mpanohana ravalo.

1. fijo ( 30/11/2006 23:59)
misy namana milaza ato,fa ny mpanohana andravalo,dia manohana azy satria izy avy ao tana.izay fotsiny.
-aza hadino ry ise;fa ratsirahonana
ny hasina,elie,dia samy avy ao tana,nefa ravalo no tohananay.
ka avadiko ny fanontaniana;ny olona avy any tuliara manohana lahiniriko ve,noho izy avy any fotsiny no hanohanana azy sa ahoana,satria izy irery no avy ao raha ny fahalalako azy?????
répondu par Lalah le 03/12/2006 23:10
2. DotMG ( 01/12/2006 05:53)
Izao no marina ry zalahy a! Ny Merina dia mieritreritra hoe Malagasy aho, avy eo izy vao mieritreritra hoe Merina aho. Ny ankoatry ny Merina indray, dia mieritreritra hoe avy aty ananona aho, izay vao hoe Malagasy aho.

Jereo ohatra ny pazzapa: rehefa avy any Mahajanga no nominé de hoe: Manentana antsika rehetra avy any Mahajanga mba hifidy anahy. Nefa rehefa avy eto Tanà tsy miteny hoe ianareo rehetra eto Tanà, fidio aho.

Jereo tsara ry zareo mpilalao pô misolitika sasantsasany fa hoe Faritany 5 VS Antananarivo, Foko 17 VS Merina, ... Fa tsy mba heno mihitsy hoe Faritany 5 VS Faritany iray hafa ankoatra an'Antananarivo. Antananarivo sy ny Merina ihany no ankahalaina.

Soa fa efa niova izany fa jereo ny fampielezan-kevitry ny kandida isany Ravalomanana sy Ratsirahonana any amin'ny faritany fa efa mahazo olona betsaka, dia hojerentsika eo koa ny voka-pifidianana.
3. fijo ( 01/12/2006 06:09)
izay mantsy anie e,ny tena manana safidy fe nifidy olona iray,dia lazaina fa noho izy avy ao tana.ka izay no anontaniako hoe ary ny avy any toliara mifidy lahiniriko ve ,satria izy avy any???? satria roland koa anie azonao fidiana e.saingy izy tsy avy any.
sa kosa dia fotsiny hoe fahotana ny fifidianana andravalo???????
4. piso45 ( 01/12/2006 06:11)
I Ravalo dia tsy mialo-jafy ka porofon'izany ireo mpanohina azy toy an' i Satrobory....
5. mimich ( 01/12/2006 06:47)
DotMG:

Izao no marina ry zalahy a! Ny Merina dia mieritreritra hoe Malagasy aho, avy eo izy vao mieritreritra hoe Merina aho. Ny ankoatry ny Merina indray, dia mieritreritra hoe avy aty ananona aho, izay vao hoe Malagasy aho.

Jereo ohatra ny pazzapa: rehefa avy any Mahajanga no nominé de hoe: Manentana antsika rehetra avy any Mahajanga mba hifidy anahy. Nefa rehefa avy eto Tanà tsy miteny hoe ianareo rehetra eto Tanà, fidio aho.

Jereo tsara ry zareo mpilalao pô misolitika sasantsasany fa hoe Faritany 5 VS Antananarivo, Foko 17 VS Merina, ... Fa tsy mba heno mihitsy hoe Faritany 5 VS Faritany iray hafa ankoatra an'Antananarivo. Antananarivo sy ny Merina ihany no ankahalaina.

Soa fa efa niova izany fa jereo ny fampielezan-kevitry ny kandida isany Ravalomanana sy Ratsirahonana any amin'ny faritany fa efa mahazo olona betsaka, dia hojerentsika eo koa ny voka-pifidianana.
tsy miombon-kevitra aminao indray aho raha izay. Aza atao safobe mantsina angamba hoy aho. Ny mpanao politika sy olom-bitsy ve ny manao ny ataony de ny tsy merina rehetra no voahosim-potaka.
Izaho miteny zao dia tsy merina , nefa maninona aho no tsy manana izay fomba fisainana izay


