Agnostika

21. LazaDaddy ( 11/11/2006 20:48)
dailynews:
hay nareo mifankafantatra an
Ka io no mampitsiky ahy ry DN fa miseho ho mahita ny mihafina ny mpaminany sandoka tsimiandravola kanefa diso daholo izay ambarany. hahaha! Sady tsy pasitera aho no tsy nanao theology araka ny nambarany. :)


22. dailynews ( 11/11/2006 21:14)
LazaDaddy:

[quote=dailynews]hay nareo mifankafantatra an
Ka io no mampitsiky ahy ry DN fa miseho ho mahita ny mihafina ny mpaminany sandoka tsimiandravola kanefa diso daholo izay ambarany. hahaha! Sady tsy pasitera aho no tsy nanao theology araka ny nambarany. :)
/quote
zay ve moa nahalala koh...:wink:


23. LazaDaddy ( 11/11/2006 21:23)
DN> mety hiteny indray izy @ manaraka hoe fantany fa masera aho. :-D:-D:-D:-D:-D
24. dailynews ( 11/11/2006 21:41)
:roll:
25. cutie ( 11/11/2006 21:41)
:-D:-D:-D:-D:-D
26. dailynews ( 11/11/2006 22:57)
oay dia saika hitantarako zavatra ihany koa i tsimiandravola.
izaho izany tamin ny vao tonga teto, dia mba tonga dia mba nazotozoto hiditra amin ireny fikambanana tanora sns..ireny.
dia niditra T@ fiangoanna iray aho dia nandeha t@ fivorian ny tanorandry zareo ....inona hoy ianao no nitranga.
fantary ry zareo tsara aho fa vaovao an, tsy nisy ny presentation na ny kely aza...
dia nisy fiarahana misakafo..dia inona no nitranga...ankizy vavy iray izay ihany no mba niresaka tamiko..dia nony avy eo anefa lasa izy fa nisy zavatra nandehanany dia izaho irery no teo nipitrapitra, ny olona rehetra miaraka miresaka daholo...sady menatra be aho no hafahafa be no nalahelo be....

hitanao zavatra tahaka izany raha tsy Atra no arahinao dia tonga dia kivy be ny tena hoe..ireto kristiana ireto koa, tsy hivavaka intsony aho satria aho nataondry zareo an izao, ..tena tao antsaiko mihitsy izay. nalahelo be aho... ..izao anefa no tsy nahataitra ahy na dia nalahelo be aza aho..hoy aho hoe an an an ...olombelona ihany ireto fa Jesoa no arahiko..tsy ireo mihitsy no tsy handehanako miangona sns.... fa Jesoa no niteny hoe Manaraha Ahy fa tsy ireo olona ireo, Jesoa no maty teo amin ny hazo fijaliana fa tsy ireo olona ireo....dia izay no fiononako t@ izay...

ny tiako lazaina dia hoe..raha olona no nialanao t@ Tompo dia eritrereto fa olombelona ihany ireo na kristiana aza. Miverena fa mbola tia anao Izy tahaka ny nitiavany anao t@ voalohany, tsy miova Izy.

27. xxx ( 12/11/2006 04:11)
tsimiandravola:

Inona daholo ary ity rediredy rehetra ity?:(
Ny fahamarinana azo itokisana dia ny tsy fisian'i Jesosy ara-tantara ihany.Ny amin'i Jehova indray dia tsara ho azy ny tsy misy satria raha misy izy dia efa lasa vongantsira ahy ho'aho hatrizay!Jereo fotsiny izao ny safo-drano,aringany daholo izay manadala azy rehetra.Izany no atao hoe rain'ny intolérence sy ny génocide mihitsy.Dia baiboly toy izany no apetraka ampelatanan'ny ankizy any antsekoly?????sy ampianarina azy ireo?

