andrasany hitady azy.



33. tsimiandravola ( 10/02/2007 23:12)
1/ hitako t@ trano-kala na vohikalanao fa tsy ianao no nandeha nanao fikarohana fa nionona t@ zavatra efa vitan'ny maro ianao

Nataoko mihitsy ny tsy hamaly ny olona sous "X",kanefa ity indray mitoraka ity dia tena hafakely.

-Ny fikarohana dia tsy misy nanao ny azy de A à Z fa tsy maintsy miankina amin'ny efa hitan'ny olona,ihany koa!

-Na ianao io aza dia toy izany koa,ary tsy misy nahay tany ankibon-dreniny ,ary tsy nisy namorona ny zavatra ilainy rehetra amin'ny fiainana an-davan'andro fa tsy maintsy mampiasa ny efa noforonin'ny olona sy ny hain'ny olona koa.

-Ka ny ahy dia efa notsoriko tamin'ny voalohany mihitsy ny toe-javatra:Tamin'izaho nino,tamin'ny andro nampahalalana ahy ny filazan-tsara,dia nino aho ary tsy izaho no namorona an'izany fa ny efa hain'ny olona no ninoako.Rehefa tonga ny fahazavantsaina dia tsapako fa marina ny lazain'ny sasany ary diso ny voalazan'ny hafa.Ary eo no zava-dehibe fa tsy ny hoe izaho no nanao ny fikarohana na tsy izaho.

-Sa raha izaho no nanao ny fikarohana dia crédible,fa raha ny hafa dia tsy azo inoana?Aiza re izany raisonnement izany e!

-Sady raha efa ampy ny mandika sy mahazo ary manaiky araka ny "raison" an'izay efa vitan'ny olona,tsy fandanian'andro ve ny mbola hikaroka indray an'izay efa raisim-potsiny???

-Hitako amin'izao fa tsy misy mihitsy araka ny fihantsiako tery ambony na ny iray aza taminareo sahy nitondra porofo mazava tsy azo idovirana ny tamin'ny fisian'i Jesoa ara-tantara (dia ilay jesoa araka ny voalazan'ny Testamenta vaovao azy io).

Ao ny mamadika ny resaka hoe :porofoy aloha fa nisy ny dadaben'i Cutie;ao ny manao hoe nataon'ny olona ho reference mihitsy ny taona nahatongavany teto an-tany;ao indray ny mamadika ny fisiany ara-tantara ho fisiany ao am-pony, etc etc...

Ny zavatra tiako ho marihana fotsiny dia tsotra: tsy mino aho fa ho sahy mandalina tena mandalina ny momba ny arguments mikasika ny tsy nisian'i Jesoa ny mpino.Tsy sahy manao izany izy ireny satria raha sanatria tsapany fa marina tokoa fa TSY NISY i Jesoa dia ho fahabangana be tsy hita nonoa no hiseho eo anoloany.Misy aza mahavatra mihitsy miteny fa na tsy nisy aza i Jesoa dia nasiana ihany....

Ny vohikala kely nataoko io dia efa nisy nilaza fa satanika ary nilaza tamin'ny vadiko mihitsy ilay ranamana fa tokony ho teneniny aho mba hanafoana an'ilay vohikala.

Raha atao bango tokana dia izao: Tsy nisy i Jesoa fa samia manana courage mba handalina ny arguments mikasika an'izany fa aza kanosa ê.

Ka ny porofo tsy tokana ra-Fijo â:tsy hoe aiza ilay porofo,fa hoe aiza ireo porofo?

Ka raha ataoko eto daholo anie ny porofo fantatro dia hataon'ny sasany hoe: "aaaan!Ny anay izay nokarohanay ihany no ekenay fa tsy izay nokarohan'ny hafa ka!"

Ka aleoko ihany ianareo aloha no ampirisihina hikaroka ny porofo!

Misaotra!Dia mahereza ô!
34. niryna ( 11/02/2007 07:31)
Koa aiza ny porofo ilazanao fa tsy nisy izy,mbola tsy novalianao ny teniko
35. eritra ( 11/02/2007 07:59)
Tsy azoko ny tianao hambara ry tsimiandravola
Tsy porofo v reo nomeko teo ambony ?
"Aza manamafy ny fonao" , enao ihany no nilaza fihantsiana kay no ataonao.
Mandiniha
36. menafotsy ( 11/02/2007 18:37)
niryna:

Koa aiza ny porofo ilazanao fa tsy nisy izy,mbola tsy novalianao ny teniko

Raha ny fahalalako azy hatramin'izay dia efa nalefan'i tsimiandravola ny rohy mikasika an'io koah.
http://www.geocities.com/tsinisijesoa/tsinisijesoa.html


37. tsimiandravola ( 11/02/2007 22:29)
menafotsy:

niryna:

Koa aiza ny porofo ilazanao fa tsy nisy izy,mbola tsy novalianao ny teniko

Raha ny fahalalako azy hatramin'izay dia efa nalefan'i tsimiandravola ny rohy mikasika an'io koah.
http://www.geocities.com/tsinisijesoa/tsinisijesoa.html




Misaotra anao Menafotsy,Hay misy olona mba afaka mahavita mandinika ihany eto amin'ny serasera :D


38. Fiffi ( 11/02/2007 22:36)
tsimiandravola:
Misaotra anao Menafotsy,Hay misy olona mba afaka mahavita mandinika ihany eto amin'ny serasera :D
fa ahoana kosa ? fa inona fotsiny zany no hatao eto raha tsy mandinika ? De afaka mamaly ve raha tsy avy nandinika ?


39. xxx ( 12/02/2007 12:31)
fahalalahana nomena ny fampiasana "xxx" eto : malalaka ny safidy ho an'ny manoratra sy mamaly

ka inona no antony hametrahan'i tsimiandravola ilay remarque hoe "tsy nanao fikarohana aho fa ..." , tsy misy antony hitenenanao an'io raha toa azonao antoka ilay source.

Tsy te handray responsabilité ianao izany raha misy oaiaoaia ?

ohatran'ilay hoe parking public eto fa tsy tompon'andraikitra izahay raha very eto ny fiaranareo

Marihiko fa tsy @ maha mpino an'i Jesoa ahy na tsia no namaliako , personnel be iny, fa ny ara-tantara no lazaiko

40. xxx ( 12/02/2007 12:55)
Eto dia tsimandrava ihany no menafotsy no sady nanao xxx tsy nitonona anarana o^oo^oo^oo^o
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1946