NOELY 2006 feno hipoka ny fiangonana...NEFA......

1. DONGAKA ( 25/12/2006 12:47)
Raha ny fahitàna @ ankapobeny ny noely 2006 aloha dia feno olona ny fiangonana rehetra ,raha ny teto ANTANANARIVO renivohitra no jerena .Na dia teo koa aza ny cyclone sy ny andro ratsy .....Ny zavatra hita sy tsapa anefa dia maro ireo mpiangona occasionnel izany hoe andavan'andro tsy hita ...fa NOELY ihany no ahitàna azy ireo..
Fa ny fanontaniana mipetraka indrindra ho an'ireo izay NOELY vao mahatsiaro mpiditra ampiangonana dia hoe ao anatin'ny 365 jours ve dia in1 andro ihany ve vao hita ? indray andro vao mahalàla an'ANDRIAMANITRA...
TSY HITSARA AHO MBA HO TSARAINA ! fa mahavariana ihany ilay toe-javatra...

Raha toa ka diso dia ny teniko ariana fa tsy ny tenako hoy ilay mpanakanto malàza izay....
répondu par niryna le 06/01/2007 03:10
2. pissoa ( 25/12/2006 12:50)
Misy ny olona mahatsiaro ihany, fa mieritreritra hoe "Izy sy Andriamanitra ihany io", na hoe "Ny ao anatiny no mikaonty fa tsy ny fandehanany any am-piangonana", ... Fa hisaorana an'Andriamanitra rehefa feno ny fiangonana :)
3. rakaroka ( 25/12/2006 13:26)
Aty aminay indray dia mihababangoana andro aman'alina mihena isan-taona ny dabiliom-piangonana:
ISAORANA KOA ANDRIAMANITRA sy ny olo noho izany!...
:-$:-$:-$:-$
4. bosista ( 25/12/2006 14:33)
tsy hitako ny olana na mandeha any izy na tsia , rehefa tsy manao ratsy olona izy dia izay , fa betsaka ary fantaki mihintsy misy vevavy sasany tsy tapaka mandeha ampiangonana isan' andro, mamonjy lamesa isa-maraina tsy tapaka fa zanaka masina maria hono nefa pams lozan-tany!! numero 01!de zany ve no ilaina????
5. soanja ( 25/12/2006 23:54)
DONGAKA:

Raha ny fahitàna @ ankapobeny ny noely 2006 aloha dia feno olona ny fiangonana rehetra ,raha ny teto ANTANANARIVO renivohitra no jerena .Na dia teo koa aza ny cyclone sy ny andro ratsy .....Ny zavatra hita sy tsapa anefa dia maro ireo mpiangona occasionnel izany hoe andavan'andro tsy hita ...fa NOELY ihany no ahitàna azy ireo..
Fa ny fanontaniana mipetraka indrindra ho an'ireo izay NOELY vao mahatsiaro mpiditra ampiangonana dia hoe ao anatin'ny 365 jours ve dia in1 andro ihany ve vao hita ? indray andro vao mahalàla an'ANDRIAMANITRA...
TSY HITSARA AHO MBA HO TSARAINA ! fa mahavariana ihany ilay toe-javatra...

Raha toa ka diso dia ny teniko ariana fa tsy ny tenako hoy ilay mpanakanto malàza izay....



Ny hany havaliko dia hoe enga anie ny toriteny na ny zavatra tsapany androany tamin'izy nankany ampiangonana no hitondra azy hiverina any indray.
ny tiako tenenina dia na ny any ampiangonana tsy mahasarika azy raha tsy Noely satrai tsy ampy ny any. Na efa ampy azy ny ety ivelany aty ka mba mameno ny filana ara-panahy ilainy ny fankanesana tany androany.
Aza manahy ny aminy! Tadidio foana raha vao resaka finoana dia ianao sy Andriamanitra no zavadehibe ary ny fampiharanao izany ho modely tsara amin'ny manodidina. Ka raha tsy mihetsika noho izany asa nataonao izany izy dia afaka adidy ianao fa azy sy Andriamanitra sisa.

6. naritsimba ( 26/12/2006 06:03)
DONGAKA> Ny fiantso an'ireny olona ireny dia hoe: MPANAO ISAN-KERINTAONA.
7. jentilisa ( 26/12/2006 08:01)
Aleo mba hiditra any ampiangonana ny tsy mpiditra any e!
8. Rasiligaoma ( 26/12/2006 08:02)
aleo izy mba hiditra ko..
au moins aza izy mba nahatadidy ny lalana nankany!
9. prime ( 26/12/2006 09:18)
dongaka:
.....Ny zavatra hita sy tsapa anefa dia maro ireo mpiangona occasionnel izany hoe andavan\'andro tsy hita ...fa NOELY ihany no ahitàna azy ireo..
... ny tena loza aza anie dia io lazain\'i bosista io hoe ireo mpankany am-piangonana indrindra no tena tokony handinin-tena... ny tsy mpankany anie mba fantany ihany hoe inona no andehanany any amin\'io fotoana tokana io e... fa ilay mpankany no tena mila mandinin-tena mafy raha mbola misy @ ireo ihany no tsy resy lahatra ny @ famonjen\'i Kristy...
10. pissoa ( 26/12/2006 14:44)
tsy hitako ny olana na mandeha any izy na tsia , rehefa tsy manao ratsy olona izy dia izay , fa betsaka ary fantaki mihintsy misy vevavy sasany tsy tapaka mandeha ampiangonana isan' andro, mamonjy lamesa isa-maraina tsy tapaka fa zanaka masina maria hono nefa pams lozan-tany!! numero 01!de zany ve no ilaina????