Fantaro koa fa angano avy tany Summer anie ny safo-drano e.Ny paradisa tao Edena anie dia torak'izany koa e!Ny tilikambon'i Babela dia mbola angano daholo ary fantatra daholo ny nihaviany. http://www.bible.chez-alice.fr/

Olona niverin-dalana ny anareo koa aza mandany andro miadi-hevitra aminy eo. Aza omena ny kisoa koa ny vatosoa fa ny fotaka ihany no fantany.Manana sofina izy fa tsy naheno,manana maso izy fa tsy nahita, manana tanana izy fa tsy nahatsapa.Izay nataon'ny monpera any azy ho azy ny azy fa samy mbola tsaraina daholo ny tsirairay.Maninona ny olona mivavaka? Satria samy efa nanota sy mbola mpanota ka mangataka famelan-keloka. Raha misy iray na roa aminareo mangataka amin'ny anarako dia eo afovoany aho.Maninona no tsy mitantara ny zavatra nataonao ianao ka nahatonga anao niverin-dalana? Alefaso aty aminay izany fianarana soratra masina izany fa izahay mbola liana te-hianatra sy andalina azy.

O
28. xxx ( 12/11/2006 04:32)
Tsimiandravola. Afaka manampy ny andro hiainanao ve ianao na iray minitra aza? Vavolombelona aho fa misy A/tra ary nisy sy mbola miandry antsika tsirairay hiverina izy. Ao anaty fahoriana no ahitanao sy hitadiavanao azy. Raha manana ianao dia mihevitra ny tenanao fa ny herinao daholo no nahazoana.Nandalo taty am-pitandranomasina aho ary nandray anjara tamin'ny fitoriana ny filazan-tsara. Vahoaka maro efa ho 70.000 isan'andro eo ho eo eraky zao tontolo izao no tonga nanantona nivavahana, nositranina,nalana demony, nohamasinina. Telo andro no nahatongavan'ny pastera iray teo amin'ilay toerana.Ny masoko no nahita zazakely narary sitrana, malemy maro afaka nandeha, izaho izao no nanoro ny toerana tokony hipetrahan'ireo narary malemy natosika tamin'ny posoposy.Ny masoko tsy nahita soratra kely fa mila manao solomaso, sitrana. Olona voan'ny katarakta ny masony ,sitrana, tanana malemy tsy afaka nitsangana afaka.Olona maro isan'andro no nanantona sy niverin-
dalana,voavonjy ary sitrana soa aman-tsara. Mbola misy ny tenin'i jesosy hoe ataoko ho tonga mpianatro ianareo: hamoaka demonia, hanasitrana ny marary, hampitsangana ny malemy.Mbola misy ary nisy izany hatramin'izao,koa aza manao an'Atra tsy misy ka hitsambiki-mikipy.
29. tsimiandravola ( 12/11/2006 22:49)
DN:
fa inona marina anefa no nahatonga anao hiverindalana raha izany, raha efa nahafanatra sy nitory ianao dia naninona no tena nitodika 360 degre? tsoriko aminao fa latsaka ny ranomasoko

