Agnostika

1. xxx ( 09/11/2006 23:33)
Rehefa namaky ny sasany amin'ny voalaza ao amin'ny site n'i Tsimiandravola ( http://www.geocities.com/tsinisijesoa/setrimpandavana.html )aho dia manamafy fa NA misy aza andriamanitra dia mazava fa tsy fantatra ny isany:mety ho iray mety ho maro.Fa ny tena siora aloha dia tsy ny andriamanitry ny jiosy mihitsy ilay izy,izany hoe tsy i Jehova mihitsy,ary tsy i Jesoa kristy mihitsy satria i Jesoa araka ny voalazan'i tsimiandravola dia tsy nisy.Alefaso indray ary ny adihevitra!
répondu par prime le 27/11/2006 12:30
2. LazaDaddy ( 10/11/2006 00:12)
" Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy" Isaia 64:3

Fa "iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy?". Fa izahay manana ny sain'i Kristy. 1 Kor 2:16
3. prime ( 10/11/2006 14:55)
"[Ny namerenan'Andriamanitra ny teniny tamin'i Mosesy] Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;" Eksodosy 6:2

Hoy Jesosy : "Izaho sy ny Ray dia iray ihany." Jaona 10:30

"Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay." I Jaona 5:20

"Isan'izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an'izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao." I Jaona 4:5
4. Imahaka ( 10/11/2006 17:16)
xxx> Tokana Andriamanitra Andriananahary. Tsy iadian-kevitra izany fa mahazo mandany roan-doha ao 'nareo.
5. xxx ( 10/11/2006 20:22)
Izaho no lalana sy fahamarina, tsy misy afaka mankany amin'ny ray raha tsy amin'ny alalako hoy Jesosy. Andriamanitra izay Ray, Zanaka ary Fanahy Masina izay Telo izay Iray ihany no nahary izao tontolo izao. Maro ny andriamanitra izay hiankohonan'ny olona fa tsy misy na iray aza tsy mino fa manana Atra iray lehibe izy dia izay Andriamanitra lolohavina an-tampon'ny loha. Mino ny fisian'i Jesosy izy, mino ny nahaterahany,izy nohombohana tamin'ny hazo fijaliana, nitsangana tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo, mino koa izy fa izy no mesia sy mpaminany. Hatreo, ny andriamanitry ny sasany dia eo ambanin'ny Atra iray lehibe ary ireo no hiankohonany, ny filozofia dia be hitovizana, manao ny marina, manao asa tsara, manavaka ny ratsy sy ny tsara, tsy mamono olona,sns. Ny mahasamihafa azy dia isaky ny zavatra rehetra izao dia misy atra kely hiankohonany toy ny omby, ny elefanta, ny zavamaniry.Ny antsika Atry ny velona fa ny azy atry ny maty, ny sampy,ny indo ohatra dia manana atra vavy izay misy rantsan-tanana maro misy bibilava, vavahan-dry zareo io ary rehefa mangata-javatra ianao hoy ilay mpivavaka amin'io dia omeny izay tadiavinao rehefa manao ny tsara sy marina ianao, rehefa mivadika aminy kosa ianao hoy izy ka manao ratsy dia mety hiafara amin'ny fahafantesanao mihitsy koa aleo tsy mivavaka aminio atra vehivavy io. Ny anareo hoy izy misy taonany daholo ny fotoana rehetra ao anaty baiboly sy ny olona izay nomen'Atra tsindri-mandry, ny anay tsy fantatra hoe hoviana no niforona tsy misy porofo toy ny anareo
6. xxx ( 10/11/2006 20:43)
Manampy ny voalaza eo ambony eo koa aho dia ny indo ihany io. Manana a/tra maro ry zareo ary ny omby no hivavahan'ny sasany hono. Ny antony? lany taranaka hono ny omby tamin'ny voalohany dia tsy tiany ho haninana intsony ka lasa nataony masina ilay izy taty aoriana.Ny sasany ary rehefa maty ny fianakaviana dia ohanina ny fatiny amin'izay ny fanahin'ilay maty iny ihany no ao amin'izy rehetra.Gay, ahoana no fihinanako ny raiko na reniko? Ny ankohokely sy trondro kely nohalehibiazako aza tsy tiako hohanina sady tsy foiko fa mampalahelo ahy. Ny botista koa dia mitovy ny fomba kristiana eo ambony io saingy misy fiangonana izay antsoiny hoe temple hiangohonany isan'andro ary misy mastera any amin'ny toerana hafa. Marary ianao dia miantso azy amin'ny telefonina asiana rano amin'ny tavoahangy ary miresaka aminy ianao dia vavahany ao anaty telefonina io rano io dia io no sotroinao.Santionany ireo, ny mivavaka amin'ny saplet borobory eny an-dalana ahodikodina ilay izy, mitovy ny celtika na mpanompy sampy ilay izy fa manahirana moa ny manevateva ny finoan'ny olona hafa satria mbola tsy tonga ny antson'A/tra ho azy ka izany no mbola mahatonga azy mandaha sy mivavaka amin'izao sary vongana sy sampy izao.TSY MISY MIHITSY NA IRAY AZA MAKANY AMIN'NY RAY RAHA TSY AVY AMIN'NY ALALAKO HOY JESOSY.A/TRA VELONA SADY MAHERY NO MAMALY VAVAKA 24H/24H NY A/TSIKA KOA RAHA HIVAVAKA SY AHITA VALIM-BAVAKA HAINGANA IANAO DIA ANTSOY DIRECT IZY. MIVAVAHA MIVANTANA AMIN'I JESOSY FA IZY NO HITONDRA NY VAVAKA ATAOTSIKA HO ANY AMIN'NY RAINY. ANDRAMO KA ZAHAO FA TSARA IZY.
7. tsimiandravola ( 10/11/2006 21:52)
Inona daholo ary ity rediredy rehetra ity?:(
Ny fahamarinana azo itokisana dia ny tsy fisian'i Jesosy ara-tantara ihany.Ny amin'i Jehova indray dia tsara ho azy ny tsy misy satria raha misy izy dia efa lasa vongantsira ahy ho'aho hatrizay!Jereo fotsiny izao ny safo-drano,aringany daholo izay manadala azy rehetra.Izany no atao hoe rain'ny intolérence sy ny génocide mihitsy.Dia baiboly toy izany no apetraka ampelatanan'ny ankizy any antsekoly?????sy ampianarina azy ireo?

