adoption

1. mpanakiana ( 24/10/2006 13:24)
Bnjr!!saika mba mila fanampiana aminareo aho ra azo atao fa izay no mahanamana;
Tsy zany fa zao mba zvtr saika hanontaniako,za mipetraka aty france fa saingy ny casko clandy aho eto efa 4ans d zao nahita lalana ny fianakaviako zany we misy ol anjanaka ahy(zany we novana ny anrako sy ny momba ahy reetra) d ry zareo any mikarakara ny ttsy reetra d refa vita hono d alefany aty ary izaho aty no mampiditra ilay dossier mba ahamora vita azy,ka ilay fanontaniako eo mihitsy we
izahako zay tsy manana ttasy iny ve afaka mitondra sy manaraka iny dossier iny sa in ny ataoko @ zay??
Sa d we tsy maintsy mody,ary possible ko v ra anontaniany ny nidirako teto? nefa ra izany ilay anarako talou no nidirako teto t@zay ka mety hitonotena aho!! D misaotra mialou @ valinteninareo
répondu par fijo le 10/11/2006 22:11
2. Fiffi ( 24/10/2006 14:06)
mpanakiana: manontany ny hevitrin'ny namana enao de mba hamaly aho ! Raha zah aloha no eo @ toeranao de tsy miditra @ zany aho satria nahoana ?

-satria zao : ny marina , dia marina hiany ! ary tadidio tsara fa misy farany daholo ny zavatra hatao rehetra .
-Tsy dien'zao no hivoahan'ny marina fa ao aoriana kely ao !
-Raha tena hoe légale zao zavatra izao de aleo tsotr'zao tondé manantona avocat , miakatra tribonaly de le olona hanangana anao no hikarakara ny zava-drehetra !
-Mba @ fomba ahoana moa no handehananao hanova ny momba anao rehetra raha tsy miakatra tribonaly io ?

-Ary tadidio tsara fa ny fananganan-jaza de ny zaza mbola mineur no tena (Mety ho heken'ny juge) fa efa olon-dehibe teraka en 1976 ve zany ve tsy tondé hampisy enkéty be ? sady @ zay tsy maintsy hisy trace foana io na rahoviana na rahoviana ! sady indrindra fa hoe efa klandy zany ianao an! Aleo mitandrina hiany fa ...

Ianao hiany moa no mahafantatra zay hataonao fa zah mba manomé ny hevitro fotsiny an!
3. lost ( 24/10/2006 14:21)
Tsy mahay ny momba anio aho fa mba mandray kely nolazain'i Fiffi eo ambony we;satria zao : ny marina , dia marina hiany ! ary tadidio tsara fa misy farany daholo ny zavatra hatao rehetra " Kanefa tsarovy Fifi fa efa nilaza izy fa clandy d noho izany efa tsy nanao ny marina zay izy eo antrehan'ny lalàna fa aza atao resabaiboly ilay izy fa fanampiana no tadiaviny fa tsy ny fitiavana tehamaly ilay forum akory saotra d mahereza ry mpanakiana fa tsy hisy anakiana anao eo fa mbola anome ny heviny daholo ireo namana ao reo
4. Fiffi ( 24/10/2006 15:00)
lost: asa raha novakianao tsara ny zavatra nolazaiko ka tsy hitako hoe aiza ho aiza no namaliako resaka baiboly tao an!
5. lost ( 24/10/2006 15:37)
Fiffi>> ngah mo za miteny we resabaiboly d tsy maintsy hisy ny @ anaran'ny ray sy resak'Andtra ao fa ny fomba famalinao lay we;"ny marina,dia marina ihany!ary tadidiho tsara fa misy farany daholo ny zvtr atao rehetra"!Io teny nosoratanao io no nanitikitika ahy fa d niteny aho we fa mihevitra ny tenany ho anjely v i raFiffi ka mitomany zao fahamarinana andro aman'alina zao ee!!hevitra no abngatahany fa tsy fampitahorana fa refa tsy misy hevitra avoaka ry Fiffi aza mameno isa sy miteniteny fona fa tssss!!
avoay eo zao zay lalàna milaza fa tsy azo mananganjaza ny oul 1 ra tsy mineur iany mba tiako ho hita fa tsy mahalala!!
6. Fiffi ( 24/10/2006 16:40)
lost:
avoay eo zao zay lalàna milaza fa tsy azo mananganjaza ny oul 1 ra tsy mineur iany mba tiako ho hita fa tsy mahalala!!
de mandehana maka renseignement any @ tribonaly ary ianao satria diso daholo zay zavatra lazaiko aminao ! de zarazarao eto !


