Mankaiza ny Kristianina rehefa maty?

41. juluka ( 13/11/2006 05:31)
Rehafa maty ny kristiana dia mitovy am rehetra ihany , na alevina any ampasana na dorana. Ny ankoatri'izay mbola tsy nisy nanamarina sy nanaporofo fa lainga sy angano avokoa .
42. prime ( 13/11/2006 08:24)
Mbelotavao> Tsy izy ireo ihany no efa any an-danitra fa maro no efa nialoha lalana azy ireo... aza adino fa ny Mpaminany toa an-dry Elia na ry Mosesy efa ela no nalain\'Andriamanitra mivantana niakatra... Elia aza moa dia niaraka t@ kalesy no niakarany... Raha tsy hiresaka an\'ilay jiolahy niara-nohomboana t@ Jesosy fotsiny ihany aza...

Raha maty Jesosy dia tsy nitoetra tao am-pasana fotsiny... ny vatany no nitoetra tao fa Izy nidina nankany @ fiainan-tsi-hita ary azo inoana fa nitory t@ olona rehetra tany amin\'izany toerana izany ihany koa (nandritra ny telo andro sy telo alina) satria Izy efa niteny fa raha ho avy Izy hitsara (@ andro ihaviany), tsy hisy intsony olona na dia iray aza hiteny hoe tsy mbola hainonay izany na mbola tsy nisy nitory taminay ny anarany... Fa Jesosy tsy notoriana ho an\'ny olona taorian\'ny nidinany teto an-tany ihany fa ho an\'ny olombelona rehetra (ho an\'ireo izay maty rehetra talohan\'ny nidinany koa)...

Manasa anao hamaky ireto amin\'ny anaran\'i Jesosy :
Matio 27:50-53 \"50 Ary rehefa niantso tamin\'ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny. 51 Ary, indro, ny efitra lamba tao amin\'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy; 52 ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin\'ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana, 53 ka nivoaka avy tao amin\'ny fasana ireo taorian*\'ny nitsanganan\'i Jesosy, dia nankao amin\'ny Tanàna Masina ka niseho tamin\'ny maro.[*Na:ary taorin\',etc]\"

Averiko indray mandeha, ny atao hoe fiainan-tsi-hita dia tsy fasana velively fa fiainana ankoatr\'izao hita maso rehetra izao, lazain\'ny soratra masina koa hoe : seola na hadesy na helo... (farihy mirehitra afo sy solifara hoy ny apokalipsy) ary tsy misy ifandraisany amin\'izao hita maso izao intsony no tsy misy ifandraisany amin\'ny velona rahateo intsony koa izay lasa any rehetra... kanefa samihafa ny toerana atao hoe \"fiainan-tsi-hita\" sy \"paradisa\" na ilay \"jerosalema vaovao\" ambaran\'ny apokalipsy...

Ny zavatra toy itony ry mbelo matetika tsy dia resahina loatra noho ny antony ara-panahy satria finoana no fototra ao aminy ka raha mbola zatra ronono ny olona hoy ny soratra masina dia aleo aloha ronono ihany no fahanana azy... fa ianao fantatro fa olon\'ny finoana ka te handalina... fa saiky tsy hitondra izao fanazavàna izao mihitsy aho satria sarotra ny handray azy raha tsy mivelona amin\'ny tenin\'Andriamanitra mihitsy ka mandray izany ho tena sakafo mahavelona isan-tsegondra mihitsy aza...
43. mbelotavao ( 15/11/2006 17:59)
prime:
Raha maty Jesosy dia tsy nitoetra tao am-pasana fotsiny... ny vatany no nitoetra tao fa Izy nidina nankany @ fiainan-tsi-hita ary azo inoana fa nitory t@ olona rehetra tany amin'izany toerana izany ihany koa (nandritra ny telo andro sy telo alina)

Aiza ny toko sy andininy manambara an'io ao @ baiboly?
Misaotra fa mbola eo ampadihina ilay Lioka 16 sy Mat 27 aho izao.
44. prime ( 16/11/2006 10:32)
"(Ary ny amin'ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina* ho any ambanin'ny tany koa? [* Na: (nidina aloha)]" Efesiana 4:9

"dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. [* Gr. Hades]" Apokalypsy 1:18

"Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy]" Apokalypsy 20:13

"ka nanao hoe: Ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana." Lioka 9:22

"ka hatolony amin'ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin'ny hazo fijaliana; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy." Matio 20:19

"Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro fahatelo." Matio 16:21

"ka hovonoiny, nefa amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary dia nalahelo indrindra ireo." Matio 17:23

"Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita*, Eny, midina ho any amin'ny efi-tranon'ny fahafatesana.[Heb. Sheola]" Ohabolana 7:27

"Midina any amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita* izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny vovoka aho.[Heb. Sheola]" Joba 17:16

