Natomboka t@ fotoam-pivavahana ny an'i RA8.....

1. petsambava ( 12/11/2006 08:17)
Ho an'izay mbola tsy mahalàla dia misokatra androany ny propagandy ka ny an'ingahy RAVALOMANANA dia natombony @ fotoam-pivavahana ao @ MAGRO ANKORONDRANO ...Ho an'izay tsy mbola mahalàla koa dia eto MADAGASIKARA no hany firenena manaiky hanaovana propagandy hatrany ampiangonana...zavatra 2 tsy tokony hifangaro nefa dia iniana hatao .

MPIRAFY VAVY VE OHATRA DIA AMPIRAISINA TRANO !...
répondu par kitjo le 13/11/2006 05:28
2. nororavel ( 12/11/2006 10:06)
Mampalahelo ny zava-misy satria tsy tokony afangaro ireo, tsy mifanaraka @ constitution izany nefa efa mahazatra io, ka izay rehetra miseho mpivavaka nefa ny zavatra ataony mifanohatra tanteraka @ fivavahana, fanaovana ankeriny fananan'olona sy tsy fandoavam_bolan'olona ataon'ny TIM ireo dia tokony ho menatra ry zareo.
3. akama2006 ( 12/11/2006 10:17)
petsambava mororavel>> mahonena e! Andriamanitra no atao caution nefa tsy mahavita manome antsitrapo tsy msy takalo ny ampafolonkarena akory!ny mapiditra amposy aza no atao aminy halalany fivavahna!

le gasy koa aloha dia tsy manana fandinihina lalaina fa vao resaka fivavahana di ohatrny akoho mahita fotsimbary ,miara mirona daholo ry ikala alika! jereo ireto secte isankarazany,azai moa ny olona tsy misy ilana azy fa FAKO heveriko ary hamafisiko mihintsy ny teniko hoe FAKO ohatrany MAILHOL APOKALIPSY no tsy ho lasa alavitra!ny gasy tsinona io no mora azahona azy tsy fidiny fa izay ilay "culture" tsy ny fahafatesana no mampatahotra antsika gasy fa hoe mba ho lasa RAZANA ihany ve tsia!
4. belaza ( 12/11/2006 10:29)
ny propagandy no misokatra androany, tsy hoe hanao propagandy ao ampiangonana anie ra8 e, fa rehefa hanao zavatra na inona na inona de tsy maintsy mivavaka aloha mba ho fanomezamboninahitra ny ao ambony, ary raha ny hoe mifanohitra tanteraka aminy fivavahana ny zavatra ataony, enao io nga tena manaraka tsara ny fivavahana? io nolazainao io izao dia efa mifanohitra aminy fivavahana, satria tsy tokony ianao no hitsara anizany fa Izy irery ihany.
ka zany zahay malagasy ry akama a, mitadiava hevitra hafa andresena lahatra anay fa aza manao vavany maty andrano ao e, ny anay de i ra8 ihany ra8 hatrany na ratsy ia na tsara, mazava angamba izay:-@:-@
5. akama2006 ( 12/11/2006 10:40)
belaza> :D:D za angaha manakiana anoa amin'izay tianao!tiavo izy dia tohany!mnakasitraka ny amin'izany ny tenako!

tsy handresy lahatra anao no atao anefa fa filazana ny fomba fahitana ny fandehany raharaha,ary raha misy ny tsy mety dia lazaina,ny ampihimaba ny fitondrana RA8 izao aza efa tsy fidiny ka misy sehatra malalaka ohatra izao ve tsy mba hilaza izay tiana!!:lol::lol:

kanefa rehefa misy vita dia lazaina fa rehefa misy tsy rariny koa dia tonga aminy angady sy harona, ny fivavahana sy ny fanandrona ve miaraka ???ny fivavahana sy ny politika ve miaraka????

