Zanahary

21. MTN ( 23/11/2006 19:22)
simplex: ary ny nahatonga ilay sela nitarika ny evolution?
22. simplex ( 23/11/2006 19:48)

MTN: in moa ny ao anatin'ny sela ;-) indray andro anie zany vao vita e :°)
23. MTN ( 23/11/2006 20:51)
ka izay indrindra, rehefa jerena ny ao anaty sela dia tsy misy fanazavana mihitsy hoe nahoana ary ity no velona. Ilay niandohan'ny aina mihitsy.
tena indray andro marina izany vao ho vita:°)
24. simplex ( 23/11/2006 21:04)

zany anie oa e, indray io fa tsy 1 segondra akory. Zany hoe refa tafavory t@ toerana iray ireo singa simika maromaro dia nanao reaksion. ka afaka indray andro nifankahitana t@ singa maro isan-karazany dia tonga eo @ fahazankan-tena avo lenta. Izany hoe afaka miodina hoazy...
25. lapino ( 23/11/2006 21:24)
Mba curiosité kely :
inona ilay teny sanscrite? dia inona no ifandraisany amin'ny teny gasy?
26. lapino ( 23/11/2006 22:02)

tsimiandravola:
Na dia mbola tsy teny amin'ny habakabaka aza izany ireo razantsika sy ny hafa dia nahalala sahady fa ny masoandro (par extention ny kintana) no fototra.
"nino" angamba no metimety kokoa fa tsy "nahalala", satria tsy afaka nanazava an'izany tamin'ny fomba siantifika ry zareo.


Araka an'io resaka io dia nino ny malagasy (sy ny hafa) na tamin'ny mbola tsy nandroso aza ny siansa (na amin'izao aza suffisamment mandroso ve ny siansa mba hidirany amin'izany resaka izany?), fa nisy hery hafa ambony noho ny takatry ny sain'ny olona nahary an'izao tontolo izao. Dia ny masoandro izany no nomeny an'izay, ka nahatonga ny notion-na Zanahary. Tsy nanana antony mazava ara-tsiansa izy nanaovany an'izay, kanefa dia nino an'izany daholo ny rehetra (obscurantisme ?)

Ankehitriny kosa, dia ny siansa no fitaovana entina hanamarinana fa ny masoandro no fototry ny voahary rehetra, fototry ny aina, ets ... Ny zavatra angatahiko dia izao (santionany):
- tamin'ny fomba ahoana (fanazavana ara-tsiantifika) no nahatonga ny differenciation-n'ny singa tsirairay, ka ny sasany lasa H, ny sasany lasa O, ny sasany lasa C, ny sasany lasa N, ny sasany lasa S, sns ... Inona no niandohan'ireo rehetra ireo ?
- tamin'ny fomba ahoana no nahatonga ny atome hanana an'io structure-ny io : misy proton sy neutron, misy electrons manodidina azy ? Ahoana moa no fomba nahatonga ny energie ho agregé amin'ny endrika matière, ary ny sasany hiparitaka amin'ny endrika ondes electromanetika ? ahoana no niandohan'izany?
- tamin'ny fomba ahoana no nahatonga ny aina ? Maninona no tsy mbola vita foana hatramin'izao ny mamorona zava-manan'aina avy amin'ny zavatra tsy manan'aina, fa tsy maintsy mila fara-faharatsiny cytoplasme ?
...

Ny zavatra tadiaviko dia fanazavana marim-pototra tsara, marina sy feno, fa tsy teoria an! Betsaka manko ny teoria siantifika no diso (oh: generation spontanée ana mikraoba), na tsy ampy (oh: teorian'i Newton no-chapeauter-n'ny teorian'i Einstein), sns ... Ny teorian'i Darwin sy ny big bang mbola mijanona ho teoria daholo koa ireny, tsy misy afaka mi-confirmer amin'ny fomba irrévocable ny fahamarinany.