Fantaro koa fa angano avy tany Summer anie ny safo-drano e.Ny paradisa tao Edena anie dia torak'izany koa e!Ny tilikambon'i Babela dia mbola angano daholo ary fantatra daholo ny nihaviany. http://www.bible.chez-alice.fr/
8. Zina ( 10/11/2006 22:18)
Dia tena mampalahelo mihitsy ity fisainanao ry tsimiandravola...
9. Zina ( 10/11/2006 22:21)
dailynews [ Valio ] 10-11-2006 15:48:01
Lohateny : Re : Agnostika
misaotra an i lazadaddy, prime, zina, fiffi, dia ilay iray izay tsy mety mitonona anarana...(

misaotra betsaka
10. xxx ( 10/11/2006 22:27)
Izaho koa ry zina dia mitovy hevitra aminao, tsy te-hihaino ny marina izy ( tsinmiandravola io)fa mbola tsy nisy nanjo azy. Ny fandripahan'Andriamanitra ny zavatra rehetra dia efa voasoratra ao anaty baiboly, ary ny hoe hitsangana tsy ho ela ny anti-christ dia efa eo izy io, manasa ny sain'ny sasany ary mamela ny satana hamoha ny vavahadin'ny fony. Moa tsy fantatrao fa ao anatin'ny fahoriana sy fangirifirina no mitady Azy isika, raha tsy misy mahazo ny olona aiza izy no hitaraina sy hivavaka?Aoka isika hivavaka hoan'i tsimiandravola fa tsy fantany izay hataony
11. dailynews ( 10/11/2006 22:30)
Ny hany azoko lazaina dia mampalahelo be ianao, ilay nanoratra sy tsimiandravola moa izany ary mino aho fa olona iray ihany aloha io.
ny hivavahako dia mba hahafantatra ny marina ianao indray andro any, izay no mba faniriako fa grave be ny zavatra hinoanao.
Atra mbola mampiasa olona eo ambony ireo sy olona maro eo amin ny fiainanao hampiverina anao Aminy ary te hilaza Izy fa tiany ianao ary tsy tiany ho very. Aza atosika Izy, fa na inona na inona hinoanao androany rehefa mifona Aminy ianao dia hamela anao Izy.
andramo ka izahao fa tsara Jehovah.
Tiako ho fantatrao izany na dia tsy hino izany aza ianao androany.





