mpiandry hono lery

1. mim ( 31/01/2007 09:56)
misy bandy zay nahazaka sipakely milay be zay d niaraka ry zareo efa 7 volana zay .
Taty aoriana d mihasarotiny lery , tsy mahazo saropiaro le sipa nefa lery mikaoty am-pabehimaso tsy tahotra tsy henatra.
Mpiandry hono lery , mpanala devoly zany ho any zay tsy mahafantatra. Le sipa tsy mahazo miteny GTM , tsy mahazo miteny any lery malala fa hoe manimba le fitiavana hono zany .
3 zao ny sipa zakany lery , d nandefasany mailaka fotsiny le sipa kely hoe aleo misaraka fa tsy tafa tsony , azony lery daholo zay tiany , mangataka foana no hataony na entana zany na zavatra hafa. Nangataka zavatra indray lery d tsy nahazo de zao nadabony zao le sipa.
Mpiandry hono lery nefa ny azy aza tsy vitany ny fanalana azy !
tandremo hiany ry zavavy amy zany a ! mijaly le sipa , ranomaso lava zao , mitady hanao adalana mintsy ! aiza ialahy amy zany kozy zany lery a !
répondu par Fiffi le 10/02/2007 07:36
2. diamondra27 ( 31/01/2007 10:16)
raha tena mpiandry aloha izy de tokony tsy hanao io fihetsika io.

Misaotra anao mandefa hafatra eto sy mampitandrina anay vhv.

Mbola ho avy ny anjarany refa sendra ny mahay azy.
Atao ahoana fa mbola be ny sipa tsy manana expérience, naïves.

Ataoko mamay zany raha sendra ahy.
3. xxx ( 31/01/2007 10:20)
Tena mbola ho sendra ny patsa iray tsy ho omby vava izy indray andro any fa handraso fotsiny!
Rehefa tratra dia tondé:-@:-@:-@
4. diamondra27 ( 31/01/2007 10:21)
zany we: anariko mafy izy mba tsy hanao le toetra ratsiny sady manao fitaovana an'Andriamanitra , maniratsira.:evil::evil:

Rehefa te-hanao ny sitrapo tsy tokony ampidirina mihintsy Atra
Vao maika manakana ny olona tsy hanompo an'Atra le izy.

Tsy hitako ze mahampiandry an'izany.Miandry olona faible ngah we.
5. xxx ( 31/01/2007 11:11)
Tena mety ho ireny mpiandry mampiesona ireny angamba izany!
Efa lazaina foana ny hoe"miambena" nefa mbola misy ihany ny miambina sipa fa tsy miandry ny ondry akory!
Izy no hohadinina @ izany.:twisted::twisted:
6. diamondra27 ( 31/01/2007 11:36)
xxx: zany ange wa , sady mpandainga no mi-abuser sipa, no maniratsira

Mbola tsy fantany ANGAMBA le we : aza tia izao tontolo izao na izay zavatra @izao tontolo izao...(aiza moa dia hoe: tsy tia fa ny azy efa tafahoatra loatra)

Ny zavatra azo @ tsy fahamarinana de tsy maharitra.

mim mba anaro ihany lery e!
7. xxx ( 31/01/2007 11:47)
"homboy" hoy ilay namana iray izay eto!
8. booboo ( 31/01/2007 12:23)
eka ouz !
9. xxx ( 31/01/2007 13:50)
tsy anjarantsika yn mitsara azy , fa aza hombohana zany izy , fa tsy ho tonga saina eny iany ve rehefa sendra ny patsa iray tsy omby vava eh ,
10. patrick2002 ( 31/01/2007 14:10)
Ka hitany teo @ point faible-ny izany le sipa kou!
Tena hitako marina fa ny sipa tena mora sodokanio fivavahana ,fivavahana io ,tsy hoe ilay fivavahana noratsy fa hoentiny olona hanararaotana ny afa ilay izy mampalahelo.
11. xxx ( 31/01/2007 15:18)
Raha mpakany am-Piangonana ianareo dia dinoho ny olona mpiara-miangona aminareo, dia jereo ny fanaony isan'andro.
fiatsarambelatsihy no betsaka.
12. patrick2002 ( 31/01/2007 15:47)
jereo fotsiny fa nisy secte izay tany dago ,nisy pasitera izay (bogosy lery ah)mbola tovolahy fa naripaky lery daholo ny sipa kely miangona ao @ fiangonany ,fa tsy mikatona mihintsy ilay fiangonana ,fa vao maika mahazo kil ary sipa manja kely ,zanak'olona manakatao daholo no miangona ao.
Asa na fantatrao fa mitory teny ao @ tv ravinala isa-maraina ilay pasitera, fa tsy haiko izao na ahoana satria izaho efa ela niala tany dago.
13. diamondra27 ( 31/01/2007 17:57)
Ito no fihanianana ho mpiandry

