Voavidin'ny vola ny zavatra rehetra afatsy ny ....

1. niryna ( 23/01/2007 16:16)
Ny fandriana fa tsy ny fiadanana.Bed but not rest.
Ny trano fa tsy ny fodiana .A house but not a home.
Ny fanafody fa tsy ny fahasalamana.Medicine but not health.
Ny fahafinaretana fa tsy ny hafaliana.Amusement but no happiness.
Torolalana fa tsy ny fahendrena.Information but not wisdom.
Ny famantaranandro fa tsy ny fotoana.A clock but not time.
Ny arena ety an-tany fa tsy ny arena any an-danitra.Treasures on EARTH but not treasures in HEAVEN.
Aingintraingitra mandalo fa tsy ny fiainana mandrakizay.Temporary luxuries but not Eternal LIFE.
répondu par niryna le 29/01/2007 05:32
2. miarina ( 23/01/2007 16:30)
ary nirina ve azo vidina sa jerena fotsiny
3. xxx ( 23/01/2007 16:46)
Misy azo vidina fa tsy azo entina mody moa o :wink::lol:
4. xxx ( 23/01/2007 16:50)
inn ny olana? Eo ny fanontaniana ary inn ilay olana?
5. maditra ( 23/01/2007 18:40)
Ny fandriana fa tsy ny fiadanana.Bed but not rest.
Ny trano fa tsy ny fodiana .A house but not a home.
Ny fanafody fa tsy ny fahasalamana.Medicine but not health.
Ny fahafinaretana fa tsy ny hafaliana.Amusement but no happiness.
Torolalana fa tsy ny fahendrena.Information but not wisdom.
Ny famantaranandro fa tsy ny fotoana.A clock but not time.
Ny arena ety an-tany fa tsy ny arena any an-danitra.Treasures on EARTH but not treasures in HEAVEN.
Aingintraingitra mandalo fa tsy ny fiainana mandrakizay.Temporary luxuries but not Eternal LIFE.


Sady ny vola koa no lohan'ny fahoriana sy ny olana rehetra eto an-tany. Amin'ny maha-namako anareo rehetra eto amin'ny serasera namana, tsy ankanavaka, dia tsy maninona fa raisiko ny fijalianareo, ny vola izany, atolory ahy fa horaisiko antsitra-po, dia izaho no hiijaly ho anareo!
Amen
:-D
6. cutie ( 23/01/2007 18:43)
maditra
tena maditra marina:-D
7. booboo ( 23/01/2007 18:51)
8. niryna ( 24/01/2007 07:26)
cutie:

maditra
tena maditra marina:-D



;-);-);-)
9. prime ( 24/01/2007 08:53)
niryna> Sao dia samihafa ny famaritana ilay hoe :

  1. fiadanana
  2. fodiana
  3. fahasalamana
  4. fifaliana
  5. fahendrena
  6. fotoana
  7. ...


...satria tsy vao indray mandeha angamba ianao no nandre ny hoe "time is money" (ohatra)...
10. tywa68 ( 24/01/2007 09:01)
Mazava ho azy fa matoa misy vidiny dia zavatra hita maso !:lol:
11. prime ( 24/01/2007 10:02)
tywa68> ...tsy mitovy hevitra aminao aho satria na ny tsy hita maso aza dia azo vidiana... raha mijery fotsiny ianao eo amin'ny lafiny ara-toe-karena, fa ny "secteur tertiaire" dia tsy hita maso avokoa nefa afaka manome anao an'ilay antsoina hoe "bien-être"...
...ary na eo amin'ny sehatry ny varotra aza dia ny tena mandeha @ izao taona arivo fahatelo izao dia ny "services"... vidiana io satria mitondra "sécurité", mitondra "assurances", mitondra "bien-être"... banky, assurances, tourisme, télécommunciation... ny firoboroboan'ny "services à domicile" rehetra... sns...