"Ny tongony midina ho any amin'ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb. Sheola]" Ohabolana 5:5
45. mbelotavao ( 17/11/2006 04:33)
Eny e! Jesosy izany nankany @ fiainan-tsihita e! fa ny hoe mbola nanao asa-fitoriana izy tany no tsy hitako ao anaty baiboly mihitsy.
46. prime ( 17/11/2006 08:14)
Ny hoe ao anaty baiboly nitory filazantsara Jesosy tany dia tsy misy filazàna izany... fa ny mitoetra dia nidina teto an-tany Jesosy hamonjy ny very... ary ny fiainan-tsy hita izay nampitahotra nandritra ny fotoana ela dia Kristy no nanokatra ny vavahadin\'izany... marina fa tsy voateny ao anaty baiboly ny nataon\'i Kristy tany @ fiainan-tsy hita fa ny azo antoka dia tsy naka aina koa aloha no nalehany tany ary voalaza rahateo fa Kristy no lahimatoan\'ny fitsanganana @ maty... fa raha natao ho an\'ny velona ihany no nahatongavan\'i Jesosy t@ izany, ireo maty nihidy tao @ fianan-tsy hita hatr@ niforonan\'izao tontolo izao izany tsy mba nanana anjara t@ asam-pamonjena vitany?
47. mbelotavao ( 20/11/2006 04:23)
Prime>> 1 Pet 3:18-20 ve no tianao ambara ?
48. prime ( 21/11/2006 11:01)
Ie anisany io fa misaotra anao...
49. mbelotavao ( 22/11/2006 03:01)
Andao ary ho dinihintsika amin'izay, manomboka amin'ny Lioka 16 .
50. prime ( 22/11/2006 08:35)
:) ento ary...
51. cutie ( 22/11/2006 21:01)
kay ve i prime efa manana namana mpandinika baiboly ato de za njay no adalaina ary :lol:
52. prime ( 23/11/2006 15:15)
cutie> zà angaha akia nanadala an-dry? zà aza miteny hoe ndao hiaraka handinika kooo...:lol:
53. mbelotavao ( 28/11/2006 03:53)
ANDAO ARY HO JERENTSIKA RAHA TENA TANATARA TENA NISY IZY ITY ,IZANY HOE ARA-BAKITENY NA FANOHARANA .
Andao ary ho lazaina fa tena nisy marina :
-Afaka mifampiresaka izany ny olona any an-danitra sy ny fiainantsihita.
-Mahita ny fandoroana any @ hadesy ny any @ paradisa.
-Maheno ny fitarainana any @ hadesy ny any @ paradisa.
-Ny fanahy eto dia manana rantsam-batana tahaka ny tànana sy lela sns…………
-Be velarana ny tratran’I Abrahama ka antonona olona maro, dia ireo izay lasa any an-danitra.
-Rano indray mitete dia efa ampy hapangatsiaka ilay mpanankarena ve.
-Tsy lavitra ny hadesy ny lanitra fa afaka mifankahita maso avokoa ireo fanahy any.

Valiny:

-Mbola afaka mifampiresaka ve? Fa vosoratra hoe:Mpito9:10b < Fa tsy misy asa na hevitra na fahalalana , na fahendrena any @ fiainantsihita izay halehanao >

-Tsy malahelo ve ry Abrahama sy ireo olona maro be eo an-tratrany mahita ny havany doroana andro aman’alina tsy misy fitsaharany nefa voasoratra hoe : Apôk 21:4

-Ny fanahy eto dia lazaina fa manana ratsam-batana , midika izany fa ilay olona misy vatana mihitsy no lasa any @ fiainantsihita nefa jesosy ihany no niteny fa < ho avy indray haka anareo ho any amiko, ka izay hitoerako no hitoeranareo koa> Jao 14 :3 Tsy mifanohitra ve izany.
-rano indray mitete ve dia mahafaka ny fanaintainana any @ afo-be?
-Lazaina fa hoe midina any @ fiainantsihita ary miakatra ho any @ Paradisa kanefa eto dia mifankahita

FEHINY
Fanoarana hakana lesona fotsiny izany io fa tsy tantara nisy marina.
Misy lesona lehibe telo izay tian’i Kristy ho raisintsika. Ny jiosy dia mino fa ny harena dia mariky ny fankasitrahan’A tra. Raha misy olona manan-karena dia efa nankasitrahan’Atra izy ary voavonjy .
Raha misy olona mahantra indray , araka ny finoan’ny jiosy dia midika ho sazin’Atra .
Nahitsin’I Kristy izany fampianarana izany:

1- Ny harena azo @ tsy rariny sy fitsetsefana ny madinika dia tsy ankasitrahan’Atra . Tsy ratsy akory ny harena . Ireo patriarka dia nanan-karena , ary nentiny nanompoana an’Atra .
Ny toherin’I Kristy eto dia ny harena azo @ tsy rariny . Raha misy harena azo @ fangalarana na fandrobana dia tsy ankasitrahana .