Raha mazava amiko tanteraka ireo dia mety hiova ny toerana omeko ny siansa. Na dia mbola betsaka aza ny zavatra tsy voazavan'ny siansa hatramin'izao. Mbola ho avy koa ny resaka siansa sy fanahy avy eo, saingy aleo iny tsy kitihako :)

Fa raha mbola tsy mahazava an'izany rehetra izany (sy ny hafa koa) ny siansa, dia mbola mijanona ao anatin'ilay ataonareo hoe "obscurantisme" foana ny momba ny fahariana. Ary na hino an'Andriamanitra ianao na hino ny Zanahary, dia mitovy ihany. Ireo izay manana Ny Mpitari-dalana azy ihany no mahita fahazavana. Fa tsy zavatra voazava ara-tsiantifika anefa izany.
27. tsimiandravola ( 23/11/2006 22:38)
lapin:
Ny zavatra tadiaviko dia fanazavana marim-pototra tsara, marina sy feno, fa tsy teoria an! Betsaka manko ny teoria siantifika no diso (oh: generation spontanée ana mikraoba), na tsy ampy (oh: teorian\'i Newton no-chapeauter-n\'ny teorian\'i Einstein), sns ... Ny teorian\'i Darwin sy ny big bang mbola mijanona ho teoria daholo koa ireny, tsy misy afaka mi-confirmer amin\'ny fomba irrévocable ny fahamarinany.
Matotra dia matotra tokoa ny fitakianao rehefa ny siansa no resahana ô!Mba ataovy kely toy izany hoe ny resaka mikasika an\'i Jehova sy i Jesoa !Tsipihiko fa tsy amin\'andriamanitra (raha misy izy) no anaovako izany aminao fa amin\'i Jehova sy i Jesoa izay voiziko ho tsy misy.
Raha mazava amiko tanteraka ireo dia mety hiova ny toerana omeko ny siansa
Tsy antery ny qdhésion amin\'ny siansa,ary aleo aza tsy miditra toy izay hanao \"scientisme\" toy ny ataon\'ny scientologue,na ny silamo.
Fa raha mbola tsy mahazava an\'izany rehetra izany (sy ny hafa koa) ny siansa, dia mbola mijanona ao anatin\'ilay ataonareo hoe \"obscurantisme\" foana ny momba ny fahariana.
Ny obscurantisme dia tsy ny hoe tsy fahampian\'ny fahalalana akory,fa finiavana ny hahajamba ny tena sy ny olona amin\'ny alalan\'ny finoana iray toy ny an\'ny monothéiste,Aza afangaro voraka (ce n\'est pas le but de la science).
28. lapino ( 23/11/2006 23:46)
Ny obscurantisme dia tsy ny hoe tsy fahampian'ny fahalalana akory,fa finiavana ny hahajamba ny tena sy ny olona amin'ny alalan'ny finoana iray toy ny an'ny monothéiste,Aza afangaro voraka (ce n'est pas le but de la science).
Ka eo indrindra : ny tsy fahampian'ny fahalalana dia tsy ahafahana miteny mihitsy hoe marina itsy na diso iroa, tsy ahafahana manome affirmation/confirmation/infirmation mihitsy izany!

Ka raha ohatra ianao milaza hoe: "mino aho fa ny Zanahary no nahary ny voahary" , kanefa tsy manana ny fahalalana ampy hanaporofoana an'izany, dia minomino foana ihany izany. Satria tsy afaka hino an'izany ianao raha tsy minia mikimpy amin'ireo fahalalana tsy ananana.

Mitovy ihany izany ianao sy ireo disoinao milaza hoe: "mino aho fa Jehovah Andriamanitra no nahary ny voahary", na izay milaza hoe : "mino aho fa nahary tena ny voahary". Satria ireo dia tsy misy manana ny fahalalana ampy hanaporofoana an'izany zavatra inoany izany.

Matotra dia matotra tokoa ny fitakianao rehefa ny siansa no resahana ô!Mba ataovy kely toy izany hoe ny resaka mikasika an'i Jehova sy i Jesoa !Tsipihiko fa tsy amin'andriamanitra (raha misy izy) no anaovako izany aminao fa amin'i Jehova sy i Jesoa izay voiziko ho tsy misy.
Tsy compatible amin'ny finoana ny siansa. Ny finoana manaiky ny siansa, fa ny siansa tsy manaiky ny finoana, iray izay. Ary tsy voatery misy siansa vao afaka miorina ny finoana, roa izay.

Noho izany dia tsy afaka anomezana fanazavana ara-tsiantifika mihitsy ny hanazavana ny momba an'i Jehovah, raha tsy hoe angaha Izy mihitsy no ho avy ka ho tsapan'ireo taovam-pandrenesana dimy ny fisiany.
I Jesoa indray, dia tonga olombelona, izany hoe hitan'ny olona sy ren'ny olona Izy tamin'ny andro nisiany tety. Fa rehefa niala Izy, dia tsy hitan'ny maso sy ren'ny sofina intsony, fa ny asany no tavela dia ilay Fitiavana lehibe. Io asany io no porofo ampy hanekena ny nisiany. Io koa moa no fototry ny finoana kristiana.

