Ny sakrameta,moa ve zatra mandray fotsiny sa dia....

1. niryna ( 03/01/2007 18:19)
Anisany zavatra iray lehibe eo amin\'ny mpino ny fandraisana ny sakrameta na kominio.Misy fahazarana fotsiny ary dia mandray fe mandray fotsiny.Ny teny anefa milaza fa alohany andraisana azy io dia mangataka famelana na mamela izay olona manana alahelo antsika isika.Ny tsy fanaovana izany dia mety hiteraka tsy fahasitranana eo amin\'ny aretina, na ozona na fahafantesana mihitsy.Ahoana ny fihetsem-ponao,tena nandinin-tena tokoa ve ianao vao nandray an\'io sa dia manao ny olona dia mba manao:?:
répondu par cutie le 29/01/2007 13:38
2. Fiffi ( 03/01/2007 18:57)
Misy fahazarana fotsiny ary dia mandray fe mandray fotsiny.
:roll: heu...raha tsy inona kosa de hanao an'zany ? Misy aza ny olona raha naka décision hoe handray ny alahady de tsy misakafo mihintsy iny maraina iny....
Ny teny anefa milaza fa alohany andraisana azy io dia mangataka famelana na mamela izay olona manana alahelo antsika isika
enao nga tsy manao an'zany ?
Ny tsy fanaovana izany dia mety hiteraka tsy fahasitranana eo amin'ny aretina, na ozona na fahafantesana mihitsy
:-w:-w:-w
tena nandinin-tena tokoa ve ianao vao nandray an'io sa dia manao ny olona dia mba manao
hummm.....mino aho fa matoa ny olona vonona handray ny fanasan'ny Tompo de efa nanao zay tokony nataony ry zareo.....fa ny fandraisana ve @ i niryna azo hatao kilalao ? azo hatao hoe andeha zah hanao tahaka an'i ranona ? :roll:
3. xxx ( 03/01/2007 19:39)
Angaha Niryna mandray komonio ? :roll:
4. Fiffi ( 03/01/2007 19:43)
niryna:
tena nandinin-tena tokoa ve ianao vao nandray an\'io sa dia manao ny olona dia mba manao:?:
mahavariana ahy zao zavatra lazainao zao an ! :roll::roll: raha tsy hoe iny ranona fa mihinana mofo de zah koa mba hihinana.....

sa inona no hatao hoe Sakramenta @ niryna ?:roll:


5. ikaretsaka ( 03/01/2007 19:58)
inona aloha no atao hoe sakramenta amin'i NiRyna. Ny eritreritrao momban'izany?
amiko manko "tsy ny fihinanana" fotsiny araka ilay filazanao azy fa fitambarana zavatra betsaka mihitsy

raha mitovy amin'ity http://en.wikipedia.org/wiki/Sacraments_of_the_Catholic_Church dia io ilay anisan'ny fandraisana an'i jesoa ao ampo ankoatran'ny toriteny.

tena nandinin-tena tokoa ve ianao vao nandray an'io sa dia manao ny olona dia mba manao

tena nandinitena de nandinintena mihitsy...
6. degree ( 03/01/2007 20:21)
Voalaza ao @ baiboly ny hoe " na zovy na zovy no hitsara dia izay hitsarnao ny namanao no hitsrana anao satria na ianao aza de manao izany koa "jereo io fa raha tsy hitanao ra - niryna dia anontanio ahy fa omeko anao ny toko sy andininy koa avelao ny hafa @ finoany satria izay mba filozofiany ka Andriamanitra irery no mahafaka mitsara azy amin'ny ataony.:-$
7. xxx ( 03/01/2007 20:26)
Isaorana an'i Niryna ny lohahevitra. Angamba tsy dia ady hevitra ilay izy fa karazana Examination of Conscience ho an'ny tsirairay ary tsy tokony hahaliana ny hafa koa ny valiny ka tsy misy hovaliako ilay fanontaniana. Fanentanana fotsiny no ataoko ho fanampiny.

Amin'ny teny gasy - Katolika : Ny Sakramenta dia famantarana hita maso na ren'ny vatantsika, nataon'i Jesoa Kristy, manambara sy mampahazo ny fahasoavana.
Tsy ny Eucharist ihany no Sakramenta ho an'ny Katolika, fa misy fito. Ny an'ny hafa tsy haiko.