Izay no mahatonga ahy manamafy ilay hoe sao dia tokony atao ny famaritana aloha ny fototry ny resaka satria na eto amin'ny finoana sy fivavahana aza isika dia tsy mpino avokoa ny mpandray anjara eto...
12. tywa68 ( 24/01/2007 10:34)
ka ny ahy anie ry prime ny arena any an-danitra (fiainana mandrakizay) no lazaiko hoe tsy vidiambola ary tena marina io (ary tsy hita maso).
Ny services lazainao sns... dia hitanao ny fiantraikany direct @ fiainanao eto an-tany, donc azo tsapaina ihany na tsy hita mivaingana aza ilay izy en tant qu'objet.:wink:
13. prime ( 24/01/2007 11:09)
tywa68:
ka ny ahy anie ry prime ny arena any an-danitra (fiainana mandrakizay) no lazaiko hoe tsy vidiambola ary tena marina io (ary tsy hita maso).
... mitovy hevitra tanteraka no sady marina rahateo izany...

ianao:
Ny services lazainao sns... dia hitanao ny fiantraikany direct @ fiainanao eto an-tany, donc azo tsapaina ihany na tsy hita mivaingana aza ilay izy en tant qu'objet.
... tsy azonao izany ny fototra iorenan'ny hoe "bien-être" raha izany... tsy azo tsapaina izany fa ao anaty... fa ny azo ambara angaha dia hoe "mandalo", "vetivety ihany" fa tsy maharitra mandrakizay toy ilay avy amin'Andriamanitra tsy voavidy vola na harena...
14. tywa68 ( 24/01/2007 11:24)
azavao ary ê :lol:
15. prime ( 24/01/2007 12:10)
Miala tsiny aho fa sao lasa "théorie économique" be eto ny resaka fa izao no mahalaza azy tsotra : ny fahafaham-po dia tena anaty lalina ary tsy hain'ny saina takarina ny fiadanana azo avy amin'izany nefa misy fepetra maro vao tonga amin'izany... ny fifaninana madio sy mangarahara eo amin'ny fihariana, ny fifanojoan'ny fahafaham-pon'ny olona iray amin'ny fahafaham-pon'ny besinimaro ary ny fivelaran'ny fahafahan'ny tsirairay tsy misy fanomezan-tanana avy amin'ny fahefàna manan-kery hihary ny tsara sy ny mahasoa ary ny mahafinaritra...
http://fr.wikipedia.org/wiki/Th%C3%A9or%C3%A8me_du_bien-%C3%AAtre

Mitady hivaona aho fa aleo aloha hijanona eo fa ny tiako ahatongavana dia tsotra, rehefa manolo-kevitra toy itony dia tsara faritana mialoha ny "domaine de définition" hoy ny mahalala azy, fa ny olona miresaka eto tsy mpino an'i Kristy avokoa ka noho izany toy ny miresaka foana ihany... ny resaka fiadanana, fifaliana... dia samy hevitra vaventy manana ny mahaizy azy tsirairay avokoa fa tsy azo raisina ara-tsoratra masina fotsiny ihany...

Ka raha ny fomba fijery kristiana no tian'i niryna ahatongavana dia tsaratsara tonga dia omena ny tenin'Andriamanitra mamaritra azy raha tsy izany dia mivelatra amin'ny lafiny rehetra ny lohahevitra...
16. tywa68 ( 24/01/2007 13:42)
Prime : Ilay sujet anie efa ato @ Fivavahana sy Finoana no napetrak'i niryna, dia zay no antony namaliako an'ireo voalaza etsy ambony rehetra iretsy ê !
Ary tena lasa hors sujet enao raha hanitatra sy hivoaka an'io domaine io ! :wink:
17. niryna ( 24/01/2007 17:45)
miarina:

ary nirina ve azo vidina sa jerena fotsiny

tsy voavidy vola aho fa ny ran'i Jesosy no namidiny tamiko nasolon'ny eloko.Kanefa dia tsy ho voavidiko na rahoviana na rahoviana

18. majesty ( 25/01/2007 06:04)
Misy ny tsy voavidy vola fa azo maimaim-poana,ohatra ny masoandro,ny rivotra.
Dia misy koa ny tsy voavidy vola tena tsy voavidy vola raha amiko ohatra hoe maison blanche na reny concorde reny
19. prime ( 25/01/2007 10:35)
tywa68> Ekena ary e... sao mivaona eo tokoa ny resaka...

Fa raha tohizako ny hevitra voalazako dia amiko azo vidiana vola ny sasany amin'ireo notanisain'i niryna ireo... fa saingy tsy maharitra angaha, nefa tsy hoe maharitra sa tsy maharitra moa ny lohahevitra fa hoe "tsy voavidy vola ny..."
20. majesty ( 26/01/2007 05:26)
:D:D:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2464