Zanahary

1. tsimiandravola ( 22/11/2006 10:08)
Jaovelo-dzao Robert dans \"Madagascar et le Christianisme\" Edition Ambozontany (KARTHALA).P70 Richesses culturelles d\'une civilisation de l\'oralité.

Ny teny hoe Zanahary dia avy amin\'ny teny sanscrite hoe Yan=Dieu sy ny indonesien hoe Hari=andro.Vokatr\'izany dia hoe le dieu soleil toy ny an\'ny Ejipsianna izany no tena niandohan\'ny finoan\'ireo razantsika talohan\'ny andro fahagola raha tsorina araka izay azo atao ny resaka mba tsy ho lava.

Araka ny siansa astronomika nefa dia kintana ny masoandro,ary manana force energétique créatrice,loharanon\'ny singa rehetra ilaina ahafahan\'ny zava-miaina mivelona sy miforona...Jereo ,raha tianao ny boky nosoratan\'i Hubert Reeves momba izany ,lohateny dia ny hoe \"poussières d\'étoiles\".

Na dia mbola tsy teny amin\'ny habakabaka aza izany ireo razantsika sy ny hafa dia nahalala sahady fa ny masoandro (par extention ny kintana) no fototra.Izy no manome hafanàna ,miahy ny kamboty (izay lé nahatonga ny hoe lamban\'ny kamboty miantso ny taratr\'andro vao maraina satria manafàna),izy no toa mampivelatra ny manome hafaliana ny zava-maniry sy ny biby rehetra raha vao maraina.Tsy ho voatanisako eto ny \"oeuvres créatrices\"-n\'ny masoandro fa fintiniko fotsiny hoe normal raha nisy ny nanao azy io ho andriamanitra=zanahary.

Récupération kristianna ilay hoe zanahary = izay nahary=Jehova.Fa ny tena marina,ny dikan\'ny hoe Zanahary dia dieu soleil.Ny \"NA\" noho izany dia miraikitra amin\'ny \"ZA\" satria avy amin\'ny hoe \"YAN\" ,fa tsy miraikitra amin\'ny \"HARY\" izay mahaleo tena saria avy amin\'ny hoe \"HARI\".

Miova daholo noho izany ny \"cosmologie\",ka raha mitovy amiko ny eritreritrao dia ny SIANSA no manazava an\'izany misimisy kokoa.

Apetrao aminao sy amin\'ny mahaolona indray ary ny fanontaniana manao hoe inona no dikan\'ity fiainana ity?Dia miezaha isika hamaly izany fanontaniana izany amin\'ny alalan\'ny fahazavantsaina siantifika fantatra hatreto,fa tsy hanao politikan\'ny vorombe ka hisitrika any anaty fasi-manditsoky ny obscurantisme.

Recupérer-vako ny ao amin\'ny kristianisme hoe \"souviens-toi homme que tu es poussière et tu retourneras en poussière\".Ce Ny hadino hono,arak\'ilay boky voalazako etsy ambony dia ny précision hoe \"poussières\"n\'inona=ny valiny dia hoe poussière d\'ETOILES.

Sokafy ary ny ady hevitra.
répondu par prime le 13/12/2006 11:35
2. sonwin ( 22/11/2006 10:36)
ary ahoana ilay hoe "Andriananahary"?
3. MTN ( 22/11/2006 11:26)
ary ny teny hoe Taiwan avy amn\'ny teny inona ary midika inona? Raha manafangarongaro teny any ho any dia miova tokoa ny dikany.
Ohatra: Akoho, ny teny hoe \"akoho\" dia avy amin\'ny teny indonezianina hoe \"ako\" izay midika hoe \"izaho\"

Raha resaka asitiraonomia no resahana, ny masoandro dia tahaka ny kitana hafa ihany. Koa nahoana ary no tsy misy olona eny amin\'ny planeta hafa izay hita?
Raha tsy fantatrao dia mandoro ange io masoandro io eh, fa ny ozone no mpiaro antsika amin\'ny karazana taratra rehetra avy any. Sa afo be izany io dia ny ozone no anjely mpiaro?
Dia eo koa ny champ magnetika terrestre mamily ny particules chargees avy amin\'ny masoandro mba tsy ho tody amin\'ny zanak\'olombelona.
4. xxx ( 22/11/2006 11:38)
taiwan :-D:-D inona no tena heritreritrao @ io e !?
5. booboo ( 22/11/2006 11:39)
Tsimiandravola > efa novakiako koa io boky beeeeee io. Hevitra hafa ankoatra io ndray ny ahy no teneniko avy t@ raha novakiana sy nianarana sns : Razana, Andriamanitra, Zanahary, Andriamanitra. Ny iombonako hevitra aminao dia hoe nalain'ny misionera t@ zany fotsiny ilay anarana hoe Andriamanitra dia nataony midika hoe Dieu = Jehovah/Jesosy. Nefa rehefa tena dinihana hatrany an-dreniny dia "grade"-n'ny razana mitombo Hasina ny Andriamanitra (sady @ zay koa mbola misy hoe lahy na vavy lé andriamanitra :^)).

