Ireo teny mahasoa NORAISIKO

1. soanja ( 02/01/2007 07:03)
Mirahaba antsika rehetra tratry ny taona vaovao 2007.
Enga anie ka hitondra soa ho antsika rehetra ity taona ity ary Andriamanitra hitantana antsika lalandava.

Ireto misy teny mahasoa nodihiko androany ary entiko ho vatsim-panahy ho anareo koa. Isaorako anie Andriamanitra noho izany.

"Wisdom that is from above is first pure, then peaceable, gentle, willing to yield, full of mercy and good fruits, without partiality and without hypocrisy." James 3:17

Nadika hoe:" Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha ary tia fihavanana,mandefitra,mora alahatra, be famindram-posy be vokatsoa, tsy miahanahana ary tsy mihatsaravelatsihy." Jakoba 3:17


" We fall down and down, until we touch the ground, until we relate with the basic sanity of the earth. We become the lowest of the low, the smallest of the small, a grain of sand, perfectly simple, no expectactions.... If you are a grain of sand, the rest of the universe, all the space, all the room is yours because you obstruct nothing,possess nothing. There is tremendous openness. You are the Emperor of the universe because you are a grain of sand."

Chogyam Trungpa, Rinpoche.

Raha adika tsotsotra dia hoe: "Raha mianjera ianao ka mandrapa-pikasikao ny tany, mandrapa tsapanao ny fifandraisanao amin'ny tany itsahanao. Manjary ambany no ho ny ambany indrindra isika, kely no ho ny kely rehetra, toy ny vongam-pasika iray, faran'izay tsotra ary tsy manantena n'inona n'inona... Raha vongam-pasika iray ianao, dia anao izao tontolo rehetra izao, ny toerana rehetra, ny efitra rehetra satria tsy manimba n'inona n'inona ianao, tsy manana n'inona n'inona. Misy fisokafana malalaka tsy misy ohatr'izany manoloana anao. Ianao no Amperoran'ity tontolo ity satria toy vongam-pasika ianao."

Koa dia mirary antsika rehetra amin'ity vavako ity:

Enga anie ka ho voaaro miaraka isika.
Enga anie ka ho voakarakaraka sy ho tsimbinina miaraka isika.
Enga anie ka hiaramiadsa miaraka isika ao anaty herimpo matanjaka.
Ny fianarantsika hanome fahazavana
Ary tsy hisy fankahalana isika eo anivontsika.
Amim-pitiavana sy fitoniana hatrany. Soanja


répondu par cutie le 05/01/2007 21:13
2. LazaDaddy ( 02/01/2007 07:08)
Tratry ny taona Soanja! Misaotra @ firarian-tsoa dia torak'izay koa :)
3. diamondra27 ( 02/01/2007 07:22)
misaotra dia samy ho tahian'i Tompo daholo e!

4. soanja ( 02/01/2007 07:23)
Mirary soa hatrany hatrany LazaDaddy! :D:-*:-*
5. jentilisa ( 02/01/2007 08:19)
Dia mbola samy hahatratra ny taona ho avy mitsingerina rehetra ihany koa!
6. prime ( 02/01/2007 10:49)
Dia arahabaina samy nahatratra ny taona 2007 avokoa isika rehetra... Andriamanitra anie hamaly fitia ka hitahy ny isam-pianakaviana...
7. Achia ( 02/01/2007 13:09)
Tsatsan'ny taona daholo e! :°) de ampy
8. rakaroka ( 02/01/2007 13:37)
Ny teny firariantsoa alefa ho antsika namana serasera
loharana avy ato am-po sy fanahy dia:
"Que 2007 nous apporte: Gloire et Bonté!...
Que tous nos éspoirs deviennent réalités...
Bonne Année
Bonne Santé
Amour et prospérité
Avec PAIX!..."
(l)Am-pitiavana sy am-pirahalahiana tokoa!
(l)
:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*

Rakaroka
9. cutie ( 02/01/2007 14:23)
tsika rehetra :lol:
10. Rasiligaoma ( 02/01/2007 15:05)
tratry ny taona o
11. Fiffi ( 02/01/2007 17:42)
de samy ho tahian'Andriamanitra daholo isika....
12. Zina ( 02/01/2007 18:14)
Ny fanahin'Andriamanitra anie hiasa sy hanampy antsika rehetra mba hanoro antsika fahamarinana @ ity taona vao2 2007 ity:lol:
13. dailynews ( 02/01/2007 21:09)
Zina:

Ny fanahin'Andriamanitra anie hiasa sy hanampy antsika rehetra mba hanoro antsika fahamarinana @ ity taona vao2 2007 ity:lol:

zay mihitsy

14. Zina ( 02/01/2007 21:32)
:wink:
15. LazaDaddy ( 02/01/2007 23:22)
soanja> mahafinaritra e! Ny ahy indray somary hafa kely satria ny Teny tsapako fa nahasoa ahy indrindra dia ny tantaran'i Jonah. Hafa kely satria mifanohitra be @ "seeker sensitive" dradrain'ny "purpose driven lies" sy ny "fake growth" ankehitriny.

- tsy niteny mihitsy i Jonah hoe: "tia anao Andriamanitra", na "Andriamanitra dia fitiavana"
- firenena fahavalo no nandehanany sy nitondrany ny hafatr'Andriamanitra
- kanefa nibebaka ihany ny tananan'i Niniveh

Ny nahasoa ahy t@ io tantara io dia hoe, rehefa Andriamanitra no avela hiasa fa tsy fihevitr'olombelona miseho ho hendry sy "politically correct" dia mahomby mandrakariva. Nahasoa ahy io hanetry tena, "pleasing God and not people".
16. ikaretsaka ( 03/01/2007 00:33)
lazadaddy> fanamarihana kely ny momba an'i Jonasa
ny azy dia ny hiteny an'izay mihitsy no hafatr'andriamanitra taminy sy nandefasany azy
satria tsy nety intsony ilay hoe "tia anao andriamanitra" ...

io ilay hoe arakaraky ny circumstances
17. LazaDaddy ( 03/01/2007 00:40)
ikaretsaka:
satria tsy nety intsony ilay hoe "tia anao andriamanitra" ...
misy an'izany ve ao @ tantaran'i Jonah ao @ Baiboly sa mba eritreritra noforoninao fotsiny io?
18. ikaretsaka ( 03/01/2007 00:46)
nisy... efa tsy 'avotra" intsony i ninivah raha tsy tamin'io fomba io.
ary i sodoma kosa na natao an'io aza dia tsy avotra tsony
19. LazaDaddy ( 03/01/2007 00:53)

ikaretsaka:

satria tsy nety intsony ilay hoe "tia anao andriamanitra" ...

LazaDaddy:
misy an'izany ve ao @ tantaran'i Jonah ao @ Baiboly sa mba eritreritra noforoninao fotsiny io?

ikaretsaka:
nisy... efa tsy 'avotra" intsony i ninivah raha tsy tamin'io fomba io.

ikaretsaka> ka aiza ho aiza ao @ tantaran'i Jaonah ao @ Baiboly izany? Sao dia mba tsy mitovy ny Baibolintsika mirahalahy?:wink:
20. ikaretsaka ( 03/01/2007 01:04)
efa ela mao ny baibolintsika no tsy mitovy ko....
-ny ahy baiboly katolika.. ny anao protestanta
-ny ahi raisiko as a whole sy context an'ilay story sy ny morality azo tsoahina , ny anao tsimponina isan'andalana..8):wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.402