Miala any amin'izay ny resaka "finoana". Finoana eo fa tsy siansa. Ny finoana dia hoe fotsiny: mino ianao na tsy mino. Tsy misy adihevitra izany, tsy misy hoe porofo ara-tsiantifika sns. Tsy an-tery koa ny finoana, fa safidin'ny tsirairay ; kanefa "Sambatra izay mino". Dia eo ilay antsoinao hoe "obscurantisme", ... ho hita tsara ihany hoe iza no maizina rehefa ho feno ny fahalalantsika fa tsy ho sombintsombiny intsony :wink:

Tsy antery ny qdhésion amin'ny siansa,ary aleo aza tsy miditra toy izay hanao "scientisme" toy ny ataon'ny scientologue,na ny silamo.
Fa angaha moa ny siansa antokom-pinoana sa fikambanana no anaovana adhésion? :-P:wink:
Za mba nanao siansa kely ihany. Fa mila fitandremana tokoa ny zavatra raisina ho fahamarinana amin'ny siansa. Ary mila mitandrina koa fa ny zavatra rehefa tafahoatra ny fahafahanao misaina, dia mora lasa hivadika croyance indray ny siansa. Kanefa ny siansa dia efa tafahoatra lavitra ny fahafahan'ny tsirairay misaina amin'izao, na ireo siantifika lehibe aza tsy mahafehy izay tsy domaine-ny.
29. xxx ( 24/11/2006 00:17)
Fa ny finoana dia varavara-misokatra amin'ny "obscurantisme",ary raha ny finôna kristiana no jerena dia tsy vitan'ny varavaramisokatra ihany fa tena obscurantisme mihitsy.
30. prime ( 24/11/2006 09:32)
"Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena." I Korintiana 1:18

"Fa ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy (Joba 5. 13)." I Korintiana 3:19

"Izao no fahoriana amin'izay rehetra atao aty ambanin'ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno ratsy ny fon'ny zanak'olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin'ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin'ny maty izy." Mpitoriteny 9:3

"Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany." I Korintiana 2:14
31. simplex ( 27/11/2006 12:53)
lapino:
- tamin\'ny fomba ahoana (fanazavana ara-tsiantifika) no nahatonga ny differenciation-n\'ny singa tsirairay, ka ny sasany lasa H, ny sasany lasa O, ny sasany lasa C, ny sasany lasa N, ny sasany lasa S, sns ... Inona no niandohan\'ireo rehetra ireo ?

Azo eritreretina hoe efa teo foana ireo anisan\'ny composante na koa hoe forma primitiva an\'le zavatra nipoaka.
Zay le hoe anontanio A/tra klou :-P:°).

lapino:
- tamin\'ny fomba ahoana no nahatonga ny atome hanana an\'io structure-ny io : misy proton sy neutron, misy electrons manodidina azy ? Ahoana moa no fomba nahatonga ny energie ho agregé amin\'ny endrika matière, ary ny sasany hiparitaka amin\'ny endrika ondes electromanetika ? ahoana no niandohan\'izany?

io zao le \"esprit de critiq\" ho ana olona siantifika iray otran\'la. \"Faits\" io fa tsy \"consequences\" akory.

lapino:
- tamin\'ny fomba ahoana no nahatonga ny aina ? Maninona no tsy mbola vita foana hatramin\'izao ny mamorona zava-manan\'aina avy amin\'ny zavatra tsy manan\'aina, fa tsy maintsy mila fara-faharatsiny cytoplasme ?
...

io zao le hoe obscurantisme sa ahoana? mbola tsy mazava tanteraka le fika?
toi teo:
Na dia mbola betsaka aza ny zavatra tsy voazavan\'ny siansa hatramin\'izao.
ra afaka mamorona aina @ zavatra tsy mananan\'aina isika tsy efa hoe A/tra kely v ? :-D:-D
zany hoe le fiheverana siantifika, d miteny hoe mbola tsy kobo io fa eo andalam-pitadiavana isika. Aza akatona ny varavarana hoe avy @ A/tra io fa adaboy any...

lapino:
Tsy compatible amin\'ny finoana ny siansa. Ny finoana manaiky ny siansa, fa ny siansa tsy manaiky ny finoana, iray izay. Ary tsy voatery misy siansa vao afaka miorina ny finoana, roa izay.