7. ds ( 24/10/2006 17:22)
Tsy azoko hoe inona no tsy ara-dalàna amin'io fananganan-jaza io.
Inoako fa efa lehibe (majeur) ianao, noho izany raha eto Frantsa, dia fananganana tsotra (adoption simple) no (n)atao.
Araka ny hevitro, dia ny mpanangana (adoptant) no tokony hikarakara ny taratasy rehetra fa tsy ianao... tsy manana taratasy ara-dalàna.
Manaraka izany, raha novaina ny anaranao, dia tsy maintsy manao sora-piankohonana vaovao misy ny anaranao vaovao any Madagasikara. Tsy azo hatao io raha tsy misy didim-pitsarana gasy manaiky ny fampiharana (exequatur) ny didim-pitsarana frantsay izay nampanankery ny fananganana. Mahereza fa mbola lavitra ny ezaka...
Marihiko fa tsy miova ny zom-pirenena zakaina rehefa voatsangana.
8. kitjo ( 24/10/2006 17:41)
marina ihany aloha ny an fiffi fa sao hitolo-tena any kosa e!

ka raha ianao ary no andeha ho any, ny taratasinao tsy aradalana no any aminao, ny dossier hoentinao hokarakaraina anefa mety misy sary ka raha hitany eo dia akory atao?

sady maninona raha manao ny aradalana fts e?
marina hoe efa tafiditra fa zay nge le mahavoa antsika .... e!
9. andry08 ( 24/10/2006 17:47)
Tena marina io satria ny olona tsotra sy manana paps ara-dalana aza dia mbola hanaovana enquêtes be mahatsiravina vao afaka manangana, koa maika ve fa hoe tsy ara-dalana? Ka na matahotra na tsia anie dia rehefa marina dia marina aty ary rehefa tsy marina dia tsy maintsy mipoitra e!
10. mpanakiana ( 24/10/2006 17:54)
Ilay olona anangana ahy any dago,izaho aty !!
Hoy kitjo;"ny dossier hoentinao hokarakaraina anefa mety misy sary ka raha hitany eo dia akory atao?"
Sarin'iza no @ lay dossier?
Satriko ny anao ny aradalana fa saingy hainareo iany
we @ fomba aona no ahazoanao ttasy @zao fotsiny?
Ka eo no ilaiko ny fanampianareo fa na izahako aza mahatsiaro isolé ato @ lay oul mampiasa noho lay situationko,
Ka ra mba misy azonareo anampiana ahy d mba alefaso amiko mivantana na zarao eto fa tsy maninona(tsy arabola fa ny tokony ataoko sy ny lalana alehako)
Misaotra mialoha
11. Fiffi ( 24/10/2006 17:59)
ds:
Tsy azoko hoe inona no tsy ara-dalàna amin'io fananganan-jaza io.
ds: ny olana @ io ? tsy hoe ny fananganan-jaza ange no tena olana eh ! fa ny hoe olona tsy nanana paps izy efa nandritrin'ny 4 taona ! Ka raha niklandy izy nandritrin'zany fotoana rehetra zany de tsy hisy fanontaniana sy enkety ve ? Na dia hoa hiova anarana @ le olona hanangana azy ? de eo no nolazaiko hoe raha toa ka mbola olona mineur de tsy de hahitana olana loatra fa olona sady tena efa firy taona no efa klandy zany an! tsy maintsy hisy ny enkety rehetra na de ny hoe ny fomba hanaovana an'le fananganana fotsiny hiany aza ! tsy normal ve zany ozy nareo ?
lost: mba diniho hiany ity vavanao fa tsy hitako zay hidiran'ny hoe mihevitra ny tenany ho anjely v i raFiffi ka mitomany zao fahamarinana andro aman'alina zao ee!!:evil::evil::evil::evil:


12. kitjo ( 24/10/2006 18:18)
mpanakiana> azoko tsara!
fa ilay dossier hokarakarainao io momba ilay fananganana anao?
io manko no noeritreretiko hoe sao misy sary @io dossier ho eterinao sy ho arahinao any io ka ho voamariky ry zareo hoe :"tsy ianao ve ity"?

