Sarotra ve ny manaja fitiavana???

1. xxx ( 17/12/2006 20:40)
Sarotra ve hoa ny manaja fitiavana ry zareo an, indrindra fa ho an'ny lehilahy????
répondu par sasa le 20/12/2006 05:19
2. kelly13 ( 17/12/2006 20:45)
TSIA tompoko!! tsy sarotra izany ny manaja fitiavana na ho an'ny lhl na ho an'ny vhv :)
3. xxx ( 17/12/2006 20:59)
tsy haiko ny valiny hoy aho aminao, nahoana ary no be ny mampirafy??? sa ve zany ny lamody???
4. fasaly ( 17/12/2006 21:06)
raha tena tiana be ilay olona ka samy mifankatia ve izy roa samy mitàna hatram farany anlay fanajàna sy fifampitokisana dia mandeha ho azy ny fanajàna fa raha misy iray mibolila de efa sarotra ihany:wink:
5. Zina ( 17/12/2006 22:37)
rehefa mahay mifanaja izy roa dia tsy sarotra velively, mila reciprocite io...
6. MTN ( 18/12/2006 02:17)
Raha matotra ilay olona dia tsy misy resaka lamody izany.
Sarotra ilay izy ny fahitako azy fa tsy midika akory izany hoe tsy ho vita. Mila mafy loha dia mety io.
7. xxx ( 18/12/2006 03:20)
marina ny an'i fasaly...ka inona ary no mampahatonga le ray mibolila, sa ve nahita le akanga tsara soratra de nanary lamba sa...? marina koa le mila mafy loha, fa ra samy mafy loha de henjandroa ny tady,de tapaka.... de inna ary ny tokony hatao hampaharitra ny fitiavana misy eo @ roa tonta???
8. xxx ( 18/12/2006 03:40)
mazava le hoe mila samy mifanaja, ary mila reciprocité de vita io ary tsy sarotra zany, fa eo foana no hitrangan'ny olona, nahona ny iray surtout ny lahy tsy mahatazona fa lasa foana mibolila???
9. pissoa ( 18/12/2006 06:00)
Rehefa samy mahay manaja tena dia tsotra koa !
10. booboo ( 18/12/2006 07:01)
Sarotra beeeee mihitsy vao tsisy fifampitokisana, fahatsorana, fitiavana marina sns
11. xxx ( 18/12/2006 09:37)
Fa maninona no hohajaina ny fitiavana ? Tsy filam-baniny fotsiny ve izany ? Manivativa fitiavana angaha ny ataoko ? Dia inona izao no olana raha ... ... ? Mahakasika ny singam-bolony angaha izany ? ...

Raha vao tsy resy lahatra amin'ny valin'ireo fanontaniana ireo dia impossible. Resaka manidina fotsiny daholo izany hoe fifanajana e, fif-*** e, sns ... Mety zavatra evident amin'ny iray manko fa tsy maharesy lahatra ny iray mihitsy.
12. booboo ( 18/12/2006 09:49)
:roll:
13. kelly13 ( 18/12/2006 10:32)
tsy d mazava :roll:
14. xxx ( 18/12/2006 11:32)
mora ny manaja fitiavana fa kosa tsy mirat okazio e! efa "vitsika-tortue" izao ve dia jerena fotsiny.Ohanina fotsiny iny fa ny tiana tiana ihany.
15. fasaly ( 18/12/2006 12:34)
éh ben!:-P
16. fasaly ( 18/12/2006 12:36)
tsy ny fampirafesana ihany ange no hatao hoe manaja e! fa raha mpivady no resahina ohatra tsy mipetraka atrano mitsy rangahy na ramatoa fa lasa foana atakalony ny namany lay vadiny dia anisan'ny tsy manaja ihany koa izany....ohatra mpidoroka ilay ramatoa na lay rangahy ny toakany ihany no fatany dia tsy manaja koa izany:-P
17. Samoana ( 18/12/2006 14:24)
xxx:

Sarotra ve hoa ny manaja fitiavana ry zareo an, indrindra fa ho an'ny lehilahy????


Tsia tompoko:lol: ! Rehefa mahay mifandefitra sy mifankahalala toetra dia mande ho azy ny fifanajana e:wink: !


18. soanja ( 18/12/2006 15:07)
xxx:

Sarotra ve hoa ny manaja fitiavana ry zareo an, indrindra fa ho an'ny lehilahy????


TSIA. Ny fifanajana eo amin'ny mpifankatia dia ny fitazonama ilay voady nifanaovana.


19. diamondra27 ( 18/12/2006 16:12)
tsy hitako ze mahasarotra ny manaja fitiavana

toy ny fifanajàna rehetra ihany io
manaja namana
manaja RAD
manaja olondebe

refa kopy enao oe: zao 'ty de zao zany, manaraka tsara ny le fitsipika de la vie est belle.
20. xxx ( 18/12/2006 18:35)
tsy tokony ho sarotra ny manaja fitiavana ra samy manaraka ny fitsipika misy avy ny andaniny sy ny ankilany ra eo anivon'ny olondroa mifankatia no lazana,zany hoe mifankatia be, mifampatoky, samy manao izay tin'ny andaniny sy ankilany avy, de mande ny fiainana. fa ra ts'izay de tsisy zavatra handeha eo, de sarotra ihany koa ny manaja fitiavana.

De ahona le oe "ny tiana tiana ihany fa tsy mi-rate vitsika-tortue",ra io de angamba mety ho sarotra ihany koa zany ny manaja fitiavana..... mipetraka ny fanontaniana manao hoe: afaka mitia @ olo-mandalo ve...afaka miaraka @ olona tsy tiana ve???? ...angamba....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1988