Mandini-tena ve ?

Raha ny fiangonana Katolika manokana dia manentana ny zanany "Hikonfesy" farafaharatsiny indray mandeha isan-taona. Izay Kato mandalo eto dia entanina hanao mihoatra lavitra an'io. Ankoatra ny fanentanana dia tena miasa ny fiangonana. Efa nataon'i Fiffi dinika teto ny fibebahana miaraka izay atao isaky ny misy "Fety" any ampiangonana. Fandinihan-tena lava be ny mialoha ny Konfesy. Tsy ireo ihany, fa amin'ny "Vavaka hariva" koa ohatra, izay manaraka, misy hoe "Samia isika mieritreritra ny ratsy nataontsika androany, na tamin'Andriamanitra na tamin'ny namantsika na tamin'ny tenantsika." Avy eo manao ny Fanenenana.

Fehiny : Izay afaka manano examination of conscience irery dia tsara, ataovy matetika. Izay tsy mahavita irery kosa, dia manolotra fanampiana betsaka ho antsika ny fiangonana ka hararaoty ireny. Raha izaho dia io no tena toroiko hevitra. Efa nolazaina tamin'ny dinika taloha hoe indraindray tsy fantatsika akory hoe fahotana be ny zavatra ataontsika ka mba mila mpamily kely hahafahana tena miaiky ny heloka vita.

Mazotoa hatrany.
8. ikaretsaka ( 03/01/2007 20:43)
Ilay fandinihantena...

Tsy ireo ihany, fa amin'ny "Vavaka hariva" koa ohatra, izay manaraka, misy hoe "Samia isika mieritreritra ny ratsy nataontsika androany, na tamin'Andriamanitra na tamin'ny namantsika na tamin'ny tenantsika." Avy eo manao ny Fanenenana.


Fa hono tokoa hoa?

fa ahoana tokoa ny amin'ny fivavahana sasany (tsy katolika ) tonga de hoe "mamela ny helokay" fotsiny rehefa le manao vavaka iny ilay mpitarika fa tsy misy examen de conscience sy fandinihantena mikasika an'ilay izy?

ny tiako lazaina dia hoe mba atao conscient hoe izao aby ny zavatra tsy nety nataoko androany, dia hezahina manokana ny mba tsy hanaovana an'iny rahampitso (manampo tsy hanao ratsy aminao intsony aho)

Dia misy kao hoe izao aby ny zavatra nety nataoko androany.. dia mivavaka mba hiety tsaratsara kokoa iny rahampitso

fa ny fiangonana sasnay toa betsaka ny tsy manao an'io rehefa ilay mivavaka hariva iny

Ny mba hitako io fa mety diso aho an, fa mba lasalasa fotsiny ny saiko
9. ikaretsaka ( 03/01/2007 23:11)
xxx:
Fehiny : Izay afaka manano examination of conscience irery dia tsara, ataovy matetika. Izay tsy mahavita irery kosa, dia manolotra fanampiana betsaka ho antsika ny fiangonana ka hararaoty ireny. Raha izaho dia io no tena toroiko hevitra. Efa nolazaina tamin'ny dinika taloha hoe indraindray tsy fantatsika akory hoe fahotana be ny zavatra ataontsika ka mba mila mpamily kely hahafahana tena miaiky ny heloka vita.

namaste
10. pitoussy ( 03/01/2007 23:34)
xxx:
Tsy ny Eucharist ihany no Sakramenta ho an'ny Katolika, fa misy fito.


inon kay ny iray fa tsy tadidiko :oops::oops:( sa oe tsy haiko mitsy :-D:-D )