2- Ny fanoharana dia milaza fa misy elanelana mampisaraka an’I Lazarosy sy Abrahama . Ny tiana hambrara @ izany dia izao , rehefa maty ny olona dia voafaritra eo mandrakizay , tsy misy zavatra azo ovana intsony fa naizy ho voavonjy na izy ho very @ andro farany
3- Nasehon’ i Kristy fa raha mitsipaka ny fampianaran’ny tenin ‘Atra ny@ famonjena ny Fariseo dia hitsipaka izany ihany koa izy na dia hisy zava-mahagaga aza ,toy ny fananganana@ maty . Nangataka fahagagana mandrakariva ireo Fariseo ary nanao izany Kristy. Natsangana t@ maty I Lazarosy kanefa na dia izany aza dia mbola tsy nino ihany izy ireo.
54. prime ( 28/11/2006 10:21)
Mbelotavao> misaotra anao...
> Marina ny fanamarihana ambaranao fa mikasika ny harena sy ny mpanan-karena ary fitiavan-karena no fototra niaingan'i Jesosy ny fampianarana tamin'ity tantara ity...

> Maro koa nefa no zava-miafina nasehon'i Kristy t@ ity fampianarana iray ity ka tsy nihambahambany nanehoany mazava ny tohin'ny fiainana aorian'ny fahafatesana

> Ny fahamarinana na tsia ny tantara dia an'i Kristy fa Izy rehefa mampianatra, na manao faminaniana, na manao fanoharana, na mitory teny dia miainga @ zava-nisy sy ny zava-misy ary ny zavatra hisy fa tsy mamorona vely2

Fanamarihana:
> ny fiainan-tsy hita no ambara ao amin'ny andininy vitsy ao @ lioka 16 fa tsy paradisa akory...
araka ny voasoratra hoe: "22 Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina; 23 ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy]" Lioka 16:22-23

> ny fiainan-tsy hita dia mbola voalaza fa voasaraka ho toerana roa ny any... araka ny voasoratra hoe: "Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala ety, ary ny ho afa-mita hankety aminay izay eny." Lioka 16:26

> ny fiainan-tsy hita dia toerana fitobian'ny maty rehetra mandrapahatongan'ny trompetra farany hitsanganana @ maty ka hitsaràna ny tsirairay

> mifankahita soamantsara ny maty rehetra any ary mifankahalala araka ny fifandraisany teo @ firaha-monina fahavelony...

> ny fisian'ny fiainan-tsy hita no manaporofo fa tsy misy intsony ny fifandraisan'ny velona sy ny maty araka ny fangatahan'ilay mpanankarena hanirahana an'i lazarosy hanambara amin'ny rahalahiny 5 mbola velona ka nandavana izany ho asan'ny mpitory filazantsara sy ny mpaminany... araka ny voasoratra hoe: "27 Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko 28 (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tonga amin'ity fijaliana ity koa izy. 29 Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy." Lioka 16:27-29
55. mbelotavao ( 28/11/2006 11:25)
Misaotra ry Prime
Mba tantarao fohifohy hoe ry Prime ny tena làlana lehan'ny olona rehefa maty izy ? Fa tsy de mazava amiko tsara ny filazanao.
56. prime ( 28/11/2006 12:00)
Raha ny lazain'ny soratra masina dia miditra fiainan-tsy hita avokoa ny olombelona rehetra rehefa maty... na iza na iza... ary izay maty, na nalevina na tsy nalevina, na kristiana na tsy kristiana dia any avokoa aloha, ankoatr'ireo nolazain'ny Tompo manokana fa efa any an-danitra noho ny antony Azy irery... dia ao no miandry ny fotoana fitsanganana amin'ny maty voalohany,

araka ny lazain'ny apokalipsy 20:4-6 "4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona.5 Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona."
57. Zina ( 28/11/2006 19:35)
prime marina izany
58. Zina ( 28/11/2006 19:46)
ity ko misy tsara iray. I Thes. 4:16-18
Car le Seigneur lui-même, à un signal donné, à la voix d'un archange, et au son de la trompette de Dieu, descendra du ciel, et les morts en Christ ressusciteront premièrement.
4.17
Ensuite, nous les vivants, qui seront restés, nous serons tous ensemble enlevés avec eux sur des nuées, à la rencontre du Seigneur dans les airs, et ainsi nous serons toujours avec le Seigneur.
4.18
Consolez-vous donc les uns les autres par ces paroles.
59. mbelotavao ( 29/11/2006 04:35)
Misaotra...
Samy miandry an'i J.K avokoa izany isika rehetra koa aoka samy hiomana @ fitsenana azy daholo. Mahereza e!
60. prime ( 29/11/2006 08:43)
Misaotra amin'ny fankaherezana dia ho antsika rehetra tokoa mahereza avokoa dia mahareta hatr@ farany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0082