tsy manoa propagandy ve ry ingahy hilaza fa izy RA8 no mpanohana 1 ny fiangonana a!tany amin loterana iznay no nolaziana!dia atao hita maso ny vola omena hanaovana asany fiangonana hoe izy no nanome! io anie tsy mila hita maso e!ianao sy ny ao ambony ihany no mifanaraka fa sty voatery atao re laza le izy!
ary ny tiana lazaina koa dia ny hoe rehefa mankany aminy fiangonana isaky ny alahady izy dia ataoko fa tsy misy mpaka sary sy tele manaraka foana,ka ny tatitra atao miodidina sy ny fampifandraisana ilay fivavahan aminy fiandohany propagandy no resahina!
6. belaza ( 12/11/2006 10:51)
ka tsy alahady ve mo androany e? zany hoe tokony tsy nivavaka izy satry mifanindry aminy fiatombohany propagandy? ary aza adino fa ny fitondrana ny firenena izany tsy maintsy arahina ambavaka, ary na ny fitondrana ny fiangonana ary de tsy maintsy misy politika kou, na ny ao antranonlà manokana ary e. nenay de ra8 foana na tsara io na ratsy fa lany fotsiny eo ny rondohanla mikaroka hevitra andresena lahatra anay eo, tokana ny safidinay malagasy de i ra8..:-@
7. Imahaka ( 12/11/2006 10:52)
Andriamanitra aza tsy sarotiny ka 'nareo ndray no sahiran-tsaina eo. 8)
Ampiarahina amin'ny fivavahana ny asa rehetra atao dia izay no miteraka fahombiazana e
8. lagoon ( 12/11/2006 10:54)
Tsy nisy nihaino MBS anga ianareo?
Tsy nisy resaka propagande tao fa fiarahana mivavaka.
Feno hiboka aloa ilay chapiteau natsangana tery Magro Akorondrano e.

9. Imahaka ( 12/11/2006 10:58)
marary fo ireo raha vao mihaino MBS dia aleony manam-pitsofina :-P
10. akama2006 ( 12/11/2006 11:06)
belaza> tsara ny mino sy mahatoky ka!fa tandremo sao tsy lany an!

imahaka> mihaino tokoa ka ,mba ahitana taratra ny fisainany akamany!aiza moa no hitarafana ny lesoka sty avy aminy sehtra ohatra ireny ihany ve!:D:lol::lol::-D:-D
11. Penhell ( 12/11/2006 11:38)
Tsy hoe Ra8 ihany na tsara io na ratsy ohatry ny nolazain'ny namana teo aloha fa mba jereo sy diniho ny zava-misy e!Nanao daholo ange izay tonga teo fa refeso zay vita:
ohatra mpitondra iray teo alohany, na iza izy na iza;firy taona no nitondrany? ary nanao ahoana ny zava-bitany?Ny ahy ny hitako dia izay akaiky ahy:lalana Alakamisy Ambohimaha mankany @ faritra atsinana.Ra8 no nahavita iny lalana iny ary soa ihany...fa namboarina fa raha tsy izany dia (loza ary mety ho loza be) tsy hita hoe efa simba sy tokony hamboarina ny "pont" Anjilanjila,18km hiditra an'i Mananjary.Anjaran'ny hafa ny mba milaza izay misy any @ manakaiky azy tsirairay avy fa aoka mba tsy ho be fanankianana be fahatany fotsiny.Safidy koa io e!Tany demokratika isika.
12. akama2006 ( 12/11/2006 11:59)
penhell> voalazanao "...Ny ahy ny hitako dia izay akaiky ahy:lalana Alakamisy Ambohimaha mankany @ faritra atsinana.Ra8 no nahavita iny lalana iny ary soa ihany..."

ka io no tsy hitovizana; ny anao izay hita sy re,fa ny anay,izaho no marina, dia izay ao aoriana sy ny fotony!ahona no nanaovana azy ,miainga avy aminy inona ary nanao ahoana ny fomba netina nanao izany!

tsy misy miresaka taloha eto,tsy mitanisa ny vitany Tpk; Tsirnana sy didier ignace sy zafy eto,fa ny vita nanomboka ny 2002,aza tsotsorina ilay resaka!tsy maninoa izay tianao fa aza terena ho debat tsy mivoaka ny resaka taloha sy lazaina ho zavabita ilay izy!