-Batemy
-Eucharistie
-Confirmation
-Mariage
-Réconciliation
-Malades
-?????
11. ikaretsaka ( 03/01/2007 23:41)
-Batemy (fanasana) ,
-Eokaristia (sakafo masina) ,
-Penintence (Fiekena ny fahotana sy fivalozana),
-Confirmation (Fankaherezana sy fandraisana ny fanahy masina)
-Mariazy
-Ordination (fiantsoana hanao ny asan'andriamanitra *manokana)
-Extreme onction (fanosorana ny marary sy fanomezana vatsin-dalana ho azy rehefa mankany @ fianana hafa izy)
12. cutie ( 03/01/2007 23:46)
mba misy fanontanian ty
fa manin ny katolika sasany ( any dago alou no efa hitako)refa mandray, de le le vatan'i kristy ihany no an'ny oul rehetra fa ny mopera ihany no mandray an'le divay?
aty Us manko afaka misotro divay koa ny oul refa mandray an'le kominio io, sa efa niova zao any Dago?
13. ikaretsaka ( 03/01/2007 23:52)
misy manao otran'ny US koa ny fiangonana katolika any dago ka
arakarak'i le fiangonana io
de toute facon tsy ny fisotroana divay anie no important fa ny fandraisana ny tompo ao anaty e
14. cutie ( 03/01/2007 23:53)
hihihihii
ka le divay ange ny ran'i kristy e :lol:
15. pitoussy ( 04/01/2007 00:21)
sotsa Ika fa nazava :-*
Cutie, efa lafo ny divay any dago d tsy maharaka ho an'ny mpiangona retra:-D:-D
16. cutie ( 04/01/2007 00:22)
tss pitoussy :-D
de mambosika fotsiny zany mopera a :-D
17. soanja ( 04/01/2007 01:11)
niryna:

Anisany zavatra iray lehibe eo amin\'ny mpino ny fandraisana ny sakrameta na kominio.Misy fahazarana fotsiny ary dia mandray fe mandray fotsiny.Ny teny anefa milaza fa alohany andraisana azy io dia mangataka famelana na mamela izay olona manana alahelo antsika isika.Ny tsy fanaovana izany dia mety hiteraka tsy fahasitranana eo amin\'ny aretina, na ozona na fahafantesana mihitsy.Ahoana ny fihetsem-ponao,tena nandinin-tena tokoa ve ianao vao nandray an\'io sa dia manao ny olona dia mba manao:?:


Tokony namboarin'i Niryna ity fanontaniana ity hoe: Inona no atao hoe sakramenta masina ary nahoana no zavadehibe amintsika olombelona, mpino io?

Tsy izany mantsy fa mitondra hevitra hafa ny famaliana azy raha tsy tsara petraka le fanontaniana. Amin'izay ny rehetra afaka mahalala tsara momba azy sy izay fiantraikany amintsika.

Izaho dia hijoro vavolombelona.Ny fanazavana efa nomena ary ambony fa tamin'ny nandraisako azy no lazaiko hoe ahoana ny fiasany ho an'ny fanahiko.

Ny Kominio sy Kofirmasio ary ny mariazy no teneniko satria ireo no tena tadidiko.
Niofana nandritra ny taona iray aho nanomana ny fandraisako an'ireo. Ary voamana ara-panahy miankina amin'izay sakramenta raisina ny fanahin'ilay olona. Ny kominio moa izany dia ny fandraisana ny vatan'ny Tompo ao anatintsika. Ny Kofirmasio amiko dia ho miaramilan'i Tompo. Vonona hizaka sy hitondra izany voninahitra sy hatsarana izany ka hanaparitaka izany amin'ny hafa koa.
Ny mariazy moa mazava ho azy fa tsy ahazavaina e. Manatena aho fa nanao aby atsika jiaby eto vao nanambady. Ny hoe voaozona sa tsia dia tsy arako loatra io resaka ray sady toa tsy nampianarina anay saingy rehefa nandray sakramenta dia vonona mandrakizay hitazona izany. Tsarao aho raha diso ho an'izay Katolika.
Koa raha fo faty ho an'i Kristy aho rahampitso dia vonona aho hiady ho azy ary vonona ny ho faty ho azy. Satria ato anatiko Izy ary sarobidy amiko ny fisiany.
Ny fiantraikany aty amiko dia manamafy orina ny finoako an'Andriamanitra ary manampy ahy foana amin'ny fahatsirovana fa nianiana aho fa ho Zanak'Andriamanitra. Rehafa nilaza fa hanao dia manao fa tsy sarisary fotsiny.




18. cutie ( 04/01/2007 01:16)
mitovy @ le fandraisana @ protestant ve io sakramenta ny kominio io :lol:
19. soanja ( 04/01/2007 01:22)
Asa re Cutie fa zah tsy maharaka tsara ny an'i Protestant.
20. cutie ( 04/01/2007 01:31)
ok:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0518