Avaho tsara ny hoe "Kristy" sy ny "Kristianina".

Ny tiako tenenina - dia aza heverina ho tsy "manota" ny olona mandeha any ampiagonana. Ary tsy misy hoe ka raha mandainga leoko ihany fa raha mamosavy ... Rehefa Kristianina izy, ary miezaka ny ho Kristianina bebe kokoa hatrany - dia tsara izay fa tsy isika no handeha hitsara azy hoe izany ve no ilaina.

Io moa matetika no tena ala-bala atao rehefa tsy te ho any ampiagonana ny olona. Rehefa tsy handeha dia mijanona fa tsy ny hafa no atao tompon'andraikitra amin'ny hakamoan'ny tena tapitr'ohatra :-D
11. ikaretsaka ( 26/12/2006 22:15)
pissoa =D namaste
12. cutie ( 26/12/2006 23:50)
Io moa matetika no tena ala-bala atao rehefa tsy te ho any ampiagonana ny olona. Rehefa tsy handeha dia mijanona fa tsy ny hafa no atao tompon'andraikitra amin'ny hakamoan'ny tena tapitr'ohatra

eny wa
za zao kamo de tsy nandeha :-D:-D:-D:-D
13. ikaretsaka ( 27/12/2006 00:02)
Cutie> @ paka indray mandeha e:lol::-D
na alohan'izany rehefa mazoto alahady iny :^)
14. cutie ( 27/12/2006 00:06)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 27-12-2006 01:02:51
Lohateny : Re : NOELY 2006 feno hipoka ny fiangonana...NEFA......
Cutie> @ paka indray mandeha e

:-D:-D:-D:-D:-D
ie sady ny paka no tiako indrindra @fety :lol:
15. soanja ( 27/12/2006 10:09)
Dia samy manana ny manahiragna azy tokoa ny ona.
Agnay aty te handeha mihidy ny raha. Ny agny hipoka ny fiangonana be ro mimenomenogna.
16. prime ( 27/12/2006 12:33)
Satria fandaniana andro sy fatiantoka fotsiny ny fankanesana any am-piangonana nefa tsy mandray ny Tenin'Andriamanitra...
17. Rasiligaoma ( 27/12/2006 15:19)
prime:

Satria fandaniana andro sy fatiantoka fotsiny ny fankanesana any am-piangonana nefa tsy mandray ny Tenin'Andriamanitra...



tsy ny teniny irery ry Prime fa Andriamanitra mihitsy no raisina aa!

sa ny anao hatreo @ teniny fotsiny?

raha izay dia azafady ary e!
18. soanja ( 27/12/2006 17:02)
prime:

Satria fandaniana andro sy fatiantoka fotsiny ny fankanesana any am-piangonana nefa tsy mandray ny Tenin'Andriamanitra...


iza moa ianao no hitsara azy?

Ahoana ny ahafantaranao fa tsy nandray izy na ny kely?

Mino ve ianao fa tsy manam-pahotana?

Mifalia ao amin'i Tompo mandrakariva ary ary misaora an'Andriamniatra raha toa mbola mahita ny varavaran'ny fiangoanana ny olona. Misy fanombohany ny zavadrehetra.


19. prime ( 28/12/2006 12:03)
rasiligaoma:
tsy ny teniny irery ry Prime fa Andriamanitra mihitsy no raisina aa!

sa ny anao hatreo @ teniny fotsiny?

raha izay dia azafady ary e!
...hihihihi

"Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra." Jaona 1:1

Lasa toy ny miteniteny foana hoy aho isika rehefa tsy manaiky hamaky ny baiboly e...

soanja:
iza moa ianao no hitsara azy?

Ahoana ny ahafantaranao fa tsy nandray izy na ny kely?

Mino ve ianao fa tsy manam-pahotana?

Mifalia ao amin'i Tompo mandrakariva ary ary misaora an'Andriamniatra raha toa mbola mahita ny varavaran'ny fiangoanana ny olona. Misy fanombohany ny zavadrehetra.
... tsy izaho no mitsara azy fa ny Tenin'Andriamanitra izay tsy raisiny... ary ny ahafantarana azy dia toa io ohatra voalazan'i bosista ao ambony ao io... araka ny voasoratra hoe : "Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy* amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroy.[*aviavimbazaha]" Lioka 6:44
20. nikopol ( 28/12/2006 14:08)
ny 95% ny toriteny taminy noely ngamba dia io lazan'i Dongaka io ! isaky ny noely dia zay foana ny refrain ataon'ny mpitoriteny " feno ny fiangonana rehefa noely fa nahoana no tsy feno rehefa andavan'andro? " zay ny ahy no tsy andehanako any intsony fa efa fantatra dieny mialoha ny sujet d'examen
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0552