Mankaiza ny Kristianina rehefa maty?

1. mbelotavao ( 08/10/2006 23:43)
Voalaza ombieny ombieny fa misy izany fanahy izany miakatra any an-danitra rehefa maty ny Kristianina iray . Inona marina io fanahy io ?
répondu par prime le 01/12/2006 11:00
2. bimanoa ( 09/10/2006 05:02)
ilay fanahy maha-olona.
'Izaho mino ny fitsanganan' ny tena @ maty, ny fiainana mandrakizay '
3. Fiffi ( 09/10/2006 05:57)
4. lapino ( 09/10/2006 06:08)
mbelotavao, inona no havalinao raha ipetrahan'ny fanontaniana hoe "manam-panahy ve ianao?".
Raha hiresaka fanahy dia aza mieritreritra zavatra "rationnel" aloha, fa mbola tsy takatry ny siansa izany tsinona hatramin'izao.
i Soanja angamba no mahafantatra zavatra betsaka momba ny andraisan'ny olona avy atsy na avy aroa ny atao hoe fanahy. Efa nisy resaka betsaka momba an'izay manko teto.
5. caprio ( 09/10/2006 11:29)
io fanahy io irery no tsy hitovizan-tsika @zava-manan'aina rehetra ,fa ny fanahy no maha-olona fa raha tsy manana an'io fanahy io enao dia tahaka an'ireny biby ireny ka io fanahy io ilay tsy mety maty raha manao ny fahamarinana sy manaraka ny didin'Andriamanitra hianao
6. Ilo ( 09/10/2006 11:33)
Tsy mety maty io fanahy io na kristianina ianao na tsia, fa na izy hijaly mandrakizay any @ farihy mirehitr'afo... na ho sambatra mandrakizay.
(Ex: Fanoharana nataon'i Kristy mikasika an'i Lazarosy sy ilay mpanankarena)
7. prime ( 09/10/2006 11:56)
:wink:
8. cristal ( 09/10/2006 13:50)
(l)(l)(l)Misaotra an'i ILO,aho aloha e!
Raha ny momba ny fanahy dia nampianarina tsara hoe,io lay fofonaina nataon'Andriamanitra ny olona mba hiavahany amin'ny biby,io ihany koa no tsy azon'ny devoly potehina,satria tsy ahiny ny manao azy,ny olona indray refa maty dia hoany an-danitra daholo hotsaraina ka refa afaka ny tohatra fito(7)refa miala eto an-tany(maty)ny anjely no mitondra amin'io fotoana io an!Dia samy tonga any an-danitra fa refa vita ny fitsarana na ianao mankany amin'ny farihy mirehitra afo,na mankany amin'ny paradisa izay miankina @ atao eto an-tany ihany!
Mitovy avokoa ny olona refa any an-danitra fa tsy misa zany hoe nanofy nahita an'i dada aho nefa i dada efa maty,eo amin'ny fotoana fitsarana vao ampetrak'Andriamanitra ny tarehin'ny ts11,ny nofy dia asan'ny devoly satria ny olon'Andriamanitra dia miaina amin'ny fahaveloman'i Kristy fa tsy mivelona amin'ny nofy"zahao toetra ny fanahy"fa misy fanahy mamitaka!Veloma daholo ary dia maztoa mamaky bile fa ao no ahitana ny fiainana tonga lafatra aza mifamaly amin'ny tsy mahalala fa refa tonga ny fitsarana dia ny velona sy ny maty dia samy hotsaraina avokoa,na maty aram-panahy io na maty ara-batana dia miomana fa tsy maintsy hisy koa ny velona eto an-tany nefa tonga Kristy hitsara!(l)(l)(l)
9. Zina ( 10/10/2006 02:01)
Ny maty dia ao am-pasana tsy mihetsika ao raha tsy izany tsy misy ilay famadiana raha tsy mbola ao ilay taolana (tsy misy lasa any an-danitra). Ny fanahy lasan'Andriamanitra dia ilay fofon'aina izay nanaovan'ny olombelona tamin;ny nanaovana azy.
10. xxx ( 10/10/2006 09:08)
Ny fanahy samy manana rehefa olombelona ary marina avokoa ny famaritana voalaza teo ambony! ny momba ny fiakarany na tsia any an-danitra indray dia samy manana ny filazany( ao ny miteny hoe: ny fanahy manao ny tsara tonga dia miakatra any an-danitra miandry ny fitsarana azy,ao koa ny oe ireo fanahin\'ny olona manao ratsy na ny maty tampoka nisy namono ohatra, d tsy mbola tafakatra any fa miriaria ety ka mahatonga ny hoe lolo,... reny e!)ka lalina loatra io ry reto a! fa tsy aleo ve miandry d manao ny tsara foana eto an-tany, d mitana mafy ny finoany d rehefa tonga ny anjaranao d eo enao mahita azy ary ho voavaly ny fanontanianao?fa matoa tsy mbola voavalin\'ny velona oe ahoana marina ny fandehany any dia samy manana ny fandraisany azy foana io!
11. mbelotavao ( 11/10/2006 17:04)
Misaotra antsika rehetra namaly ny fanontaniana.Samy hafa daholo ny voalazantsika .
Cristal>>> Aiza ao @ Baiboly ny milaza izany tohatra fito mankany an-danitra izany fa tsy hitako?
12. cutie ( 11/10/2006 20:19)
mitovy hevitra :lol:@xxx
13. prime ( 13/10/2006 09:00)
Misy teny telo mila fakafakaina kosa aloha vao mety hazava ity fanontaniana ity...