ny zavtra tanisainao ireo anie nisy antony fa tsy miracle ka hoe vao tonga izy 2002 dia nahavita ireo e!inona no naaony raha sty nahazo vola t@fmi sy bm? inona? esory daholo ary ilay zavtra vita taminy famantsiana vola dia jereo inona sisa no niangana!
nanao ahona no fitantanana!

ary araka ny teninao ihany safidy io,dia safidy koa ny tsy ho tia azy!mety tsy tianoa izany ilay manakiana dia tsy safidy no filaza izany fa didy jadona!mihaino ny anao izahay fa sty voatery hanaiky dia mba jereo koa ny soratana dia aza ekena fa sty faly manome tsiny hoe manakina be fahatny satria izay no izy!
13. fiaritiana ( 12/11/2006 12:13)
mety afangaronareo angamba lé zvt satria raha ny fahafantarako azy dé hoe mangatam pitahiana @Atra izy alohany hanombohana zvt fa tsy hoe manao propagandy any am piangonana toy ny manao zvt rehetra iany, hanao fanadinana ohatra tsy oe hanao fanadinana any am piangonana fa mangatam pitahiana:roll:
14. besoiiin ( 12/11/2006 12:22)
akama> ka na dia ny fahaizana ninegoce sy naka ny confiance-ny BM sy ny FMI mba hivoahan'ny sosy ka nahatsapanjareo we pays credible i Mcar dia efa zavabita zany e? clé iray ahafananao mietsika sy mampandroso ny vola, toa anao we hanangana STé dia manao credit iany io, tsy voatery we tsy maintsy trandrahako aloa na ampanofaiko na amidiko ny taniko any ambanivohitra mba hanorenako sté, fa azoko atao kou ary izay ary no tsotra we manao credit @bank za de aoriko ny Sté avy eo aho mitrandraka moramora ny any antanana.
ny tiako ahatongavana @io dia ny hoe ilaina foana ary primordiale ny vola avy any BM sy FMI na dia lazaina fa misy zavatra azo trandraana ary eto mada.

ary tadidio fa bdb ny investissement vaovao azonty fanjakana ity fa tsy voatery we ireo hetsika na projet talou(continuité de l'etat)daholo akory ireo notanterahana rehetra ireo
15. akama2006 ( 12/11/2006 13:08)
besoin> bedb ny investissement? inona avy izany raha sty mahadiso ny manontany!

miresaka negoce i besoin!marina iznay fa jereo ihany koa ny zava misy dia ny fitrandrahana aminy fomba tsy manome tombotsoa ho any malagasy any aoriana ireto harena isankarazany!
petrole,ilmenita,vato etc...!fahiny dia sarotiny ny fanjakana aminy fitrandrahana io fa izao dia omena ny vahiny ho trandrahany nef ny takalony sady tsy misy dikany no maivana be!
16. bazylou ( 12/11/2006 13:31)
Oaka re marina ry zareo, ny tsindrona sy ny tsolotra etsy ambadika manginy fotsiny..
Ary ahoana ny momba ity vola trosaina etsy sy eroa ity dia ny harena eo antoerana no hanefana azy e ???
Hita be hoe tsy mahavita azy fa misolelaka fotsiny ilay gasy sy ry ra8!! fa angaha eo an tanana tsy misy olona ?
17. fiaritiana ( 12/11/2006 13:52)
ka mirotsaha rah mahavita e!!:b
18. isrine ( 12/11/2006 13:59)
Ka efa nirava ve ny fivavahana e? De nisy fizarana mofo ve? Raha toa mantsy ka nisy fizarana mofo de midika fa mifangaro @ propagandy ilay vavaka natao.
19. Fiffi ( 12/11/2006 14:00)
Imahaka:
Andriamanitra aza tsy sarotiny ka 'nareo ndray no sahiran-tsaina eo. 8)
Ampiarahina amin'ny fivavahana ny asa rehetra atao dia izay no miteraka fahombiazana e
zah mba gaga !


20. kitjo ( 12/11/2006 16:17)
tsy maintsy mi kritika foana...
inona no olana @ fanopoam-pivavahana anokafana propagandy?
ny andro rahateo alahady!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1211