Ekena.
Ny atao hoe finoana dia zavatra azo antoka fa marina kanefa tsy anana porofo mazava. Ny tiako ampiana fotsiny d hoe, ny atao hoe marina siantifika dia zavatra efa tsy azo lavina intsony. Ka na ny finoana aza d tsy maintsy manaiky azy refa \"voaporofo\" hoe izay le marina. Ohatra hoe notapenana ny vavan\'i Galleni refa nikozy izy hoe ny tany no miodina @ masoandro. Kanefa refa voaporofo izay d izay zany no marina. Mety mitranga koa hoe voaporofo ilay finoana. Asa a??

Ny tena hidiran\'le \"incompatibilite\" indraindray d eo @ le \"ethiq\". Ohatra hoe le fanaovana klaonazy ohatra, izay ekena fa tena misy idiran\'le resaka FANAHY :-P;-) (6eme sens-ko no miteny an\'io lol).

lapino:
Ny finoana dia hoe fotsiny: mino ianao na tsy mino. Tsy misy adihevitra izany, tsy misy hoe porofo ara-tsiantifika sns.

Ny finoana miteny fotsiny hoe sitrapon\'A/tra na hoe lahatra fa ny siantifika mitady hoe satria nahoana??

Tadidio anefa fa ny siantifika koa anie k mino e. Hoe ho fantatra ihany ny marina fa tsy anio tsy rampitso fa hoavy... k ze tonga pre na ny fara andro na ny fahitana ny valiny (ara-tsiantifika). Kanefa dia mbola hisy foana ny fanontaniana, satria tsy ny resaka fahariana an\'zao Ntontolo izao ihany no tena fototry ny finoana.

Ny tena zavatra tsy voaresaka firy teo d ny fisian\'i Jesoa izay namafy fitiavana. Le izy, @ fiheverako manokana, d tsy hoe iza no mafy be nanamboatra na hoe tonga pre fa eo @ le resaka FANAHY :°) mintsy no fotony. I Jesoa (izay version coool an\'A/tra), no nanome modely fitondra-tena eo @ tsirairay avy. Eto moa d tena hitako fa tsara mintsy le teny gasy hoe fanahy satria mazaka teny betsaka @ teny hafa nedala: ame, esprit, bonte,... eto na ny siantifika, eny fa na dia maro aza no tsy mino an\'A/tra, dia ny ankamaroany miaina aram-panahy :°).

Ny mahasihafa ny \"motivation\" an\'ny siantifika sy ny mpino manko d eo @ le resaka afobe sy paradisa e. Ny iray manao hoe tsy koi fa ze alehany any aleo milamina fotsiny izay hitako. Ny iray ndray anefa d tena io mintsy no antony anaovany sakrifisy . Nisy nahita an\'le film \"Constantine\" v ? misy bandy iray izay afaka makany @ afobe mahita hoe izao sy izao...
lapino:
Sambatra izay mino
eo indrindra isika izao. Le sambatra aiza io ? :-P

k refa hita fa hoe tsy ratsy fanahy ny siantifika na tsy mino ny any ankoatra aza. Ny mpino koa torak\'izay. Tsy ilay FANAHY mintsy v zany no tsara jerena hoe mety io ilay manakambana an\'azy roa ireo. Fa in ny FANAHY e ? ;-)

:-*:-*
32. simplex ( 27/11/2006 12:55)
Hadinoko kely hoan'i prime:
Ny tenin'A/tra tsara indrindra:
Jesoa:
Manaraha ahy fa ataoko mpanjono ianao


;-)
33. prime ( 27/11/2006 13:37)
simplex> :wink::-D:-D... misaotra anao...:)
34. majesty ( 27/11/2006 13:46)
simplex:zay le mahafinaritra ahy aminao zay,enao ange favoris fa mody fanina e,raha tsy izany ve hitaona ny oul hanjono ndray:D
35. ikaretsaka ( 27/11/2006 13:48)
trondro indray izany ny laoka atsy ho atsy
36. prime ( 27/11/2006 14:09)
sa amalona?:°)
37. simplex ( 27/11/2006 15:15)
tsonjo doly zany :°):-D:-D
38. prime ( 28/11/2006 13:13)
Zanahary tsy mba tia
Ny fahaverezanao
Izy Rainao be fitia
Tsy mba mahafoy anao
Ny famoizam-po ario
Fa Jesosy itokio
Izy miantso anao anio
Ilay be fahasoavana... Hira 28 FFPM
39. majesty ( 29/11/2006 05:30)
fa ny amalona angah mou tsondro sa bibilava :lol:
40. prime ( 29/11/2006 10:46)
laoka...:lol::-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2726