"kristiana", iza no tiana lazaina @ hoe kristiana? ny fanahin'ny kristiana rehetra ve miakatra any an-danitra?...

d inona ilay "fanahy"? (nisy lohahevitra lavab izay nentin'i soanja manazava @ antsipiriany ny atao hoe "fanahy")...

d inona no atao hoe "maty"?
14. Fiffi ( 13/10/2006 18:10)
sarotra valiana zany fanontaniana zany an!
15. cutie ( 13/10/2006 20:20)
kristiana", iza no tiana lazaina @ hoe kristiana? ny fanahin'ny kristiana rehetra ve miakatra any an-danitra?...

nga moa tsy efa voalaza hatramizay ny atao we kristiana:lol::lol::lol:
ohtran'ny efa voavaly ao daholo ny fanontanina'i prime :lol::lol::lol:
16. mbelotavao ( 14/10/2006 05:00)
Ity misy fanazavàna hanomboantsika ny tena hadi- hevitra mba hahafantarana izay tian’ ny baiboly lazaina marina .
Voalaza ao @ Gen 2: 7 , fa mazava ho azy fa rehefa velona ny olona dia manam- panahy satria hoy ny Ntaolo hoe : Ny fanahy no maha olona .
Rehefa maty indray ny olona dia < vovoka - fofonaina = olona maty > Maty ho azy indray izany ny fanahy rehefa maty ny olona , fa voasoratra hoe :
Fehiny :
Rehefa maty ny olona dia ny vovoka miverina @ tany ary ny fofonaina miverina any @ Atra .
Ahoana ny hevitrareo momba izany ?
17. Fiffi ( 14/10/2006 15:08)
Mankaiza ny Kristianina rehefa maty? io ny fanontaniana mipetraka !
-Iza no tena afaka mamaly an'io ?

-Mankaiza marina rehefa maty ?

-Koa satria samy mbola velona daholo isika de amiko aloha de tsy misy afaka mamaly an'io afatsin'ny hoe ny finoana hiany ! Maty i Jesoa ary nihakatra any an-danitra . Velona Izy ! ary isika Kristianina ?










18. Zina ( 15/10/2006 00:32)
Mankaiza marina rehefa maty ?

fiffi a,
rehefa maty dia AO AMPASANA
isika eto antany dia mpanota doly na nanao asa tsara na nanao asa ratsy dia maty ao am-pasana daholo, tsy misy mandeha na aiza na aiza...
ny insisteny i mbelotavao ilay nolazaiko etsy ambony
Voalaza ao @ Gen 2: 7 , fa mazava ho azy fa rehefa velona ny olona dia manam- panahy satria hoy ny Ntaolo hoe : Ny fanahy no maha olona .
Rehefa maty indray ny olona dia < vovoka - fofonaina = olona maty > Maty ho azy indray izany ny fanahy rehefa maty ny olona , fa voasoratra hoe :
Fehiny :
Rehefa maty ny olona dia ny vovoka miverina @ tany ary ny fofonaina miverina any @ Atra

Koa satria samy mbola velona daholo isika de amiko aloha de tsy misy afaka mamaly an'io afatsin'ny hoe ny finoana hiany

Afaka mamaly an;io tokoa moa isika ao amin'ny baiboly ny valiny io.
19. xxx ( 15/10/2006 10:35)
Amiko alou;Ny oul refa maty de makany any fiainana madrakzay na @afo be!na izy eo @antenatenany(miandray fitsarana io)!
20. Ilo ( 16/10/2006 12:52)
Ny kristianina rehefa maty dia ny fanahiny mankany amin'Andriamanitra ary ny vatany miandry ny fitsanganana @maty.
1Tes4:
16
Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha;

17 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0081