za aloha ry reto vendrana be fa tsy nahalala aho h@ zay hoe hay ny majeur koa azo adopter-na?
13. andry08 ( 24/10/2006 18:50)
Mba jereo hoe ny art361, misy jurisprudence eo ambany eo(6)
14. caprio ( 24/10/2006 21:58)
mpanankiana:Araka ny lalàna aloa ao madagascar dia tsy mihoatra ny 12taona ny zaza atsangana raha tsy we atao risoriso angaha,dia ny manaraka izay indray dia mbola najanon'ny fanjakana aloha @izao fotoana izao ny fananganan-jaza fa mbola misy zavatra kely ovaina ary mety @iny taona manaraka iny vao mivoaka ny didy vaovao momba ny fananganan-jaza.tsy we nofoanana akory fa misy fanovana kely fotsiny satria tsy manana droit manafoana anio ny fanjakana na ny firenena ny antony dia ny zaza kamboty ray sy reny dia manana droit atsangan'olona ary lalàna eran-tany io ka tsy azo foanana mintsy ny fananganan-jaza
15. ds ( 24/10/2006 22:46)
Tsy mbola ampy ny fanazavan'i mpanakiana :
- gasy sa frantsay ny mpanangana ?
- lalanan'iza no ampiharina (gasy sa hafa) ?
Eo amin'ny lalàna gasy sy frantsay dia mitovitovy ny fananganana tsotra :
N'iza n'iza afaka manangana izay tiany raha mahafeno ny fe-petra momba ny fananganana. Tsy tafiditra ao anatin'io ny resaka fananana taratasy ara-dalàna na tsia (titre de séjour).
Ny an'ny gasy any amin'ny mpiandraikitra ny sora-piankohonana no atao ka tsy maintsy manatrika ny hatsangana. Ny an'ny frantsay kosa mandalo tribonaly.
caprio:
Araka ny lalàna aloa ao madagascar dia tsy mihoatra ny 12taona ny zaza atsangana raha tsy we atao risoriso angaha
Toa tsy marina io raha fananganana tsotra no hatao sa efa niova ny lalàna ?
16. fijo ( 24/10/2006 22:51)
ds tsarovy fa ny adoption simple dia tsy ahafahanao manova anarana an.tandremo.
tsimaintsy adoption juridique vao hafaka manao izany.ka eto le izy sarotra.
marihina fa misy karazany roa ny adoption:
adoption simple sy
adoption juridique.

ny adoption simple dia tsy mamafa ny fifandraisanao amin'ny tena ray amandreny biologika.ilay mpanjanaka eto dia manampy fotsiny,ohatra ny fianarana sns.
fa mbola mandova ny rainao enao (ohatra io an)
fa ny adoption juridique kosa ,dia mamafa ny fifandraisanao amin'ireo raiamandrny biologika.
ka raha tsy tian'ilay mpanjanaka ohatra ny ahitanao ry tena raiamandreninao,dia zoany tokoa izany.
17. fijo ( 24/10/2006 22:53)
raha hanandrana ihany enao,dia ilay mpanjanaka no tokory sy tsara kokoa raha ny fanarahana ny dossier fa tsy enao.
nefa moa ny adoption simple tsy ahafahanao manova anrana izany ka sarotra be
18. ds ( 24/10/2006 23:17)
fijo:

ds tsarovy fa ny adoption simple dia tsy ahafahanao manova anarana an.tandremo.
tsimaintsy adoption juridique vao hafaka manao izany.ka eto le izy sarotra.
marihina fa misy karazany roa ny adoption:
adoption simple sy
adoption juridique.

Amin'ny lalàna inona aloha e ? (gasy sa frantsay). Amin'ny frantsay, afaka mitondra anarana roa na ny anaran'ny mpanangana irery raha manaiky izy.
Raha ity raharaha ity aloha dia fananganana tsotra ihany no mety satria olon-dehibe no kasaina hatsangana.
19. ds ( 24/10/2006 23:24)
Hadinoko teo :
raha tsy diso aho, amin'ny lalàna gasy, dia afaka mangataka fanovana anarana indray mandeha ny olon-dehibe gasy, izay tsy misy idiran'ny fanaovana fananganana.
20. Fiffi ( 25/10/2006 05:49)
http://www.famille.gouv.fr/doss_pr/inauguration_afa/dossier_de_presse.pdf http://www.gov.mb.ca/fs/cfsmanual/1.6.0.fr.html jereo hiany aloha ireo sao de misy mahasoa anao !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4972