6. pimaso ( 01/12/2006 07:48)
mimich :
Ialana tsiny ny namana sasany raha somary nivaona kely, marina ny anao, firehan-kevitra no hiadiantsika hevitra fa tsy sanatria fiaviana na antoko akory,
Raha mifidy olona iray ianao dia ny zava-bitany sy ny programme mbola hovitainy no jerena fa tsy couleurs akory
Misaotra tompoko
7. jentilisa ( 01/12/2006 08:26)
fa mbola sarotra izany amin'ny zava-misy amin'izao fotoana izao.
8. mandrindra ( 01/12/2006 10:19)
manakaikikaiky ny ehvitr'i mimich no fijeriko azy. ireo mpivazavaza ery ambony lampihazo no mivoy an'io hevitra io, izay misy fiatraikany amin'ny mpihaino. fa saingy tsy tena communautariste tanteraka na malagasy.
9. xl ( 01/12/2006 11:14)
MAHAMASINA NO BALISE E!
TSY TAKO NAFENINA
10. besoiiin ( 01/12/2006 11:24)
raha izaho mahokana dia tsangakevitra, zava-bita , toetsaina amampanahy izay vao tsangan'olona. io fijerevana tsangan'olona sy fiaviana io dia misy foana fa ny dégré sy ny priorité any fotsiny no tsy mitovy @ tsirairay, @ olona sasany mety mitendre vers 0 io fa ny an'ny sasany mety ho plus infini
11. HESHA ( 01/12/2006 13:30)
ka zao kosa nefa, aona mou no ahitana zay mety ho vitan ilay ol ra tsy efa teo izi nanao zavatra hoy nareo ? de zay no tsy maintsy mampisy ilay preference.
12. xxx ( 01/12/2006 17:00)
:oops::oops::oops:
13. Lejim ( 01/12/2006 19:44)
DotMG:
Izao no marina ry zalahy a! Ny Merina dia mieritreritra hoe Malagasy aho, avy eo izy vao mieritreritra hoe Merina aho. Ny ankoatry ny Merina indray, dia mieritreritra hoe avy aty ananona aho, izay vao hoe Malagasy aho.


Ahoana tsara hoe?!
Inona ary ity zavatra tenenin'i DotMG ity?! Hoe ny Merina tia tanindrazana kokoa noho ny Tanindrana?! Example omen'la dia mpanao pazzapa sy mpanao politika. Ireo ve amintinan'la ny toetran'olona jiaby ivelan'Antananarivo?!

Aza dia miresaka foko sy fihaviana loatra raha tsy fantatra mazava tsara akory ny zavatra tenenina fa sao dia miteniteny fahatany eo!

fijo> Saika tsy hiteny momba an'ity aho fa satria efa misy miresaka ihany ka lazaiko ihany. Nalaza be tamin'ny 2001 ireny ny resaka hoe" "tokony ho Merina indray no mitondra ny tany."
Tamin'ny alalan' ny trakta no niparitahan'izany. Namako tonga avy tany Tana no nitondra an'io dia gagaga ihany zah. mbola tany amin'ny lycee tamin'izay!

Zah tsy milaza hoe i Ravalomanana no nanaparitaka an'io. Fa satria ilay izy naparitaka teny Antananarivo ihany fa tsy t@ faritra hafa dia midika fa serieux(se) ilay olona nanaparitaka azy fa tsy juste handrangitra ny tsy Merina fotsiny!

Zah koa mino fa tsy otran'izay doly ny eritreritry ny avy Antananarivo rehetra, fa tsy tiako fotsiny ilay generalization nataon'ny namana DotMG hoe avy Antananarivo sy tsy avy Antananarivo!

Samy manana ny lohany io ry namana ka aza dia mifanilika haratsiana be otran'izay!

Amin'ny maha tsy avy Antananarivo sy amin'ny tsy maha Merina aho no namaliako an'ity sujet ity!

