Inona marina no tena atao hoe kristiana aminao
1. niryna
(
12/01/2007 20:07)
Raha atao hoe izay olona manaraka an'i kristy ka manaraka ny teniny ahoana no ......
Inona no hinoantsika ary maninona isika no mino?
Raha miteny izy hoe izaho ao aminy izy ao amiko,ka raha tsy mino ilay olona fa telo izay iray,moa ve izy azo lazaina hoe kristiana ihany koa.Raha miteny izy hoe mankanesa ianareo aty amiko izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no hanome anareo fitsaharana.Raha tsy mankany ilay olona miankohoka amin'ny sampy sy ny sarivato moa ve kristiana izany.Izaho irery ihany no hiankohonanao hoy izy.Aiza izany no tena fipetraky ny maha-kristianina ny kristianina satria toa izay noteneniny toa tsy nisy nanantanteraka daholo ? kanefa dia samy midradradradra ho kristiana daholo.Averiko indray fa tsy maintsy misy olona hiteny eo hoe aza mitsara mba tsy hitsaraina,raha ny andinin'ny baiboly no hitondrako azy dia angamba tsy hitsara aho.
Inona tokoa izany no tena atao hoe kristianina aminao

répondu par prime le 01/02/2007 08:26
3. Fiffi
(
13/01/2007 08:02)
Inona no hinoantsika ary maninona isika no mino?tondé valio aloha ny fanontaniana napetrakao...
Aiza izany no tena fipetraky ny maha-kristianina ny kristianina satria toa izay noteneniny toa tsy nisy nanantanteraka daholo ?raha ianao no tsy nanantanteraka ny zavatra nolazain'Jesoa , aza hatao hoe "TOA TSY NISY NANANTANTERAKA DAHOLO"
kanefa dia samy midradradradra ho kristiana daholomanafitohana indraindray ny zavatra lazainao....
raha ny andinin'ny baiboly no hitondrako azy dia angamba tsy hitsara aho.nefa de nataonao zany !!!
6. Zina
(
14/01/2007 00:29)
Isika olombelona dia teraka tao @ fahotana, ny baiboly dia mampirisika antsika mba tsy hanadino an'Andriamanitra ary mangataka antsika mba hanaraka an'i Jesosy... Amiko dia ilay oe TENA Kristiana dia tsy misy - fa MIHEZAKA isan'andro isa minitra isa-tsagondra isika ny hanakaiky an'i Jesosy, ny hanaiky azy ao ho ao am-potsika mba tsy hidiran'ny satana izay mampirebireby antsika @ fiainana ankehitriny amin;ny alalan'ny famakiana ny baiboly miaraka aminy fivavahana...ny Manaradia an;i Kristy dia mila finiavana betsaka mihitsy...
7. xxx
(
14/01/2007 20:04)
Inona marina no tena atao hoe kristiana aminao
Raha ilay famaritana mahazatra hoe mino sy manaraka an'i Kristy dia efa hain'ny be sy ny maro. Ny eo amin'ny fiainana kosa no misy tsy hitovizany. Hevitra maromaro ary rehefa miditra amin'ny tena fiainana isika.
Ny Kristianina:
- Tsy izay manompo Baiboly fa izay manompo an'i Kristy.
- Tsy izay miresaka an'i Kristy fa izay miresaka amin'i Kristy.
- Tsy izay mandefa ny namany amin'ny ratsy, fa izay mitarika azy ho amin'i Kristy.
- Tsy fanatiques (olona manana capacité d'écoute negative ka mihevitra izay tsy mitovy hevitra na fombafomba aminy ho misy devoly na mpanompo sampy) fa passionnés (manana capacité d'ecoute ambony be, afaka misokatra amin'ny maro nefa mihazona mafy ny finoany)
- Tsy izay be hetsi-po mitomany na mandindihy @ toriteny, fa izay be heri-po mitondra sy manaraka an'i Kristy eo amin'ny fiainana.
- Tsy izay natao batisa tamin'ny ranon'ny piscine, fa izay natao batisa tamin'ny Fanahy Masina.
- sns
Kristianina ve aho ? Kristianina ve ianao ?
8. Zina
(
14/01/2007 20:11)
Tena mbola sarotra be @ olombelona mihitsy ny atao oe Kristiana raha io lazain'i xxx io....
9. xxx
(
15/01/2007 06:14)
Raha noheverinao fa mora ny fanarahana an'i Kristy dia mametraha :?: amin'ny tenanao sao efa ela no diso lalana.
Mora kokoa ny manaraka an'i Kristy rehefa passionné fa tsy fanatique. Amin'ny ankapobeny ireo noteneniko ireo dia vokatry ny fanaticism daholo. Ny olona fanatique mantsy mihevitra ny tenany ho tapitr'ohatra amin'ny fahalalana an'i Kristy. Eo izy nefa dia efa manohitra an'i Kristy. Vokany:
- lasa miresaka an'i Kristy sisa no ataony (jereo ao amin'ny pejy izao ao amin'ny Baiboly) fa tsy miresaka amin'i Kristy intsony (Mitenena Ianao Andriamanitra fa mihaino ity mpanomponao).