6. sonwin ( 22/11/2006 11:48)
booboo hitako mahay raha fa tsy te hiditra lalina :^)
7. xxx ( 22/11/2006 11:52)
tsimiandravola, te hiresaka siansa ? Wake up ! :-D Ny anao mbola oe "mafana/mamay ny masoandro" no tinao resahina. Fa iza moa no tsy mahalala an'zany, ary iza no manda an'zany ? :roll: Ny an'ny olona efa resaka hafa mihitsy ry tsimiandravola an. Mba miovà amin'zay "Siantifika an'ny taonarivo fahatelo" fa efa lany andro zany "Siantista an'ny taonarivo faharoa" zany :roll:
8. booboo ( 22/11/2006 12:00)
xxx > raha namaky na kely fotsiny ny t@ io boky io enao dia hitano fa tsy resaka mamay/mafana na siansa tsotra fotsiny no havoitr'ilay mpanoratra...fa lalina kokoa noho izay........
9. xxx ( 22/11/2006 12:59)
Za kosa ngah moa niteny oe siansa tsotra e ?

Ie, tsy namaky le boky za fa ny nosoratan'i tsimiandravola no novakiako ary novaliako. Fa ra tinao tantaraina le boky de tantarao fa vao maika tsara.

Rehefa avy mamaky ny soratry i tsimiandravola dia fantapantatra eny ihany ny tiany hahatongavana. Jereo isaky ny paragraph
Vokatr'izany dia hoe le dieu soleil toy ny an'ny Ejipsianna izany no tena niandohan'ny finoan'ireo razantsika talohan'ny andro fahagola raha tsorina araka izay azo atao ny resaka mba tsy ho lava.

Araka ny siansa astronomika nefa dia kintana ny masoandro,ary manana force energétique créatrice,loharanon'ny singa rehetra ilaina ahafahan'ny zava-miaina mivelona sy miforona...

Tsy ho voatanisako eto ny "oeuvres créatrices"-n'ny masoandro fa fintiniko fotsiny hoe normal raha nisy ny nanao azy io ho andriamanitra=zanahary.

Fa ny tena marina,ny dikan'ny hoe Zanahary dia dieu soleil.

ary
Dia miezaha isika hamaly izany fanontaniana izany amin'ny alalan'ny fahazavantsaina siantifika fantatra hatreto,fa tsy hanao politikan'ny vorombe ka hisitrika any anaty fasi-manditsoky ny obscurantisme.

ka tsy resaka masoandro tsony oa ny an'ny siansa raha te hanamasaka ny tsynisyijesoa sns tsimiandravola.
10. simplex ( 22/11/2006 13:24)

- nanomboka teo @ Abrahama d fantatra fa nisy (ara-tsiantifika).
- ny ankoatry izay tsy azo antokisana loatra
- hatr@ zao anefa ny teoria siantifika dia miainga eo @ Big Bang doly. Mbola tsy fantatra hoe iza no nanapoaka na koa hoe naninona no nipoaka ary inona ny nipoaka?

Refa mivaha io, d ario any ny "genese" fa resabe.

Anjaranao ny mieritreritra. :-*:-*
11. majesty ( 22/11/2006 14:31)
Hoy tsimiandravola:

Recupérer-vako ny ao amin'ny kristianisme hoe "souviens-toi homme que tu es poussière et tu retourneras en poussière".Ce Ny hadino hono,arak'ilay boky voalazako etsy ambony dia ny précision hoe "poussières"n'inona=ny valiny dia hoe poussière d'ETOILES.


d poussière d'etoile ve zany le anaovan'ny malagasy famadihana iny?8O (hay ve ratsy b ôtr'reny zany ny vovoka kintana e,aleo ihany vovo-tany raha izany:lol:
12. prime ( 22/11/2006 14:47)
simplex> Fa maninona no hoe nanomboka teo @ abrahama? hazavao raha azo atao...