14. Lalah ( 01/12/2006 20:41)
lejim zany zao taona fahafiry? 2001 ve enao no teny @ Lycee, lejim zany le karazan le nalefan-dravalomanana taty Us ra azoko tsara, tokony manohana mafy azy satria mety ho very fihinana raha vao tsy lany eo intsony izy, nareo aza efa niangarana nandanian ny fanjaka vola tsiroamantany, tsy toy ireo gasy kely miafy @ hatsiaka isamaraina mandeha mianatra, miverina avy any vao mitady zay harapaka ndray, tsy misy mangirana ny fiainana fa maizina lava hatramin zay ka hatramin zao.
Mba eritrereto hoe nareo afaka mody Dago isakin ny vacance, rafanja no miantoka, mahazo toerana tsara eny akaikin ny filoha rehefa misy lanona rafanja no miantoka, sakafo etsetra mbola rafanja ihany. Ny gasy sady efa mahatra any Dago no mila tsy ho velona intsony nefa dia mikofoka mafy handoavana hetra @ rafanja handoavana zany besoinareo rehetra zany. Tsy tokony hanohana azy ve nareo raha izany lety e!
15. Lalah ( 01/12/2006 20:56)
ampiako kely, mba manitikitika ahy, nareo ve mba mitaingina iny air force one iny? toa luxe be mihintsy izy iny an! 500 millions de dollards ve de tsy ho luxe! miaingahainga mihintsy zao ny fanahy mitaingina an iny an? tsy hotran ny anay sarety kodiarany roa taritin ny omby mahia, dia rehefa mandeha eo ambonin ny lohanay nareo dia mitoraka salut zahay no sady miorakoraka hoe iny eh! iny eh! aoka fotsiny hoa! tsy afaka manakatra anareo manko zahay satria nareo ambony be zahay ambany be!. Rehefa voky ve nareo zahay maimbo rezatra foana e! tohizo ny lalana fa tsara kah!tena tsara be.
16. fijo ( 01/12/2006 23:10)
lejim,za koa miray hevitra amin'io mimich raha ity resaka tana sy ny sisiny ity.
lalah,za kosa tsy manaiky hoe satria ravalo no nandefa azy tany,dia tsimaintsy manohana ravalo izy.tsy vidiana akory ny olona alefa mandrato fianarana,fa izay mendrika no alefa.ka io mendrika io,tsy tambazana.
lejim,nisy ngamba izany trakta izany."tsy itako"fa efa ela aloha no nisy kosa io resaka io.ny antony dia,tanindrana foana no nitondra teo,nefa hita ny vokany?ary resampa no nanomboka namoak aio resaka io.izay mpanohana azy tao aoriana moa tsy aiko.
17. Lejim ( 02/12/2006 00:06)
fijo> Aleo ajanona any amin'izay marina ilay resaka foko sy fihaviana fa mahantra be isika Gasy raha mbola zarazaraina koa!
Lalah> Tena marina hoe isan'ireo nalefan'ny fanjakana aty zaho, ary tsy haiko ny tsy hisaotra an'ireo nikarakara an'izany, surtout ny filoha Ravalomanana! Fa araka io nolazain'i Fijo io, tsy voatery hanohana 100% izao fanjakana izao kosa zah satria tsy misy zavatra voatery izany. Safidy daholo ny fiainana.
Marihiko kosa fa tsy mpanohitra aho. Manao kritika ny tenako, rehefa hitako fa misy zavatra tsy ara-dalana ao! Sady mbola tsy fotoana hanaovako politika izao.
Ilay hoe very fihinana amiko dia tsy maninona loatra satria ny tombontsoan'ny tanindrazana no voalohany, izay vao ahy.
Mirary ny ahalany ny filoha Ravalomanana aho, na dia tsy manao propagandy ho azy aza, satria mbola tsy anjarako izao. Maniry fotsiny aho mba hangarahara sy demokratika ilay izy, ka tsy hiteraka grevy na zavatra otran'izany! Raha nanontany i kitjo izay hoe iza no fidiko raha afaka nifidy aho, ny valiny narosoko dia: Ravalomanana!
Na inona anefa ny zavatra omen'ny fanjakana ahy, raha hitako fa loza ho an'ny firenena io fanjakana io dia mandroso ny kritika izay azoko atao foana aho!
Izay fa toa lasa midera tena be ho patriota indray zah! lol :-D
18. Lalah ( 03/12/2006 02:43)
io ry fijo ny paika miainga rehetra atao an-drafanja any @ tanana any amin zao, ity sy nday, ary marina mihintsy ny volazan i lejim hoe tsy rehefa hoe manohana dia manohana be fahatany, fa mijery koa hoe inona no tsy miady ao. Ny mampalahelo manko dia be loatra ny zavatra tsy aradrariny mianga raha tsy hilaza raha tsy ao antananarivo fotsiny aza indrindra ny fametsena tantatsa zany hoe ho lava loatra raha lazaiko eto fa feheziko fotsiny aloha, hitako t@ za farany tany teo zany hoe hatreto aloha dia izy no hitako nampisokatra kely ny lalana ka angamba mety mbola azo antenaina 1% ihany.

lejim> asa aloha na tena mpianatra mendrika marina nareo ao texas ao, fa ny re manko dia misy mampanahy ihany, ary ny ankabeazanareo aza toa zanaka mpitondra naman-dravalo daholo no nalefa taty fa 03 na 02 aminareo no tena mba avy any ambanivohitra, asaivo fadiany amin zay ny clan-clan fa io no efa tsy nampandroso hatrizay, mbola averiko foana, fa ny tantsaha efa mila tsy ho velona intsony any Dago,miainga @ 5 maraina mody @ 11 alina miasa mafy mba handoavana vola amin drafanja, hanaovana ny capricenareo sy rafanja ka mba mianara mafy fa aina very maina ny an ny gasy, hatramin ny zazakely tsy tokony hiafy miafy tsy fidiny any dago any mba hahazoana vola hanaovanareo izany rehetra zany. Ty mba misy hafatra kely ampitao any @ ravalo any asaivo ampiasain-dravalo araka ny tokony ho izy ny vola miainga avy aty US fa tsy hirevena amin zay tiany hanaovana azy,raha lalana sy fanamboarana sekoly ny goal dia asaivo ataony lalana sy sekoly daholo, ok dokey!( raha mila porofo ianao dia manorata amiko hilazako azy rehetra fa sao lazain ny sasany ho mpanohatra eto indray aho).io tsy misy resaka merina sy tsy merina fa zah manoratra merina 100%
19. Lejim ( 03/12/2006 04:27)
Lalah> Presque diso doly ny zavatra teneninao ka hamarino kely ilay source nahazoanao azy! Andefaso hafatra en privee zah raha te hiresaka momba ny fianaranay enao fa tsy mety ny mitantara ny fiainanay eto satria olona manana privacy otranareo koa zahay io! Merci
20. akama2006 ( 03/12/2006 09:35)
merci lala!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6345