12. dailynews ( 10/11/2006 22:34)

misaotra betsaka
[/quote]
:wink:

13. tsimiandravola ( 10/11/2006 23:06)
Raha averiko eto ity tenin'i Laza Randria ity (izay niova ho Laza Daddy ankehitriny ,ary fantatro fa pasitera nanao teologie) dia toy izao izany:

"Atao inona anefa izany? AMPY AHY NY fahafantarako fa tonga namonjy antsika izy, ary mbola hiverina haka antsika. TSY ILAIKO FANTARINA AKORY HOE RAHOVIANA. Ny adihevitra tsy ahitan-tsoa ankoatr'izay tsy dia ilaiko loatra satria manome vahana fifanjevoana"

Ny azo lazaina dia tsotra:
-Mitovitovy amin'io daholo ny valin-teny avoakan'ny mpino rehetra.
-Mampiseho "fiforetan-drambo"(tsy fahasahiana miatrika ny fahamarinana) ny fihetsika toy izany.Ka rehefa tsy mahatanty ny fahamarinana dia mamono (farafahakeliny,maneso sy manenjika ary manompa amin'ny hoe "satanika" sy "devoly",eo koa ny fanozonana ny tsy mpino ho any amin'ny afo tsy maty sy ny fikitrohanify toy ny efa niseho hatramin'izay.Izany no loharanon'ny intolérence nisy teo amin'ny tantaran'ny Eglizy hatrizay.
-Hay ve ka miaiky ianareo fa misy ny fifanjevoana ê!Izany amiko dia efa "aveu" mazava tsara ary tsara haely.
-Averiko kely indray ireto hoe "ampy ahy ny..." Atao inona nefa?....";"tsy ilaiko ny..."
-Izay mieritreritra ny tenany ho voafitaka dia aoka hanana zoto fa tsy ho kanosa ka hampiseho "lâcheté" toy ireo môpera te hikomaka ary tena mikomaka vehivavy ambadimbadika fa tsy sahy mijoro amin'ny mahalehilahy azy.

Izany tompkolahy sy vavy no mbola tsy ampy amintsika avy any amin'ny tany mahantra:mba manana an'ilay voany ihany fa tsy sahy ajoro aseho masoandro.

Mbola hitohy.
14. tsimiandravola ( 10/11/2006 23:18)
Misy koa ny mieritreritra fa tsy mahay baiboly aho!!!Hahaha!Olona tsy mahalala na tsy mahay baiboly rey olona tsy afaka miteny toy ny fahasahiako miteny â! Mbola ananako ato an-trano daholo ny équipement (tracts,Bibles,concordence...)nanaovako GBU sy nanaovako fitoriana ny filazan-tsara (Autorisation de colportage délivrée par la préfecture).Dia iadivo hevitra indray ary lazao fa mbola tsy latsa-paka tamiko itsy sy iroa....!
40 taona aho ho'aho kristianna foana!Katolika no niantombohany,dia lasa evanzelika ,avy eo dia lasa tsy mpino .
Hitohy!
15. LazaDaddy ( 11/11/2006 00:34)
tsimiandravola:
Raha averiko eto ity tenin'i Laza Randria ity (izay niova ho Laza Daddy ankehitriny ,ary fantatro fa pasitera nanao teologie)
Fa inona no mahatonga anao miteny izany? Ahoana no nahafantaranao an'io? hahaha! :wink:
16. Achia ( 11/11/2006 06:25)
Tena mampalahelo ianao zany ry Tsimiandra vola a ! fa de inona loatra no nahatonga anao ho lasa tsy mpino toizany , tafitohina t@ nataon'ny hafa ve ? ary ianao milaza fa mahay baiboly de tsy nahita teny fampaherezana ano tao ve ianao , tadidio nefa fa misy ny teny hoe : fa tsra @ no tsy nahalala koa vereno raisina ny baibolinao fa ATRA hanome anao ny teniny ho famelomana anao . Fa zanaka adala iza moa no niala tao antranondrainy no tsy ho raisiny @ fiverenany , mitrotro amgavaka anao mandrankariva ny namana , amen
17. booboo ( 11/11/2006 10:25)
mba manakory re ity raha ity raha samy ho tonga eto aby hifampitory teny ny finoana samy hafa e ....