-1)Tsy hitako loatra izay maha zava-dehibe ny ahafantaranao ny antony marina ankoatry ny fitiavako ny \"fahamarinana\" kanefa na izany aza dia lazaiko ihany:
DN:
ny olona tao ampiangonana ve?
Misy fahamarianny io,fa tsy io ihany:mba fantatro ihany ny \"condition humaine\",azo lazaina fa misy ny tsy vanona,misy kosa ny sincère\" fa tsy dia hoe fakofakon\'olona daholo akory ny olona?Tsy azo atao ny mandray ny olona rehetra ho vorik\'aty.Ny azo lazaina dia ny maha olom-boafitaka ny maro na dia tsy vonona ny hanaiky izany aza izy ireny.
DN:
Raha mbola ny olona manodidina hoy izy no jerena reo dia ho reraka vetivety be mihitsy nareo fa tadidio hoy izy fa Jesoa niteny hoe \"manaraha ahy\" fa tsy hoe manaraha fombafombampivavahana, na pasitera na ny mpiangona..fa raha vao izay no adino dia manjary sorena amin ny olona manodidina
Marina dia marina izany voalazan\'i Pasitera izany ary mieritreritra ve ianao fa tsy takatro izany ,ary mieritreritra koa ve ianao fa izao izany vao henoko? Tsy ny pasiteranareo ihany no miteny an\'izany fa na izaho izao mihitsy aza dia efa nihezaka mafy nanarina ireo izay nanankina ny finoany tamin\'ny evangélisation n\'i Jimmy Swaggart (Télé Monte Carlo),vao latsaka tamin\'ny \"fahotana\" i Lery dia nangatsiatsiaka sy kivikivy ny olona fantatro nankafy ny filazantsarany (ohatra ny anabaviko izay niara manaraka amiko ilay fandaharana).I Kristy hoy aho jerena sy arahina mantsy azy....
Ataoko fa diso ianao raha mieritreritra fa tsy fantatro izany!
Ka eo indrindra isika izao...Tsy ny kristianina loatra na ny pasitera fotsiny no jereko,fa indrindra indrindra ny fahamarinana momba an\'i Jesoa Kristy.Araka ny voalazan\'ny baiboly rahateo manao hoe \"Je considère tout comme une ordure à cause de l\'excellence de la connaissance de Jésus...\":hitanareo amin\'izany ny maha zava-dehibe an\'i Jesoa Kristy eo amin\'ny finoana satria izay rahateo no fototra ijoroan\'ny atao hoe \"salut\".Ny fahafantarana an\'i Jesoa noho izany dia zava-dehibe,ary tsy ampy ny fomba fiteny eran\'izao tontolo izao hanehoana ny hatsarany.Ka arakaraky ny hiakaranao ny tohatry ny fahalalana azy no mahaavo ny toerana hianjeranao.Ka noho izany fahalalana azy izany indrindra no nahatonga ahy hahatsapa ny tsy nisiany ara-tantara avy eo,satria raha ny lazany sy ny zava-bitany fotsiny (izay voatatitry ny baiboly rahateo) no jerena dia tsy ho nisy mihitsy ny \"ambiguité\" mikasika ny nisiany ara-tantara.Inona nefa no zavatra tsapa?Ny zavatra tsapa dia na izaho izao aza,izaho sy ianao izay miaina amin\'ny 21 ème siècle dia mbola miaina foana amin\'izany tsy fahamatoran\'ny fisiany ara-tantara izany.Na ny boky kristianina izay nosoratan\'ny mpino malaza aza (tsy tadidiko ny réference) dia mbola mitondra ny lohateny hoe :\"hypothèse sur Jésus\",ary tsy izay ihany fa mbola be dia be.Dé aiza ve dé olona nisy ara-tantara dia mbola azo isian\'ny resaka ihany hatramion\'izao.Dia izay no nahatonga ahy handalina ary nahatsapako fa ny fahamarinana dia ny tsy fisiany.

Vokany=fitaka daholo ny famonjena voalaza fa nifantoka amin\'ny fahafatesany teo amin\'ny hazo araka ny voalaza hoe \"maudit soit celui pendu au gibet\" (tadidiko foana io verset io ,ary midika hoe voaozona ny olona nahantona amin\'ny hazo).
-Voafitaka daholo koa izany ny mpino ary anisan\'ireny ny havako sy ny mpiray tanindrazana amiko izay nobaboin\'ny vazaha mpanjanan-tany ka nangoleny tamin\'ny kristianisme hatramin\'izao.Io dia mifanaraka indrindra amin\'ilay tantara kely hoe:\" Ils sont venus nous avions la terre et eux ,la bilbe.Ils nous ont appris à prier les yeux fermés,quand on a ouvert nos yeux,ils ont la terre,et nous avons la bible\".
-Andro lany fotsiny noho izany ny fivavahana amin\'ny olona tsy nisy.
-Faty antoka bevava ny nahaverezan\'ny vakoka nentin-drazana nohon\'ny kristianisme sy ny civilisation tandrefana,satria ny antsika ny fomba nentin-drazana rehetra dia voarora,voahosompotaka satria eritreretin\'ny kristianisma ho fakofako.Tsy nohatsaraitsika mihitsy izy noho izany mba hifanbaraka amin\'ny toetr\'adro ara-ekonomika sy fiainana moderna,fa navelantsika teo mba ho mora ho an\'ny kristianisma ny manaraby azy sy manoso-potaka azy mba hanariantsika azy.(Contraire an\'izany ny niseho teo amin\'ny an\'ny Japoney ohatra,mandroso be i Japon nefa ny soatoaviny dia notazoniny)

Noho izany dia \"saro-piaro\" koa aho ,satria tiako ny ahy.

Averiko eto indray koa fa lava dia lava ny lisitra mikasika ny voka-dratsy aterakyu ny fivavahana (indrindra ny silamo sy ny kristianisma),ary izany dia momba ny pages noires du christianisme izay tsy zoviana amintsika intsony.