Ny momba ny "big bang", raha "théorie" hoy ianao, moa ve tsy misy "hypothèses" izany? kanefa tsy manafoana velively izay lazain'ny soratra masina izany raha dinihina tsara... sa ahoana hoy ianao?
13. MTN ( 22/11/2006 17:31)
simplex: marina hoe tsy fantatra ny nahatonga ny "bigbang", fa na dia izany aza tsy tamin'ny big bang akory tonga dia nisy ny olona. Mbola fotoana ela be taty aoriana. Na mahavaha theorie de big bang (hypothese :°)) aza ny olona iray mbola tsy hahavaha ny nahatonga ny olombelona.

Za ko lo momba an'i xxx amin'ilay resaka siansa eh. Izany zavatra voaporofo tsara fa tsy hoe manana pouvoire sns. Inona ary ilay pouvoire? raha mba afaka azavainareo kely
14. Imahaka ( 22/11/2006 17:36)
tongava aty amiko 'nareo mianaka dia asehoko sy azavaiko anareo izany hoe "pouvoir".
15. Fiffi ( 22/11/2006 18:47)
azavao eto kosa mba ho hitan'rehetra koh !
16. simplex ( 22/11/2006 18:55)
zao ary e,

t@ voalohany (~14 milliards d'annees) d nisy zavatra nipoaka, avy eo d nisy ny planeta isan-karazany vokatr'ilay fipoahana (taona marobe io an). Resaka reaction simika sy fisika doly ny resaka eo fa tsy fofo mazi an. Otr'izay ihany no lasa nampisy zavatra isan-karazany @ planeta toy ny rano ohatra, elabe kou io an. D lasa nisy ny atao hoe "vie", aina hoy isika. Resaka "evolution" indray no resaka manomboka eto. Niainga t@ sela iray d lasa nisy trondro, ny repitila. Ireny dinaozoro malaza ireny. Elabe doly zany an. Farany, lasa nisy ny olom-belona izaho sy ianao. Evolution sy mutation doly ny kozy eo, zavatra normale io fa tsy hoe "intervention divine" akory. Maro ny anton'ny fiovana fa ny matetika dia vokatry ny fiovan'ny "environnement" no mampisy azy.

Mbola mitohy ireo zavatra rehetra ireo an. Mbola misy galaksia miforona ary miha-ngoza ny univers. Mbola misy voay na de hoe miha-ratsy tarehy ary zalah. Afaka fotoana fohy zao d hisy "x-men" :°).

Ny voalazan'ny ao @ Baiboly izany dia "metaphore" doly @ ny fanamboarana an'izao Tontolo izao. Ny fanontaniana mipetraka de hoe in no nisy talohan'i BigBang io. Ny valiny tsotra sady tsy mankarary an-doha de hoe anontanio A/tra.

Ny tena tiana hatongavana d ny hoe ny zavatra tsy haintsika manazava no ataontsika hoe avy @ A/tra (na koa hoe satana).

Siora mintsy za fa A/tra no namorona ny "sentiment" :*:*

ps: elabe mintsy ny 1 andro @ A/tra ka mety mbola hoela ny fara andro (2029 na 2035 ny daty faran'zay haingana ndrindra ra tsy hoe misy ady nocleary nga :°);-)


:D d ampy
:-*:-*
17. Fiffi ( 22/11/2006 21:09)
simplex:
Ny tena tiana hatongavana d ny hoe ny zavatra tsy haintsika manazava no ataontsika hoe avy @ A/tra (na koa hoe satana).
de ny famoronana an'zaotontolo zao zay voalazan'ny baiboly zany ahoana ? ohatra "la création"


18. xxx ( 22/11/2006 22:15)
te hatory za vo tonga eto amin'ito ndray ^^^^^^

rampitso e :-D
19. Fiffi ( 22/11/2006 22:44)
:roll:
20. majesty ( 23/11/2006 13:49)
Misy mifanohitra aloha ny siansa sy ny soratra masina matetika e,ny siansa milaza fa efa nisy hatrany amin'ny milliard milliard d'année tany izao tontolo izao ity,ny soratra masina indray etsy ankilany milaza fa "vao haingana ihany ny nisian'izao tontolo izao" izany hoe eo amin'ny 6000 taona eo ho eo satria ny taona 2000 voalohany no nomarihin'ny safo-dranon'i Noa,ny taona 2000 faharoa dia nomarihin'ny nahatongavan'i Jesoa ho nofo teto an-tany,ary mandia ny taona 2000 fahatelo isika izao.Dia samia mitazona ny finoany sy izay heverina fa mety:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0492