eritreritra sendra nandalo tsy aritro ...
18. sonwin ( 11/11/2006 16:48)
nanakory tokoa re e 8)
19. dailynews ( 11/11/2006 18:52)
LazaDaddy:

tsimiandravola:
Raha averiko eto ity tenin'i Laza Randria ity (izay niova ho Laza Daddy ankehitriny ,ary fantatro fa pasitera nanao teologie)
Fa inona no mahatonga anao miteny izany? Ahoana no nahafantaranao an'io? hahaha! :wink:

hay nareo mifankafantatra an.


20. dailynews ( 11/11/2006 19:12)
Tsimiandravola a, fa inona marina anefa no nahatonga anao hiverindalana raha izany, raha efa nahafanatra sy nitory ianap dia naninona no tena nitodika 360 degre? tsoriko aminao fa latsaka ny ranomasoko nahita hoe olona nitory mihitsy aza ianao taloha.

ny olona tao ampiangonana ve?? raha ny olona tao ampiangonana mantsy dia izao=> araka ny nolazain ny pasiteranay izay izay tena nampahery ahy dia izao no nolazainy. Rha mbola ny olona manodidina hoy izy no jerena reo dia ho reraka vetivety be mihitsy nareo fa tadidio hoy izy fa Jesoa niteny hoe "manaraha ahy" fa tsy hoe manaraha fombafombampivavahana, na pasitera na ny mpiangona..fa raha vao izay no adino dia manjary sorena amin ny olona manodidina satria ny kristiana tsirairay dia mbola mianatra mandeha daholo, marina fa efa misy ny mandeha haingana sns..fa tsy misy tanteraka daholo, eny na pasitera na mompera aza....(indrisy) fa i Jesoa no niantso hoe manaraha Ahy...fa tsy ireo olona ireo..namana miara mandeha eny andalana daholo ireo.

sa tsy nahazo valimbavaka ve ianao? misy anie ny fotoana izay tena ela no hahazoana valimbavaka e. Matetika ny Tompo dia manome valimbavaka rehefa hitany fa mahatanty valimbavaka ny olona iray, indraindray mantys ny mpino dia mangataka fitahiana anefa mety mbola tsy mahazaka fitahiana... fa raha vao mahazo iny fitahiana iny dia miala amin ny Tompo dia efa fantatry ny Tompo izany dia tefeny aloha ilay olona mandra pahazakany azy sns....
Ary ny antony valimbavaka dia ny mba hanadratana ny Tompo hatrany amin izay soa rehetra azo. (mbola azo resahina betsaka io ary tsy io ihany ny resaka valimbavaka na valiny tsia io na eny....)

sa inona ihany koa???
lazao anay eto ary e. Izhao tsimiandravola dia tena hivavaka ho anao amin ny foko..tsy mampiresaka hao milaaz izany...fa mahereza..na inona na inona lazainao, tsy olana izany fa tadidio fa namanay ihany ianao h@ izao saingy niverindalana..ary adidi ny mpino izay mahalala no mitondra ambavaka anao ihany koa satria dia olona mifampitantana isika rehetra ho any amin ny tanjona..mbola ety andalana ..raha misy ny mianjera dia ho avy ny namana iray hampitraka sy hampiakatra... ary raha mianjera aho dia ny namako hafa no hampitraka ahy...

mbola ety andalana daholo isika matoa mbola velona... araka ilay lazain i achia amin ilay resaka zanaka adala..( fantatrao tsara io tantara io)..na dia niala aza ianoa..mbola miandry Atra.

mahereza na dia izany aza ny finoanao aloha izao...(l)


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.39