Be resaka ery isika miaro ny kristianisma manao hoe :i Kristy jerena ary Andriamanitra ivavahana sy itokiana fa tsy ny zava-dratsy ataon\'ny olona sy ny sisa.Lazaina koa nefa etsy andanin\'izany fa ny voankazo no ahafantarana ny hazo.Ka rehefa ny pages Noires ve no betsaka,inona no isalasalana ny ilazàna fa ilay système no \"foiré\"!!!!

Sa ianareo hanao toy ny Silamo koa!Efa hita izao fa ny islam no rangory fototry ny afo dia mbola lazaina ihany fa ny olona no manolana ny fampianaran\'i Ramahomet,mitovy tsisy hafa ianareo raha izany no ataonareo.Dia lazaovy indray koa fa tsy misy ifandraisany izany satria fampianaran-diso ny Silamo,fa ny anareo ihany no marina.Dia lazaovy koa fa tsy misy miracle de guérison sns koa any amin\'ny Boudhisme sy ny hindouisme ary ny Silamo fa ny any lourdes sy any Ankaramalaza ihany no misy miracle,...
( hitohy)
30. tsimiandravola ( 12/11/2006 23:36)
xxx:
Afaka manampy ny andro hiainanao ve ianao na iray minitra aza?
Azon\'ny olombelona atao ny mitana ny ain\'ny olona amin\'ny alalan\'ny respirateur.Valy boraingona io ataoko io mba itaritako ny sainao fa ny fanontanianao dia fanontaniana \"boraingona\".Dia inona izao no tediavinao ho porofoina amin\'izany???Mba lazao kely amiko hoe!:D
xxx:
Ao anaty fahoriana no ahitanao sy hitadiavanao azy
Eto dia mampahatsiahy antsika ny antsoina hoe \"impulsion de mort\" misy ao amin\'ny mpino monothéiste (araka ny nazavain\'ny mpanoratra iray izay):ny fijaliana,ny fahoriana,ny fahantrana ,ny hanoanana,ny aretina,ny taintaina ...eny fa indrindra indrindra fa na dia fahafatesana aza dia irina ,tediavina ..;satria inoana fa fomba fandraisana anjara amin\'ny famonjena (samy manana an\'io daholo na ny protestant aza,fa indrindra indrindra any amin\'ny katolika).Raha raisintsika ohantra ny an\'i Mera Théréza:izy tenany no mpino sy manana ny culte de la douleur dé ny hospice (=mouroir) any inde izay iandraiketany sy hi-zestevany no tsy asiany analgésique ,fa aleony mivavaka mba hitambaran\'ny taintaina mahazo ilay ambavahoana amin\'ny taintaina nahazo an\'i Kristy teo ampialana aina (hono). Résumé=pas de produit anesthésiants dans ses mourroirs malgré les dons venant du monde entier,qui lui servaient plutot à ouvrir plus de 400 couvents à travers le monde=elle fait plutot de proselytisme.
xxx:
Telo andro no nahatongavan\'ny pastera iray teo amin\'ilay toerana.Ny masoko no nahita zazakely narary sitrana, malemy maro afaka nandeha, izaho izao no nanoro ny toerana tokony hipetrahan\'ireo narary malemy natosika tamin\'ny posoposy.Ny masoko tsy nahita soratra kely fa mila manao solomaso, sitrana. Olona voan\'ny katarakta ny masony ,sitrana, tanana malemy tsy afaka nitsangana afaka.Olona maro isan\'andro no nanantona sy niverin-
dalana,voavonjy ary sitrana soa aman-tsara. Mbola misy ny tenin\'i jesosy hoe ataoko ho tonga mpianatro ianareo: hamoaka demonia, hanasitrana ny marary, hampitsangana ny malemy.Mbola misy ary nisy izany hatramin\'izao,koa aza manao an\'Atra tsy misy ka hitsambiki-mikipy.
Raha olona mahalala menatra ianao dia tsy hirediredy toy izao intsony,satria mbola maro lavitra ny olona izay mila miracle,ary manatona ny toerana misy pasitera sy misy vierge marie sy misy koa mpaminany sandoka voalaza fa mahasitrana amin\'ny anaran\'i Jesoa.Ireny olona mila miracle ireny nefa tsy mba mahazo fa alina eny fotsiny ny androny.Ny zavatra miseho rehetra lazaina fa miracle dia tsy mba tonga amin\'ny tenany mihitsy fa amin\'ny tenan\'ny hafa foana no voalaza fa tonga.Ary ny saka be loha ny amin\'izany dia tsy tambo hisaina mihitsy.Ohatra fotsiny amin\'izany ny miracle maro voalaza fa nahasitrana izay ampiarahana amin\'ny fanafody ihany koa.