- lasa tsy mahita ny diso eny amin'ny tena intsony fa miresaka lava ny hafa sisa. Io no mahatonga ilay hoe rehefa tsy aty aminay no mivavaka dia tsy voavonjy. Mpihatsaravelatsihy ny betsaka amin'ny mpilaza fa i Kristy fa tsy Fiangonana.
- tsy miaina ary tsy mandalina intsony ny finoana fa manao tsianjery andalana sisa, ary manana préjugé be dia be amin'ny resaka ivelan'izay hay tsianjery.

10. xxx
(
15/01/2007 16:18)
:-D:-D ka raha ohatra zany i xxx omena ny tenin'ni Kristy ao anaty baiboly de tsy hinoanao ve!? sa hoe lasa fanatika ianao raha manaraka ilay teny , na izany toetsainao zany aza efa voasoratra ao anaty baiboly
11. xxx
(
15/01/2007 16:29)
Raha novakianao tsara dia misy hoe "sisa" daholo ny zavatra lazaina eo ambony. Io ataonao io izao fanaticism, tsy mamaky (rehefa miresaka mivantana dia tsy mihaino) fa maika miteny fotsiny. Io ilay capacite d'ecoute negative :)
12. cutie
(
15/01/2007 22:12)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 15-01-2007 07:14:22
Lohateny : Re : Inona marina no tena atao hoe kristiana aminao
Raha noheverinao fa mora ny fanarahana an'i Kristy dia mametraha amin'ny tenanao sao efa ela no diso lalana.
Mora kokoa ny manaraka an'i Kristy rehefa passionné fa tsy fanatique. Amin'ny ankapobeny ireo noteneniko ireo dia vokatry ny fanaticism daholo. Ny olona fanatique mantsy mihevitra ny tenany ho tapitr'ohatra amin'ny fahalalana an'i Kristy. Eo izy nefa dia efa manohitra an'i Kristy. Vokany:
- lasa miresaka an'i Kristy sisa no ataony (jereo ao amin'ny pejy izao ao amin'ny Baiboly) fa tsy miresaka amin'i Kristy intsony (Mitenena Ianao Andriamanitra fa mihaino ity mpanomponao).
- lasa tsy mahita ny diso eny amin'ny tena intsony fa miresaka lava ny hafa sisa. Io no mahatonga ilay hoe rehefa tsy aty aminay no mivavaka dia tsy voavonjy. Mpihatsaravelatsihy ny betsaka amin'ny mpilaza fa i Kristy fa tsy Fiangonana.
- tsy miaina ary tsy mandalina intsony ny finoana fa manao tsianjery andalana sisa, ary manana préjugé be dia be amin'ny resaka ivelan'izay hay tsianjery.
miobon-kevitra:lol:
13. Fiffi
(
17/01/2007 08:05)
xxx:tsara fipetraka ny fanontanianao ry xxx ka aleo angamba hisaina sy hi-heritreritra lalina alohan'ny hamaliana ny voalazanao......
Ny Kristianina:
- Tsy izay manompo Baiboly fa izay manompo an'i Kristy.
- Tsy izay miresaka an'i Kristy fa izay miresaka amin'i Kristy.
- Tsy izay mandefa ny namany amin'ny ratsy, fa izay mitarika azy ho amin'i Kristy.
- Tsy fanatiques (olona manana capacité d'écoute negative ka mihevitra izay tsy mitovy hevitra na fombafomba aminy ho misy devoly na mpanompo sampy) fa passionnés (manana capacité d'ecoute ambony be, afaka misokatra amin'ny maro nefa mihazona mafy ny finoany)
- Tsy izay be hetsi-po mitomany na mandindihy @ toriteny, fa izay be heri-po mitondra sy manaraka an'i Kristy eo amin'ny fiainana.
- Tsy izay natao batisa tamin'ny ranon'ny piscine, fa izay natao batisa tamin'ny Fanahy Masina.
- sns
Kristianina ve aho ? Kristianina ve ianao ?
14. methode
(
18/01/2007 12:14)
Toa ady hevitra momba ny finoana izy ity fa tsy dia misy vavolombelona loatra! Aleo angamba hafindra any amin'ny finoana sy fivavahana!
15. prime
(
18/01/2007 13:03)
methode> :-D:-D... diso adiresy angamba enao ô?...
niryna:... = Ny olona voavonjy na ireo antsoina koa hoe olona masina rehetra amin'ny anaran'i Jesosy Kristy...
Inona marina no tena atao hoe kristiana aminao
17. xxx
(
19/01/2007 18:22)
Ny atao hoe Kristiane dia tsotra , manana lakroa hiambozonana eny @ tenda , manao marika lakroa refa misy sarin'i Maria hita na aiza na aiza de izay tsotra kely
18. xxx
(
19/01/2007 18:30)
Ny atao hoe Kristianina dia tsotra, mimenomenona etsy sy eroa amin'ny ataon'ny hafa fa tsy mijery izay ataon'ny tena, ary tsy mihaino na mamaky izay tenenin'ny hafa efa satria efa masina be ny tena ary tsy mety diso, moa ny hafa misy devoly daholo. de izay tsotra kely :-D:-D:-D
Hatrizay tsy nanao xxx za kle :-P:-D
Hatrizay tsy nanao xxx za kle :-P:-D