FANEKENA ATAON'NY OLONA ATOKANA HO MPIANDRY

Eto anatrehan'Andriamanitra Ray Zanaka ary Fanahy Masina, ary eto anatrehan'ny Fiangonana vavolombelona dia :

- Manaiky marina aho fa hanatanteraka ny asan'ny Mpiandry araka ny antso sy ny fepetra efa nekeko ary ny fampianarana efa nampahafantarina ahy.

- Ekeko ny hanatanteraka ny asa rehetra araka ny fandaminan'ny FJKM, ka hijoro ho vavolombelon'i Jesoa Kristy amin'ny teny sy ny asa, amin'ny fomba amam-panao rehetra, ka hifady ny zavatra rehetra mifanohitra amin'ny maha Mpiandry ahy.

- Ekeko ny hihazona ho an'ny tenako samirery izay zavatra ambaran'ny olona amiko ary hitandrina ny ankohonako mba hiaina amin'ny Filazantsara.


- Ny herin'Andriamanitra no angatahiko hanampy ahy hahatanterahako izany. Amen.


donc tokony ho fantatry ny andriambavilanitra izany
14. patrick2002 ( 31/01/2007 18:27)
ka ny fahafantarany anio mihintsy no nampiroboka ny andriambavilanitra kou !
15. sitlo ( 01/02/2007 01:03)
mampalahelo izany
16. sitlo ( 01/02/2007 01:08)
Fa saingy mila pozitivena foana ny fijery.
Ohatra hoe: aleo lenan'ny ranomaso ny mosoara toy izay voan'ny sery. Iny mantsy mora sasana.
Na hoe: soa ihany fa izao dia efa fantatra ny toetrany toa izay any aoriana any. Mba ahafahana miaraka amin'ny olo-tsotra toa an'i (doka tena kely) dieny mbola tanora.
17. mim ( 01/02/2007 10:06)
mampalahelo tokoa lesy le kozy ry sitlo a ! le bandy aloha tena mba faikany mihintsy e ! mpiandry hono lery de mahavita anizao kozy mahatsiravina zao ! Ilai sipa aloha tena nararaotiny lery e ! tsy nahazo ny nangatahany lery d iny niova iny ! zao d nadabony tanteraka le sipa ! aiza ialahy zao leity a ! d ahoana ny fahitany ialahy ny fijaliany io sipa io zao ? mahaiza aloha manala ny devolin'ialahy fa tsy lasa e ! d aza ny asan'Atra leity no hanaovan'ialahy ratsy tahaka zao a !
18. Zina ( 01/02/2007 19:45)
fa inn aloha ty mpiandry e?
19. mim ( 02/02/2007 09:37)
itsy ambony nazavainy ra diamondra27 io le mpiandry e
fa mazana lery a ! voavakin'ialahy doly ve aloha ny voalaza rehetra eto e ? d ahoana ny hevitr'ialahy @ zao ?
20. sitlo ( 03/02/2007 02:21)
kalma mim ah, kalma fotsiny

Tsy kely lalana ny ratsy.
Soa lavo hahay hamindra. Amin'ny sisa aza dia matoky olona be intsony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0456