Na inona na iona rahateo mirakle voalaza dia tsy mampiova n\'inon\'inona izany eo amin\'ny inexistence historique du Christ.
31. dailynews ( 12/11/2006 23:42)
tsimiandravola >:cry:
32. LazaDaddy ( 12/11/2006 23:58)
Fa i tsimiandravola raha ny fijery azy toa tsy pasitera sady tsy masera nefa koa tsy mompera fa...monstera. :-D:-D:-D:-D
33. tsimiandravola ( 13/11/2006 00:13)
Olona niverin-dalana ny anareo koa aza mandany andro miadi-hevitra aminy eo.
Ilay Kristianna namako izay,ary anisany nahalalako ny evanjely ka nahatonga ahy ho evanjelika tamin'izany andro izany dia niady mafy mihitsy mba hanamporofo amin'ny témoin de Jehovah fa mbola tsy TJ hatramin'izay niainany,noho izany dia tsy mpivadika ,na mpiverin-dalana.Ny mpiverindalana na mpivadika mantsy dia voarara tsy ho azo iresahana akory amin-dry zareo.Ataoko fa mazava ny anton'izany na dia tsy lazaina aza:dia satria izy ireny dia mahafantatra bebe kokoa,ary amin'ny antsimpirihiny mihitsy aza ny amin'ny finoana arahin'ilay sekta,sy ny fikafika ara-bola sy ara spiritoaly sy pouvoir ao amin'ny tafo etc.

Noho izany indrindra no ahasahiako mihantsy,satria mieritreritra ny tenako aho fa vatolampy azon'iza n'iza andihizana tsara.Tsy misy noho izany afaka mitsara ambony ihany ,toy izay efa niseho,ka milaza fa tsy ampy fahalalana baiboly aho ,ary tsy ampy fahalalana an'ilay kristy ampianarin'ny baiboly.Teneniko izany ,tsy hoe te hizesta akory fa mba te hilaza fotsiny amin'ireo olona izay tsy ampy fahalalana noho izaho ny amin'i Kristy,nefa maniraka ahy mamaky baiboly sy mandalina ny zavatra efa voalaliko lavitra noho ny nataony ...

Ka toy izao indrindra no anisan'ny fihetsika fanaon'ny sekta sy ny mpapihatra ny pouvoir ecclésial amin'ny daholobe.Fomba fihetsika automatika fotsiny izao fandrarana izay ary mifanandrify foana amin'ny efa voalazan'i Laza Daddy toy ity:
"Atao inona anefa izany? AMPY AHY NY fahafantarako fa tonga namonjy antsika izy, ary mbola hiverina haka antsika. TSY ILAIKO FANTARINA AKORY HOE RAHOVIANA. Ny adihevitra tsy ahitan-tsoa ankoatr'izay tsy dia ilaiko loatra satria manome vahana fifanjevoana"

Ny azo lazaina dia tsotra:
-Mitovitovy amin'io daholo ny valin-teny avoakan'ny mpino rehetra.
-Mampiseho "fiforetan-drambo"(tsy fahasahiana miatrika ny fahamarinana) ny fihetsika toy izany.Ka rehefa tsy mahatanty ny fahamarinana dia mamono (farafahakeliny,maneso sy manenjika ary manompa amin'ny hoe "satanika" sy "devoly",eo koa ny fanozonana ny tsy mpino ho any amin'ny afo tsy maty sy ny fikitrohanify toy ny efa niseho hatramin'izay.Izany no loharanon'ny intolérence nisy teo amin'ny tantaran'ny Eglizy hatrizay.
34. xxx ( 13/11/2006 01:25)
Maro ny finoana hitanao sy nandalilininao saingy indrisy nanara-drenirano ianao ary tsy hafanenjika amin\'ny finoana hafa aho fa izahay dia samy mahalala ny tena fivavahana.Tsy omeko tsiny ianao fa tany amin\'ny fivavahana izay tsy izy no nandehananao. Pastera dia olombelona toy isika saingy be ny mpamingana azy noho izy mpitondra fivavahana, be mpitsikera, be fahavalo, toy ny rehetra nanaiky nampiasan\'ny satana izy. Averiko indray fa fivavahana tsy mari-pototra no nandehananao ka ny fivavahana rehetra no ataonao safo-bemantsina. Aza mandaniandro manova ny sainay fa matoa mitsangana daholo ireo olona rehetra ireo dia efa nomen\'Atra talenta avy ianao koa no anisa\'izany saingy ianao nivadika ka lasa backslider sy fornicater.
35. LazaDaddy ( 13/11/2006 02:23)
Andao hajanona amin'izay ito adihevitra ito fa asan'i Satana. Miala tsiny @ izay tohina fa tena asan'i Sataa ito mba handrebirebena izay mareforefo.

