Teny tsy fantam-piaviana

1. dolby ( 20/09/2006 12:50)
Misy maro ireo karazana teny tsy fantam-piaviana fa tongatonga ho azy teny. Eo hoe izay mba mahita mba samy miteny sy manazava ny dikany. Indrindra ireo argo fampiasan'ny tanora.

odoie : ity aloha dia tena tongatonga ho azy teny e; ny dikany mety hoe : zany angaha; ndana mahazo; ntsss ;...

kvindro : alika (biby) no dikany

ngozo : avy amin'ny hoe vozongo (vazaha)

fansa : sosy na vola

kôdy|kôksa : ireo vhv izay tsy fidiny azy ny mivarotra.

... Mba tohizo izay mahita



répondu par sitlo le 03/03/2007 18:11
2. dolby ( 20/09/2006 12:52)
frôma : tsy hay aloha izay nihavian'ity fa dia hilazana fofon-tongotra (fofona fromage angamba no nahatonga azy io)


keta|kodiny|mavo|gala|maizina
: Vola izy ireo keta : ariary roa kodiny : ariary ? mavo: ariary efatra (taloha) gala : 5000 fmg , maizina : 50 000 Fmg ..
3. simplex ( 20/09/2006 14:01)

drala: sosy,
clou: A100,

gretra: manao beloty :P

glita, gloum: gitara

sora: sigara

... : sns :-P:°):-D:-D

:-*:-*
4. miangalyandria ( 20/09/2006 14:07)
misy dikany ireny ka ! adinonareo ny sary sy ny zaza ! roapolo ariary sy ariary folo :-D:-D
5. xxx ( 20/09/2006 15:13)
Koaitra: Kôksa
Gretra: kara-panondro, nefa misy milaza ko hoe gretra=Slip
Vam: fiara
kvà: alika
bokaka - Bera: sipa
frou (frotsaka): vola
6. xxx ( 20/09/2006 16:37)
7. lapino ( 20/09/2006 17:25)
Teny : avy taiza moa no niavian'io teny io? :P:wink:
8. nolalaina ( 20/09/2006 17:35)
kvindro : alika
gidro : guitare
kaoatry : café
mams : paraky
sôra : sigara
dasika : atory (dodo)
déé..... :roll: koklou fa tsy tadidiko doly!! :wink:
9. pissoa ( 20/09/2006 18:40)
bikina: bevohoka.

Tsy haiko io na fantam-piaviana na tsia fa tsy haiko fotsiny ny niaviany :oops::-D:-D:-D
10. simplex ( 20/09/2006 18:55)

dizna: dozy, mamo
gli: jokotra, maty
pra: polisy
nofa, fopla: ratsy, tsy milay

...: sns

:-*:-*
11. nolalaina ( 21/09/2006 17:36)
kox : makorelll
kix : Pihira
kax : euuuuhhh... mikaka!! :-P
:wink:
12. dolby ( 22/09/2006 08:51)
miklapa : mandeha an-tongotra
miramala : mandeha mafy
fango : noana be
13. tigany ( 22/09/2006 09:05)
Teny tongatonga ho azy teo @ fiaraha monina izy ireny ny fahalalako azy, tsy afaka teo ambava n'ny tanora sy ny olona sasan-tsasany ary dia raikitra ho azo tenenina andavan'andro, nefa aoka tsy ho adinontsika fa misy amin'izy ireny no any anaty rakibolana Malagasy an, ohatra omeko Lesbienne sy homosexuel midika hoe Mpanelaka ary nadika tsotsotra hoe pelaka,
14. enteme ( 23/09/2006 11:57)
galasam : malagasy
15. miangalyandria ( 23/09/2006 12:35)
galasam zao fantatra ny niaviany koa, verlan'ny malagasy e ! :-D
16. ravakamalala ( 24/09/2006 17:10)
mipikla : mandeha taxi
ramaka : noana
silaka : vasoka
poinsa : zaka, na hoe tsara, tsy haiko...
17. pissoa ( 24/09/2006 19:33)
kôndrana = pôrina :-D:-D:-D
18. belaza ( 11/10/2006 21:16)
Mivika=adala Pi=toaka maimbo=basy okotra=mamony moly
19. Bakobako2 ( 15/10/2006 16:12)
Ary nahita kosa nareo an ! !

Misambadidaka=mikorotana
Mimonjy = mikaly
mandé 11= mi battre = mandé tongotra
milaiso = mangalatra
micoinsa = mikoainsa e!
andé hanaloka = hijery sônema
manamôly manamôsy mianikazo mipouka midiiiribila . . :-D:-D:-D be mintsy kou razoky an !
20. chipie1 ( 20/10/2006 18:58)
mitapô = mifanena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1343