Tsy izay milaza azy mahafantatra an'izao fivavahana rehetra izao no atao hoe mpanompon'Andriamanitra. TSIA!
Vakio ny bokin'i Joba: "[size=14]rehefa nivory ny mpanompon'Andriamanitra dia nivory niaraka taminy teo koa i Satana[/size]" (Daddy translation)
36. prime ( 13/11/2006 10:49)
:wink:
37. dailynews ( 13/11/2006 15:53)
izaho koa reto dia efa sady tsy hamaky intsony izay lazainy no tsy hamaly intsony.
38. prime ( 14/11/2006 14:59)
:{:{:{
39. tsimiandravola ( 14/11/2006 22:43)
LazaDaddy:

Andao hajanona amin'izay ito adihevitra ito fa asan'i Satana. Miala tsiny @ izay tohina fa tena asan'i Satana ito mba handrebirebena izay mareforefo.
Vao tsy ela akory aho no niresaka ny fomba fanompana sy fitenenan-dratsy ara-pomba kristianna ,dia io indray ,ary io sahady fa miseho indray ny porofo.Voaozona sy voaompa ho satanika izay tsy mifanaraka amin'ny fisainan'ny kristianna.Kanefa raha atao ny raisonnement mitovy amin'ny an'izy ireny dia izy mihitsy no satana satria satana=accusateur et adversaire.Ka iza no adversairen'ny fahamarinana sy ny fahazavantsaina?Ary iza no accusateur fa tsy i LD sy ny toa azy ???
Tsy izay milaza azy mahafantatra an'izao fivavahana rehetra izao no atao hoe mpanompon'Andriamanitra. TSIA!
(Daddy translation)
Miala tsiny aho fa tsy nilaza na niseho ho mpanompon'andriamanitry ny Kristianna mihitsy.

Marihiko koa fa ny resaka atao amin'ny kristianna dia miafara amin'ny toy izao foana satria ry zareo dia efa manana an'IREO OMPA VARIRARAKA "pret à cracher" IREO.Ka izy ireo dia efa voasoratra ao amin'ny Baiboly fa tsy foronina intsony.

Amin'izay indray,tsy vitan'ny ompa ihany fa mbola ao koa ireo "incitation au meurtre" isan-karazany ,sy ny fanavakavaham-bolon-koditra sy fanandevozana (resaka taranak'i Cham =mainty voaozona ho andevon'ny taranak'i Jafeta=fotsy...).

Allez!Défendez-vous!:-D


40. Zina ( 16/11/2006 04:04)
xxx [ Valio ] 13-11-2006 02:25:59
Lohateny : Re : Agnostika
Maro ny finoana hitanao sy nandalilininao saingy indrisy nanara-drenirano ianao ary tsy hafanenjika amin'ny finoana hafa aho fa izahay dia samy mahalala ny tena fivavahana.Tsy omeko tsiny ianao fa tany amin'ny fivavahana izay tsy izy no nandehananao. Pastera dia olombelona toy isika saingy be ny mpamingana azy noho izy mpitondra fivavahana, be mpitsikera, be fahavalo, toy ny rehetra nanaiky nampiasan'ny satana izy. Averiko indray fa fivavahana tsy mari-pototra no nandehananao ka ny fivavahana rehetra no ataonao safo-bemantsina. Aza mandaniandro manova ny sainay fa matoa mitsangana daholo ireo olona rehetra ireo dia efa nomen'Atra talenta avy ianao koa no anisa'izany saingy ianao nivadika ka lasa backslider sy fornicater.

zany ka olona tena manana fahendrena avy any @ Andriamanitra mihitsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4352